Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona

Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona

Ampianaro ny Zanakao

Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona

EFA nandre tsiambaratelo ve ianao?... * Misy anankiray ity tiako hotantaraina aminao. Antsoina hoe “zava-miafina masina” izy io ao amin’ny Baiboly, ary tsy nampahafantarina an’iza na iza izy io “hatramin’ny ela be.” (Romanina 16:25) Andriamanitra ihany no nahafantatra azy io tamin’ny voalohany. Nolazainy tamin’ny olona maro be anefa izy io tatỳ aoriana.

Fa izao aloha: Hainao ve izany hoe “masina” izany?... Midika izy io hoe madio, na tsy misy mitovy aminy. Atao hoe masina ilay zava-miafina, satria masina Andriamanitra ary an’azy ilay izy. Nisy zavaboary naniry hahalala an’io tsiambaratelo io. Fantatrao ve hoe iza izy ireo?... Ny anjely. Hoy ny Baiboly: “Ireny zavatra ireny indrindra no tena tian’ny anjely hodinihina tsara.”—1 Petera 1:12.

Nanazava an’io zava-miafina masina io i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Ianareo no nilazana mazava tsara ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 4:11) Momba ny inona àry ilay zava-miafina masina?... Momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ilay fanjakana noresahin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka nampianariny hoe Rainay Izay any An-danitra.—Matio 6:9, 10.

Tsiambaratelo foana ny momba an’io fanjakana io “hatramin’ny ela be.” Nandika ny lalàn’Andriamanitra i Adama sy Eva tamin’ny voalohany, ary noroahina tao amin’ny zaridainan’i Edena. Fantatr’ireo nanompo an’Andriamanitra ihany fa mbola hataon’Andriamanitra Paradisa ny tany. (Genesisy 1:26-28; 2:8, 9; Isaia 45:18) Nanoratra izy ireny hoe ho sambatra ny olona eto an-tany, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra. Rehefa tonga teto an-tany anefa i Jesosy vao tena nazava ny momba an’io Fanjakan’Andriamanitra io. Izy no nampianatra momba azy io voalohany.—Salamo 37:11, 29; Isaia 11:6-9; 25:8; 33:24; 65:21-24.

Izao indray àry: Iza no nataon’Andriamanitra mpanjakan’ilay Fanjakany, raha fantatrao?... Ny Zanany, i Jesosy Kristy. Antsoina hoe “Andrianan’ny fiadanana” izy io. Milaza ny Baiboly hoe “ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana.” (Isaia 9:6, 7) Mila miezaka isika hahafantatra an’i Kristy, izay anisan’ilay “zava-miafina masin’Andriamanitra.” (Kolosianina 2:2) Tokony ho fantatsika hoe nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’i Maria ilay anjely voalohany, izay tsy iza fa ny Zanany. Io anjely tena mahery io no nirahin’Andriamanitra teto an-tany mba hatao sorona, ka hahatonga antsika ho afaka hiaina mandrakizay. Natsangana tamin’ny maty izy tatỳ aoriana.—Matio 20:28; Jaona 3:16; 17:3.

Misy zavatra hafa koa anefa tokony ho fantatsika momba an’ilay zava-miafina, dia ny hoe hisy olon-kafa hiaraka hanjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Lehilahy ny sasany, ary vehivavy ny sasany.—Efesianina 1:8-12.

Iza avy izy ireo? Anisan’izy ireo ny apostolin’i Jesosy tsy nivadika. Nilaza tamin’izy ireo i Jesosy hoe hanomana toerana ho azy ireo izy. (Jaona 14:2, 3) Vakio ireto andinin-teny ireto, dia ho fantatrao ny anaran’ireo lehilahy sy vehivavy sasany hiara-manjaka amin’i Jesosy: Matio 10:2-4; Marka 15:39-41; Jaona 19:25.

Tsy fantatra nandritra ny fotoana ela be hoe firy ny olona hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Efa fantatsika anefa izany izao. Firy àry raha fantatrao?... Milaza ny Baiboly hoe 144 000 ny isany. Mbola tafiditra amin’ilay zava-miafina masina koa izany.—Apokalypsy 14:1, 4.

Fantatrao izao ilay “zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra.” Tsy hitanao hoe tena mahaliana ve ilay izy, ka tokony ho fantatry ny olona?... Raha izany, dia tokony hiezaka hahafantatra tsara momba azy io ianao. Amin’izay dia ho afaka hanazava izany amin’ny olona be dia be araka izay azo atao ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.

FANONTANIANA:

▪ Ahoana no iantsoana an’ilay tsiambaratelo noresahintsika teo? Nahoana no izany no iantsoana an’ilay izy?

▪ Momba ny inona ilay zava-miafina masina, ary iza no nampianatra voalohany momba azy io?

▪ Inona avy no fantatrao momba an’io zava-miafina io?

▪ Inona no holazainao, raha hanazava an’io zava-miafina masina io amin’ny namanao ianao?

[Sary, pejy 31]

Fantatrao ve hoe inona no tian’ireo anjely ireo ho fantatra?