Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hajao ny Zava-masina!

Hajao ny Zava-masina!

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Hajao ny Zava-masina!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Isaka, Rebeka, Jakoba ary Esao

Famintinana: Namidin’i Esao tamin’i Jakoba, rahalahiny kambana aminy, ny zon’ny lahimatoa.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY GENESISY 25:20-34.

Inona no toetra nampiavaka an’i Jakoba sy Esao, na dia mbola tany an-kibo aza izy ireo?

․․․․․

Araka ny hevitrao, hoatran’ny ahoana ny bika aman’endrik’i Jakoba sy Esao, tamin’izy ireo mbola tanora?

․․․․․

Inona no mety ho fihetseham-pon’i Jakoba sy Esao, rehefa nifampiresaka izy ireo eo amin’ny andininy 30 ka hatramin’ny 33?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Manaova fikarohana ao amin’izay boky ara-baiboly anananao, ka fantaro hoe inona ny zon’ny lahimatoa. Nahoana no zava-dehibe izy io? Natakalon’i Esao lantihy eran’ny vilia ny zon’ny lahimatoa. Inona no dikan’izany nataon’i Esao izany?

․․․․․

2 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY GENESISY 27:1-10, 30-38.

Raha henoinao ny tenin’i Esao, nanao ahoana izy rehefa fantany hoe lasan’ny rahalahiny ny tsodrano ho an’ny lahimatoa?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nataon’i Rebeka sy Jakoba izay hahazoan’i Jakoba an’ilay tsodrano. Mety ve izany? Nahoana? (Jereo ny Genesisy 25:23, 33.)

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY . . .

Voka-dratsy maharitra ateraky ny fahafinaretana vetivety.

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Zava-masina inona no nomena anao?

․․․․․

Ahoana no ampisehoanao fa manaja zava-masina ianao?

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org