Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Jehovah no Tompo Fara Tampony!

I Jehovah no Tompo Fara Tampony!

I Jehovah no Tompo Fara Tampony!

“I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.”—SAL. 73:28.

1. Noharin’i Paoly tamin’ny inona ity tontolo ity, araka ny 1 Korintianina 7:31?

“MIOVAOVA ny sehatr’ity tontolo ity”, hoy ny apostoly Paoly. (1 Kor. 7:31) Nohariny tamin’ny sehatra izao tontolo izao, ary misy mpilalao maro mifandimby amin’ilay tantara, ka ao ny tsara fanahy ary ao ny ratsy fanahy.

2, 3. a) Azo oharina amin’ny inona ny fikomiana amin’ny zon’i Jehovah hitondra? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Mahakasika anao izao ny tantara eo amin’ilay sehatra! Tena zava-dehibe izy io satria mifandray amin’ny zon’i Jehovah hitondra. Ahoana no azo anoharana izany? Misy tany iray, ohatra, manana fitondram-panjakana ara-dalàna. Mitandro ny filaminana izy io, kanefa misy fikambanana mpanao heloka bevava, izay mampanjaka ny hosoka sy herisetra ary vonoan’olona. Manohitra ny fitondrana io fikambanana tsy ara-dalàna io, sady mitaona ny olon-drehetra hikomy.

3 Misy fitondram-panjakana iray manana zo hitondra an’izao rehetra izao. Fitondran’i “Jehovah Tompo Fara Tampony” izy io. (Sal. 71:5) Misy koa anefa fikambanana iray tsy ara-dalàna, ary “ilay ratsy” no filohany. (1 Jaona 5:19) Manohitra ny fitondran’Andriamanitra izy io, sady mitaona ny olona rehetra hikomy. Inona no nahatonga izany? Nahoana no navelan’Andriamanitra hitranga ilay izy? Ary inona no azontsika tsirairay atao?

Ny votoatin’ilay tantara

4. Inona no votoatin’ilay tantara eo amin’ny sehatr’izao rehetra izao?

4 Zava-dehibe roa mifandray, no votoatin’ilay tantara miseho eo amin’ny sehatr’izao rehetra izao: Ny zon’i Jehovah hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona. Matetika i Jehovah no antsoin’ny Soratra Masina hoe “Tompo Fara Tampony.” Natoky azy tanteraka, ohatra, ny mpanao salamo, ka nihira hoe: “I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.” (Sal. 73:28) Maro ny antony manaporofo fa i Jehovah no Andriamanitra Fara Tampony.—Dan. 7:22.

5. Inona no manaporofo fa i Jehovah no Tompo Fara Tampony?

5 I Jehovah no Mpamorona, ka izy no Tompon’ny tany sy izao rehetra izao. (Vakio ny Apokalypsy 4:11.) Izy koa no Mpitsara sy Mpanome Lalàna ary Mpanjakantsika. (Isaia 33:22) Izy no nampisy sy mamelona antsika, ka tokony hanaiky azy ho Tompo Fara Tampony isika. Ho vonona hanaiky ny fahefany isika raha mitadidy fa ‘nataony mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany, ary eo ambany fifehezan’ny fanjakany ny zava-drehetra.’—Sal. 103:19; Asa. 4:24.

6. Inona no atao hoe tsy mivadika?

6 Tsy maintsy miezaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah isika, raha te hanohana ny zony hitondra. Ny hoe “tsy mivadika” dia madio fitondran-tena, mahafoy tena tanteraka, manao izay mahitsy, ary tsy misy tsiny. Toy izany, ohatra, i Joba.—Joba 1:1.

Ny nanombohan’ilay tantara

7, 8. Ahoana no nanoheran’i Satana ny zon’i Jehovah hitondra?

7 Maherin’ny 6 000 taona lasa izay, dia nisy anjely iray nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Nikomy izy io satria tia tena, ary tiany hivavaka aminy ny olona. Nitarika an’i Adama sy Eva handa ny zon’Andriamanitra hitondra izy, sady nanala-baraka ny anaran’i Jehovah satria niampanga Azy ho mpandainga. (Vakio ny Genesisy 3:1-5.) Io mpikomy io no Fahavalo lehibe indrindra, ka nantsoina hoe Satana (na Mpanohitra), Devoly (na Mpanendrikendrika), menarana (na mpamitaka), ary dragona (na mpandrapaka).—Apok. 12:9.

