Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela Velona Tokoa ve ny Olona Resahin’ny Baiboly?

Ela Velona Tokoa ve ny Olona Resahin’ny Baiboly?

Ela Velona Tokoa ve ny Olona Resahin’ny Baiboly?

MATY tao amin’ny tanàna niaviany, any atsimoatsinanan’i Frantsa, i Jeanne Calment, ny 4 Aogositra 1997. Nahatratra 122 taona izy!

Lasa ela velona kokoa ny olona ankehitriny, noho ny fandrosoan’ny siansa sy ny fitsaboana ary ny zavatra hafa. Vitsy ihany anefa ny olona mahatratra 100 taona na mihoatra, hany ka rehefa misy ela velona be toy izany, dia mivoaka an-gazety mihitsy, toa an-dRamatoa Calment.

Milaza ny Baiboly fa ela velona kokoa noho ny amin’izao andro izao ny olona taloha. Ny sasany aza nahatratra arivo taona latsaka kely. Tena ela velona be toy izany tokoa ve anefa ny olona fahiny? Nahoana ny valin’izany no mahakasika antsika?

Olona sasany ela velona be

Nahatratra 900 taona mahery ny lehilahy fito resahin’ny bokin’ny Genesisy. Teraka talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa izy rehetra ireo, dia i Adama, Seta, Enosa, Kenana, Jareda, Metosela, ary Noa. (Genesisy 5:5-27; 9:29) Anisan’ireo taranaka folo voalohany nifandimby teo amin’ny tantaran’ny olombelona ireo lehilahy ireo, na dia tsy fantatry ny olona aza ny ankamaroany. I Metosela no malaza ho ela velona indrindra, satria nahatratra 969 taona izy!

Misy lehilahy hafa koa lazain’ny Baiboly hoe niaina ela be noho ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Dimy amby roapolo ny isan’izy ireo, fara fahakeliny, ka ny sasany nahatratra 300, 400, 700 taona, na mihoatra an’izany aza. (Genesisy 5:28-31; 11:10-25) Heverin’ny olona maro ho angano fotsiny anefa ireny. Izany tokoa ve no izy?

Angano sa tena marina?

Nilaza ny fikambanana iray any Alemaina fa nanangona ny “zavatra tsotsotra vitsivitsy” nolazain-dRamatoa Calment ireo mpikaroka, mba hahafahana manamarina raha 122 taona tokoa izy no maty. Fanazavana nomen’ilay ramatoa momba ny zava-nitranga nahakasika azy na ny havany ireo nangonina ireo. Nampitahaina tamin’izay voalazan’ny antontan-taratasy tany amin’ny biraom-panjakana sy ny naotera ary ny fiangonana izany avy eo, sady nampitahaina tamin’ny lahatsoratra an-gazety sy ny fanisam-bahoaka. Marina aloha fa tsy azo nohamarinina daholo ny tsipiriany rehetra, kanefa hita tamin’ireo porofo fa tena nahatratra 122 taona tokoa Ramatoa Calment.

Ahoana kosa ny amin’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly? Marina ve izy ireny? Izany tokoa! Marina fa tsy hoe ananantsika porofo daholo ny tsipiriany rehetra voalaza ao. Betsaka anefa ny porofo manamarina fa azo itokisana izay lazain’ny Baiboly, na eo amin’ny lafiny tantara, na siansa. Marina koa ny fotoana nitrangan’ireo tantara ao. * Tsy tokony hahagaga izany satria ny Baiboly mihitsy no milaza hoe: “Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra.” (Romanina 3:4, Fandikan-teny Katolika) Tsy afaka hilaza zavatra tsy marina tokoa ny Baiboly, satria “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” izy io.—2 Timoty 3:16.

Anisan’ny lehilahy hajaina indrindra eo amin’ny tantara i Mosesy, ilay nasain’i Jehovah Andriamanitra nanoratra an’ireo Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly. Amin’ny Jiosy, dia i Mosesy no lehibe indrindra amin’ny mpampianatra azy ireo. Anisan’ny mpaminany lehibe indrindra kosa izy, ho an’ny Silamo. Ho an’ny Kristianina indray, dia i Mosesy no mpialoha lalana an’i Jesosy Kristy. Raha manan-toerana lehibe toy izany àry i Mosesy eo amin’ny tantara, tsy ho azo atokisana ve ny zavatra nosoratany?

Hafa mihitsy ve ny fomba fanisana andro fahiny?

Misy milaza fa hafa mihitsy ny fomba fanisana andro tamin’izany. Mihevitra izy ireo fa iray volana amin’izao andro izao no nolazaina hoe iray taona tamin’izany. Rehefa mandinika ny Genesisy anefa isika, dia hitantsika mazava tsara fa mitovy amin’ny fomba fanisana andro amin’izao ihany ny tamin’izany. Handinika ohatra roa isika. Voalohany, resahin’ny Genesisy fa “tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana faharoa” no nanomboka ny Safodrano, ary 600 taona i Noa tamin’izay. Voalaza ao koa hoe nandrakotra ny tany nandritra ny 150 andro ny rano, ka ‘tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana fahafito, no tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ilay sambofiara.’ (Genesisy 7:11, 24; 8:4) Hita amin’izany fa naharitra 150 andro ny dimy volana (nanomboka tamin’ny faha-17 amin’ny volana faharoa ka hatramin’ny faha-17 amin’ny volana fahafito). Diso àry ilay filazana hoe iray volana amin’izao andro izao ny iray taona tamin’izany.

