Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

AHOANA no niovan’ny vehivavy iray mpiasan’ny bara, nefa izy mpiteny ratsy sy mpiboboka toaka ary nampiasa zava-mahadomelina? Nahoana ny mpanao politika iray tsy tia fivavahana no lasa mpitory teny? Inona no tsy maintsy natrehin’ny polisy rosianina iray mpampianatra haiady, mba hahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah? Avelao izy ireo no hitantara.

“Mihavana indray izahay sy Neny.”—NATALIE HAM

TERAKA: 1965

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: NAMPIASA ZAVA-MAHADOMELINA

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tao Robe, tanànan’ny mpanjono, atỳ amin’ny faritra atsimon’i Aostralia aho. Ny hotely eo an-toerana no ambohipihaonan’ny olona. Any no androatokom-piainan’ny ray aman-dreny, ka olona misotro toaka sy miteny ratsy ary mifoka sigara no ifaneraseran’ny zanany.

Nanomboka nifoka sigara sy niteny ratsy aho, tamin’izaho 12 taona. Nifamaly foana koa izahay sy Neny. Nisaraka i Dada sy Neny tamin’izaho 15 taona, ary niala tao an-trano aho herintaona sy tapany tatỳ aoriana. Niboboka toaka aho, nanandrana zava-mahadomelina, ary naloto fitondran-tena. Tezi-dava sy nikorontan-tsaina aho. Nianatra haiady aho nandritra ny dimy taona, ka nihevitra hoe nahavita niaro ny tenako. Rehefa irery aho ka nisaintsaina, dia nahatsapa fa tsy sambatra. Nivavaka àry aho mba hanampian’Andriamanitra ahy. Nilaza taminy anefa aho hoe: “Aza asaina mankany am-piangonana fotsiny aho.”

Nomen’ny namako Baiboly aho tatỳ aoriana. Mpivavaka izy, nefa tsy nanaraka fivavahana manokana. Nifoka zava-mahadomelina toy ny namanay rehetra koa izy. Nilaza anefa izy fa tena mino an’Andriamanitra, ary noreseny lahatra aho mba hatao batisa. Nataony batisa tany amin’ny farihy iray àry aho. Nihevitra aho nanomboka teo fa nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra. Tsy nanam-potoana hamakiana Baiboly mihitsy anefa aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nisy Vavolombelona roa tonga tao amiko, tamin’ny 1988. Nanontany ahy ny iray hoe: “Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?” Novakiny ny Salamo 83:18, manao hoe: “Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” Gaga be aho! Vao lasa ry zareo dia nandeha 56 kilaometatra aho, mba hijery fandikan-tenin’ny Baiboly hafa tany amin’ny trano fitehirizam-boky. Nojereko tao amin’ny rakibolana ilay anarana avy eo. Resy lahatra aho hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Lasa saina àry aho hoe inona koa no mbola tsy fantatro.

Nilaza i Neny fa hafahafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy dia nahafantatra firy azy ireo aho, ka nihevitra fa tery saina sy tsy mahay mankafy fiainana izy ireo. Nieritreritra aho hoe hanao mody tsy eo rehefa tonga izy ireo. Niova hevitra anefa aho. Nampandrosoiko ry zareo, ary nianatra Baiboly avy hatrany izahay.

Niresaka izay nianarako tamin’i Craig olon-tiako aho isaky ny avy nianatra. Leo be izy tamin’ny farany ka nalainy tetỳ an-tanako mihitsy ilay boky fianarako, ary novakiny. Nilaza izy, roatokombolana tatỳ aoriana, fa nahita ny marina momba an’Andriamanitra. Tsy niboboka toaka sy nampiasa zava-mahadomelina intsony izahay, ary nialako ny asako tao amin’ny bara. Nisora-panambadiana izahay mba hampiharana ny fitsipiky ny Baiboly.

NY SOA NORAISIKO: Efa saika hisaraka izahay sy Craig, tamin’izahay vao nianatra Baiboly. Lasa vady mahafinaritra i Craig izao, ary manan-janaka roa mahafatifaty izahay. Mana-namana sarobidy mitovy zavatra inoana aminay koa izahay.

