Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay “Mpihaino Vavaka”

Ilay “Mpihaino Vavaka”

Manatòna An’Andriamanitra

Ilay “Mpihaino Vavaka”

1 TANTARA 4:9, 10

TENA valian’i Jehovah Andriamanitra ve ny vavaka avy amin’ny fo ataon’ny mpanompony mahafoy tena? “Mpihaino vavaka” tokoa i Jehovah rehefa dinihina ny tantaran’i Jabeza, lehilahy iray tsy dia resahin’ny Baiboly. (Salamo 65:2) Fohy ny tantarany ary tsy mahazatra ny toerana misy an’izany, satria ao amin’ilay tetirazana eo am-piandohan’ny Tantara Voalohany. Andao hodinihintsika ny 1 Tantara 4:9, 10.

Ireo andininy roa ireo ihany no miresaka momba an’i Jabeza. Hoy ny andininy 9: “Ny reniny no nanome azy ny anarana hoe Jabeza, fa hoy izy: ‘Narary aho niteraka azy.’ ” * Nanaintaina kokoa ve ny reniny rehefa niteraka azy, ka izany no nifidianany an’io anarana io? Sa izy efa maty vady ka nitaraina satria tsy teo ny vadiny tamin’izy niteraka? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Ho reharehan-dreniny anefa io zanany io. Nety ho nanao izay mahitsy ny iray tam-po amin’i Jabeza, saingy “nahazo voninahitra kokoa noho ny rahalahiny” izy.

Tia nivavaka i Jabeza. Nitalaho ny fitahian’Andriamanitra aloha izy. Nisy zavatra telo nangatahiny avy eo, ary hita avy tamin’izany fa tena nanam-pinoana izy.

Voalohany, niangavy an’Andriamanitra i Jabeza mba ‘hanitatra ny faritaniny.’ (Andininy 10) Tsy mpibodo tanin’olona na mpitsiriritra fananan’olona io lehilahy nohajaina io. Tsy resaka tany loatra angamba no tao an-tsainy. Mety ho nangataka ny hitaran’ny faritaniny izy nefa tsy hila hiady, mba ho maro ny mpanompon’ilay tena Andriamanitra hipetraka ao. *

Faharoa, niangavy i Jabeza mba ‘homba azy ny tanan’Andriamanitra.’ Ny hery ampiasain’Andriamanitra hanampiana ny mpivavaka aminy, ilay tanana resahina eto. (1 Tantara 29:12) Niantehitra tamin’Andriamanitra i Jabeza mba hahazoana izay nirin’ny fony, satria tsy fohy ny tanan’Andriamanitra raha mino azy ny mpanompony.—Isaia 59:1.

Fahatelo, nivavaka i Jabeza mba ‘harovana tsy ho voan’ny loza.’ Toa te hilaza ireo teny ireo fa tsy ny hanalana ny loza manjo azy no nangatahiny. Nangataka kosa izy mba tsy halahelo na ho kivy noho ny faharatsiana.

Hita avy amin’ny vavak’i Jabeza fa nieritreritra foana momba ny fivavahana marina izy, sady nino sy natoky an’ilay Mpihaino vavaka. Ahoana no nataon’i Jehovah? Mifarana toy izao ilay tantara fohy: “Koa nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.”

Tsy miova ilay Mpihaino vavaka. Mahafinaritra azy ny vavaky ny mpanompony. Afaka matoky an’ity teny ity ireo mino sy matoky azy: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Avy amin’ny fototeny mety hidika hoe “maharary” ny hoe Jabeza.

^ feh. 7 Nadika toy izao ny tenin’i Jabeza, ao amin’ny Targoma na ny Soratra Masina nadikan’ny Jiosy tamin’ny fomba hafa: “Tahio aho ka omeo taranaka, ary itaro ny faritaniko ka fenoy mpianatra.”