Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ataonao mba Hahatonga ny Fivoriana Hampahery?

Ahoana no Ataonao mba Hahatonga ny Fivoriana Hampahery?

Ahoana no Ataonao mba Hahatonga ny Fivoriana Hampahery?

‘Rehefa mivory ianareo, dia aoka ny zava-drehetra hatao mba hampaherezana.’ —1 KOR. 14:26.

1. Inona no zava-kendren’ny fivoriana kristianina, araka ny 1 Korintianina toko faha-14?

‘TENA nampahery mihitsy iny fivoriana iny!’ Azo antoka fa efa nilaza toy izany ianao. Tena ahazoana fampaherezana tokoa ny fivoriana kristianina! Tsy mahagaga izany, satria natao hanatanjahana antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fivoriana, toy ny tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany ihany. Nanamafy izany ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Namerimberina nilaza izy ao amin’ny toko faha-14, fa tokony hitovy ny zava-kendren’ny fandaharana tsirairay atao any am-pivoriana. Natao “hampaherezana ny fiangonana” izy ireny.—Vakio ny 1 Korintianina 14:3, 12, 26. *

2. a) Inona no mahatonga ny fivoriana hampahery antsika? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

2 Fantatsika fa ny fanahin’Andriamanitra no tena mahatonga ny fivoriana hampahery sy hianaran-javatra. Noho izany, dia mivavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah isika alohan’ny hanombohan’ny fivoriana mba hahazoana an’io fanahy masina io. Na izany aza, dia fantatsika fa afaka miezaka isika rehetra, mba hahatonga ny fandaharam-pivoriana hampahery araka izay azo atao. Inona àry no azon’ny tsirairay atao, mba ho azo antoka fa mamelombelona sy mampahery foana ny fivoriana fanaontsika isan-kerinandro?

3. Nahoana no zava-dehibe ny fivoriana kristianina?

3 Mba hamaliana izany, dia handinika zavatra sasany mila tadidin’ireo mitarika fivoriana isika. Hodinihintsika koa izay azon’ny fiangonana atao mba hahatonga ny fivoriana hampahery ny mpanatrika rehetra. Mahaliana antsika izany satria fivoriana masina ny fivoriantsika. Tapany lehibe amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny famonjena fivoriana sy ny fandraisana anjara amin’izany.—Sal. 26:12; 111:1; Isaia 66:22, 23.

Fivoriana natao hianarana Baiboly

4, 5. Inona no zava-kendren’ny Fianarana Tilikambo?

4 Tiantsika rehetra ny handray soa betsaka avy amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro. Mba hahatakarantsika ny tena zava-kendren’io fivoriana io anefa, dia hodinihintsika ny zavatra sasany niova tamin’ny Tilikambo sy tamin’ny lahatsoratra fianarana.

5 Voamarikao ve fa nisy zava-dehibe nampiana eo amin’ny fonon’ny gazety fianarana, nanomboka tamin’ny 15 Janoary 2008? Jereo ange ny fonon’ny gazety eny an-tananao e! Misy sarina Baiboly mivelatra eo ambanin’ilay sarina tilikambo. Asongadin’izy io hoe nahoana isika no mianatra Tilikambo. Natao hianarana Baiboly izy io. Ny Tenin’Andriamanitra tokoa no ‘velabelarina’ mandritra ny Fianarana Tilikambo fanaontsika isan-kerinandro, ary ‘hazavaina’ toy ny tamin’ny andron’i Nehemia “ny heviny.”—Neh. 8:8; Isaia 54:13.

6. a) Inona no fanovana natao tamin’ny Fianarana Tilikambo? b) Inona no tokony hotadidina momba ny andininy misy hoe “vakio”?

6 Nisy fanovana natao koa amin’ny Fianarana Tilikambo, satria ny Baiboly no tena ianarantsika. Misy fanamarihana hoe “vakio” ny andinin-teny maromaro ao amin’ny lahatsoratra fianarana. Ampirisihina isika rehetra hanaraka ao amin’ny Baibolintsika, rehefa vakina izy ireny mandritra ny fivoriana. (Asa. 17:11) Nahoana? Misy vokany lalina kokoa amintsika ny torohevitr’Andriamanitra rehefa hitantsika ao amin’ny Baibolintsika. (Heb. 4:12) Rehefa hovakina àry ireny andininy ireny, dia tokony homen’ilay mpitarika fotoana ampy tsara ny mpanatrika, mba hitadiavany an’ilay andininy ka hanarahany an’ilay vakiteny.

