Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vahaolana Mahomby ho An’ny Mpivady

Vahaolana Mahomby ho An’ny Mpivady

Vahaolana Mahomby ho An’ny Mpivady

TSY milaza ny Baiboly fa handeha ho azy fanambadiana. Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly, ka nilaza fa “tsy ilaozam-pijaliana amin’ny fiainana andavanandro” ny mpivady. (1 Korintianina 7:28, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Betsaka anefa ny azon’izy ireo atao mba hampihenana izany sy hahatonga azy ireo ho faly kokoa. Hodinihintsika àry ny zavatra enina matetika itarainan’ny mpivady, sy ny soa ho azony raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo.

1

METY HITARAINA IANAO HOE:

“Samy maka ho azy izahay mivady.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY:

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’FILIPIANINA 1:10.

Anisan’ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao ny tokantranonao, ka tsy tokony hatao tsirambina. Jereo àry sao dia ny fomba andaminanao fotoana no mahatonga ny olana. Aza avela hahatonga anareo samy haka ho azy ny fiainanareo andavanandro. Marina fa mety tsy ho tafaraka kely ianareo noho ny asa na zavatra hafa tsy azo ialana. Azonareo ferana anefa ny zavatra sasany, toy ny fotoana hialana voly na hiarahana amin’ny namana, sady tokony hanao izany.

Manokana fotoana be loatra amin’ny asa sy fialam-boly ny olona sasany, mba tsy hiarahana amin’ny vadiny. Mitsoaka olana anefa ny olona toy izany fa tsy hoe “samy maka ho azy.” Raha manao toy izany àry ny iray aminareo, dia fantaro ny tena fototry ilay olana ary mitadiava vahaolana. Rehefa miara-manao zavatra mantsy ianareo vao hifandray akaiky sy “ho nofo iray ihany.”—Genesisy 2:24.

Fomba nampiharan’ny mpivady sasany an’ilay toro lalana: Efa folo taona no nivady i Andrew * sy Tanji, any Aostralia. Hoy i Andrew: “Hitako fa mety handrava ny fanambadiana ny mandany fotoana be loatra amin’ny asa sy ny fiarahana amin’ny namana. Miezaka àry izahay mba hanokana fotoana hifampiresahana sy hifamborahana ny ao am-ponay.”

Efa 22 taona no nivady i Dave sy Jane, any Etazonia. Manokana antsasak’adiny isan-kariva izy ireo hifampiresahana izay nataony ny tontolo andro sy izay eritreretin’izy ireo. Hoy i Jane: “Tena zava-dehibe aminay io fotoana io ka tsy avelanay hisy hanelingelina mihitsy.”

2

METY HITARAINA IANAO HOE:

“Tsy misy soa azoko avy amin’ny fanambadianay intsony!”

TORO LALAN’NY BAIBOLY:

“Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”1 KORINTIANINA 10:24.

Tsy ho sambatra mihitsy ny olona iray, na hanambady injato aza, raha ny tombontsoany no tadiaviny voalohany. Handeha tsara ny tokantrano raha ny hanome no zava-dehibe kokoa amin’izy mivady fa tsy ny handray. Hoy mantsy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Fomba nampiharan’ny mpivady sasany an’ilay toro lalana: Efa 39 taona no nivady i Maria sy Martin, any Meksika. Tsy hoe nisosa foana akory ny fiainan’izy ireo. Hoy i Maria: “Nifamaly be izahay sy Martin indray mandeha, ka nahateniteny foana aho. Tezitra be izy. Niezaka nanazava aho hoe tsy fanahy iniako ilay izy fa tezitra fotsiny aho. Tsy nety nihaino ahy anefa izy.” Hoy i Martin: “Lasa nieritreritra aho tamin’io fotoana io hoe tena tsy mety intsony mihitsy ny anay! Tsy tokony hiezaka hanavotra ny tokantranoko intsony aho.”

Te hohajaina i Martin. Tian’i Maria kosa raha nahatakatra ny fihetseham-pony i Martin. Samy tsy nahazo izay notadiaviny anefa izy roa.