Tezitra i Neny tamin’ny voalohany rehefa nahalala fa mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Noho ny tsy fahafantarany anefa no nahatonga izany. Mihavana indray izahay sy Neny izao. Tsy mahatsiaro ho tsy sambatra intsony aho. Lasa misy heviny mantsy ny fiainako, ary tsapako fa lasa mifandray akaiky amin’Andriamanitra aho.—Matio 5:3.

“Nianatra zavatra mahagaga maro avy tao amin’ny Baiboly aho.” —ISAKALA PAENIU

TERAKA: 1939

FIRENENA: TUVALU

FIAINANY TALOHA: MPANAO POLITIKA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka teto Nukulaelae aho. Nosy tsara tarehy atỳ Pasifika izy io, ary anisan’i Tuvalu ankehitriny. Pasitera niofana tao Samoa no nifehy an’ireo nosy. Adidin’ny mponina ny niantoka sakafo sy trano ho an’ireo pasitera ireo sy ny fianakaviany, izany hoe nanome ny tsara indrindra ho azy ireo. Na efa tsy ampy aza ny sakafon’ireo mponina, dia tsy maintsy nanome ho an’ny pasitera izy ireo.

Ny pasitera tatỳ amin’ny nosy nisy ahy no nitantana ny sekoly teto an-tanàna. Nampianatra fivavahana sy matematika ary jeografia izy. Hitako izy indray mandeha nikapoka mafy ny mpianany ka nihosin-dra izy ireo. Tsy nisy sahy nanohitra azy anefa, na dia ny ray aman-dreny aza. Nohajaina fatratra toy ny hoe Andriamanitra mihitsy mantsy ilay pasitera.

Nankany amin’ny nosy hafa aho tamin’izaho folo taona, mba hianatra tany amin’ilay hany sekolim-panjakana teo an-toerana. Anisan’ny zanatany anglisy natao hoe Nosy Gilbert sy Ellice ireo nosy atỳ Pasifika ireo, tamin’izany. Niasa tamin’ny fanjakana aho rehefa nahazo diplaoma. Sampan-draharaha samihafa no niasako, ary avy eo aho lasa mpamoaka vaovao tao amin’ny gazetim-panjakana mpiseho isan-kerinandro. Nilamina ny zava-drehetra raha tsy rehefa nanonta taratasin’ny mpamaky iray aho. Nitsikera ny vola lany hanomanana ny fitsidihan’ny Printsin’i Pays de Galles mantsy izy io. Nisandoka anarana ilay mpanoratra, ka nanontany ny tena anarany ny lehibeko. Tsy nety niteny anefa aho. Lasa nalaza be ilay fifamalianay.

Niala tsy ho mpiasam-panjakana aho tsy ela taorian’izay, ary lasa nanao politika. Lany tamin’ny fifidianana teto Nukulaelae aho, ka lasa Minisitry ny Varotra sy ny Harena An-kibon’ny Tany. Nahazo fahaleovan-tena i Kiribati (Gilbert taloha) sy Tuvalu (Ellice taloha), tatỳ aoriana. Nilaza ny governora fa hataony lehiben’ny fitantanan-draharaha eto Tuvalu aho. Tsy nanaiky anefa aho, satria tsy tiako hisy hieritreritra hoe nifandray tamin’ny mpanjanaka aho. Nilatsaka hofidina indray aho, na dia tsy nisy nanampy aza. Tsy lany anefa aho. Niverina tatỳ an-tanindrazako izaho sy ny vadiko taorian’izay, ary tapa-kevitra ny hiaina toy ny olon-drehetra.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Sabata ny alahady tatỳ amin’ireo nosy, ary noheverin’ny rehetra ho masina. Izaho irery no tsy toy izany, satria fotoana fandehanako an-tsambo sy fanjonoako izy io. Tsy tiako raha mpivavaka no namantarana ahy. Nilaza i Dada fa nandiso fanantenana azy sy ny olon-kafa aho. Tsy te hofehezin’ny fivavahana mihitsy anefa aho.

