Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mampitaha ny Tenanao Amin’ny Hafa

Aza Mampitaha ny Tenanao Amin’ny Hafa

Fomba 2

Aza Mampitaha ny Tenanao Amin’ny Hafa

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY? “Ataovy tsara ny asanao, mba hisy hireharehanao, fa aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4, Dikan-teny Anglisy Maoderina.

INONA NO OLANA? Tia mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika: Indraindray amin’ny olona tsy dia manana noho isika, nefa matetika no amin’ny olona manankarena na matanjaka na mahay kokoa noho isika. Samy ratsy anefa izany. Lasa mieritreritra mantsy isika hoe ny fananana na ny fahaizana no mampisy vidiny ny olona. Mety hanjary hialona sy ho tia mifaninana koa isika.—Mpitoriteny 4:4.

INONA NO AZONAO ATAO? Eritrereto ny fomba fiheveran’Andriamanitra anao, ka tahafo izany. “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah * kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Tsy mampitaha anao amin’ny olon-kafa i Jehovah, fa mandinika ny fonao, izany hoe ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary ny fanirianao. (Hebreo 4:12, 13) Fantany izay mety ho vitanao, ary tiany ianao hanaiky hoe hatreo ihany no ho vitanao. Mety ho lasa matin-kambo ianao raha mampitaha ny tenanao amin’ny hafa, na koa tsy ho afa-po mihitsy. Aleo àry manetry tena, ka miaiky fa tsy voatery ho hainao daholo ny zavatra rehetra.—Ohabolana 11:2.

Inona àry no tsy maintsy ataonao mba hisy vidiny eo imason’Andriamanitra ianao? Nasainy nanoratra toy izao i Mika mpaminany: “Ry zanak’olombelona, efa nolazainy taminao izay tsara. Ary inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?” (Mika 6:8) Hikarakara anao Andriamanitra, raha manao izany ianao. (1 Petera 5:6, 7) Izany no tena mahafa-po eo amin’ny fiainana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Io no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

[Sary, pejy 5]

Mijery ny fontsika i Jehovah, fa tsy mampitaha antsika amin’ny hafa