8 Nitsangan-ko fahavalon’i Jehovah i Satana, satria te ho mpitondra. Inona àry no hataon’ilay Tompo Fara Tampony? Haringany avy hatrany ve ireo mpikomy telo, dia i Satana sy Adama ary Eva? Mazava ho azy fa vitany izany, ka ho voaporofo fa izy no mahery indrindra. Ho hita koa fa marina ilay teniny hoe ho faty izay mandika ny lalàny. Nahoana anefa izy no tsy nandringana?

9. Inona avy no fiampangana nataon’i Satana?

9 Nandainga i Satana ka nitarika an’i Adama sy Eva hikomy. Izany no fomba niampangany an’i Jehovah ho tsy manana zo hitaky fankatoavana amin’ny olombelona. Rehefa nahavita nampivadika ny mpivady voalohany i Satana, dia toy ny niampanga ny zavaboary manan-tsaina rehetra hoe hivadika ihany koa. Nilaza izy fa vitany ny hampiala ny olona rehetra amin’Andriamanitra. Izany no nataony tamin’i Joba, izay nanohana foana ny zon’i Jehovah hitondra.—Joba 2:1-5.

10. Inona no navelan’i Jehovah hitranga, rehefa tsy naringany avy hatrany i Satana?

10 Tsy naringan’i Jehovah avy hatrany i Satana, fa nomeny fotoana hanaporofoana ny fiampangany. Navelan’Andriamanitra hisafidy koa ny olona raha te hanohana ny zony hitondra na tsia. Inona no nitranga, taonjato maro tatỳ aoriana? Nahatsangana fikambanana tena mahery i Satana. Amin’ny farany anefa, dia haringan’i Jehovah izy sy io fikambanana io. Ho porofo tsy azo lavina izany fa Andriamanitra no tena manana zo hitondra. Fantatr’i Jehovah fa ho tsara ny hiafaran’ilay tantara, ka efa nambarany izany raha vao nitranga ilay fikomiana tany Edena.—Gen. 3:15.

11. Inona no nataon’ireo olona maro nanohana ny zon’i Jehovah hitondra?

11 Olona maro no naneho finoana ka nanaiky ny zon’i Jehovah hitondra sy nanamasina ny anarany. Anisan’izany i Abela, Enoka, Noa, Abrahama, Saraha, Mosesy, Rota, Davida, Jesosy, ireo Kristianina voalohany, ary ireo olona an-tapitrisany tsy mivadika ankehitriny. Samy nanaporofo izy ireny fa mpandainga i Satana. Samy nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah koa izy ireo, satria nanala baraka azy io ny Devoly rehefa nilaza fa vitany ny hampivadika ny olon-drehetra amin’Andriamanitra.—Ohab. 27:11.

Efa fantatra ny hiafaran’ilay tantara

12. Nahoana isika no matoky fa tsy handefitra foana amin’ny faharatsiana Andriamanitra?

12 Afaka matoky isika fa tsy ho ela i Jehovah dia hanamarina ny zony hitondra. Tsy handefitra foana amin’ny faharatsiana mantsy izy, sady efa andro farany koa izao. Nanasazy ny mpanao ratsy i Jehovah, tamin’ny Safodrano. Naringany koa i Sodoma sy Gomora, ary i Farao sy ny tafiny. Tsy nisy dikany tamin’ilay Avo Indrindra ny nandringana an’i Sisera sy ny tafiny, ary i Sankeriba sy ny miaramila asyrianina. (Gen. 7:1, 23; 19:24, 25; Eks. 14:30, 31; Mpits. 4:15, 16; 2 Mpanj. 19:35, 36) Afaka matoky àry isika fa tsy handefitra lava amin’ireo tsy manaja ny anarany sy mampijaly ny Vavolombelony izy. Efa miseho koa ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.—Mat. 24:3.

