Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Izao Indrindra no Fotoana Fanehoana Fankasitrahana”

“Izao Indrindra no Fotoana Fanehoana Fankasitrahana”

“Izao Indrindra no Fotoana Fanehoana Fankasitrahana”

“Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!”—2 KOR. 6:2.

1. Nahoana no mila fantarintsika izay tsy maintsy ataontsika loha laharana?

“NY ZAVA-DREHETRA dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra.” (Mpito. 3:1) Te hilaza i Solomona eo fa mila fantarina ny fotoana tsara indrindra anaovan-javatra, toy ny fotoana hambolena, hanaovana dia, hiasana, ary hiresahana amin’ny hafa. Mila fantarina koa anefa izay zava-dehibe indrindra tsy maintsy atao amin’ny fotoana iray, izany hoe izay tokony ho loha laharana.

2. Hazavao fa fantatr’i Jesosy hoe niaina tamin’ny fotoana niavaka izy.

2 Fantatr’i Jesosy fa niaina tamin’ny fotoana niavaka izy tetỳ an-tany, satria nanakaiky ny fotoana tokony hahatanterahan’ireo faminaniana maro momba ny Mesia. (1 Pet. 1:11; Apok. 19:10) Nifantoka tamin’izay tokony hataony loha laharana àry izy. Tsy maintsy naharihariny fa izy no Mesia. Nila nitory ny marina momba ilay Fanjakana izy, ary nanangona an’ireo hiara-manjaka aminy. Tsy maintsy napetrany koa ny fototry ny fiangonana kristianina, izay hanohy ny fitoriana sy fampianarana hatrany amin’ny faran’ny tany.—Mar. 1:15.

3. Inona no nataon’i Jesosy satria fantany fa niavaka ny fotoana niainany?

3 Ny fahafantaran’i Jesosy an’izany rehetra izany no nandrisika azy hazoto hanao ny sitrapon’ny Rainy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Be tokoa ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra mba haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Lioka 10:2; Mal. 4:5, 6) Nifidy mpianatra 12 aloha izy, ary avy eo 70, ka nomeny toromarika izy ireo sady nirahiny hitory hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” I Jesosy koa, ‘rehefa avy nanome toromarika ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia niala teo ka nitety tanàna mba hampianatra sy hitory tany amin’ny tanàna hafa.’—Mat. 10:5-7; 11:1; Lioka 10:1.

4. Ahoana no nanahafan’i Paoly an’i Jesosy Kristy?

4 Nazoto sy nahafoy tena i Jesosy, ka modely lavorary ho an’ny mpanara-dia azy. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Kor. 11:1) Ahoana no nanahafan’i Paoly an’i Kristy? Tsy nitandro hasasarana izy rehefa nitory ny vaovao tsara. Nanoratra ho an’ny fiangonana, ohatra, izy hoe: “Aza malaina amin’izay ataonareo”, “manompoa an’i Jehovah”, ‘aoka ianareo ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo’, ary “izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah.” (Rom. 12:11; 1 Kor. 15:58; Kol. 3:23) Tsy hadinon’i Paoly mihitsy ilay nisehoan’i Jesosy Kristy Tompo taminy teo amin’ny lalana mankany Damaskosy, sy ny teny nampilazain’i Jesosy an’i Ananiasy hoe: “Fanaka voafidy ho ahy izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely.”—Asa. 9:15; Rom. 1:1, 5; Gal. 1:16.

“Fotoana fanehoana fankasitrahana”

5. Inona no nandrisika an’i Paoly hazoto tamin’ny fanompoana?

5 Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa be herim-po sy nazoto nanompo i Paoly. (Asa. 13:9, 10; 17:16, 17; 18:5) Fantany mantsy fa niavaka ny fotoana niainany. Hoy izy: “Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!” (2 Kor. 6:2) Tamin’ny 537 T.K. no fotoana fanehoana fankasitrahana ho an’ireo natao sesitany tany Babylona, satria navela hody izy ireo. (Isaia 49:8, 9) Inona kosa no tian’i Paoly holazaina? Manampy antsika hamantatra izany ny teny manodidina.

6, 7. Inona no tombontsoa lehibe nomena ny voahosotra ankehitriny, ary iza no manampy azy ireo?

6 Talohan’io, dia nanoratra i Paoly fa nomena tombontsoa lehibe izy sy ireo Kristianina voahosotra hafa. (Vakio ny 2 Korintianina 5:18-20.) Nantsoin’Andriamanitra manokana mantsy izy ireo, mba hanao “fanompoana fampihavanana”, ka hiangavy ny olona mba ‘hihavana’ indray amin’Andriamanitra.

