Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Menarana no Nampiasain’i Satana Hiresahana Tamin’i Eva?

Nahoana no Menarana no Nampiasain’i Satana Hiresahana Tamin’i Eva?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana no Menarana no Nampiasain’i Satana Hiresahana Tamin’i Eva?

▪ Hitantsika tao amin’ny pejy 8 fa i Satana no tena niresaka tamin’i Eva fa tsy ilay menarana. Izany no ampianarin’ny Baiboly. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Nahoana ny anjely mahery iray no nampiasa bibilava?’

Resahin’ny Baiboly fa mampiasa ‘teti-dratsy’ i Satana, ary manaporofo izany ilay zavatra nataony tany Edena. (Efesianina 6:11) Tsy angano misy biby miteny akory io tantara io. Hita avy amin’izy io kosa fa mampidi-doza ny tetik’i Satana, ary tena hainy ny mitaona ny olona hiala amin’Andriamanitra. Ahoana no ataony?

Fidin’i Satana tsara izay olona hofitahiny. I Eva no tsy ampy traikefa indrindra tamin’ireo zavaboary manan-tsaina. Nohararaotin’i Satana izany mba hamitahana azy. Fetsy i Satana ka menarana no nampiasainy, mba hanafenana ny teti-dratsiny. Biby tena malina mantsy ny menarana. (Genesisy 3:1) Eritrereto koa ny vokany rehefa nataony hoatran’ny hoe ilay bibilava no niteny.

Voalohany, nataon’i Satana izay hisarihana ny sain’i Eva ary nahomby izy. Fantatr’i Eva fa tsy miteny ny bibilava. Ny vadiny mantsy no nanome anarana an’io biby io sy ny biby hafa rehetra, rehefa avy nandinika tsara. (Genesisy 2:19) Azo antoka fa nandinika azy io koa i Eva. Taitra àry ny sainy, ka lasa nifantoka tamin’ilay zavatra nandrarana azy izy. Faharoa, raha teo amin’ny sampan’ilay voankazo voarara ilay menarana no hitan’i Eva, inona no mety ho tao an-tsainy? Mety ho nieritreritra izy hoe nihinana tamin’ilay voankazo io biby io matoa lasa niteny. Mety ho nihevitra koa izy hoe raha afaka niteny ilay menarana noho ilay voankazo, tsy ho tsara lavitra ve ny vokany raha mihinana izy? Tsy fantatsika anefa izay tena tao an-tsainy ary tsy fantatsika koa raha nihinana tamin’ilay voankazo ilay bibilava na tsia. Ny fantatsika kosa dia hoe nino avy hatrany i Eva rehefa niteny ilay menarana hoe “ho tahaka an’Andriamanitra” izy raha mihinana.

Amantarana ny tetik’i Satana koa ny teny nampiasainy. Nampisy fisalasalana tao an-tsain’i Eva izy. Hita tamin’ny teniny mantsy fa te hilaza izy hoe nisy zavatra tsara tsy nomen’Andriamanitra an’i Eva. Naneritery loatra ny fiainan’i Eva koa, hono, Andriamanitra. Nampanantena i Satana fa ho tahaka an’Andriamanitra i Eva. Hahomby àry ny tetik’i Satana raha ny tombontsoan’i Eva no lasa zava-dehibe kokoa amin’i Eva fa tsy Andriamanitra, ilay nanome azy ny zava-drehetra. (Genesisy 3:4, 5) Nampalahelo fa nahomby i Satana. Tsy mba naneho fitiavana sy fankasitrahana an’i Jehovah na i Eva na i Adama, nefa izany no tokony ho nataony. Toy izany koa no ataon’i Satana ankehitriny. Mitaona ny olona ho tia tena sy hanamarin-tena izy.

Inona anefa no tanjon’i Satana? Nanafina ny maha izy azy sy ny tanjony izy tany Edena. Naharihariny anefa izany tatỳ aoriana. Fantany, ohatra, fa tsy afaka nanova endrika izy rehefa naka fanahy an’i Jesosy, ka tonga dia nilaza hoe: ‘Miankohofa indray mandeha eto anatrehako.’ (Matio 4:9) Hita amin’izany fa efa ela i Satana no naniry hoe izy indray no hivavahana fa tsy i Jehovah Andriamanitra. Ataony izay hivadihan’ny olona amin’Andriamanitra na tsy hanompoan’izy ireo Azy.

Lazain’ny Baiboly àry fa tena mahay mitady tetika hamelezana antsika i Satana, ary mampidi-doza izy ireny. Tsy voatery ho voafitaka toa an’i Eva anefa isika, satria “fantatsika ny teti-dratsiny.”—2 Korintianina 2:11.