Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Holazain’ny Zanakao?

Inona no Holazain’ny Zanakao?

Inona no Holazain’ny Zanakao?

RY RAY AMAN-DRENY, nampirisihina hanao fanazaran-tena miaraka amin’ny zanakareo ianareo, tao amin’ny Tilikambo 15 Janoary 2010, pejy 16-20. Hanampy anareo hanomana ny zanakareo hiatrika ny olana any am-pianarana ity lahatsoratra ity. Azonareo ampiasaina izy ity, mandritra ny takariva anaovanareo Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.

MARO ny olana atrehin’ny ankizy Vavolombelon’i Jehovah. Matetika ny mpiara-mianatra aminy no manontany ny antony tsy hanaovany zavatra sasany, toy ny fananganan-tsaina sy aniversera ary zavatra hafa. Inona àry no holazain’ny zanakao?

Misy milaza fotsiny hoe: “Tsy mahazo manao an’izany aho. Tsy mety amin’ny fivavahanay izany.” Tokony hoderaina ireny ankizy ireny satria sahy mijoro amin’ny heviny. Mety tsy hisy hanontanintany intsony izy avy eo. Mampirisika antsika anefa ny Baiboly mba ‘ho vonona foana hilaza ny fiarovan-tenantsika eo anatrehan’izay manontany ny antony’ inoantsika zavatra iray. (1 Pet. 3:15) Tsy ampy àry ny milaza hoe: “Tsy mahazo manao an’izany aho.” Mety hisy olona te hahalala ny antony tsy hanaovantsika zavatra sasany, na dia misy tsy mitovy hevitra amintsika aza.

Maro ny ankizy Vavolombelona milaza tantara avy ao amin’ny Baiboly amin’ny mpiara-mianatra aminy, ka mampiasa boky toy ny Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Hanampy azy ireo hanazava ny antony hanaovany na tsy hanaovany zavatra sasany ireny tantara ireny. Mihaino tsara ny ankizy sasany, ary maro ny fampianarana Baiboly natomboka vokatr’izany. Sarotra amin’ny ankizy hafa kosa ny mihaino tantara iray manontolo. Mety tsy ho azon’ny ankizy mpianatra ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly raha tsy hazavaina tsara. Hoy i Minhee, 11 taona, rehefa nasain’ny namany tamin’ny aniversera: “Tsy mampirisika antsika hankalaza aniversera ny Baiboly. Novonoina nandritra ny fankalazana aniversera ilay Jaona Mpanao Batisa resahin’ny Baiboly.” Tadidin’i Minhee anefa hoe hoatran’ny tsy azon’ilay namany izay nolazainy.

Tsara koa indraindray ny mampiseho sary na tantara avy ao amin’ny bokintsika. Ahoana raha tsy avelan’ny sekoly hizara boky ara-pivavahana amin’ny mpianatra hafa ny ankizy? Hahavita hitory ihany ve ny zanakao, na dia tsy mampiasa boky aza? Ahoana no anampianao azy hilaza ny fiarovan-tenany?

Manaova fanazaran-tena

Tsara ny manao fanazaran-tena ao an-trano, ka ny ray aman-dreny no mody manao mpiara-mianatra. Derao ny zanakao noho izy miezaka miaro ny finoany. Ampianaro hahay hampisaintsaina kokoa izy, ary asehoy azy ny mahatsara an’izany. Asaivo mampiasa teny azon’ny ankizy mitovy taona aminy, ohatra, izy. Nilaza i Joshua, zazalahy sivy taona, fa tsy azon’ny mpiara-mianatra aminy ny teny toy ny hoe “feon’ny fieritreretana” sy “tsy fivadihana.” Tsy maintsy nampiasa teny tsotra kokoa àry izy.—1 Kor. 14:9.

Vetivety dia tsy liana ny ankizy sasany nanontany, raha be loatra ny fanazavana omena azy. Mety ho liana foana anefa izy raha mahay miresaka aminy sy mampisaintsaina azy ny tanora Vavolombelona. Hoy i Haneul, zazavavy folo taona: “Iresahana no tian’ny mpiara-mianatra amiko fa tsy omena fanazavana.” Mametraha àry fanontaniana ka henoy tsara izy ireo.

Azon’ny ankizy kristianina ampiasaina mba hampisaintsainana ny mpiara-mianatra aminy ny resadresaka eto ambany. Tsy natao hianarana tsianjery ireo, satria tsy mitovy ny ankizy ary hiova arakaraka izay miseho ny zavatra tokony holazaina. Tokony hotadidin’ilay ankizy Vavolombelona anefa ny hevitra ao ary holazainy amin’ny fomba fiteniny, arakaraka ny toe-javatra sy arakaraka ny fihetsik’ilay mpiara-mianatra aminy. Averimbereno miaraka amin’ny zanakao ireo, raha manan-janaka mbola mianatra ianao.

Ilana fotoana sy ezaka ny fampiofanana ankizy. Tian’ny ray aman-dreny hilentika ao am-pon-janany ny toro lalan’ny Baiboly, mba ho resy lahatra izy ireo ka hanaraka izany.—Deot. 6:7; 2 Tim. 3:14.