Nihabetsaka ny fotoana anehoana finoana

7. Inona no azontsika atao rehefa mianatra Tilikambo?

7 Novana koa ny halavan’ny lahatsoratra fianarana. Lasa fohy kokoa izy io. Noho izany, dia nihena ny fotoana hamakiana fehintsoratra, ka betsaka kokoa ny fotoana ahafahana manome valin-teny. Lasa maro kokoa no afaka mampiseho ampahibemaso ny finoany eo anivon’ny fiangonana. Ohatra hoe mamaly an’ireo fanontaniana misoratra eny ambany, milaza ny fomba azo ampiharana andinin-teny iray, na milaza fitantarana fohy mampiseho hoe tsara ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tokony hisy fotoana koa anefa hatokana hanazavana ny sary.—Vakio ny Salamo 22:22; 35:18; 40:9.

8, 9. Inona no anjara asan’ny mpitarika ny Fianarana Tilikambo?

8 Rehefa manome valin-teny fohy ihany anefa ny tsirairay, vao hisy fotoana ahafahana manome valin-teny isan-karazany toy izany. Tokony hiezaka koa ny mpitarika an’ilay fianarana mba tsy hanome fanazavana matetika loatra. Inona no hanampy ny mpitarika hahay handanjalanja, mba hahatonga an’ilay fianarana hampahery ny rehetra?

9 Handinika ohatra isika mba hamaliana izany. Toy ny fehezam-boninkazo iray mahafinaritra ny maso ny Fianarana Tilikambo, rehefa mitarika azy io amin’ny fomba tsara ny mpitarika. Voninkazo maromaro no ampiarahina ka lasa fehezam-boninkazo. Misy valin-teny maro samihafa koa amin’ny Fianarana Tilikambo. Tsy mitovy ny loko sy ny halavan’ny voninkazo tsirairay amin’ilay fehezam-boninkazo, ary toy izany koa ny valin-teny omentsika mandritra ilay fianarana. Tsy mitovy ny halavany sy ny fomba hilazana azy. Inona kosa no anjara asan’ny mpitarika ny fianarana? Toy ny ravina maitso vitsivitsy apetraka amim-pitandremana eo amin’ilay fehezam-boninkazo ny fanazavana vitsivitsy omen’ny mpitarika. Tsy atao misongadina be ireny ravina maitso ireny, fa natao hanome endrika an’ilay fehezam-boninkazo fotsiny. Toy izany koa no tokony hotadidin’ny mpitarika. Tsy tokony hototofany amin’ny fanazavany ny teny fiderana an’i Jehovah ataon’ny fiangonana. Tokony ho famenon’izay zavatra efa voalaza fotsiny ny fanazavana omen’ny mpitarika, ary tokony hatao amin’ny fotoana mety tsara. Rehefa atambatra ny valin-teny isan-karazany omen’ny fiangonana sy ny fanazavana vitsivitsy ataon’ny mpitarika, dia ho toy ny fehezam-boninkazo tsara tarehy izay hahafaly ny mpanatrika rehetra.

“Aoka foana isika hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra”

10. Ahoana no fiheveran’ny Kristianina voalohany ny fivoriana?

10 Manampy antsika hahafantatra ny fomba nitarihana fivoriana tamin’ny taonjato voalohany ny fanazavan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 14:26-33. Nanao fanamarihana momba an’ireo andininy ireo ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, ka nanoratra hoe: “Ny tena mahavariana tany am-boalohany, dia hoe saiky ny olona tsirairay tonga nanatrika fotoam-pivavahana no nahatsapa hoe nanana tombontsoa sy nanana adidy handray anjara tamin’izany. Tsy tonga mba hihaino fotsiny izy ireo, izany hoe tsy tonga mba handray fotsiny, fa mba hanome koa.” Nihevitra àry ny Kristianina voalohany fa fotoana nahafahany naneho ny finoany ny fivoriana.—Rom. 10:10.

