Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoy ny Genesisy 6:3: “Tsy handefitra tsy misy farany amin’ny olona aho, satria nofo ihany izy. Koa ho roapolo amby zato taona ny androny.” Midika ve izany fa noferan’i Jehovah ho 120 taona ny androm-piainan’ny olona? Sa nandritra izany fotoana lava be izany i Noa no nitory hoe ho avy ny Safodrano?

Tsia no valin’ireo fanontaniana roa ireo.

Tsy milaza ny Genesisy 6:3 hoe noferan’Andriamanitra ho 120 taona ny androm-piainan’ny olona. Betsaka mantsy ireo niaina nandritra ny taonjato maro talohan’ny Safodrano. Efa 600 taona, ohatra, i Noa rehefa tonga ny Safodrano, ary 950 taona izy vao maty. (Gen. 7:6; 9:29) Velona maherin’ny 120 taona koa ny olona sasany teraka taorian’ny Safodrano. Efa 438 taona, ohatra, i Arpaksada vao maty, ary i Sela kosa 433 taona. (Gen. 11:10-15) Nihena ho 70 na 80 taona kosa ny androm-piainan’ny olona, tamin’ny andron’i Mosesy.—Sal. 90:10.

Nilaza tamin’i Noa àry ve i Jehovah, ao amin’ny Genesisy 6:3, fa handringana izy rehefa afaka 120 taona ka nila nampitandrina ny olona i Noa? Tsia. Marina fa imbetsaka i Jehovah no niresaka tamin’i Noa. Izao, ohatra, no lazain’ny andininy faha-13: “Hoy Andriamanitra tamin’i Noa: ‘Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra, satria feno herisetra ny tany.’ ” Rehefa vitan’i Noa ilay sambofiara goavam-be, dia “hoy i Jehovah tamin’i Noa: ‘Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao manontolo.’ ” (Gen. 6:13; 7:1) Nilaza zavatra hafa tamin’i Noa koa i Jehovah tatỳ aoriana.—Gen. 8:15; 9:1, 8, 17.

Tsy mitovy amin’ireo anefa ny Genesisy 6:3. Tsy misy anaran’i Noa mantsy eo, sady tsy voalaza eo hoe niresaka taminy Andriamanitra. Nilaza ny fikasany na ny fanapahan-keviny fotsiny Andriamanitra eo. (Ampitahao amin’ny Genesisy 8:21.) Nahoana isika no milaza izany? Miverimberina ao amin’ny tantaran’ireo zava-nitranga ela be talohan’ny namoronana an’i Adama ny hoe: “Hoy koa Andriamanitra.” (Gen. 1:6, 9, 14, 20, 24) Tsy niresaka tamin’ny olona i Jehovah tamin’izany, satria mbola tsy nisy ny olona.

Afaka milaza àry isika fa filazan’Andriamanitra ny fanapahan-keviny hamarana ilay tontolo ratsy tamin’izany ilay Genesisy 6:3. Namoaka didim-pitsarana i Jehovah fa hanao izany rehefa afaka 120 taona, saingy tsy fantatr’i Noa izany. Nahoana anefa i Jehovah no nametra fotoana ary mbola niandry?

Hoy ny apostoly Petera: “Niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara. Olom-bitsy, eny, olona valo no nentin’izy io ka tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano.” (1 Pet. 3:20) Tamin’i Jehovah nilaza ny fanapahan-keviny handringana rehefa afaka 120 taona, dia mbola nisy zavatra maro nilaina natao. Niteraka ny zanany voalohany ry Noa mivady, 20 taona teo ho eo taorian’izay. (Gen. 5:32; 7:6) Nihalehibe ireo zanany telo lahy, ary nanambady. Lasa “valo” mianaka ry Noa tamin’ny farany. Mbola nila nanamboatra an’ilay sambofiara goavam-be koa izy ireo, ary tsy vita vetivety izany satria vitsy ry Noa. Vita izany rehetra izany satria nanam-paharetana Andriamanitra ka niandry 120 taona. “Tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano” àry ireo olona valo tsy nivadika ireo.

Tsy lazain’ny Baiboly ny taona nampahafantaran’i Jehovah an’i Noa ny hahatongavan’ny Safodrano. Mbola niteraka an’ireo zanany lahy aloha i Noa, nihalehibe izy ireo ary nanambady. Mety ho 40 na 50 taona àry no tavela talohan’ny hahatongavan’ny Safodrano. Hoy i Jehovah, avy eo, tamin’i Noa: “Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra.” Nasain’i Jehovah nanamboatra sambofiara ngezabe i Noa ary nasainy niditra tao izy mianakavy. (Gen. 6:13-18) Nanao ny marina i Noa nandritra ireo taona maro talohan’ny Safodrano. Tsy izay ihany fa “mpitory ny fahamarinana” koa izy. Nampitandrina izy fa nanapa-kevitra ny handringana ny ratsy fanahy tamin’izany Andriamanitra. Tsy fantatr’i Noa mialoha be ny taona hahatongavan’ilay izy. Fantany kosa fa tsy maintsy ho tonga izy io, ary izany tokoa no nitranga.—2 Pet. 2:5.