Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Izy Ireo no Nanda ny Mesia?

Nahoana Izy Ireo no Nanda ny Mesia?

Nahoana Izy Ireo no Nanda ny Mesia?

TENA liana tamin’ny zavatra nolazain’i Jesosy ny olona, tamin’izy tetỳ an-tany, ary talanjona tamin’ny fahagagana nataony. Noho izany, dia maro ny olona “nino azy”, ka niteny hoe: “Rehefa tonga i Kristy, hanao famantarana maro noho ny vitan’ity lehilahy ity ve izy?” (Jaona 7:31) Nanaiky izy ireo hoe i Jesosy no Mesia, na Kristy nampanantenaina.

Tsy lasa mpino anefa ny ankamaroan’ny olona nahita an’i Jesosy, na dia nisy porofo maro aza hoe izy no Mesia. Ary na dia ireo nino azy aza nanjary nanda azy indray tatỳ aoriana. Hijery ny anton’izany isika, ka eo am-pandinihana izany, dia saintsaino hoe sao dia mba mitady hanao fahadisoana toy izany koa ianao.

Diso fanantenana

Maro ny Jiosy niandry ny fahatongavan’ny Mesia, tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Rehefa nentina tao amin’ny tempoly, ohatra, i Jesosy zazakely, dia nanatona azy ny olona sasany efa “niandry ny fanafahana an’i Jerosalema”, dia ny fanafahana hoentin’ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:38) Rehefa nahita ny asa nataon’i Jaona Mpanao Batisa koa ny olona tatỳ aoriana, dia nieritreritra hoe: “Izy angamba no Kristy?” (Lioka 3:15) Fa inona moa no nantenain’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany hoe hataon’ny Mesia?

Teo ambany fahefan’ny Romanina ny Jiosy tamin’izany ka nijaly. Nino àry ny ankamaroan’ny Jiosy hoe ho tonga hanafaka azy ireo ny Mesia, ary hampody ny fanjakana ho amin’ny Israely. Nitaona ny olona hikomy sy hiady tamin’io fitondrana io ny lehilahy sasany to teny teo amin’ny vahoaka, talohan’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany. Azo inoana fa namolavola ny sain’ny olona ny zavatra nataon’izy ireny, ka nahatonga azy ireo hanantena hoe hitondra fiovana ny Mesia.

Tsy nitovy tamin’ireny Mesia sandoka ireny mihitsy i Jesosy. Tsy nampirisika ny olona hahery setra izy, fa nampianatra azy ireo ho tia ny fahavalony sy hankatò ny manam-pahefana. (Matio 5:41-44) Tsy nanaiky koa izy rehefa nitady hanao azy ho mpanjaka ny olona. Nampianariny kosa hoe “tsy anisan’ity tontolo ity” ny fanjakany. (Jaona 6:15; 18:36) Na izany aza, dia tsy nety afaka tao an-tsain’ny olona ny zavatra efa noeritreretiny momba ny Mesia.

Eritrereto, ohatra, i Jaona Mpanao Batisa. Efa nahita sy nandre zava-mahagaga izy nanaporofo hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Na izany aza, dia mbola naniraka ny mpianany hanontany toy izao an’i Jesosy izy, rehefa tany am-ponja: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?” (Matio 11:3) Lasa saina angamba i Jaona hoe i Jesosy tokoa ve ilay Mpanafaka nampanantenaina, izay hanatanteraka ny fanantenan’ny Jiosy.

Sarotra tamin’ny apostolin’i Jesosy koa ny nanaiky hoe hovonoina i Jesosy ary avy eo hatsangana amin’ny maty. Rehefa nohazavain’i Jesosy, ohatra, fa tsy maintsy hijaly sy ho faty ny Mesia, dia ‘nentin’i Petera hihataka kely izy ary noteneniny mafy.’ (Marka 8:31, 32) Mbola tsy azon’i Petera tamin’izay hoe nahoana i Jesosy no tsy maintsy ho faty nefa izy no Mesia.

Diniho koa izay nitranga, rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy taloha kelin’ny Paska taona 33. Falifaly erỳ ny vahoaka nitsena azy sy niantso azy hoe Mpanjaka. (Jaona 12:12, 13) Nivadika tampoka anefa ny toe-javatra. Tamin’io herinandro io ihany i Jesosy dia nosamborina sy novonoina. Diso fanantenana ny mpianany roa noho izany, ka nilaza hoe: “Izahay anefa nanantena fa izy no voatendry hanafaka ny Israely.” (Lioka 24:21) Na dia taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty aza, dia mbola nieritreritra ihany ny mpianany hoe hanorina fanjakana eto an-tany ny Mesia. Hoy izy ireo tamin’i Jesosy: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” Hitantsika amin’izany fa efa latsa-paka tao am-pon’ny olona sy tao an-tsainy ny hevi-diso noeritreretiny momba ny Mesia.—Asan’ny Apostoly 1:6.

Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, sy taorian’ny nandatsahana ny fanahy masina, vao nazava tamin’ny mpianatr’i Jesosy hoe ho Mpanjaka any an-danitra ny Mesia. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 32-36) Sahy nitory momba ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty ny apostoly Petera sy ny apostoly Jaona tatỳ aoriana. Nanao fahagagana koa izy ireo nanaporofo fa nanohana azy ireo Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 3:1-9, 13-15) Nanohina ny fon’ny olona an’arivony tao Jerosalema izany, ka lasa mpino izy ireo. Tsy faly tamin’izany anefa ireo mpitondra fivavahana jiosy, ka nanohitra an’ireo apostoly sy mpianatr’i Jesosy, toy ny efa nataony tamin’i Jesosy ihany. Fa nahoana ireo mpitondra fivavahana ireo no nanohitra mafy an’i Jesosy?

Nolavin’ny mpitondra fivavahana i Jesosy

Efa nihataka be tamin’izay voalazan’ny Soratra Masina ny Jiosy, tamin’i Jesosy tonga teto an-tany, ary hita teo amin’ny fanaon’izy ireo sy ny zavatra ninoany izany. Nampirisika ny olona hanaraka lovantsofina ny mpitondra fivavahana, dia ny Sadoseo sy ny Fariseo ary ny mpanora-dalàna. Nataon’izy ireo ho ambony noho ny Tenin’Andriamanitra ny lovantsofina. Imbetsaka izy ireo no nanendrikendrika an’i Jesosy hoe mandika ny Lalàna, noho izy nanasitrana olona tamin’ny Sabata. Nasehon’i Jesosy mazava tsara anefa fa diso ny fampianaran’izy ireo. Nihozongozona ny fahefan’izy ireo noho izany, ary niharihary fa tsy marina ny filazan’izy ireo hoe nankasitrahan’Andriamanitra izy. Ankoatra izany, dia tsy nitovy tamin’izy ireo i Jesosy. Avy amin’ny fianakaviana tsotsotra i Jesosy, ary tsy mba nianatra tany amin’ny sekolin’ny mpitondra fivavahana. Tsy mahagaga àry raha sarotra tamin’ireo lehilahy niavonavona ireo ny nanaiky hoe i Jesosy no Mesia! Romotra izy ireo noho ny nataon’i Jesosy, ka “nikaon-doha ny amin’ny fomba hamonoana azy.”—Matio 12:1-8, 14; 15:1-9.

Niaiky ireo mpitondra fivavahana ireo hoe nahavita fahagagana i Jesosy. Tsy tian’izy ireo hino an’i Jesosy anefa ny olona, ka nolazainy hoe avy amin’i Satana ny hery nanaovan’i Jesosy fahagagana. Hoy izy ireo: “Tsy misy amoahan’ilehio demonia, afa-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lehiben’ny demonia.”—Matio 12:24.

Nisy antony lehibe iray hafa koa nahatonga azy ireo tsy nety nanaiky hoe i Jesosy no Mesia. Nifampiresaka ny mpitondra fivavahana maromaro, taorian’ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy tamin’ny maty. Nilaza izy ireo hoe: “Inona no hataontsika, fa manao famantarana maro iny lehilahy iny? Raha avelantsika amin’izao izy, dia hino azy daholo ny rehetra, ary ho avy ny Romanina ka haka ny tempolintsika sy ny firenentsika.” Natahotra ny hiala amin’ny toerany sy tsy hanana fahefana intsony àry ireo mpitondra fivavahana, ka nanao tetika hamonoana an’i Jesosy sy Lazarosy!—Jaona 11:45-53; 12:9-11.

