Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Marina no any An-danitra Any?

Iza Marina no any An-danitra Any?

Iza Marina no any An-danitra Any?

Any Eoropa, misy vehivavy be taona iray mitondra sapile, ary mandohalika amim-panajana manoloana ny sarin’i Maria, ao am-piangonana. Atỳ Afrika, misy fianakaviana mandraraka toaka eo amin’ny fasan’ny hava-malalany. Any Amerika, misy tovolahy iray mifady hanina sy misaintsaina, ka manantena fa ho afaka hifandray amin’ny anjely mpiambina azy. Any Azia, misy mpisorona mandoro zavatra vita amin’ny taratasy miloko isan-karazany mba hatao fanatitra ho an’ny razana.

INONA no itovizan’ireo olona ireo? Samy mino izy ireo hoe misy hery tsy hita maso any ho any azon’izy ireo ifandraisana, sady manan-kery eo amin’ny fiainantsika. Tsy vaovao izany finoana izany, ary tsy mahagaga koa. Ny mahagaga dia hoe tsy mitovy ny hevitry ny olona momba ny hoe iza marina ireo hery tsy hita maso ireo.

Mivavaka amin’i Allah, * ohatra, ny Silamo. Mivavaka amin’ny Andriamanitra telo izay iray kosa ireo milaza hoe Kristianina. Manana andriamanitra arivo mahery ny Hindoa. Ny hafa kosa mino fa misy fanahy ao anatin’ny biby, sy hazo, vato, ary ny renirano. Be dia be ny boky sy filma ary fandaharana amin’ny tele miresaka momba ny anjely, demonia, matoatoa, ary andriamanitra sy andriamanibavy, ka lasa mino azy ireny ny olona sasany.

Maro sady mifanohitra ny hevitra ananan’ny olona momba an’Andriamanitra, ary toy izany koa ny hevitr’izy ireo momba ny fomba anatonana azy. Tsy afaka ny ho marina daholo anefa ireo hevitra ireo. Mila fantarintsika tsara àry hoe iza no ivavahantsika. Eritrereto izao: Raha hiantso olona amin’ny telefaonina ianao, dia tokony ho fantatrao aloha hoe iza no hantsoinao. Tokony ho azonao antoka hoe tena misy io olona io, ary handray an’ilay antso. Tsy hisy dikany raha olona tsy misy no hantsoinao. Mety hampidi-doza mihitsy koa raha olona misandoka no voantsonao.

Iza marina àry no any an-danitra any? Mamaly an’izany ny Baiboly, sady manazava hoe iza amin’ireo mipetraka any amin’ny faritra tsy hita maso no tokony hifandraisantsika, ary inona no azontsika antenaina aminy. Vakio ny tohiny, fa mety ho gaga ianao hahita izay lazain’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tsy anarana ny hoe “Allah” fa midika fotsiny hoe “Andriamanitra.”