Ahoana àry no nataon’izy ireo? Hoy i Martin: “Niezaka ny ho tony aho aloha. Tapa-kevitra izahay avy eo fa hampihatra ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony hifanaja sy ho tsara fanahy. Hitanay fa ho vitanay ny hiatrika izay olana rehetra mety hitranga, raha mangataka ny fanampian’Andriamanitra izahay sady mampihatra ny torohevitry ny Baiboly.”—Isaia 48:17, 18; Efesianina 4:31, 32.

3

METY HITARAINA IANAO HOE:

“Tsy manao ny andraikiny ny vadiko.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY:

“Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”ROMANINA 14:12.

Tsy handeha tsara ny tokantrano raha ny iray ihany no miezaka. Vao mainka ho loza anefa raha izy roa mihitsy no samy tsy manao ny andraikiny, fa mifanome tsiny fotsiny.

Hijaly ianao raha ny zavatra tokony hataon’ny vadinao foana no eritreretinao. Mainka moa fa raha ny fahalemeny no ataonao fialan-tsiny tsy andraisanao ny andraikitrao! Azo antoka anefa fa hihatsara ny tokantranonareo, raha miezaka ny ho vady tsara ianao. (1 Petera 3:1-3) Hampifaly an’Andriamanitra, ilay namorona ny fanambadiana, koa ianao. Asehonao amin’izany mantsy fa hajainao io fandaharana nataony io.—1 Petera 2:19.

Fomba nampiharan’ny mpivady sasany an’ilay toro lalana: Efa 38 taona nanambadiana i Kim, any Korea. Hoy izy: “Tezitra amiko ny vadiko indraindray, ka tsy miteny tsy mivolana. Tsy haiko akory anefa ny antony. Lasa mieritreritra aho hoe tsy tia ahy intsony angamba izy. Lasa saina aho indraindray hoe: ‘Fa maninona àry aho no tadiaviny hahatakatra izay ao am-pony, nefa izy aza tsy miezaka manao toy izany amiko akory?’ ”

Tsy rariny ilay izy tamin’i Kim. Tsy nifantoka tamin’izany anefa izy. Hoy izy: “Hitako hoe aleo mamitram-pihavanana toy izay ho tezitra foana. Izaho mihitsy àry no nanao ny dingana voalohany. Samy tony izahay tamin’ny farany, ka afaka nifampiresaka tsara.”—Jakoba 3:18.

4

METY HITARAINA NY LEHILAHY HOE:

“Tsy manaiky ny fahefako ny vadiko.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY:

“I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra.”1 KORINTIANINA 11:3.

Mety hahatsapa ny lehilahy hoe tsy manaiky ny fahefany ny vadiny. Mila mandini-tena anefa aloha izy raha manaiky an-tsitrapo an’ilay filohan’izy ireo, dia i Jesosy Kristy. Manaiky azy izy raha manahaka ny ohatra nomeny.

Hoy ny apostoly Paoly: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesianina 5:25) Tsy ‘nanjakazaka’ tamin’ny mpianany i Jesosy. (Marka 10:42-44) Nomeny toromarika mazava izy ireo, ary nahitsiny rehefa nilaina izany. Tsy nasiaka mihitsy anefa izy, fa tsara fanahy. Takany fa voafetra ny zavatra mety ho vitan’izy ireo. (Matio 11:29, 30; Marka 6:30, 31; 14:37, 38) Izay nahasoa azy ireo foana no nimasoany voalohany.—Matio 20:25-28.

