Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Ekeo ny Tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra

Ry Tanora, Ekeo ny Tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra

Ry Tanora, Ekeo ny Tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra

“Miezaha hanana fahendrena, ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina.”—OHAB. 4:5.

1, 2. a) Inona no nanampy ny apostoly Paoly rehefa sarotra taminy ny nanao ny tsara? b) Ahoana no ahafahanao mahazo fahendrena sy fahiratan-tsaina?

“REHEFA te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” Fantatrao ve hoe iza no niteny an’izany? Tsy iza fa ny apostoly Paoly. Na dia tia an’i Jehovah aza izy, dia sarotra taminy indraindray ny nanao ny tsara. Inona no tsapany tamin’izany? Hoy izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho!” (Rom. 7:21-24) Toy izany koa ve no mitranga aminao? Sarotra aminao ve indraindray ny manao ny tsara, ka kivy toa an’i Paoly ianao? Raha izany no manjo anao, dia aza manary toky. Nahavita niatrika izany i Paoly, ka hahavita izany koa ianao.

2 Nandresy i Paoly satria nanaiky hanaraka ny “teny mahasoa.” (2 Tim. 1:13, 14) Vokatr’izany, dia nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina izy, ka afaka niatrika zava-tsarotra sy nandray fanapahan-kevitra tsara. Afaka manampy anao hanana fahendrena sy fahiratan-tsaina koa i Jehovah Andriamanitra. (Ohab. 4:5) Manome torohevitra faran’izay tsara izy ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. (Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.) Andeha isika handinika hoe ahoana no ahafahanao mandray soa amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina, rehefa mifandray amin’ny ray aman-dreny, rehefa mitantam-bola, ary rehefa irery.

Eo anivon’ny fianakaviana

3, 4. Nahoana no mety ho sarotra aminao ny mankatò ny fitsipiky ny ray aman-dreninao? Nahoana anefa ny ray aman-dreny no mametraka fitsipika?

3 Sarotra aminao ve ny manaraka ny fitsipiky ny ray aman-dreninao? Nahoana? Satria angamba te hahaleo tena kokoa ianao. Ara-dalàna izany, ary mampiseho hoe efa mihalehibe ianao. Tsy maintsy mankatò ny ray aman-dreninao anefa ianao, raha mbola miara-mipetraka amin’izy ireo.—Efes. 6:1-3.

4 Ho mora kokoa aminao ny hankatò ny ray aman-dreninao, raha azonao ny antony nanaovan’izy ireo an’ilay fitsipika. Marina aloha fa mety hahatsapa ianao indraindray hoe mifehifehy loatra anao ny ray aman-dreninao. Izao, ohatra, no nolazain’i Onja, * 18 taona, momba ny ray aman-dreniny: “Hadinon-dry zareo tanteraka hoe efa mba tanora koa izy. Tsy mba avelany hilaza ny hevitro aho sady tsy avelany hisafidy. Ataony hoatran’ny zazakely foana aho.” Mety ho toy izany koa no tsapanao. Nahoana anefa no mametraka fitsipika ho anao ny ray aman-dreninao? Satria miahy anao izy ireo. Fantatr’izy ireo koa fa mbola hataon’i Jehovah ampamoaka izy ireo, ny amin’ny fomba ikarakarany anao.—1 Tim. 5:8.

5. Inona no soa mety horaisinao raha mankatò ianao?

5 Mitovy amin’ny fandoavana trosa any amin’ny banky ny fankatoavana ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreny. Raha averinao ara-potoana ilay vola nindraminao, dia mbola ho vonona hampisambotra vola anao ny banky amin’ny manaraka. Tokony handoa ny trosanao amin’ny ray aman-dreninao koa ianao, izany hoe tokony hanaja sy hankatò azy ireo. (Vakio ny Ohabolana 1:8.) Raha mankatò foana ianao, dia azo antoka fa tsy hifehifehy be loatra anao intsony izy ireo. (Lioka 16:10) Raha dikainao foana kosa ny fitsipika apetrany, dia aza gaga raha tsy hatoky anao firy izy ireo, na tsy hatoky anao intsony.

6. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiany ny zanany hankatò?