11. a) Inona no tena mahatonga ny fivoriana hampahery, ary nahoana? b) Inona avy ireo soso-kevitra azontsika ampiharina mba hanatsarana ny valin-tenintsika? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Tena ‘mampahery ny fiangonana’ isika, rehefa maneho ny finoantsika mandritra ny fivoriana. Azo antoka fa manaiky ianao hoe na efa firy taona isika na efa firy taona no nanatrika fivoriana, dia tena mahafinaritra foana ny maheno ny valin-teny omen’ireo rahalahy sy anabavintsika. Manohina ny fontsika ny valin-teny feno fahatsorana omen’ny mpiray finoana be taona, izay tsy nivadika mihitsy. Mampahery antsika koa ny fanazavana feno fahendrena omen’ny anti-panahy be fitiavana. Mitsiky koa isika rehefa maheno ankizy manome valin-teny avy amin’ny fo, izay ahitana hoe tena tia an’i Jehovah izy. Mahatonga ny fivoriana hampahery àry isika rehetra, rehefa manome valin-teny. *

12. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Mosesy sy Jeremia? b) Nahoana no manampy antsika hanome valin-teny ny vavaka?

12 Mety ho tena sarotra amin’ny olona saro-kenatra anefa ny manome valin-teny. Raha izany no manjo anao, dia mety hanampy anao ny mitadidy hoe tsy ianao irery no efa tratran’izany. Na ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, toa an’i Mosesy sy Jeremia, aza, nilaza fa tsy mahay miteny eny imason’olona izy. (Eks. 4:10; Jer. 1:6) Nampian’i Jehovah anefa ireny mpanompony fahiny ireny, ka afaka nidera azy ampahibemaso. Toy izany koa no hataony aminao, ka ho afaka hanao sorona fiderana ho azy ianao. (Vakio ny Hebreo 13:15.) Ahoana àry no ahazoanao ny fanampian’i Jehovah, mba hahatonga anao tsy hatahotra rehefa manome valin-teny? Manomàna tsara. Mivavaha koa alohan’ny handehananao any amin’ny Efitrano Fanjakana, ka mitalahoa aminy mba hanomezany anao fahasahiana. (Fil. 4:6) Afaka matoky ianao hoe hovalian’i Jehovah ny vavaka ataonao, satria mangataka zavatra “mifanaraka amin’ny sitrapony” ianao.—1 Jaona 5:14; Ohab. 15:29.

Fivoriana natao ‘hampahery sy handrisika ary hampionona’

13. a) Inona no tokony ho tsapan’ny mpanatrika rehefa mivory? b) Inona no fanontaniana tokony hosaintsainin’ny anti-panahy?

13 Nilaza i Paoly fa ny ‘hampahery sy handrisika ary hampionona’ ny mpanatrika no tena zava-kendren’ny fivoriana. * (1 Kor. 14:3) Inona àry no azon’ny anti-panahy atao mba hahatonga ny anjarany hampahery sy hampionona an’ireo rahalahy sy anabavy? Mba hamaliana izany, dia hodinihintsika ny fivoriana notarihin’i Jesosy taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty.

14. a) Inona no nitranga talohan’ilay fivoriana nalamin’i Jesosy? b) Nahoana no azo antoka fa nahatsiaro ho maivamaivana ireo apostoly, rehefa “nanatona” azy ireo i Jesosy ary “niteny taminy”?

14 Mariho aloha ny zava-nitranga talohan’izay. “Nandao” an’i Jesosy ny mpianany ary “nandositra”, talohan’ny hamonoana azy. ‘Niparitaka tany amin’izay nisy azy avy’ izy ireo, araka ny efa voalazan’ny faminaniana. (Mar. 14:50; Jaona 16:32) Nasain’i Jesosy hanatrika fivoriana manokana * tany Galilia anefa ireo apostoly kivy ireo, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. “Nankany Galilia” àry ‘ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.’ Rehefa tonga tany izy ireo, dia “nanatona” azy ireo i Jesosy “ka niteny taminy.” (Mat. 28:10, 16, 18) Azo antoka fa nahatsiaro ho maivamaivana erỳ ireo apostoly, rehefa nanao izany dingana voalohany izany i Jesosy! Inona no noresahin’i Jesosy tamin’izy ireo?

