Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Nahazo Tombontsoa Be Aho!”

“Tena Nahazo Tombontsoa Be Aho!”

Taratasy avy any Haïti

“Tena Nahazo Tombontsoa Be Aho!”

NISY horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 12 Janoary 2010. Tena mafy tamiko ny nahita an’ilay izy tamin’ny vaovao. Niantso ahy anefa i Carmen namako, ny 20 Janoary, ary nitaona ahy hiasa an-tsitrapo any Haïti. Tamin’ny fanorenana trano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah no nihaonako tamin’i Carmen, taona vitsivitsy lasa izay. Samy nirotsaka an-tsitrapo ho mpitsabo mpanampy tany izahay tamin’izay. Nanolo-tena hanampy tamin’ny tetikasa hafa izahay nanomboka teo, ka lasa mpinamana be.

Nilaza tamin’i Carmen aho hoe mety tsy ho vitako ny hanampy any Haïti, satria tsy manana tanjaka sy herim-po hanaovana izany aho. Nampahatsiahiviny ahy fa nahay niara-niasa izahay taloha, ka afaka nifanohana tsara. Nampahery ahy ny teniny. Niantso tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York àry aho, ary niresaka tamin’ny mpiandraikitra ny fanampiana tra-boina. Niresaka taminy momba an’i Carmen koa aho, ary nilaza taminy fa te hiara-miasa izahay. Nilaza anefa izy fa tsy afaka mampanantena izy hoe ho voantso na izaho na i Carmen, ary tsy voatery hiara-miasa koa izahay.

Notohiziko ihany àry ny fiainako andavanandro, satria nieritreritra aho hoe tsy ho voantso. Naharay antso avy any Brooklyn anefa aho efatra andro taorian’izay, izany hoe ny alatsinainy 25 Janoary. Nanontany ahy izy ireo raha afaka nanainga ny ampitson’iny. Taitra be aho. Nanaiky aho ary nilaza fa hanao izay azoko atao. Naka andro tsy hiasana aloha aho, ary avy eo niantso an’i Carmen. Tsy voantso ho any Haïti anefa izy satria tsy mahay teny frantsay. Faly aho hoe handeha nefa natahotra koa. Nahazo tapakila handehanana fiaramanidina ihany aho tamin’ny farany, ka niainga ny 28 Janoary. Tao New York aho no niainga ary nankany Saint-Domingue, any amin’ny Repoblika Dominikanina, akaikin’i Haïti.

Nitsena ahy teny amin’ny seranana ny Vavolombelon’i Jehovah iray, ary nitondra ahy tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblika Dominikanina. Nisy mpitsabo mpanampy anankiroa avy any Etazonia koa tonga tany tamin’io andro io, ary niray efitra izahay ny alin’iny. Nandeha fiara nankany amin’ny biraon’ny sampan’i Haïti any Port-au-Prince izahay ny ampitso maraina, ary naharitra adiny fito sy sasany ny dia.

Vao tafiditra ny sisin-tanin’i Haïti izahay, dia nahita ny faharavan’ilay tanàna. Saika tsy nampino ahy ny nahita hoe ravarava tao anatin’ny 35 segondra monja ilay tanàna tsara tarehy. Efa mafy ny nijery an’ilay izy tamin’ny tele, mainka moa fa ny nahita maso an’ilay izy. Be dia be ny trano simba, anisan’izany ny lapam-panjakana. Maro be koa ny trano rava tanteraka, ka lasa korontam-bato sisa. Niasa mafy nandritra ny taona maro ny tompon’ireny trano ireny mba hanorenana ny tranony, nefa dia nafoy tao anatin’ny segondra vitsy izany. Nieritreritra foana àry aho hoe tsy ny zavatra ara-nofo tokoa no zava-dehibe eo amin’ny fiainana.

Tonga tany amin’ny biraon’ny sampana izahay avy eo. Nihazakazaka nitsena anay teo am-baravarana ilay vehivavy mpandray olona tao. Sady nitsikitsiky be izy no namihina mafy anay. Nisaotra anay izy noho izahay namela ny asanay mba handehananay tany. Rehefa avy nisakafo antoandro izahay, dia nankany amin’ilay Efitrano Fivoriambe tsy lavitra teo. Natao hopitaly vonjimaika io trano io. Nihaona tamin’ny Vavolombelona hafa nirotsaka an-tsitrapo aho tao, ka anisan’izany ny dokotera mpivady avy any Alemaina sy ny lehilahy iray mpanampy azy ary ny mpampivelona iray avy any Soisa.

Nanomboka niasa aho ny alin’iny, ary Vavolombelona daholo izahay mpitsabo tao. Nisy marary 18 natory tamin’ny kidoro, teo amin’ny tany. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny sasany, kanefa samy nahazo fikarakarana mitovy sy fitsaboana maimaim-poana izy rehetra.

Nisy lehilahy iray 80 taona narary tao. Nikarakara azy izaho sy ny vadiny ary ny vehivavy iray niray efitra tamiko. Maty anefa ilay lehilahy tamin’io alina io. Nisy vehivavy tanora atao hoe Ketly koa tao. Notapahina ny tanan’izy io havanana satria naratra tamin’ilay horohoron-tany. Nanaintaina mafy anefa izy tamin’io alina io ka nitomany. Tsy niala teo anilany mihitsy ny Vavolombelona iray mpampianatra Baiboly azy, ary saika teo foana izy isak’alina.