6 Raha manome ohatra tsara ny ray aman-dreny, dia ho afaka hanampy ny zanany hankatò ny fitsipika apetrany. Raha vonona hankatò izay takin’Andriamanitra, ohatra, ny ray aman-dreny, dia ho hitan’ny zanany fa tokony hankatoavina ny fitsipik’Andriamanitra satria araka ny antonony. Ho mora kokoa amin’ny zanany amin’izay ny hahita fa tokony hankatò ny fitsipiky ny ray aman-dreniny izy. (1 Jaona 5:3) Milaza koa anefa ny Baiboly fa navelan’i Jehovah hilaza ny heviny ny mpanompony tamin’ny raharaha sasany. (Gen. 18:22-32; 1 Mpanj. 22:19-22) Tokony havelan’ny ray aman-dreny hilaza ny heviny koa ny zanany indraindray.

7, 8. a) Inona no zava-tsarotra atrehin’ny tanora sasany? b) Inona no tokony ho fantatrao momba ny fananarana?

7 Mety hibedy anao koa ny ray aman-dreninao, ary mety ho tsy rariny ilay izy aminao. Mety ho efa nahatsapa toa an’i Tantely ianao indraindray. Hoy izy: “Tsy maintsy mahita zavatra hibedesana ahy foana mamanay.”

8 Manakiana ny olona matetika, rehefa hananatra na hanitsy. Miaiky anefa ny Baiboly fa sarotra ny manaiky izany, na dia tena ara-dalàna aza ilay izy. (Heb. 12:11) Inona àry no hanampy anao handray soa avy amin’ny fananarana? Tokony hotadidinao fa ny fitiavana anao no mahatonga ny ray aman-dreninao hanome torohevitra. (Ohab. 3:12) Te hiaro anao tsy hanana fahazaran-dratsy izy, ary te hanampy anao hanana fahazarana tsara. Azo antoka fa takatry ny ray aman-dreninao hoe raha tsy manitsy anao izy, dia toy ny hoe tsy tia anao. (Vakio ny Ohabolana 13:24.) Tokony ho fantatrao koa fa miana-javatra ianao rehefa manao fahadisoana. Rehefa anarina àry ianao, dia henoy izay lazaina anao, ka tadiavo izay teny feno fahendrena ao amin’ilay anatra. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Ny tombony azo amin’ny fahendrena dia tsara noho ny volafotsy, ary ny vokatra azo aminy dia tsara noho ny volamena.’—Ohab. 3:13, 14.

9. Inona no tokony hataonao mba hahatonga anao tsy hifantoka amin’ny zavatra heverinao hoe tsy rariny?

9 Manao fahadisoana koa anefa ny ray aman-dreny. (Jak. 3:2) Mety hanao teny tsy voahevitra izy ireo rehefa mananatra. (Ohab. 12:18) Inona no mety hahatonga azy ireo hanao izany? Angamba izy ireo miady saina, na mety hieritreritra fa tsy mahay mitaiza ka izay no nahatonga anao hanao zavatra tsy mety. Tsy aleo àry ve mankasitraka azy noho izy tena te hanampy anao, toy izay hieritreritra foana ny zavatra heverinao hoe tsy rariny? Handray soa ianao rehefa lehibe, raha mora manaiky fananarana.

10. Inona no tokony hataonao, raha tianao ho mora kokoa aminao ny manaiky ny fanitsiana sy ny fitsipiky ny ray aman-dreninao?

10 Raha tianao ho mora kokoa aminao àry ny manaiky ny fanitsiana sy ny fitsipiky ny ray aman-dreninao, dia tsy maintsy manatsara ny fomba firesakao ianao. Ahoana no azonao anaovana izany? Mila mahay mihaino aloha ianao. Hoy mantsy ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jak. 1:19) Miezaha àry hifehy ny fihetseham-ponao ary henoy izay lazain’ny ray aman-dreninao, fa aza maika hiaro tena. Mifantoha amin’izay lazainy fa tsy amin’ny fomba ilazany azy. Avereno amim-panajana amin’ny fomba fiteninao avy eo ny zavatra nolazainy. Hatoky izy ireo amin’izay hoe nihaino azy ianao. Ahoana anefa raha te hanome fanazavana ianao? Amin’ny ankapobeny, dia tsara kokoa ny ‘mifehy ny vava’ mandra-pahavitanao ny zavatra nasain’ny ray aman-dreninao hatao. (Ohab. 10:19) Ho vonona hihaino anao kokoa izy ireo avy eo, rehefa hitany hoe mankatò azy ianao. Olona matotra koa ianao raha manao izany, ary hita hoe manaiky ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra.

