Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Tsy Hivadika!

Aoka Isika Tsy Hivadika!

Aoka Isika Tsy Hivadika!

“Izaho kosa tsy mba hivadika.”—SAL. 26:11.

1, 2. Inona no nolazain’i Joba, ary nanao ahoana izy araka ny Joba toko faha-31?

EFA hatramin’ny ela no nampiasaina mba handanjana ny mizana. Matetika izy io no misy lovia na lela-mizana roa, izay ametrahana ny vatomizana sy ny zavatra holanjaina. Tsy maintsy nampiasa mizana sy vatomizana marina ny vahoakan’Andriamanitra.—Ohab. 11:1.

2 Hoy ilay olo-marina atao hoe Joba, rehefa nampijalin’i Satana: “Raha holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana marina aho, dia ho fantany fa tsy mivadika.” (Joba 31:6) Nitanisa toe-javatra maromaro, izay mety hitarika ny olona hivadika i Joba. Tsy resin’ireny fakam-panahy ireny anefa izy, araka ny teniny ao amin’ny Joba toko faha-31. Handinika izany isika mba hanampy antsika hanahaka azy. Amin’izay isika dia ho tapa-kevitra toa an’i Davida, izay niteny hoe: “Izaho kosa tsy mba hivadika.”—Sal. 26:11.

3. Nahoana isika no tsy maintsy mendri-pitokisana, na amin-javatra madinika na amin’ny zava-dehibe?

3 Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy i Joba, na dia notsapaina mafy aza. Mety hisy hilaza hoe olona miavaka vao mahavita an’izany. Marina fa tsy voatery hijaly be toa an’i Joba isika. Tsy maintsy mendri-pitokisana anefa isika, na amin-javatra madinika na amin’ny zava-dehibe, raha tiantsika ny tsy hivadika sy hanohana ny zon’Andriamanitra hitondra.—Vakio ny Lioka 16:10.

Tsy maintsy madio fitondran-tena isika

4, 5. Inona avy no tsy nataon’i Joba, noho izy tsy nivadika?

4 Raha tsy te hivadika isika, dia tsy maintsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena, toy ny nataon’i Joba. Hoy izy: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny? ... Raha voasarika ho amin’ny vehivavy hafa ny foko, ka mamitsaka miandry eo am-baravaran’ny namako aho, dia aoka ny vadiko hanodina vato fikosoham-bary ho an’ny lehilahy hafa, ary aoka koa ny lehilahy hafa handohalika eo ambonin’ny vadiko.”—Joba 31:1, 9, 10.

5 Tapa-kevitra ny tsy hivadika i Joba. Tsy izy mihitsy no hijery vehivavy ka haniry hanao firaisana aminy. Efa nanambady izy ka tsy nanadala tovovavy, na nampiaraka tamin’ny vadin’olona. Nanome fampitandremana mafy momba ny fitondran-tena i Jesosy, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Mila mitadidy an’izany ireo tsy te hivadika.—Vakio ny Matio 5:27, 28.

Aza fetsifetsy mihitsy

6, 7. a) Inona no ampiasain’Andriamanitra mba hahitana raha tsy mivadika isika? b) Nahoana isika no tsy tokony ho fetsifetsy na hamitaka?

6 Tsy tokony ho fetsifetsy mihitsy isika, raha tsy te hivadika. (Vakio ny Ohabolana 3:31-33.) Hoy i Joba: “Raha miara-mandeha amin’ny olona tsy marina aho, ary ny tongotro mihazakazaka ho amin’ny fitaka... Raha holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana marina aho, dia ho fantany fa tsy mivadika.” (Joba 31:5, 6) “Mizana marina” no andanjan’i Jehovah ny olona rehetra, toy ny nataony tamin’i Joba. Mampiasa ny fitsipiny ara-drariny sy tonga lafatra izy, mba hahitana raha tsy mivadika ny mpanompony efa nanokan-tena.