13. Mila manao inona isika raha tsy te ho ringana miaraka amin’ny fahavalon’i Jehovah?

13 Tsy maintsy manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika raha tsy te ho ringana miaraka amin’ny fahavalony. Ahoana no hanaovantsika izany? Mila misaraka amin’ny fitondran’i Satana isika, ary tsy milefitra amin’ny fandrahonan’ireo olona ampiasainy. (Isaia 52:11; Jaona 17:16; Asa. 5:29) Raha manao izany ihany isika vao manohana ny zon’Andriamanitra hitondra. Afaka manantena ny ho voaro isika amin’izay, rehefa hanamasina ny anarany i Jehovah ka hampiharihary fa izy no Mpanjakan’izao Rehetra Izao.

14. Inona no voaresaka ao amin’ny Baiboly manontolo? Hazavao.

14 Ny Baiboly manontolo dia miresaka an’ilay tantara mahakasika ny olombelona sy ny zon’i Jehovah hitondra. Manazava ny famoronana sy ny nanotan’ny olona ny toko telo voalohany, ary resahin’ny toko telo farany fa ho lavorary indray ny olombelona. Ny eo anelanelan’izay kosa ahitana ireo dingana nataon’i Jehovah Tompo Fara Tampony, mba hanatanterahana ny fikasany momba ny olona sy ny tany ary izao rehetra izao. Tantarain’ny Genesisy ny fomba nidiran’i Satana sy ny faharatsiana teo amin’ny sehatr’ity tontolo ity. Lazain’ny tapany farany amin’ny Apokalypsy kosa fa hofaranana ny faharatsiana, haringana ny Devoly, ka hatao ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, toy ny any an-danitra. Hazavain’ny Baiboly àry ny nahatonga ny ota sy ny fahafatesana, sy ny fomba hanesorana izany tsy ho eo amin’ny sehatr’ity tontolo ity. Hisolo izany kosa ny hasambarana sy fiainana mandrakizay ho an’ireo tsy mivadika.

15. Inona no tsy maintsy ataontsika tsirairay, raha te handray soa isika rehefa hifarana ilay tantara?

15 Tsy ho ela dia hiova tanteraka ny sehatr’ity tontolo ity, ka hifarana hatreo ilay tantara naharitra taonjato maro, momba ny zo hitondra. Hesorina avy eny ambony sehatra i Satana, ka haringana amin’ny farany. Ny sitrapon’Andriamanitra kosa no hatao. Tsy maintsy manohana ny zony hitondra anefa isika dieny izao, raha te handray soa sy hahazo ireo fitahiana lazain’ny Baiboly. Mila misafidy isika fa tsy afaka mijanona amin’izao. Tsy maintsy momba an’i Jehovah na miandany aminy isika, vao ho afaka hiteny hoe: “I Jehovah no momba ahy.”—Sal. 118:6, 7.

Afaka ny tsy hivadika isika!

16. Nahoana isika no afaka matoky fa azon’ny olombelona atao ny tsy mivadika?

16 Azontsika atao tsara ny manohana ny zon’i Jehovah hitondra sy tsy mivadika. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Tsy misy fakam-panahy mihatra aminareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona. Tsy mivadika amin’ny teniny anefa Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.” (1 Kor. 10:13) Raha dinihina ny tenin’i Paoly, inona no mahatonga fakam-panahy, ary ahoana no anisian’Andriamanitra lalana hivoahantsika?

17-19. a) Inona no fakam-panahy nahazo ny Israelita tany an-tany efitra? b) Nahoana no azontsika atao ny tsy mivadika amin’i Jehovah?

17 Izay toe-javatra mety hitarika antsika handika ny lalàn’Andriamanitra no mahatonga “fakam-panahy.” Ahitana izany ny tantaran’ny Israely tany an-tany efitra. (Vakio ny 1 Korintianina 10:6-10.) Rehefa nomen’i Jehovah papelika nandritra ny iray volana izy ireo, dia afaka nanohitra fakam-panahy, saingy naniry “zava-dratsy.” Marina fa efa elaela ry zareo no tsy nihinan-kena, nefa ampy tsara ny mana nomen’i Jehovah. Nanaiky ho resin’ny fakam-panahy izy ireo, satria tsy nety afa-po mihitsy rehefa nanangona an’ireo papelika.—Nom. 11:19, 20, 31-35.