Rehefa mitantam-bola

11, 12. a) Inona no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra hataontsika eo amin’ny resaka vola, ary nahoana? b) Inona no azon’ny ray aman-dreninao atao mba hanampiana anao hahay hitantam-bola?

11 Hoy ny Baiboly: ‘Fiarovana ny vola.’ Voalaza miaraka amin’io andininy io koa anefa fa zava-dehibe noho ny vola ny fahendrena. (Mpito. 7:12) Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra, mba hahay handanjalanja fa tsy ho tia vola. Nahoana ianao no tsy tokony ho tia vola? Andeha isika haka ohatra: Mahasoa ny antsy maranitra, ho an’izay mahay mampiasa azy. Raha olona tsy mitandrina anefa no mampiasa azy io, dia mety haratra mafy. Hahasoa anao koa ny vola, raha hainao tsara ny mampiasa azy. Matetika anefa ny olona “tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena” no mampandefitra ny fifandraisany amin’ny namany sy ny fianakaviany, ary na dia ny fifandraisany amin’Andriamanitra aza, ka ‘manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina.’—Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.

12 Ahoana àry no hahaizanao mitantam-bola? Nahoana raha mangataka torohevitra amin’ny ray aman-dreninao momba ny fanaovana teti-bola? Hoy mantsy i Solomona: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany, ary ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara.” (Ohab. 1:5) Nangataka torohevitra tamin’ny ray aman-dreniny, ohatra, ny tovovavy iray atao hoe Anna. Hoy izy: “Nampianarin’ny dadanay hitsinjara vola aho. Nohazavainy koa hoe tena ilaina ny mahay mitantam-bola ao an-tokantrano.” Nampianatra zavatra hafa an’i Anna koa ny reniny. Hoy ihany izy: “Natoron’ny mamanay hoe tena ilaina ny mampitaha vidin-javatra vao mividy.” Nahasoa an’i Anna ve izany? Hoy izy: “Mahay mitantana ny volako aho izao. Mitsitsy vola tsara koa aho, ka milamin-tsaina satria tsy midi-trosa tsy amin’antony.”

13. Inona no hanampy anao hifehy tena rehefa miantsena?

13 Vetivety ianao dia ho bokan-trosa raha maimay hividy zavatra, na mandany vola mba hampiaiky volana an’ireo namanao fotsiny. Inona no hanampy anao tsy ho tratran’izany? Tsy maintsy mianatra mifehy tena ianao rehefa miantsena. Izany no nataon’i Ellena, tovovavy 20 taona mahery kely. Hoy izy: “Rehefa hiaraka amin’ny namako aho, dia eritreretiko mialoha ny vola holaniko ary ferako izany. ... Hitako koa hoe tsara ny miara-miantsena amin’ny ankizy mahay mitsitsy vola. Asainy mampitaha vidin-javatra aho aloha, fa tsy tonga dia mividy izay sendra ahy fotsiny.”

14. Nahoana ianao no tokony hitandrina mba tsy ho ‘voafitaky ny harena’?

14 Tena ilaina ny mitady vola sy mahay mitsitsy vola. Nilaza anefa i Jesosy fa izay “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” ihany no tena sambatra. (Mat. 5:3) Nampitandrina izy fa mety hahatonga ny olona iray hiala amin’Andriamanitra ny “famitahan’ny harena.” (Mar. 4:19) Tena tokony hanaiky ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra àry ianao, ary hahay handanjalanja foana eo amin’ny resaka vola.

Rehefa irery

15. Rahoviana ianao no mety ho mora voataona hivadika amin’Andriamanitra?

15 Araka ny hevitrao, rahoviana isika no tena mora voataona hivadika amin’Andriamanitra? Rehefa miaraka amin’ny olona, sa rehefa irery? Azo antoka fa mitandrina kokoa ianao rehefa any an-tsekoly na any am-piasana. Mety ho varimbariana anefa ianao rehefa miala voly irery, ka mety ho mora resin’ny fakam-panahy.