7 Mivadika amin’Andriamanitra isika, raha lasa fetsifetsy na mamitaka. Efa niala tamin’ny “zava-mahamenatra afenimpenina” ireo tsy mivadika, ary “tsy manao zavatra amin-kafetsena.” (2 Kor. 4:1, 2) Ahoana anefa raha fetsifetsy amin’ny mpiara-manompo isika, amin’ny tenintsika na ny ataontsika, ka miantso vonjy amin’Andriamanitra mihitsy izy? Ho loza no hanjo antsika! Hoy ny mpanao salamo: “I Jehovah no nantsoiko tao anatin’ny fahoriako, dia namaly ahy izy. Jehovah ô, afaho amin’ny molotra mandainga aho, sy amin’ny lela mamitaka.” (Sal. 120:1, 2) Tadidio fa mandinika ny ao anatintsika lalina Andriamanitra, ka “mizaha toetra ny fo sy ny voa”, mba hahitana raha tena tsy mivadika isika.—Sal. 7:8, 9.

Mifandraisa tsara amin’ny hafa

8. Ahoana no nitondran’i Joba ny hafa?

8 Mila manao ny rariny sy miahy ny hafa ary manetry tena toa an’i Joba isika, raha tsy te hivadika mihitsy. Hoy izy: “Raha tsy navelako hahazo ny rariny ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko tamin’ny adiny tamiko, dia inona no hataoko rehefa mitsangana Andriamanitra? Ary inona no havaliko azy rehefa manao ampamoaka izy? Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy koa? Ary tsy Iray ihany ve no namolavola anay tao am-bohoka?”—Joba 31:13-15.

9. Ahoana no nitondran’i Joba ny mpanompony, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

9 Tsotra sy nilamina ny fizotran’ny fitsarana, tamin’ny andron’i Joba. Afaka nitory tany amin’ny fitsarana, na ny andevo aza. Nanao ny rariny sy namindra fo tamin’ny mpanompony i Joba. Mila maneho toetra toy ireo isika raha tsy te hivadika, indrindra raha anti-panahy.

Mahaiza manome, ary aza mitsiriritra

10, 11. a) Ahoana no ahitana fa nalala-tanana sy nanampy ny hafa i Joba? b) Inona avy no andinin-teny mety hotsaroantsika rehefa mamaky ny Joba 31:16-25?

10 Nalala-tanana sy nanampy ny hafa i Joba, fa tsy mba tia tena na nitsiriritra. Hoy izy: “Raha nataoko reraka ny mason’ny mpitondratena, raha nohaniko samirery ny sombi-mofoko, ary tsy nihinana tamin’izany ny kamboty ray ... Raha toa aho nahita olona efa ho faty noho izy tsy nanan-kitafy ... Raha nambanako tamin’ny tanako ny kamboty ray, rehefa hitako nitady fanampiana tamiko teo am-bavahady, dia aoka ny taolan-tsoroko hilatsaka hiala amin’ny soroko, ary ny sandriko ho tapaka hiala amin’ny foto-tsandriko.” Ho nivadika ihany koa i Joba raha niteny tamin’ny volamena hoe: “Ianao no ianteherako!”—Joba 31:16-25.

11 Mety hampahatsiaro antsika ny tenin’i Jakoba mpianatra izany. Hoy izy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.” (Jak. 1:27) Tsaroantsika koa angamba ny tenin’i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” Avy eo i Jesosy dia nanao fanoharana momba ilay mpanankarena tsy nety afa-po, izay maty nefa ‘tsy mba nanan-karena teo imason’Andriamanitra.’ (Lioka 12:15-21) Tsy tokony hitsiriritra na hanana faniriana tsy mety afa-po isika, raha tsy te hivadika mihitsy. Manompo sampy ny olona mitsiriritra, satria tsy i Jehovah intsony no ifantohany, fa ny faniriany izay lasa toy ny sampy. (Kol. 3:5) Tsy tokony hanana faniriana tsy mety afa-po ny olona tsy mivadika!

Aza miala amin’ny fivavahana marina

12, 13. Hazavao fa nifady ny fanompoan-tsampy i Joba, ka modely ho antsika.

12 Toa an’i Joba, dia tsy miala amin’ny fivavahana marina ny olona tsy mivadika. Hoy izy: “Raha nahita ny hazavana namirapiratra aho, na ny volana kanto nandeha teny amin’ny lanitra, ka voafitaka mangingina ny foko, sady nanoroka ny tanako ny vavako ho fanajana an’ireny, dia fahadisoana tokony hotsarain’ny mpitsara koa izany, satria nanda an’ilay tena Andriamanitra any ambony aho raha nanao izany.”—Joba 31:26-28.

