Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahalala ny “ao Am-pon’ny Zanak’olombelona” Izy

Mahalala ny “ao Am-pon’ny Zanak’olombelona” Izy

Manatòna An’Andriamanitra

Mahalala ny “ao Am-pon’ny Zanak’olombelona” Izy

2 TANTARA 6:29, 30

IZA amintsika no mbola tsy nahatsiaro ho tototry ny olana? Toa tsy misy olona tena mahatsapa ny manjo antsika sy ny halalin’ny fahoriantsika, indraindray. I Jehovah Andriamanitra kosa mahalala tsara ny fihetseham-pontsika. Mampahery ny tenin’i Solomona ao amin’ny 2 Tantara 6:29, 30.

Nivavaka i Solomona rehefa notokanana ny tempoly tao Jerosalema, tamin’ny 1026 T.K. Naharitra folo minitra angamba io vavaka io. Noderainy i Jehovah satria Andriamanitra tsy mivadika, Mpanatanteraka fampanantenana, ary Mpihaino vavaka.—1 Mpanjaka 8:23-53; 2 Tantara 6:14-42.

Nitalaho i Solomona mba hohenoin’Andriamanitra ny fangatahan’ny mpanompony. (Andininy 29) Nanonona karazana fahoriana maro i Solomona (andininy 28), kanefa nomarihiny fa “mahalala ny fahoriany sy ny fijaliany ny tsirairay.” Mety hisy zavatra hampalahelo ny olona iray, nefa mety hanana olana hafa tanteraka ny olona iray hafa.

Tsy voatery hizaka irery ny olana mahazo azy anefa ny olona matahotra an’Andriamanitra. Rehefa nivavaka i Solomona, dia ny olona tsirairay nety ho voatosika ‘hamelatra ny tanany’ hivavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah no tao an-tsainy. * Mety ho tsaroany fa niteny toy izao i Davida rainy rehefa kivy be: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao.”—Salamo 55:4, 22.

Ahoana no hamalian’i Jehovah an’ireo tena mitalaho fanampiana? Niangavy an’i Jehovah toy izao i Solomona: “Enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao, ary mamelà heloka ka valio araka ny lalany avy ny tsirairay.” (Andininy 30) Fantatr’i Solomona fa miahy ny mpanompony tsirairay sy amin’ny fitambarany, ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Manome ny fanampiana ilaina i Jehovah, anisan’izany ny famelana ny helok’ireo mpanota miverina aminy amin’ny fony manontolo.—2 Tantara 6:36-39.

Nahoana i Solomona no natoky fa hovalian’i Jehovah ny fitalahoan’ireo mibebaka? Hoy ny tohin’ny vavak’i Solomona: “Satria ianao [Jehovah] mahalala ny ao am-pony, fa ianao irery ihany no mahalala tsara ny ao am-pon’ny zanak’olombelona.” Fantatr’i Jehovah ny fahoriana na fijaliana ao am-pon’ny mpanompony tsirairay, ary tena zava-dehibe aminy izany.—Salamo 37:4.

Mampahery antsika ny vavak’i Solomona. Mety tsy hisy olona hahatsapa ny fihetseham-pontsika lalina, izany hoe ny ‘fahoriana sy ny fijaliana’ mahazo antsika tsirairay. (Ohabolana 14:10) Fantatr’i Jehovah kosa ny ao am-pontsika, ary tena miahy antsika izy. Ho maivana kokoa ny entantsika raha mivavaka aminy mba hamboraka ny ao am-pontsika isika. Hoy ny Baiboly: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 “Namelatra ny tanany”, izany hoe nampitodika ny felatanany ho any ambony, ny olona taloha rehefa nivavaka.—2 Tantara 6:13.