Tokony hieritreritra toy izao ny lehilahy: ‘Ahoana no fiheverako ny vehivavy sy ny fahefan’ny lehilahy? Ny fombafomba eo an-toerana ve no lehibe kokoa amiko sa izay lazain’ny Baiboly?’ Mety tsy hitovy hevitra amin’ny vadiny, ohatra, ny vehivavy. Hentitra izy milaza ny heviny nefa miteny amim-panajana. Ahoana no fahitanao an’izany? Milaza, ohatra, ny Baiboly fa anisan’ny ohatra tsara i Saraha tamin’ny fanekena an’i Abrahama. (1 Petera 3:1, 6) Nilaza izay tao an-tsainy anefa izy rehefa nilaina izany. Nanao izany izy, ohatra, rehefa tsy tsinjon’i Abrahama fa nisy loza nananontanona azy mianakavy.—Genesisy 16:5; 21:9-12.

Tsy nandrahona an’i Saraha tsy hiteny i Abrahama. Tsy nanjakazaka taminy izy. Toy izany koa ny lehilahy manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Tsy hanery ny vadiny hanao izay tiany rehetra izy. Hohajain’ny vadiny izy raha tsara fanahy rehefa mampihatra ny fahefany.

Fomba nampiharan’ny mpivady sasany an’ilay toro lalana: Efa valo taona nanambadiana i James, any Angletera. Hoy izy: “Manontany ny vadiko aho vao mandray fanapahan-kevitra lehibe. Miezaka ny tsy ho tia tena aho. Izay ilainy aloha no tadiaviko izay vao ny ahy.”

Efa 59 taona nanambadiana i George, any Etazonia. Hoy izy: “Niezaka ny tsy hanambany ny vadiko aho, fa hihevitra azy ho vady tsara sy mahay.”—Ohabolana 31:10.

5

METY HITARAINA NY VEHIVAVY HOE:

“Tsy sahy mandray andraikitra ny vadiko.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY:

“Manamafy orina ny ankohonany ny vehivavy tena hendry, fa manimba izany kosa ny vehivavy adala.”OHABOLANA 14:1.

Misy safidy telo azonao atao ireto, raha tsy sahy manapa-kevitra na tsy sahy manao ny andraikiny ny vadinao: 1) Teniteneninao foana izy noho ny tsy mety ataony. 2) Ataonao ny andraikiny amin’ny maha loham-pianakaviana. 3) Midera azy amin’ny fo ianao isaky ny misy ezaka ataony. Raha ilay voalohany na ilay faharoa no fidinao, dia ho simba ny tokantranonao. Raha ilay fahatelo kosa no ataonao, dia ho mafy orina ny fanambadianao.

Ny fanajana no zava-dehibe kokoa amin’ny lehilahy noho ny fitiavana. Ataovy tsapan’ny vadinao àry fa mahomby sady tena ankasitrahanao ny ezaka ataony. Manaja azy ianao amin’izay ka azo antoka fa hanao tsara kokoa ny andraikiny izy. Mazava ho azy fa mety tsy hitovy hevitra ianareo indraindray. Mila mifampiresaka àry ianareo roa rehefa mitranga izany. (Ohabolana 18:13) Arakaraka ny teny lazainao sy ny toe-peonao anefa no mety handrava na hanamafy orina ny fanambadianareo. (Ohabolana 21:9; 27:15) Mitenena àry amim-panajana, dia tsy hisalasala hanao ny andraikiny ny vadinao.

Fomba nampiharan’ny mpivady sasany an’ilay toro lalana: Efa 30 taona nanambadiana i Michele, any Etazonia. Hoy izy: “I Neny irery no nitaiza anay telo mirahavavy. Tsy niantehitra tamin’ny hafa mihitsy izy, ka lasa mitady hanao toy izany koa aho. Tsy maintsy miady mafy foana àry aho mba hanaiky ny vadiko. Miezaka manontany ny heviny aho, ohatra, fa tsy tonga dia manapa-kevitra.”

Efa 21 taona no nivady i Rachel sy Mark, any Aostralia. Nisy vokany tamin’i Rachel koa ny fomba nitaizana azy. Hoy izy: “Tsy mba nankatò an’i Dada mihitsy i Neny. Efa nahazatra ny fifamaliana sy ny tsy fifanajana tao an-tranonay. Nanahaka an’i Neny aho tamin’ny voalohany, rehefa nanambady. Hitako anefa, tatỳ aoriana, fa zava-dehibe ny mampihatra ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony hifanaja. Sambatra kokoa izao ny tokantranonay.”