13 Tsy nivavaka tamin-javatra tsy mananaina i Joba. Ho nanda an’Andriamanitra izy raha voafitaka mangingina ny fony, rehefa nijery ny zavatra teny amin’ny lanitra, toy ny volana. Raha ‘nanoroka ny tanany ny vavany’, izany hoe nandefa oroka tamin’ny tanany ho fanompoana an’ireo zavatra teny amin’ny lanitra, dia ho nanompo sampy izy. (Deot. 4:15, 19) Mila mifady ny fanompoan-tsampy rehetra isika raha tsy te hivadika.—Vakio ny 1 Jaona 5:21.

Aza manamarin-tena na mihatsaravelatsihy

14. Nahoana isika no milaza fa tsy ratsy toetra i Joba?

14 Tsy ratsy toetra sady tsy tia nampijaly ny hafa i Joba. Fantany fa ho nivadika izy raha nanao izany, satria hoy izy: “Raha nifaly aho satria fongotra izay mankahala ahy, na nibitaka satria tra-doza izy... Fa tsy mba namela ny vavako hanota aho, na nangataka ny hanozonana azy.”—Joba 31:29, 30.

15. Nahoana no tsy mety ny mifaly rehefa misy loza manjo an’ireo mankahala antsika?

15 Tsy mba nifaly tamin’ny fahavoazan’ireo nankahala azy i Joba. Hoy ny ohabolana iray, tatỳ aoriana: “Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao, ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha solafaka izy, sao ho hitan’i Jehovah izany ka ho ratsy eo imasony ary tsy ho tezitra aminy intsony Izy.” (Ohab. 24:17, 18) Mahalala ny ao am-po i Jehovah, ka fantany raha faly ao anatintsika ao isika rehefa misy loza manjo ny hafa, ary tena tsy ankasitrahany izany. (Ohab. 17:5) Mety hanasazy antsika àry Andriamanitra, satria hoy izy: “Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.”—Deot. 32:35.

16. Afaka ny ho tia mandray vahiny ve isika, na dia mahantra aza? Hazavao.

16 Tia nandray vahiny i Joba. (Joba 31:31, 32) Afaka ‘miezaka ho tia mandray vahiny’ koa isika, na tsy manankarena aza. (Rom. 12:13) Azontsika aroso na dia zavatra tsotra aza, satria “aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.” (Ohab. 15:17) Sady mahafinaritra no mampahery ny miara-misakafo amin’ny olona tsy mivadika sy be fitiavana, na dia tsotra aza ilay sakafo.

17. Nahoana isika no tsy tokony hanafina raha nanao fahotana lehibe?

17 Azo antoka fa nampahery ny nivahiny tao amin’i Joba, noho izy tsy nihatsaravelatsihy. Izy mantsy tsy mba toy ireo ratsy fanahy tamin’ny taonjato voalohany, izay nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana, sy ‘nandoka olona mba hahazoana tombony.’ (Joda 3, 4, 16) Tsy ‘nanafina ny fahadisoany tao anaty paosin’akanjony’ koa i Joba, izany hoe tsy nanarontsarona ny fahotany sao ho afa-baraka raha fantatr’olona. Naniry ny hodinihin’Andriamanitra kosa izy, ary vonona hiaiky ny tsy nety nataony. (Joba 31:33-37) Aoka àry isika tsy hanafina mihitsy raha nanao fahotana lehibe. Mila miaiky ny fahadisoantsika kosa isika, ka mibebaka sy mitady fanampiana ary miezaka manonitra an’izany. Amin’izay ihany isika vao azo lazaina hoe tsy mivadika.—Ohab. 28:13; Jak. 5:13-15.

Vonona ny hotsaraina satria tsy nivadika

18, 19. a) Nahoana no azo lazaina hoe tsy nanambaka olona i Joba? b) Vonona ny hatao inona i Joba raha hita fa diso?