Faharoa, milaza ny Genesisy 5:15-18 fa teraka lahy i Mahalalila tamin’izy 65 taona. Mbola niaina 830 taona izy taorian’izay, ary maty tamin’izy 895 taona. Teraka lahy koa i Enoka zafikeliny rehefa 65 taona. (Genesisy 5:21) Raha toa ka iray volana ny iray taona, dia midika izany fa vao dimy taona monja ireo lehilahy ireo dia niteraka. Hitanao hoe mitombina ve izany?

Misy porofo hafa koa anefa ity: Milaza ny Baiboly fa avy any amin’ny tanànan’i Ora i Abrahama no nifindra nankany Harana, avy eo nankany Kanana. Niady tamin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama izy avy eo, ary naharesy azy. (Genesisy 11:31; 12:5; 14:13-17) Hita tamin’ny fikarohana natao tany ambanin’ny tany fa tena misy ireo toerana sy olona ireo. Tena nanampy koa ireo fikarohana ireo mba hahafahana mamantatra bebe kokoa ny fombafomban’ny olona tamin’ny andron’i Abrahama sy ny mombamomba ny toerana tamin’izany. Ahoana àry ny hevitrao raha lazaina hoe 175 taona i Abrahama vao maty? Tokony hino izany ianao, satria marina daholo ny zavatra lazain’ny Baiboly momba azy.—Genesisy 25:7.

Tsy misy antony tokony hisalasalana àry hoe tena ela velona tokoa ve ny olona sasany resahin’ny Baiboly. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Dia maninona moa raha ela velona be ny olona taloha?’

Afaka hiaina ela kokoa ianao!

Hitantsika teo fa tena ela velona ny olona sasany talohan’ny Safodrano. Porofo izany fa afaka miaina ela be ny vatantsika. Mandroso be izao ny teknolojia, ka vitan’ny mpahay siansa ny mandinika akaiky ny vatan’olombelona. Hitan’izy ireo fa afaka mihavao ny vatantsika, sady afaka manasitrana izay tsy metimety ao aminy. Nanatsoaka hevitra àry izy ireo fa afaka miaina mandrakizay ny olombelona. Nilaza i Tom Kirkwood, mpampianatra momba ny fitsaboana, fa “anisan’ny mistery lehibe mbola tsy voavahan’ny mpahay siansa” ny hoe ahoana no mahatonga ny fahanterana.

Tsy mistery na olana tsy misy fanafany anefa ny fahanterana, amin’i Jehovah Andriamanitra. Nataony lavorary i Adama, lehilahy voalohany, ary ny fikasany dia hoe hiaina mandrakizay ny olona. Mampalahelo fa nivadika tamin’Andriamanitra i Adama, ka nanota sy lasa tsy lavorary. Izao àry ny valin’ilay fanontaniana nokarohin’ny mpahay siansa: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romanina 5:12) Ny ota sy ny tsy fahalavorariana àry no mahatonga antsika harary sy hihantitra ary ho faty.

Tsy niova anefa ny fikasan’ilay Mpamorona be fitiavana. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria nanome ny Zanany izy mba ho sorom-panavotana. Afaka ny ho lavorary sy hiaina mandrakizay ny olona, noho io sorona io. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:22) Mbola akaiky an’ilay fotoana nahalavorary an’i Adama sy Eva ny olona talohan’ny Safodrano, fa tsy toa antsika. Izany no nahatonga azy ireo ho ela velona kokoa. Efa akaiky an’ilay fotoana nolazain’Andriamanitra hoe tsy hisian’ny ota sy ny tsy fahalavorariana anefa isika izao. Tsy hihantitra na ho faty intsony ny olona amin’izay.—Isaia 33:24; Titosy 1:2.

Inona no tokony hataonao, raha te hahazo an’ireo fitahiana ireo ianao? Aza mieritreritra hoe nofinofy fotsiny ny fampanantenan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Izay mandre ny teniko ka mino an’ilay naniraka ahy no manana fiainana mandrakizay.” (Jaona 5:24) Mianara àry Baiboly, ary ampiharo izay ianaranao. Raha manao izany ianao, dia ‘hanana harena tsara tahiry, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy.’ Amin’izay ianao dia “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana”, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly. (1 Timoty 6:19) Andriamanitra no nahatonga an’ireo olona resahina ao amin’ny Baiboly ho ela velona, ka azo antoka fa afaka manampy anao hiaina mandrakizay koa izy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Misy tsipiriany bebe kokoa ao amin’ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

[Tabilao, pejy 12]

(Jereo ny gazety)

1000

969 METOSELA

950 NOA

ADAMA 930

900

 

 

 

800

 

 

 

700

 

 

 

600

 

 

 

500

 

 

 

400

 

 

 

300

 

 

 

200

 

 

 

100 OLONA ANKEHITRINY

 

 

 

TAONA