Nankeny amin’i Ketly aho, satria te hampitony ny fanaintainany. Tsy nanaintaina fotsiny anefa izy fa kivy koa. Notantarainy tamiko hoe tany an-tranon’ny namany izy no nitranga ilay horohoron-tany. Tsy tena fantatr’izy ireo tsara hoe inona no nitranga, fa nihazakazaka nankeny an-davarangana fotsiny izy ireo sady nifampisakambina. Nianjeran’ny rindrina anefa izy ireo, ka voatsindry tao. Niantso an’ilay namany i Ketly nefa tsy namaly izy. Tonga dia fantany fa maty ilay namany. Teo amboniny foana ilay namany mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina, adiny efatra taorian’izay. Naratra i Ketly ka tsy maintsy notapahina ny tanany havanana hatreo amin’ny foto-tsandriny.

Nahatsiaro an’ilay zava-nitranga foana i Ketly, isaky ny mba te hatory, tamin’io alina io. Sady nitomany izy no nilaza hoe: “Fantatro ny voalazan’ny Soratra Masina momba ny andro farany sy ny horohoron-tany. Fantatro koa hoe ho sambatra isika amin’ny hoavy, ary tokony ho faly aho hoe mbola velon’aina. Alaivo sary an-tsaina anefa ny manjo ahy. Nandeha tsara ny fiainako teo, kanefa tampoka teo dia izao sisa.” Tsy hitako izay natao ka namihina azy fotsiny aho, ary nitomany koa. Nitomany izahay mandra-pahitany tory.

Dokotera iray sy mpitsabo mpanampy roa isan’andro no nalefa hitsabo tany an-toeran-kafa. Nalefa tany Petit Goave aho, indray andro. Lalana adiny roa, amin’ny fiara, avy eo Port-au-Prince no misy azy io. Mpitsabo mpanampy iray avy any Floride, sy dokotera iray avy any Frantsa no niaraka tamiko. Tamin’ny 9.30 maraina izahay no tonga, ary notaterinay tao amin’ny trano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra rehetra nilainay. Efa nilazana ny olona hoe ho avy tao izahay, ka nipetraka niandry ny fahatongavanay izy ireo.

Tonga dia niasa izahay. Nafana be ny andro, ary nihalava foana ny laharan’ireo marary. Tamin’ny telo teo ho eo izahay vao afaka naka aina kely. Olona 114 no nataonay vaksiny tamin’iny andro iny, ary 105 ny marary nojerenay. Reraka be aho nefa faly satria afaka nitsabo an’ireo nila fanampiana.

Tapa-bolana teo ho eo aho no tany Haïti. Tao amin’ilay Efitrano Fivoriambe aho no tena niasa, ary saika niasa alina nandritra ny adiny 12 foana aho tany. Tena andraikitra lehibe ilay izy, ary mbola tsy nanao toy izany mihitsy aho. Tsapako anefa hoe nahazo tombontsoa sy fitahiana aho nandeha tany. Tena faly aho satria afaka nampahery sy nitondra fanamaivanana ho an’ireo olona tena nijaly tao Haïti.

Misy zavatra maro nianaranay avy tamin’izy ireo. Nisy ankizilahy iray 15 taona atao hoe Eliser tao. Tsy maintsy notapahina ny tongony ilany, ary izaho no nikarakara azy. Voamariko fa notehiriziny ny sakafony mba hozarainy tamin’i Jimmy, tovolahy iray niandry azy isak’alina. Nohazavain’i Eliser tamiko fa tsy manana sakafo hariva i Jimmy indraindray. Tsapako tamin’izany fa tsy voatery ho mpanankarena isika na hoe salama tsara vao ho afaka hizara izay ananantsika.

Nanana toe-tsaina toy izany koa ireo mpiasa an-tsitrapo niara-niasa tamiko. Tsy salama ny iray, ary narary lamosina ny iray. Izay nilain’ny marary foana anefa aloha no nokarakarain’izy ireo, fa tsy izay hampiadana ny tenany. Nampahery ahy izany ary nanampy ahy tsy ho kivy. Rera-tsaina sy vizana izahay indraindray, kanefa nifanohana mba hanohizana an’ilay asa. Tsy hohadinoiko mihitsy ireny fotoana ireny! Tena faly aho satria anisan’ny fandaminana misy Kristianina tsara fanahy sy be fitiavana ary mahafoy tena.

Samy nanoratra taratasy fisaorana ho ahy ny marary roa, na dia notapahina aza ny tanan’izy ireo havanana. Nomen’izy ireo ahy ilay taratasy, talohan’ny nialako tany, sady niangavy ahy izy ireo mba tsy hamaky ny taratasiny raha tsy eny ambony fiaramanidina. Izany tokoa no nataoko. Nanohina ny foko ireo taratasy ireo, ka nitomany foana aho.

Mifandray foana amin’ireo namako vaovao hitako tany Haïti aho, hatramin’ny nodiako. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra tokoa no ahitana ny tena namana sy mampifankatia kokoa ny mpinamana. Mino aho fa ho mpinamana akaiky foana izahay na inona na inona zava-tsarotra mety hitranga amin’ny hoavy. Tsapako hoe tena nahazo tombontsoa be aho!