18 Olo-marina sy nanao ny rariny i Joba, ka hoy izy: “Raha nitaraina niampanga ahy ny taniko, ary nitomany avokoa ny vava asa teo aminy, raha nihinana ny vokatra teo aminy aho nefa tsy nandoa vola, sady nanao izay hampisento ny mpamboly, dia aoka ho ahidratsy misy tsilo no haniry ho solon’ny varimbazaha, ary ahidratsy maimbo no ho solon’ny vary orza.” (Joba 31:38-40) Tsy naka an-keriny ny tanin’olona i Joba, sady tsy nanambaka an’ireo mpiasany. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah koa isika, na amin’ny zava-dehibe na amin-javatra madinika.

19 Notantarain’i Joba tamin’ireo namany telo sy i Eliho ny fomba fiainany, ary toy ny hoe nasiany “sonia” mihitsy izany. Nasainy nitady zavatra hiampangana azy àry izay te hitory azy. Vonona ny hosazina mafy izy raha hita fa diso. Niandry ny fitsaran’Andriamanitra àry izy. Tamin’izay no “tapitra ny tenin’i Joba.”—Joba 31:35, 40.

Afaka ny tsy hivadika ianao

20, 21. a) Nahoana i Joba no tsy nivadika mihitsy? b) Ahoana no hampitomboantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra?

20 Tsy nivadika mihitsy i Joba satria tia an’i Jehovah, ary i Jehovah koa tia sy nanampy azy. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Nomenao aina aho, ary nanehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana [na fitiavana tsy miovaova]. Ny fiahianao no niaro ny aiko.” (Joba 10:12) Tia olona foana i Joba, satria fantany fa lasa tsy matahotra an’ilay Mahery Indrindra izy raha vao miovaova ny fitiavany an’ireo namany. (Joba 6:14) Tia an’Andriamanitra sy ny namany àry ireo tsy mivadika.—Mat. 22:37-40.

21 Ahoana no hampitomboantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra? Ilaina ny mamaky ny Teniny isan’andro ka misaintsaina izay vakintsika momba azy. Tokony hivavaka amin’ny fo koa isika, ka hidera sy hisaotra azy noho ny hatsaran-toetrany. (Fil. 4:6, 7) Manampy antsika koa ny fivoriana, satria afaka mihira ho an’i Jehovah isika sady mifampahery amin’ny vahoakany. (Heb. 10:23-25) Hitombo koa ny fitiavantsika an’Andriamanitra, rehefa mitory “ny vaovao tsara momba ny famonjeny” isika. (Sal. 96:1-3) Tsy hivadika mihitsy isika raha manao an’ireo, toy ny mpanao salamo izay nihira hoe: “Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.”—Sal. 73:28.

22, 23. Inona no mampitovy ny zavatra takina amintsika sy izay nataon’ireo olona tsy nivadika fahiny?

22 Nandritra ny taonjato maro, dia nomen’i Jehovah andraikitra samy hafa ireo tsy nivadika. Nanao sambofiara, ohatra, i Noa, ary “mpitory ny fahamarinana” koa izy. (2 Pet. 2:5) Nitarika ny Israelita nankao amin’ny Tany Nampanantenaina i Josoa. Tsy ho nahavita izany izy raha tsy ‘namaky andro aman’alina ny boky misy ny lalàna’, sy nitandrina izany. (Jos. 1:7, 8) Nanao mpianatra ireo Kristianina voalohany, sady nivory tsy tapaka mba hianatra ny Soratra Masina.—Mat. 28:19, 20.

23 Manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika sady tsy mivadika, rehefa mitory ny fahamarinana, manao mpianatra, mampihatra ny torohevitry ny Soratra Masina, ary miaraka amin’ny mpiray finoana any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Manampy antsika ho be herim-po sy hatanjaka ara-panahy ary hanao ny sitrapon’Andriamanitra ireo rehetra ireo. Ho vitantsika izany satria manampy antsika ilay Raintsika any an-danitra sy ny Zanany. (Deot. 30:11-14; 1 Mpanj. 8:57) Manohana antsika koa “ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana”, izay samy tsy mivadika sy manaiky an’i Jehovah ho Tompo Fara Tampony.—1 Pet. 2:17.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tokony hanaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena?

• Inona no toetran’i Joba tena manintona anao?

• Nanao ahoana ny fomba fiainan’i Joba, araka Joba 31:29-37?

• Nahoana isika no afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Joba. Afaka manahaka azy isika!

[Sary, pejy 32]

Afaka ny tsy hivadika isika!