15. a) Inona no noresahin’i Jesosy tamin’ny apostoliny, ary inona no tsy noresahiny? b) Inona no vokatr’ilay fivoriana tamin’ireo apostoly?

15 Nanokatra ny teniny tamin’izao fanambarana izao i Jesosy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra.” Nanendry ny mpianany hanao an’izao asa izao izy avy eo: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona.” Nanome toky azy ireo tamim-pitiavana izy tamin’ny farany hoe: “Homba anareo foana aho.” (Mat. 28:18-20) Voamarikao ve anefa hoe inona no tsy nataon’i Jesosy? Tsy nibedy ny apostoliny izy, na nampiseho hoe niahiahy azy ireo ho nanana antony manosika ratsy. Tsy noresahiny koa ilay fotoana kely nampahalemy finoana azy ireo. Vao mainka hahatsiaro tena ho meloka mantsy izy ireo raha izany no nataony. Nomeny toky kosa aza ireo mpianany ireo hoe tia azy ireo izy sy ny Rainy, ka nanankinany andraikitra lehibe izy ireo. Inona no vokatr’izany tamin’ireo apostoliny? Tena nampahery sy nandrisika ary nampionona azy ireo izany. “Nampianatra sy nitory ny vaovao tsara” indray izy ireo, tsy ela taorian’io fivoriana io.—Asa. 5:42.

16. Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy rehefa mitarika fivoriana, mba hahatonga azy io hamelombelona?

16 Manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy, ka mihevitra ny fivoriana hoe fotoana ahafahany manome toky ny mpiray finoana aminy fa tia ny vahoakany i Jehovah, ary tsy miovaova izany fitiavany izany. (Rom. 8:38, 39) Mifantoka amin’ny zavatra tsara vitan’ireo rahalahiny àry ny anti-panahy, rehefa manao ny anjarany, fa tsy mifantoka amin’ny fahalemeny. Tsy mihevitra ny rahalahiny ho manana antony manosika ratsy izy ireo. Hita amin’ny zavatra lazainy kosa hoe manaiky izy fa tia an’i Jehovah sy te hanao ny tsara ny mpiray finoana aminy. (1 Tes. 4:1, 9-12) Marina aloha fa tsy maintsy manome torohevitra ny fiangonana manontolo ny anti-panahy indraindray. Raha olona vitsivitsy ihany anefa no mila anarina, dia matetika no tsara kokoa raha anarina mitokana izy ireo. (Gal. 6:1; 2 Tim. 2:24-26) Ny hanome teny fiderana kosa no tanjon’ny anti-panahy, rehefa miresaka amin’ny fiangonana iray manontolo. (Isaia 32:2) Tandreman’izy ireo tsara izay lazainy, mba hahatonga ny mpanatrika rehetra hahazo hery sy ho velombelona rehefa mifarana ny fivoriana.—Mat. 11:28; Asa. 15:32.

Toeram-pialofana

17. a) Nahoana ny fivoriantsika no tena tokony ho toeram-pialofana ankehitriny? b) Inona no azonao atao mba hahatonga ny fivoriana hampahery? (Jereo ilay efajoro hoe “Fomba Folo Hahatonga ny Fivoriana Hampahery Anao sy ny Hafa.”)