16. Nahoana ianao no tokony haniry hankatò an’i Jehovah na dia rehefa irery aza?

16 Nahoana ianao no tokony haniry hankatò an’i Jehovah na dia rehefa irery aza? Tadidio fa mety hampalahelo an’i Jehovah ny zavatra ataonao na mety hampifaly azy. (Gen. 6:5, 6; Ohab. 27:11) Misy vokany amin’i Jehovah ny ataonao, satria ‘miahy anao izy.’ (1 Pet. 5:7) Tiany hankatò azy ianao mba hahitanao soa. (Isaia 48:17, 18) Ory i Jehovah rehefa tsy niraharaha ny toroheviny ny Israelita sasany. (Sal. 78:40, 41) Faly kosa izy rehefa misy mpanompony tsy mivadika aminy. Tena tiany, ohatra, i Daniela mpaminany matoa nisy anjely nilaza tamin’i Daniela hoe: “Tena tiana ianao.” (Dan. 10:11) Nahoana i Jehovah no tia azy? Satria tsy nivadika taminy mihitsy izy na teny imason’olona na rehefa irery.—Vakio ny Daniela 6:10.

17. Inona avy no fanontaniana tokony hosaintsaininao rehefa hifidy fialam-boly?

17 Inona àry no tokony hataonao mba hahatonga anao tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy rehefa irery? Tsy maintsy manana “fahaiza-misaina” ianao mba ‘hanavahana ny tsara sy ny ratsy.’ Mila zarinao anefa ny sainao, izany hoe ‘hampiasainao’, ka izay zavatra fantatrao fa tsara no ataonao. (Heb. 5:14) Ahoana, ohatra, no ataonao rehefa mifidy mozika hohenoina na filma hojerena, na mijery Internet? Hanampy anao hamantatra izay tsara sy ratsy ny fisaintsainana an’ireto fanontaniana ireto: ‘Hanampy ahy hahay hangoraka ve ilay izy, sa hahatonga ahy ho faly “amin’ny fahavoazan’ny hafa”?’ (Ohab. 17:5) ‘Hanampy ahy ho “tia ny tsara” ve ilay izy, sa hanasarotra ny ezaka ataoko “hankahalana ny ratsy”?’ (Amosa 5:15) Izay zavatra ataonao rehefa irery ianao no tena ahafantarana hoe inona no tena tianao.—Lioka 6:45.

18. Inona no tokony hataonao raha nanao zava-dratsy ianao nefa manafina? Nahoana ianao no tokony hanao izany dingana izany?

18 Ahoana indray raha nanao zavatra fantatrao fa tsy mety ianao nefa nafeninao? Inona no tokony hataonao? Tadidio fa “izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.” (Ohab. 28:13) Mila mitsahatra tsy manao an’ilay zava-dratsy intsony ianao, mba tsy “hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra.” (Efes. 4:30) Tsy maintsy miaiky ny fahadisoanao ianao. Adidinao eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny ray aman-dreninao izany, sady hahasoa anao. Afaka manampy be dia be anao ny “anti-panahin’ny fiangonana.” Hoy mantsy i Jakoba mpianatra: “Aoka ireo hivavaka ho [an’ilay nanao ratsy] sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.” (Jak. 5:14, 15) Marina aloha fa mety ho menatra ianao na mety hisy vokany ratsy ny nataonao. Raha sahy mangataka fanampiana anefa ianao, dia tsy hiampy ny voka-dratsin’ny nataonao. Ho maivamaivana koa ianao, satria tsy henjehin’ny eritreritrao intsony.—Sal. 32:1-5.

Ampifalio ny fon’i Jehovah

19, 20. Inona no irin’i Jehovah ho anao, kanefa inona no tokony hataonao mba hahazoana izany?

19 “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ka tiany ho faly ianao. (1 Tim. 1:11) Tena miahy anao izy. Hitany ny ezaka ataonao mba hanaovana ny tsara, na dia tsy mahita izany aza ny olona. Tsy misy zavatra tsy hitan’i Jehovah. Mandinika anao izy, tsy hoe mba hanakianana anao akory, fa mba hanampiana anao amin’ny ezaka ataonao mba hanaovana ny tsara. Hoy ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 Tan. 16:9.

20 Ekeo àry ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra, ary ampiharo ny torohevitra ao. Hanana fahendrena sy fahiratan-tsaina ianao amin’izay, ka ho afaka handresy zava-tsarotra sy hahay hanapa-kevitra rehefa misy safidy sarotra atao. Hampifaly an’i Jehovah sy ny ray aman-dreninao koa ianao, ary hahatsapa ny tena fahasambarana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ireo anarana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no hanampy ny tanora hanaiky ny fitsipika sy ny fanitsian’ny ray aman-dreniny, ka handray soa amin’izany?

• Nahoana no tena ilaina ny mahay mandanjalanja eo amin’ny resaka vola?

• Inona no hanampy anao tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy, na dia rehefa irery aza ianao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 6]

Tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy ve ianao rehefa irery?