Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina amin’ilay hoe mitondra ‘marika eo amin’ny vatany manamarina azy ho mpanompon’i Jesosy’ izy?—Galatianina 6:17.

Maro ny hevitra nety ho tonga tao an-tsain’ireo nihaino an’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nandre an’ireo teny ireo. Nampiasaina fahiny, ohatra, ny vy mahamay be mba hanisiana marika ny babo an’ady, mpandroba tempoly, ary andevo nandositra. Noheverina ho manala baraka ilay marika, raha olona toy izany no nasiana azy.

Tsy noheverina ho ratsy foana anefa ny marika eo amin’ny vatana. Maro ny olona fahiny nampiasa azy ireny mba hampahafantarana fa anisan’ny foko na fivavahana iray izy. Hoy, ohatra, ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy): ‘Nanisy marika teo amin’ny hatotanany sy ny hatony ny Syrianina, mba hampisehoana fa nanokan-tena ho an’i Hadada sy Atargatis andriamaniny izy ireo. Sarina ravinkazo no marika natao tamin’ireo mpanara-dia an’i Dionysos.’

Mpivaofy teny maro no mihevitra fa ny holatra teny amin’i Paoly, noho ny fampijaliana azy nandritra ny asa misionera nataony, no tiany holazaina. (2 Korintianina 11:23-27) Nety ho ny fomba fiainany, izay namantarana azy ho Kristianina, anefa no tian’i Paoly holazaina fa tsy marika ara-bakiteny.

Lasa toeram-piafenan’ny mpanao heloka bevava ve ny tanàna fialokalofana teo amin’ny Israely fahiny?

Tempoly maro an’ny mpanompo sampy no fiafenan’ny olona nandositra sy ny mpanao heloka bevava, fahiny. Toy izany koa ny monasitera sy eglizy, tamin’ny Moyen Âge. Tsy lasa toeram-piafenan’ny mpanao heloka bevava mihitsy anefa ny tanàna fialokalofana teo amin’ny Israely fahiny, noho ireo lalàna nifehy azy.

Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa izay nahafaty olona tsy nahy ihany no arovana any amin’ny tanàna fialokalofana. (Deoteronomia 19:4, 5) Afaka nandositra tao amin’izay tanàna fialokalofana akaiky azy indrindra ilay olona, mba tsy ho tratran’ny mpamaly faty, satria afaka namono azy ny lehilahy havana akaiky indrindran’ilay maty. Hazavainy amin’ny anti-panahy ao amin’ilay tanàna fialokalofana aloha izay nitranga. Tsaraina any amin’izay tanàna miandraikitra ny faritra nitrangan’ilay loza izy, avy eo, ka afaka manaporofo hoe tsy manan-tsiny. Mijery ny fifandraisan’ilay nandositra sy ilay olona maty ny anti-panahy, ary mandinika raha efa nifankahala izy ireo.—Nomery 35:20-24; Deoteronomia 19:6, 7; Josoa 20:4, 5.

Hiverina ao amin’ilay tanàna fialokalofana ilay nahafaty olona raha tsy nanan-tsiny, ary tsy mahazo miala lavitra an’ilay tanàna. Tsy fonja akory ireny tanàna ireny. Niasa sy niaina toy ny olon-drehetra ilay nandositra. Afaka miala any amin’ny tanàna fialokalofana ireo rehetra nandositra tany, rehefa maty ny mpisoronabe.—Nomery 35:6, 25-28.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

TANÀNA FIALOKALOFANA

1 KEDESY

2 GOLANA

3 RAMOTA-GILEADA

4 SEKEMA

5 BEZERA

6 HEBRONA

Reniranon’i Jordana