Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Tokony Hivavahantsika?

Iza no Tokony Hivavahantsika?

Iza no Tokony Hivavahantsika?

MISY andraikitra sasany nankinin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tamin’ny zavaboary tsy hita maso hafa. Nomeny andraikitra hifehy ny tany, ohatra, i Jesosy Kristy, ary nanendry anjely tsy mivadika izy mba hanampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. (Apokalypsy 14:6) Tsy nankininy tamin’iza na iza anefa ny andraikitra hihaino vavaka. Andriamanitra irery ihany àry no tokony hivavahantsika.

I Jehovah no “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika izy. Hoy ny apostoly Jaona, rehefa nanoratra ho an’ireo mpanompon’i Jehovah namany: ‘Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia mihaino antsika izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika fa ho azontsika izany, satria nangatahintsika taminy.’—1 Jaona 5:14, 15.

Ary ahoana ny amin’ireo anjely tsy mivadika? Tian’izy ireo ve raha izy ireo no hivavahantsika? Tsia! Fantatr’izy ireo sady arahiny tsara ny fandaharana nataon’Andriamanitra momba ny vavaka. Mandray anjara mivantana amin’izany aza izy ireo indraindray. Nivavaka tamin’i Jehovah momba ny faharavan’i Jerosalema, ohatra, i Daniela mpaminany, indray mandeha. Mba hamaliana ny vavaka nataony, dia naniraka ny anjely Gabriela Andriamanitra, mba hampita hafatra mampahery ho azy.—Daniela 9:3, 20-22.

Hafatra avy amin’ny maty tokoa ve?

Tokony hifandray amin’ny olona efa maty ve isika? Betsaka ny tantara milaza fa misy olona mifampiresaka amin’ny fanahin’ny maty. Anisan’izany ity tany Irlandy ity. Efa maty herinandro vitsivitsy i Fred, kanefa nilaza tamin’ny vadin’izy io ny mpimasy iray fa niresaka tamin’i Fred izy ny alina talohan’io. Notantarainy tamin’ilay vehivavy izay nolazain’i “Fred” taminy. Gaga ilay vehivavy, satria ny tsiambaratelon’izy sy i Fred no noresahin’ilay mpimasy. Ara-dalàna àry raha nieritreritra ilay vehivavy fa velona any amin’ny faritra tsy hita maso any i Fred, ary miezaka hifandray aminy amin’ny alalan’ilay mpimasy. Mifanohitra tanteraka amin’izay voalazan’ny Baiboly momba ny maty anefa izany fomba fihevitra izany.—Jereo ny efajoro.

Ahoana àry no azo anazavana ny tantara toy izany? Anisan’ny fomba amitahan’ny demonia ny olona ny hoe maka tahaka ny endriky ny olona efa maty izy, ka araka ilay fitantarana teo, dia mody nanao ny paozin’i Fred izy. Inona no mahatonga ny demonia hanao izany? Tiany hiala amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny olona, ary tsy hitoky amin’i Jehovah intsony. Mampiasa fomba maro tokoa i Satana sy ny demonia mba hamitahana ny olona. Ampiasainy ny ‘fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary ny famitahana tsy marina rehetra ho an’ireo ho ringana.’—2 Tesalonianina 2:9, 10.

Mieritreritra ny mpimasy sy ny olona mankany amin’ny mpimasy hoe ny olona efa maty no iresahan’izy ireo. Ireo anjely ratsy manohitra an’i Jehovah anefa no iresahan’izy ireo raha ny marina. Diso hevitra toy izany koa ny olona sasany. Mieritreritra izy ireo hoe manompo an’Andriamanitra, kanefa tsy izany akory. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia, fa tsy ho an’Andriamanitra.”—1 Korintianina 10:20, 21.

Koa satria azontsika atao ny mivavaka amin’ilay Andriamanitra Fara Tampony izay tena tia sy miahy antsika, nahoana moa isika no mbola hivavaka amin-javatra hafa indray? Ny Baiboly rahateo manome toky antsika hoe: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 Tantara 16:9.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Koa satria azontsika atao ny mivavaka amin’ilay Andriamanitra Fara Tampony izay tena tia sy miahy antsika, nahoana moa isika no mbola hivavaka amin-javatra hafa indray?

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

Marina ve sa Diso?

TENA MISY I SATANA: MARINA

“I Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.”—2 Korintianina 11:14.

“Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”—1 Petera 5:8.

“Avy amin’ny Devoly kosa izay zatra manota, satria ny Devoly efa nanota hatrany am-piandohana.”—1 Jaona 3:8.

“Koa maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.”—Jakoba 4:7.

‘Mpamono olona hatrany am-piandohana ny Devoly, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.’—Jaona 8:44.

LASA FANAHY NY OLONA REHEFA MATY: DISO

“Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”—Genesisy 3:19.

“Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”—Mpitoriteny 9:5.

“Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.”—Mpitoriteny 9:10.

“Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.”—Salamo 146:4.

MIAHY ANTSIKA IREO ANJELY TSY MIVADIKA: MARINA

“Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.”—Salamo 34:7; 91:11.

“Tsy fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro ve” ny anjely rehetra, “ka irahina hikarakara an’ireo handova famonjena?”—Hebreo 1:14.

“Hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra. Ary nanao tamin’ny feo mafy izy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy.’ ”—Apokalypsy 14:6, 7.

IRAY IHANY ANDRIAMANITRA SY JESOSY: DISO

“Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.”—1 Korintianina 11:3.

“Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”—1 Korintianina 15:28.

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny Zanaka tsy manao na inona na inona araka ny nahim-pony, fa izay hitany ataon’ny Ray ihany no ataony.”—Jaona 5:19.