Ataovy fanazaran-tena miaraka amin’ny zanakao ny resadresaka eto, amin’ny takariva manaraka hanaovanareo Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Ho hitanao fa tena hahomby izany. Tadidio fa tsy ny hanao tsianjery an’ireo teny sy valin-teny no tanjona. Averimbereno imbetsaka kosa ny toe-javatra iray, ka ovaovao izay lazainao, mba hahitanao raha hain’ny zanakao ny mamaly. Ampio izy hahay handanjalanja rehefa manazava ny antony inoany zavatra iray. Ho vitanao ny hanampy ny zanakao hiaro ny finoany eo anatrehan’ny mpiara-mianatra aminy sy ny mpiara-monina ary ny mpampianatra, rehefa mandeha ny fotoana.

[Efajoro/Sary, pejy 4, 5]

ANIVERSERA

Haingo: Mario a, afaka ny ho tonga amin’ny aniverserako ve ianao?

Mario: Misaotra anao aloha e! Fa maninona kay ianao no manao fety amin’io?

Haingo: Satria aniverserako. Ianao angaha tsy mba manao fety rehefa aniverseranao?

Mario: An an an.

Haingo: Fa maninona? Ny tao aminay aloha faly be tamin’izaho teraka e!

Mario: Ny tao aminay koa faly be tamin’izaho teraka. Tsy hoe hanao fety isan-taona anefa aho, noho izany. Maro no mieritreritra hoe izy no tena ambony rehefa aniverserany. Tsy Andriamanitra ve anefa no tena ambony? Tsy izy ve no tokony hisaorana satria nampisy antsika?

Haingo: Tsy tokony hanao fety izany aho?

Mario: Izay tianao ihany io ka! Fa izao: Tian’ny olona ny mandray fanomezana rehefa aniverserany. Lazain’ny Baiboly anefa fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany koa ny olona rehefa aniverserany. Tsy aleo ve anefa misaotra an’Andriamanitra sy mieritreritra ny hafa ary manao soa ho azy ireo?

Haingo: Izany tokoa moa? Dia tsy mahazo fanomezana avy amin’ny dadanareo sy mamanareo mihitsy izany ianao?

Mario: Mahazo aho ka! Manome zavatra ahy foana ry zareo, fa tsy miandry ny aniverserako. Fa mba tianao ho fantatra ve hoe ahoana no nahatonga ny aniversera?

Haingo: Ie!

Mario: Efa nisy nanao aniversera taloha. Andraso fa hotantaraiko anao ilay izy rahampitso.

FANANGANAN-TSAINA

Nomena: Fa maninona i Kanto no tsy manao hiram-pirenena rehefa manangan-tsaina?

Kanto: Fa izaho ve aloha afaka manontany an-drỳ hoe nahoana indrỳ no manao hiram-pirenena e?

Nomena: Satria tiako ny tanindrazako.

Kanto: Indrỳ izao tia an’i Mamanareo, nefa tsy hanao hira faneva ho azy. Sa tsy izany?

Nomena: Eny e! Fa ho fanajana ny tanindrazantsika ange no antony hihirako e! Indrỳ angaha tsy manaja ny tanindrazantsika?

Kanto: Manaja aho ka! Fa tsy manao hira faneva ho an’izay olona na zavatra hajaintsika isika. Sa tsy izany?

Nomena: Izaho tokoa aloha manaja ny mpampianatra antsika fa tsy manao hira faneva ho azy e!

Kanto: Maro no mieritreritra hoe manao hiram-pirenena izy mba hampisehoana fa tia tanindrazana sy vonona hanome ny zava-drehetra ho an’ny taniny. Tsy hanome ny aiko ho an’ny taniko aho fa ho an’Andriamanitra, satria izy no nanome aina ahy. Efa tapa-kevitra ny hanokan-tena ho azy aho, ka tsy hanao hiram-pirenena, na dia manaja ny tanindrazako aza.

Nomena: Hay ve e!

Kanto: Fa manontania ihany raha mbola misy tian-drỳ ho fantatra momba ny zavatra sasany ataoko na tsy ataoko an! Ary efa henon-drỳ ve ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba ny mpanjaka iray tany Babylona? Nasainy niankohoka teo anoloan’ny sary iray ny vahoakany, ary nisy tsy nety niankohoka na dia norahonana ho faty aza.

Nomena: Izany ve? Dia ahoana no niafarany?

Kanto: Ao fa hotantaraiko an-drỳ amin’ny sakafo antoandro.

POLITIKA

Mika: Tsiry a, iza no hofidin’ialahy raha afaka nifidy ialahy?

Tsiry: Izaho tsy mieritreritra an’izany.

Mika: Fa maninona?

Tsiry: Kristianina aho ka te hanahaka an’i Jesosy. Tsy nanao politika izy. Tian’ialahy ho fantatra ve ny antony?

Mika: An an an! Tsy raharahaiko izany!

Tsiry: Raha tian’ialahy ho fantatra izany amin’ny manaraka, dia teneno ihany aho.

[Sary]

“Mario a, afaka ny ho tonga amin’ny aniverserako ve ianao?”

[Sary, pejy 3]

“Fa maninona ianao no tsy manao hiram-pirenena rehefa manangan-tsaina?”