Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hataony Izay Hahitanao Azy”

“Hataony Izay Hahitanao Azy”

Manatòna An’Andriamanitra

“Hataony Izay Hahitanao Azy”

1 TANTARA 28:9

FANTATRAO ve Andriamanitra? Tsy tsotra araka ny ieritreretanao azy ny mamaly an’io fanontaniana io. Mahalala tsara ny sitrapony sy ny fomba fanaovany zavatra isika raha tena mahafantatra azy. Lasa akaiky azy àry isika ary hisy vokany lalina eo amin’ny fiainantsika manontolo izany. Azo atao ve ny mifandray akaiky amin’Andriamanitra? Ahoana no hanaovana izany? Mamaly izany ny torohevitr’i Davida Mpanjaka ho an’i Solomona zanany, ao amin’ny 1 Tantara 28:9.

Alao sary an-tsaina izay nitranga. Efa ho 40 taona no nanjakan’i Davida teo amin’ny Israely, ary niadana ny vahoaka. Mbola tanora kosa i Solomona, izay handimby azy tsy ho ela. (1 Tantara 29:1) Inona no torohevitr’i Davida ho an-janany?

Nanompo an’Andriamanitra i Davida, ary nandray lesona avy amin’ny zavatra niainany. Hoy izy: “Ry Solomona zanako, fantaro ilay Andriamanitry ny rainao.” Tsy fahafantarana an’Andriamanitra fotsiny no tian’i Davida holazaina eo. Efa mpanompon’i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Davida, i Solomona. Efa vita ny ampahatelon’ny Soratra Hebreo, tamin’izay, ary azo inoana fa fantatr’i Solomona izay lazain’ireo soratra masina ireo momba an’Andriamanitra. Milaza ny manam-pahaizana iray fa mety hanondro “fifandraisana faran’izay akaiky” ilay teny hebreo nadika hoe “fantaro.” Tian’i Davida hifandray akaiky amin’Andriamanitra toa azy koa àry ny zanany.

Tokony hisy vokany lalina eo amin’ny fomba fijerin’i Solomona sy ny fomba fiainany izany. Nampirisika an-janany i Davida hoe: “Manompoa [an’Andriamanitra] amin’ny fo manontolo ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.” Mariho fa nampirisihin’i Davida hahafantatra an’Andriamanitra aloha i Solomona, vao nasainy nanompo azy. Lasa manompo an’Andriamanitra isika rehefa tena mahalala azy. Tsy mety anefa raha mihatsaravelatsihy na miroaroa saina isika rehefa manompo azy, izany hoe manana fo roa na fo voazarazara. (Salamo 12:2; 119:113) Niangavy an-janany hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy an-tsitrapo i Davida.

Nahoana i Davida no nampirisika an-janany hanao toy izany? Nilaza izy fa “mandinika ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.” Tsy tokony ho fampifaliana an’i Davida rainy fotsiny no antony hanompoan’i Solomona an’Andriamanitra. Mandinika ny fon’ireo tena maniry hanompo azy Andriamanitra.

Hanahaka an-drainy ve i Solomona ka hanatona an’i Jehovah? Miankina amin’i Solomona izany. Hoy i Davida taminy: “Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy, fa raha mahafoy azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.” Tsy maintsy miezaka mafy hahafantatra an’i Jehovah i Solomona mpanompony, raha te ho akaiky azy. *

Manome toky antsika ilay torohevitr’i Davida ho an-janany fa tian’i Jehovah ho akaiky azy isika. Tsy ho akaiky azy anefa isika raha tsy “mitady azy”, izany hoe mandalina ny Soratra Masina. Tokony handrisika antsika hanompo azy amin’ny fo manontolo sy an-tsitrapo ny fahafantarana azy. Toy izany no tian’i Jehovah hanompoana azy, ary mendrika an’izany izy.—Matio 22:37.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Nampalahelo fa nivadika i Solomona, na dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo manontolo aza tamin’ny voalohany.—1 Mpanjaka 11:4.