17 Vao mainka mampahory ny olona ny tontolon’i Satana ankehitriny, ka tokony hatao azo antoka hoe toeram-pialofana ho an’ny rehetra ny fivoriantsika, izany hoe hahazoana fampaherezana. (1 Tes. 5:11) Niaritra fitsapana mafy ny anabavy iray sy ny vadiny, taona vitsivitsy lasa izay, nefa hoy ilay anabavy: “Nahatsiaro ho nokarakarain’i Jehovah izahay tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanampy anay hanankina ny fiainanay tamin’i Jehovah ny fiarahana tamin’ireo mpiara-manompo. Lasa nilamin-tsaina kokoa àry izahay.” (Sal. 55:22) Enga anie ka hahazo fampaherezana sy fampiononana toy izany koa izay rehetra manatrika ny fivoriantsika. Mba hahatanteraka izany anefa, dia aoka isika hiezaka foana hanao ny anjarantsika, mba hahatonga ny fivoriana hampahery.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Voalaza fa hitsahatra ny zavatra sasany natao nandritra ny fivoriana tamin’ny taonjato voalohany. Tsy misy intsony, ohatra, ny “fitenenana amin’ny fiteny samihafa” sy ny ‘faminaniana.’ (1 Kor. 13:8; 14:5) Na izany aza, dia manampy antsika hahafantatra kokoa ny fomba tokony hitarihana fivoriana ny toromarika nomen’i Paoly.

^ feh. 11 Misy soso-kevitra mahakasika ny fomba hanatsarana ny valin-teny ao amin’ny Tilikambo 1 Septambra 2003, pejy 19-22.

^ feh. 13 Milaza ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy) fa raha ny teny grika no jerena, dia “bebe kokoa ny fangorahana aseho” rehefa “mampionona”, noho ny rehefa mampahery na mandrisika.—Ampitahao amin’ny Jaona 11:19.

^ feh. 14 Tamin’io angamba ilay fotoana ‘nisehoan’i Jesosy’ tamin’ny “rahalahy maherin’ny dimanjato”, noresahin’i Paoly tatỳ aoriana.—1 Kor. 15:6.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no zava-dehibe ny fivoriana?

• Nahoana ny valin-teny no ‘mampahery ny fiangonana’?

• Inona no azo ianarana avy amin’ny fomba nitarihan’i Jesosy fivoriana?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 22, 23]

FOMBA FOLO HAHATONGA NY FIVORIANA HAMPAHERY ANAO SY NY HAFA

Omano ny fivoriana. Rehefa ianaranao mialoha ny zavatra hodinihina any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia hahaliana anao kokoa ny fivoriana sady hisy vokany lalina kokoa aminao.

Tongava mivory tsy tapaka. Mahazo fampaherezana kokoa ny rehetra, rehefa betsaka ny mpanatrika. Zava-dehibe àry ny fahatongavanao.

Tongava ara-potoana. Raha efa mipetraka ianao alohan’ny hanombohan’ny fivoriana, dia afaka mandray anjara amin’ny hira sy ny vavaka fanokafana, izay anisan’ny fanompoana an’i Jehovah.

Ento ny fitaovana ilaina. Ento ny Baibolinao sy ny boky na gazety ampiasaina mandritra ny fivoriana. Ho afaka hanaraka sy hahatakatra kokoa ny zavatra resahina ianao amin’izay.

Ataovy izay tsy hahavoahelingelina anao. Aza mamaky hafatra an-telefaonina mandritra ny fivoriana, fa ataovy aorian’ny fivoriana izany. Ho amin’ny toerana tokony hisy azy amin’izay ny raharahantsika manokana.

Mandraisa anjara. Rehefa maro kokoa ny manome valin-teny, dia maro koa no mahazo fampaherezana. Mampahery ireo valin-teny isan-karazany anehoantsika ny finoantsika.

Ataovy fohy ny valin-teninao. Ho maro kokoa amin’izay no ho afaka hamaly.

Ataovy ny anjara anendrena anao. Rehefa manana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ianao na amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, dia manomàna tsara, manaova famerenana mialoha, ary miezaha mafy mba tsy hahafoana ny anjaranao.

Derao ireo nandray anjara. Lazao amin’ireo nandray anjara tamin’ny fivoriana na ireo nanome valin-teny fa tena ankasitrahanao ny ezaka nataony.

Miresaha amin’ny hafa. Arahabao amin-katsaram-panahy ny hafa ary manaova resaka mampahery, aloha sy aorian’ny fivoriana. Vao mainka hahafaly sy handraisan-tsoa ny fanatrehana fivoriana amin’izay.