Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Mila Mihaino Izay Lazain’Andriamanitra?

Nahoana Isika no Mila Mihaino Izay Lazain’Andriamanitra?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Nahoana Isika no Mila Mihaino Izay Lazain’Andriamanitra?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety hanitikitika ny sainao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Nahoana isika no mila mihaino izay lazain’Andriamanitra?

Manana vaovao tsara ho an’ny olombelona Andriamanitra. Resahiny ao amin’ny Baiboly izany. Toy ny taratasy avy amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra ny Baiboly.—Vakio ny Jeremia 29:11.

2. Inona ilay vaovao tsara?

Mila fitondram-panjakana mahomby ny olombelona. Mbola tsy nisy mihitsy mpitondra afaka nanafoana ny herisetra, ny tsy rariny, ny aretina, na ny fahafatesana. Misy vaovao tsara anefa. Hanangana fitondram-panjakana mahomby Andriamanitra. Hanafaka antsika amin’ny zava-drehetra mahatonga fijaliana izy io.—Vakio ny Daniela 2:44.

3. Nahoana isika no tena mila mihaino izay lazain’Andriamanitra?

Tsy ho ela dia haringan’Andriamanitra ny olona mahatonga fijaliana. Mampianatra olona tso-po an-tapitrisany anefa aloha izy, mba hananan’izy ireo fiainana tsara kokoa, ary ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Ianaran’izy ireo avy ao amin’ny Baiboly ny fomba iatrehana olana sy ahitana tena fahasambarana ary ampifaliana an’Andriamanitra.—Vakio ny Zefania 2:3.

4. Avy amin’iza ny Baiboly?

Misy bokikely 66 ao amin’ny Baiboly. Lehilahy 40 no nanoratra azy ireo. I Mosesy no nanoratra ireo boky dimy voalohany, 3 500 taona lasa teo ho eo izay. Ny apostoly Jaona kosa no nanoratra ny boky farany, 1 900 taona mahery izay. Ny hevitr’Andriamanitra anefa no nosoratan’izy ireo, fa tsy ny heviny manokana. Avy amin’Andriamanitra àry ny Baiboly.—Vakio ny 2 Timoty 3:16; 2 Petera 1:21.

Marina foana ny tsipiriany lazain’ny Baiboly momba ny hoavy. Tsy misy olona mahavita an’izany. (Isaia 46:9, 10) Miresaka momba ny toetran’Andriamanitra ny Baiboly. Mahavita manatsara ny fiainan’ny olona koa izy io. Olona an-tapitrisany àry no lasa miaiky fa Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly.—Vakio ny Josoa 23:14; 1 Tesalonianina 2:13.

5. Ahoana no hahatakaranao izay lazain’ny Baiboly?

Nalaza ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy. Zatra nampiasa Baiboly ny ankamaroan’ny olona niresahany, nefa mbola nila nampiana mba hahatakatra azy io. Nanonona andinin-teny i Jesosy sady nanazava ny “hevitry ny Soratra Masina.” Izany koa no ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra hoe “Ianaro ny Tenin’Andriamanitra.”—Vakio ny Lioka 24:27, 45.

Tena mahaliana ny mianatra izay lazain’Andriamanitra momba ny antony namoronana antsika. Mety hisy tsy faly noho ianao mamaky Baiboly, nefa aza kivy. Miankina amin’ny fahalalanao an’Andriamanitra mantsy no hahazoanao fiainana mandrakizay.—Vakio ny Matio 5:10-12; Jaona 17:3.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 2, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.