6

METY HITARAINA IANAO HOE:

“Tsy zakako intsony ny toetran’ny vadiko.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY:

“Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”KOLOSIANINA 3:13.

Azo antoka fa ny toetra tsaran’ny vadinao no nifantohanao taminareo vao niaraka, ka zara raha hitanao ny fahalemeny. Nahoana raha manao toy izany koa amin’izao? Marina fa mety hanao zavatra tsy tianao ny vadinao, ka rariny raha tezitra ianao. Eritrereto anefa hoe: ‘Ny toetra tsarany sa ny fahalemeny no tiako hifantohana?’

Nanao fanoharana i Jesosy, mba hanazavana fa tsy tokony hifantoka amin’ny fahalemen’ny hafa isika. Hoy izy: “Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba heverinao?” (Matio 7:3) Tena kely ny sombin-kazo raha oharina amin’ny vatan-kazo. Inona àry no tiany holazaina? Hoy izy: “Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao, dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”—Matio 7:5.

Hoy i Jesosy, talohan’ny nilazany an’io fanoharana io: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina, fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.” (Matio 7:1, 2) Raha tsy tianao hifantoka amin’ny fahadisoanao na ny vatan-kazo eo amin’ny masonao àry Andriamanitra, dia aza mifantoka amin’ny fahalemen’ny vadinao.—Matio 6:14, 15.

Fomba nampiharan’ny mpivady sasany an’ilay toro lalana: Efa sivy taona no nivady i Jenny sy Simon, any Angletera. Hoy i Jenny: “Tsy mba mandamin-javatra mialoha ny vadiko fa am-poto-moty vao manao zavatra, ka izany matetika no tena mahasosotra ahy aminy. Mahatsikaiky izany, satria tamin’izahay vao niaraka dia izany no tena nitiavako azy. Tsapako anefa izao fa mba manana fahalemena koa aho. Tia manjakazaka loatra, ohatra, aho. Samy miezaka ny tsy hifantoka amin’ny fahadisoanay madinidinika àry izahay sy Simon.”

Hoy i Curt, vadin’i Michele voalaza terỳ aloha: “Ho lasa toy ny olana ngezabe ny fahalemen’ny vadinao, raha ireny no ifantohanao. Aleoko àry mifantoka amin’ireo toetra, izay nahatonga ahy ho tia an’i Michele tamin’ny voalohany.”

Ny fomba hahombiazana

Hita amin’ireo ohatra ireo fa tsy maintsy misy olana ao an-tokantrano, nefa tsy saro-bahana izany. Inona àry no tokony hatao mba hahombiazana? Miezaha ho tia kokoa an’Andriamanitra ary mazotoa mampihatra ny torohevitra ao amin’ny ny Baiboly.

Efa 20 taona mahery no nivady i Alex sy Itohan, any Nizeria. Hoy i Alex: “Hitako fa mety ho voavaha daholo ny olana eo amin’ny mpivady raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly izy ireo.” Hoy ny vadiny: “Hitanay fa zava-dehibe ny miara-mivavaka tsy tapaka sady mampihatra ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony hifankatia sy hifandefitra. Tsy dia manana olana firy izahay izao raha oharina amin’ny tamin’izahay vao nivady.”

Tianao ve ny hahafantatra kokoa ny soa ho azon’ny fianakavianao raha mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiara-midinika aminao ny toko 14 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 63 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 4]

Manokana fotoana hiarahana amin’ny vadiko ve aho?

[Sary, pejy 5]

Miezaka manome mihoatra noho izay azoko ve aho?

[Sary, pejy 6]

Izaho ve no mandamina voalohany ny tsy fifanarahanay?

[Sary, pejy 7]

Ry lehilahy, manontany ny vadinareo ve ianareo vao manapa-kevitra?

[Sary, pejy 9]

Ny toetra tsaran’ny vadiko ve no ifantohako?