18 Talohan’izay, dia nanompo sampy ny Israelita, ka nivavaka tamin’ny ombilahikely sy nanaram-po tamin’ny fahafinaretana. Tsy nahatohitra fakam-panahy izy ireo raha vao tsy nisy mpitarika hita maso, satria tany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy rehefa nomena ny Lalàna. (Eks. 32:1, 6) Israelita maro be koa no voatariky ny vehivavy moabita hijangajanga, rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. An’arivony no maty noho izany. (Nom. 25:1, 9) Imbetsaka ny vahoaka no resin’ny fakam-panahy ho be taraina sy hikomy. Tsy i Mosesy ihany aza no nomen’izy ireo tsiny indray mandeha, fa Andriamanitra mihitsy! (Nom. 21:5) Taorian’ny nandringanana an’i Kora sy Datana sy Abirama ary ny namany, dia mbola nimenomenona ihany izy ireo hoe tsy rariny, hono, ny namonoana an’ireo mpikomy. Israelita 14 700 àry no matin’ny loza nalefan’i Jehovah.—Nom. 16:41, 49.

19 Tena azon’ny Israelita notoherina avokoa ireo fakam-panahy ireo. Nanaiky ho resy anefa izy ireo satria lasa tsy nanam-pinoana, sady nanadino an’i Jehovah sy ny fitsipiny marina ary ny fikarakarany azy ireo. Fakam-panahy mpahazo ny olona ihany koa no mahazo antsika, toa an’ireo Israelita. Afaka ny tsy hivadika isika, raha miezaka mafy hanohitra an’izany sady miantehitra amin’Andriamanitra. Azo antoka izany satria ‘tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika.’ Tsy hahafoy antsika mihitsy i Jehovah ka hoe hamela antsika hiaritra fitsapana mafy loatra, izay tsy hahafahana manao ny sitrapony.—Sal. 94:14.

20, 21. Ahoana no hanisian’Andriamanitra “lalan-kivoahana” ho antsika, rehefa misy fakam-panahy?

20 Manisy “lalan-kivoahana” i Jehovah, rehefa manatanjaka antsika mba hahatohitra fakam-panahy. Mety hampijaly antsika, ohatra, ny mpanenjika mba hampivadika antsika. Mety halaim-panahy hanaiky lembenana àry isika mba hialana amin’ny kapoka, fampijalijaliana, na fahafatesana mihitsy. Manome toky antsika anefa ny 1 Korintianina 10:13, fa mbola hifarana ny fakam-panahy. Tsy havelan’i Jehovah hitohy foana ilay izy ka hoe tsy hahavita hiaritra intsony isika. Afaka manatanjaka ny finoantsika izy, ary mampahery antsika mba tsy hivadika mihitsy.

21 Mampahery antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah. Io fanahy io koa no mampahatsiahy antsika hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina, izay hanampy antsika hahatohitra fakam-panahy. (Jaona 14:26) Tsy ho voafitaka hanaraka lalan-diso àry isika. Fantatsika, ohatra, ny adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona. Maro no tsy nivadika mandra-pahafatiny, noho ny fahalalany an’izany. Tsy ny fahafatesana anefa ilay lalan-kivoahana. Nomen’i Jehovah hery kosa izy ireo ka afaka niaritra hatramin’ny farany fa tsy resin’ny fakam-panahy. Hanampy antsika toy izany koa izy. Ampiasainy mihitsy aza ny anjeliny, izay manao fanompoana ho an’ny besinimaro, ka ‘irahiny hikarakara an’ireo handova famonjena.’ (Heb. 1:14) Hohazavain’ny lahatsoratra manaraka fa ireo tsy mivadika ihany no afaka manohana mandrakizay ny zon’i Jehovah hitondra. Ho anisan’izy ireo isika raha mifikitra amin’i Jehovah Tompo Fara Tampony!

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tokony hanaiky fa i Jehovah no Tompo Fara Tampony?

• Inona no dikan’ny hoe tsy mivadika amin’Andriamanitra?

• Nahoana isika no matoky fa tsy ho ela i Jehovah dia hanamarina ny zony hitondra?

• Nahoana isika no afaka ny tsy hivadika, araka ny 1 Korintianina 10:13?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Nitarika an’i Adama sy Eva hivadika tamin’i Jehovah i Satana

[Sary, pejy 26]

Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanohana ny zon’i Jehovah hitondra