Halan’ny olona sy nenjehina

Nanjary tsy tiam-bahoaka izay olona nanaiky an’i Jesosy ho Mesia, noho ny nataon’ireo mpitondra fivavahana jiosy. Niavonavona ireo mpitondra fivavahana ireo satria nanana toerana ambony, ka nanambany an’izay nino an’i Jesosy. Nilaza izy ireo hoe: “Fa angaha moa mba misy mino azy ny lohandohany eo amin’ny Jiosy na ny Fariseo?” (Jaona 7:13, 48) Nino an’i Jesosy ihany ny sasany tamin’ireo mpitondra fivavahana ireo, ohatra hoe i Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia. Lasa mpianatr’i Jesosy izy ireo, kanefa natahotra ka nanafina izany. (Jaona 3:1, 2; 12:42; 19:38, 39) Namoaka didy koa mantsy ireo mpitondra fivavahana hoe “raha misy manaiky an’i Jesosy ho Kristy, dia tokony horoahina hiala amin’ny synagoga.” (Jaona 9:22) Nailikiliky ny fiaraha-monina izay olona nanao izany, sady nohamavoin’izy ireo.

Lasa nahery setra mihitsy ireo mpanohitra, tatỳ aoriana. Nampijalin’ny Fitsarana Avo Jiosy, ohatra, ireo apostoly, noho izy ireo sahy nitory. (Asan’ny Apostoly 5:40) Namorona lainga koa ny mpanohitra ka niampanga an’i Stefana, mpianatr’i Jesosy, hoe nanevateva an’Andriamanitra. Nomelohin’ny Fitsarana Avo izy, ka notoraham-bato ho faty. Taorian’izay, dia “nenjehina mafy ny fiangonana tany Jerosalema, ka niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.” (Asan’ny Apostoly 6:8-14; 7:54–8:1) Nandray anjara tamin’ny fanenjehana an’ireo Kristianina i Saoly (lasa apostoly Paoly tatỳ aoriana), ary nanohana an’izany ny mpisoronabe sy “ny anti-panahy rehetra.”—Asan’ny Apostoly 9:1, 2; 22:4, 5.

Na izany aza, dia nitombo haingana ny Kristianina taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. An’arivony no lasa mpino. Mbola vitsy ihany anefa izy ireo tany Palestina, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy maintsy vonona ny hailikiliky ny olona sy hampijaliana izay sahy nampiseho hoe mpanara-dia an’i Kristy.

Anatra ho antsika

Hitantsika teo fa maro ny olona tsy nino an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, noho ny hevi-diso nananany, na ny faneren’ny manodidina, na ny fanenjehana. Mety hitranga amintsika koa izany, satria mbola misy hevi-diso momba an’i Jesosy sy ny fampianarany ankehitriny. Maro, ohatra, no nampianarina hoe ao am-pontsika ny Fanjakan’Andriamanitra, na hoe ny olombelona ihany no hanorina an’io fanjakana io. Misy indray lasa mino hoe ny siansa sy ny teknolojia no hamaha ny olana mahazo ny olombelona, ka tsy mila mino ny Mesia isika. Tsy vitan’izany fa maro ny mpanakiana no manizingizina hoe tsy tena nisy ireo zava-nitranga mifandray amin’ny fanompoan’i Jesosy, voatantara ao amin’ny Baiboly. Manjary tsy mino àry ny olona hoe i Jesosy no Mesia.

Vokatr’izany, dia tsy azon’ny olona maro hoe inona marina no ataon’ny Mesia, na mieritreritra izy ireo hoe tsy ilaina ny mahafantatra an’izany. Raha vonona handinika ny porofo anefa isika, dia hahita fa betsaka noho ny tamin’ny taonjato voalohany ny porofo ananantsika ankehitriny hoe i Jesosy tokoa no Mesia. Manana ny Soratra Hebreo (Testamenta Taloha) isika, ary misy faminaniana maro momba izay hataon’ny Mesia ao. Manana an’ireo Filazantsara efatra koa isika, ary voalaza ao ny zavatra nataon’i Jesosy ho fahatanterahan’ireny faminaniana ireny. *

Tena ampy tsara àry ny porofo, ka afaka manapa-kevitra isika tsirairay. Mila manapa-kevitra haingana koa isika. Nahoana? Satria milaza ny Baiboly hoe tsy ho ela dia handringana an’izay rehetra manimba ny tany ny Mesia, izay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitondra ny tany amim-pahamarinana izy, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona rehetra mankatò. (Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15, 18; 21:3-5) Hanana an’io hoavy sambatra io ianao, raha miezaka hahafantatra momba an’i Jesosy sy maneho finoana azy. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Jereo ilay tabilao hoe “Faminaniana Momba ny Mesia”, ao amin’ny pejy 200 amin’ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 20]

Ho hainao ve ny namantatra hoe iza ny Mesia, raha niaina tamin’ny andron’i Jesosy ianao?

[Sary, pejy 21]

Aza avela hisakana anao tsy hahafantatra ny marina momba an’i Jesosy ny hevitra efa ao an-tsainao