7 Hatramin’ny fikomiana tany Edena, dia tafasaraka tamin’i Jehovah ny olombelona rehetra. (Rom. 3:10, 23) Lasa tsy mahalala an’i Jehovah sy ny fikasany àry ny olona amin’ny ankapobeny. Nanomboka teo ny fijaliana sy ny fahafatesana. Hoy i Paoly: ‘Fantatsika fa mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.’ (Rom. 8:22) Nanao zavatra anefa Andriamanitra ka ‘niangavy’ ny olona mba hiverina na hihavana aminy indray. Izany no fanompoana nankinina tamin’i Paoly sy ny voahosotra hafa. Io ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana” sy “andro famonjena” ho an’ireo mino an’i Jesosy. Ankehitriny koa, dia miara-miasa ny voahosotra rehetra sy ny “ondry hafa”, ka manasa ny olona handray soa amin’ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana.”—Jaona 10:16.

8. Nahoana no tena miavaka ilay fampihavanana?

8 Nahoana no tena miavaka ilay fampihavanana? Ny olona no niala tamin’Andriamanitra rehefa nikomy tany Edena, nefa Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany mba hihavanan’ny olona aminy. (1 Jaona 4:10, 19) Inona no nataony? Hoy i Paoly: “Nampihavanin’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’i Kristy izao tontolo izao, ka tsy nisainy ny helok’izy ireo. Ary nankininy taminay ny teny fampihavanana.”—2 Kor. 5:19; Isaia 55:6.

9. Inona no nataon’i Paoly mba hanehoana fa nankasitrahany ny famindra-pon’Andriamanitra?

9 Nanome vidim-panavotana i Jehovah, ka izay maneho finoana azy io dia afaka mahazo famelan-keloka sy mifandray aminy. Naniraka solontena mihitsy aza izy, mba handrisika ny olon-drehetra hihavana aminy, dieny mbola azo atao. (Vakio ny 1 Timoty 2:3-6.) Nikely aina nanao ilay “fanompoana fampihavanana” i Paoly, satria fantany ny sitrapon’Andriamanitra, ary fantany fa niavaka ny fotoana niainany. Tsy niova ny sitrapon’i Jehovah. Mbola tiany hihavana aminy ny olona. Mbola mihatra ankehitriny àry ny tenin’i Paoly hoe: “Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!” Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka tokoa i Jehovah!—Eks. 34:6, 7.

Aza ‘hadinoina ny zava-kendren’izany’

10. Inona no ataon’ny voahosotra mandritra ny “andro famonjena”, na taloha na ankehitriny?

10 Ireo “tafaray amin’i Kristy” no mandray soa voalohany amin’ilay fampihavanana, izay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. (2 Kor. 5:17, 18) Ho azy ireo, dia nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 ilay “andro famonjena.” Nitory an’ilay “teny fampihavanana” nankinina taminy izy ireo, nanomboka teo. Mbola manao an’ilay “fanompoana fampihavanana” ny sisa voahosotra ankehitriny. Takatr’izy ireo mantsy fa ireo anjely efatra ao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona, dia ‘mihazona mafy ny rivotra efatry ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany.’ Midika izany fa mbola “andro famonjena” sy “fotoana fanehoana fankasitrahana” izao. (Apok. 7:1-3) Noho izany, nanomboka tamin’ny taonjato faha-20, dia mazoto manao “fanompoana fampihavanana” hatrany amin’ny faran’ny tany ireo sisa voahosotra.

11, 12. Ahoana no nanehoan’ireo voahosotra zotom-po, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20? (Jereo ny sary, pejy 15.)

11 Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra: ‘Nino mafy i Russell sy ny namany [taloha kelin’ny taonjato faha-20] fa fotoana fijinjana tamin’izany, ka tokony handre ny fahamarinana manafaka azy ny olona.’ Inona àry no nataon’ireo voahosotra rehefa fantany fa “fotoana fanehoana fankasitrahana” tamin’izay? Tsy nanasa ny olona hiangona fotsiny toy ny ataon’ny mpitondra fivavahana izy ireo. Nitady fomba mandaitra kosa izy ireo, mba hitoriana ny vaovao tsara. Nampiasainy, ohatra, ny teknolojia farany.

12 Vitsy ny mpitory tamin’izany, nefa nazoto nampiely ny vaovao tsara. Nampiasa taratasy mivalona, bokikely, sy boky aman-gazety àry izy ireo. Nisy koa lahateny sy lahatsoratra navoaka tamin’ny gazety mpilaza vaovao an’arivony. Nandefa fandaharana ara-baiboly tamin’ny radio teo an-toerana sy tany ivelany izy ireo. Vitany ny namoaka sy nampiasa sarimihetsika nampiarahina tamin’ny feo, na dia mbola tsy nanao sarimihetsika misy feo aza ny mpanao filma. Be zotom-po tokoa ireny mpanompon’i Jehovah ireny, na dia tsy ampy traikefa aza! Inona no vokatr’izany? Olona fito tapitrisa eo ho eo izao no efa nanaiky an’ilay hafatra, ary miangavy ny hafa koa hoe: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!”

