Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nonina Tany Edena ve ny Olombelona Voalohany?

Nonina Tany Edena ve ny Olombelona Voalohany?

Nonina Tany Edena ve ny Olombelona Voalohany?

ALAO sary an-tsaina hoe ao amin’ny zaridaina ngezabe iray ianao. Lavitry ny tabataban’ny tanàn-dehibe ilay toerana, ka tsy voahelingelina ianao. Milamin-tsaina tanteraka koa ianao ary salama sy tomady. Afaka mankafy ny manodidina ianao.

Finaritra erỳ ianao mijery an’ireo voninkazo maro loko, renirano manganohano, ary zavamaniry maitso mavana tarafin’ny masoandro na eny ambany aloka. Injany tsio-drivotra malefaka mitondra hanitra mamerovero! Renao ny ravinkazo mihofahofa, ny rano mitopatopa eny amin’ny vato, ny siokam-borona, ary ny bibikely manenoneno. Tsy mba tianao ve ny ho ao amin’io toerana io?

Maro no mino fa toerana toy izany no nonenan’ny olombelona voalohany. Efa ela ny mpivavaka ao amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ary ny Silamo no nampianarina fa nataon’Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena i Adama sy Eva. Lazain’ny Baiboly fa niadana sy sambatra izy ireo, nifankahazo tsara, ary tsy nasiaka taminy ny biby. Tsara koa ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, izay nampanantena azy ireo fiainana mandrakizay tao amin’io toerana tena kanto io.—Genesisy 2:15-24.

Mino koa ny Hindoa fa nisy paradisa fahiny, saingy hafa no iheverany azy io. Ny Bodista indray mino fa toy ny paradisa izao tontolo izao taloha ary sambatra ny olona. Tamin’izany, hono, no nanomboka nanana mpitarika na Bouddha izy ireo. Fivavahana maro atsy Afrika koa no mampianatra tantara mitovy be amin’ny an’i Adama sy Eva.

Na ny fivavahana na ny lovantsofina àry dia samy mampianatra fa nisy paradisa taloha. Hoy ny mpanoratra iray: “Olona avy tamin’ny kolontsaina maro no nino fa nisy paradisa taloha, ka lavorary ny zava-drehetra, ary nanjaka ny fahafahana, ny fiadanana ary ny fahasambarana. Tsy nisy nahory na nampahatahotra na nampanahy, ary tsy nisy ny ady. ... Maro àry no lasa nanembona mafy an’ilay paradisa tsy nisy intsony, ary niezaka mafy hamerina azy io indray.”

Iray ihany ve no nipoiran’ireny tantara sy lovantsofina ireny? Zavatra tena nisy ve no tsaroan’ny olona maro matoa manembona paradisa izy ireo? Tena nisy zaridainan’i Edena ve taloha, ary tena nisy ve i Adama sy Eva?

Misalasala sy maneso ny olona sasany. Mandroso be ny siansa, ka maro no milaza fa angano fotsiny ny momba an’i Edena. Mahagaga fa mpivavaka ny sasany amin’ireo misalasala. Mpitondra fivavahana maro mantsy no mampianatra fa tsy nisy ny zaridainan’i Edena. Tsy ara-bakiteny, hono, io tantara io, fa angano sy fanoharana fotsiny.

Marina aloha fa misy fanoharana ao amin’ny Baiboly! Na i Jesosy aza nilaza fanoharana tena malaza. Tsy fanoharana anefa no ilazan’ny Baiboly ny tantaran’i Edena, fa tantara tena nisy. Azo itokisana ve ny zavatra hafa resahin’ny Baiboly, raha tsy tena nisy ny zaridainan’i Edena? Hodinihintsika aloha hoe nahoana no misy misalasala, ary mitombina ve ny heviny. Nahoana no tena ilaintsika tsirairay ny mahalala izay nitranga tany Edena?