Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Fanjakana Hanova ny Tany Manontolo

Ilay Fanjakana Hanova ny Tany Manontolo

Ampianaro ny Zanakao

Ilay Fanjakana Hanova ny Tany Manontolo

INONA io Fanjakana io raha fantatrao?... * Izy io ilay nasain’i Jesosy angatahintsika amin’ny vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” (Matio 6:9, 10) Efa ho 2000 taona izao no nivavaka ny mpanara-dia an’i Jesosy, mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa nivavaka momba izany koa ve ianao?...

Ho azonao ny dikan’ny hoe fanjakana, raha fantatrao ny atao hoe mpanjaka. Ny mpanjaka dia olona mifehy vahoaka, ka ny faritany ipetrahan’ny vahoakany no faritra feheziny. Ny tany manontolo no faritra fehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa tonga izy io, dia handray fitahiana maro ny olon-drehetra.

Any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Miresaka momba ny Mpitondra azy io ny Isaia 9:6. Izao no voalaza ao: ‘Misy zaza teraka ho antsika, ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana. Ny anarany dia hatao hoe Andrianan’ny Fiadanana.’

Fantatrao ve ny atao hoe andriana?... Olona ambony izy io, fa ambany noho ny mpanjaka. Iza no Mpanjaka ambony indrindra any an-danitra?... I Jehovah, satria milaza ny Baiboly fa izy no “Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo.” (Salamo 83:18) Matetika i Jesosy no antsoin’ny Baiboly hoe “Zanak’Andriamanitra”, satria i Jehovah no namorona azy. I Jehovah àry no tena Rain’i Jesosy.—Lioka 1:34, 35; Jaona 1:34, 49; 3:17; 11:27; 20:31; Asan’ny Apostoly 9:20.

Hafakely ilay Fanjakan’Andriamanitra. I Jesosy Zanany mantsy no ataon’i Jehovah ho Mpanjaka na Mpitondra azy io. Fantatrao ve fa hisy olon-kafa koa hofidina hiara-manjaka amin’i Jesosy?... Andeha horesahintsika ny momba azy ireo.

Talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’ny apostoliny tsy nivadika i Jesosy fa ho any “an-tranon’ny” Rainy any an-danitra. “Handeha hanomana toerana ho anareo aho”, hoy izy, “ka izay misy ahy no hisy anareo koa.” (Jaona 14:1-3) Fantatrao ve hoe inona no hataon’ny apostoly sy ireo voafidy hanaraka an’i Jesosy any an-danitra?... “Hiara-manjaka aminy” izy ireo. Lazain’ny Baiboly mihitsy aza ny isany: 144 000.—Apokalypsy 14:1, 3; 20:6.

Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany ilay Andrianan’ny Fiadanana sy ireo 144 000?... Tena ho tsara be! Tsy hisy ady intsony. Tsy hifamono intsony ny biby, ary tsy haninona antsika koa. Tsy hisy harary na ho faty intsony. Hahita ny jamba, handre ny marenina, hihazakazaka sy hitsambikina toy ny serfa ny malemy. Hamokatra tsara ny tany, ka ho ampy sakafo ny rehetra. Hifankatia koa ny olona, araka ny efa nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany. (Jaona 13:34, 35) Andao hovakintsika ireto andinin-teny ao amin’ny bokin’i Isaia ireto, dia ho hitantsika ireo zavatra mahafinaritra hitranga eto an-tany ireo.—Isaia 2:4; 11:6-11; 25:8; 33:24; 35:5, 6; 65:21-24.

Olona an-tapitrisany no efa nianatra momba ilay Fanjakana, nanomboka tamin’ny fotoana nampianaran’i Jesosy ny mpianany mba hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Nanova ny fiainan’izy ireo izany. Tsy ho ela dia ho tonga io Fanjakana io ary hisolo ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany. Hiadana sy ho salama ary ho sambatra izay rehetra manompo an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay Mpitondra nofidiny.—Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.

FANONTANIANA:

▪ Iza no Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

▪ Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy?

▪ Hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany i Jesosy?