13. Inona ilay zava-kendrena tokony hotadidintsika?

13 Mbola mihatra ankehitriny ilay tenin’i Paoly hoe “izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana.” Tsapantsika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah, ka mankasitraka azy isika namela antsika handre sy hanaiky ilay hafatra fampihavanana. Ho be zotom-po àry isika, ka hitadidy ny tenin’i Paoly hoe: “Miangavy anareo koa [izahay] mba hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra nefa tsy hanadino ny zava-kendren’izany.” (2 Kor. 6:1) Ilay zava-kendrena dia ny ‘hampihavana an’izao tontolo izao amin’Andriamanitra’, amin’ny alalan’i Kristy.—2 Kor. 5:19.

14. Inona izao no mitranga any amin’ny tany maro?

14 Hajambain’i Satana ny ankamaroan’ny olona, ka mbola tafasaraka amin’Andriamanitra sy tsy mahalala ny zava-kendren’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. (2 Kor. 4:3, 4; 1 Jaona 5:19) Maro anefa no te hihavana amin’Andriamanitra, rehefa nianatra fa noho ny olombelona tafasaraka taminy no nahatonga ny faharatsiana sy ny fijaliana. Na any amin’ireo tany be olona tsy miraika aza, dia maro izao no mandray ny vaovao tsara sy miezaka hihavana amin’Andriamanitra. Takatsika àry ve fa tena mila mazoto isika izao, ka miangavy ny olona mba ‘hihavana amin’Andriamanitra’?

15. Inona no ampanantenain’ny fivavahana maro, nefa inona no hazavaintsika rehefa mitory?

15 Misy fivavahana mampanantena hoe izay manatona an’Andriamanitra dia ho maivamaivana satria ho voavaha ny olana rehetra mahazo azy. Hitady an’izany fotsiny no andehanan’ny olona maro any am-piangonana. (2 Tim. 4:3, 4) Tsy izany anefa no tanjontsika rehefa mitory. Hazavaintsika kosa hoe vonona hamela heloka amin’ny alalan’i Kristy i Jehovah, satria be fitiavana. Azon’ny tsirairay atao àry ny mihavana aminy. (Rom. 5:10; 8:32) Hifarana tsy ho ela anefa ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana.”

“Aoka ianareo harehitry ny fanahy”

16. Inona no nanampy an’i Paoly hazoto foana sy ho be herim-po?

16 Ahoana àry no hananantsika zotom-po foana amin’ny fanompoana? Misy, ohatra, menamenatra na tsy be teny, ka mety ho sarotra aminy ny hifandray amin’olona. Tadidio anefa fa tsy fihetseham-po aseho etỳ ivelany fotsiny ny zotom-po. Tsy miankina amin’ny toetra mampiavaka ny olona koa izany. Fa miankina amin’inona? Hoy i Paoly: “Aoka ianareo harehitry ny fanahy.” (Rom. 12:11) Ny fanahin’i Jehovah tokoa no tena nanampy an’i Paoly hazoto sy haharitra amin’ny fitoriana. Tsy nihena mihitsy ny zotom-pony, nanomboka tamin’ilay fotoana niantsoan’i Jesosy azy ka hatramin’ny nanagadrana azy farany sy namonoana azy tany Roma. Naharitra 30 taona mahery izany. Niantehitra tamin’Andriamanitra foana izy, ka nohatanjahiny tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fil. 4:13) Handray soa isika raha manahaka azy!

17. Inona no hanampy antsika mba “harehitry ny fanahy”?

17 Midika ara-bakiteny hoe “ampangotrahina” ilay teny grika nadika hoe ‘arehitra.’ Mila ampiana foana ny afo mba hangotraka hatrany ny rano. Tokony hiasa amintsika foana koa ny fanahy masina, mba hahatonga antsika “harehitry ny fanahy.” Aoka àry isika handray ny fanampiana rehetra omen’i Jehovah, mba hanatanjahana antsika ara-panahy. Midika izany fa tsy tokony hataontsika tsirambina ny vavaka, fianarana samirery, fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, ary fivoriana. Ireo no hanampy antsika mba ‘harehitry ny fanahy’ foana.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:20; 18:25.

18. Kristianina nanokan-tena isika, ka inona no tanjona tokony hifantohantsika?

18 Ny olona nanokan-tena hanatratra tanjona iray, dia mifantoka tanteraka amin’izany, ary tsy mora kivy na manaiky ho voarebireby. Kristianina nanokan-tena isika, ka ny hanao izay rehetra takin’i Jehovah no tanjontsika, toy ny nataon’i Jesosy. (Heb. 10:7) Ny sitrapon’i Jehovah izao, dia ny hisian’ny olona betsaka araka izay azo atao hihavana aminy. Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy sy Paoly, ka hazoto amin’io asa lehibe sy maika indrindra io!

Tadidinao Ve?

• Inona no asa nankinina tamin’i Paoly sy ny voahosotra hafa?

• Ahoana no nampiasan’ireo sisa voahosotra an’ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana”?

• Inona no hanampy antsika mba “harehitry ny fanahy”?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Tsy hadinon’i Paoly mihitsy ilay nisehoan’i Jesosy Kristy Tompo taminy