Nasain’ny zandriko lahy hamonjy fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’izaho nankany amin’ny nosy Funafuti, misy ny renivohitr’i Tuvalu. Tatỳ aoriana, dia nisy misionera Vavolombelona nanome ahy gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! be dia be. Nomeny boky iray koa aho. Ahariharin’izy io fa avy amin’ny mpanompo sampy ny fampianaran’ireo fivavahana milaza tena ho Kristianina. Novakiko imbetsaka izy io. Nianatra zavatra mahagaga maro avy tao amin’ny Baiboly aho. Anisan’izany ny hoe tsy voatery mitandrina Sabata ny Kristianina. * Noresahiko tamin’ny vadiko daholo ireny, ka tonga izy dia tsy nandeha niangona intsony.

Mbola tsy te hifandray tamin’ny fivavahana mihitsy aho. Tadidiko foana anefa izay nianarako, na dia efa ho roa taona tatỳ aoriana aza. Nanoratra tany amin’ilay misionera tany Funafuti aho tamin’ny farany hoe vonona hiova. Nandeha an-tsambo haingana nankatỳ izy, mba hampianatra Baiboly ahy. Tezitra i Dada rehefa fantany fa te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nilaza taminy anefa aho hoe be dia be ny zavatra nampianarin’ny Vavolombelona ahy, ka tsy hiova hevitra intsony aho.

NY SOA NORAISIKO: Natao batisa aho tamin’ny 1986, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa koa ny vadiko, herintaona taorian’izay. Nianatra Baiboly koa ny zanakay vavy roa, ary tapa-kevitra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Faly aho satria tsy avahana ny mpitondra fivavahana sy ny mpivavaka tsotra ao amin’ny fivavahana arahiko. Toy izany ny tamin’ny taonjato voalohany. (Matio 23:8-12) Manetry tena koa izy ireo, ka manahaka an’i Jesosy ary mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 4:17) Velom-pisaorana an’i Jehovah Andriamanitra aho, satria nampahafantariny ahy ny marina momba azy sy ny vahoakany!

“Tsy nanery ahy hino befahatany fotsiny ny Vavolombelona.” —ALEXANDER SOSKOV

TERAKA: 1971

FIRENENA: ROSIA

FIAINANY TALOHA: MPAMPIANATRA HAIADY

NY FIAINAKO TALOHA: Teto Moscou, renivohitry ny Firaisana Sovietika taloha, aho no teraka. Trano be nisy mpanofa maromaro no nipetrahanay. Orinasa iray no niasan’ny ankamaroan’ny mpiara-monina taminay. Tadidiko fa nitaraina izy ireo hoe nahery setra be aho. Nilaza izy ireo fa higadra no hiafarako na ho faty tanora. Vao folo taona tokoa aho, dia efa nanana olana tany amin’ny polisy.

Voantso ho miaramila aho rehefa feno 18 taona, ka lasa mpiandry sisin-tany. Nody aho rehefa afaka roa taona ary niasa tamina orinasa. Nankaleo ahy anefa ilay asa. Lasa polisy teto Moscou àry aho, ary nampianatra haiady no asako. Nanampy tamin’ny fanenjehana mpanao heloka bevava teto Moscou aho. Nandeha tany amin’ny toerana maro nisy korontana nanerana an’i Rosia koa aho. Mbola nisafotofoto loatra ny fihetseham-poko rehefa nody aho, ka voatery tsy niara-natory tamin’ny vadiko indraindray. Natahotra mantsy aho sao handratra azy rehefa natory.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Rehefa nianatra Baiboly aho, dia hitako fa tsy nifanaraka tamin’ny fitsipika tao ny fomba fiainako feno herisetra. Nieritreritra anefa aho hoe tsy misy asa hafa haiko hahafahako mamelona ny fianakaviako. Tsapako koa fa tsy tokony hifoka sigara sy hiboboka toaka intsony aho. Ankoatra izany, dia nihevitra aho hoe tsy ho vitako mihitsy ny hitory toy ireo Vavolombelona.

Niaiky anefa aho tamin’ny farany hoe marina ny voalazan’ny Baiboly. Nampahery ahy ny Ezekiela 18:21, 22, manao hoe: ‘Raha miala amin’ny fahotany rehetra ny ratsy fanahy, dia tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra vitany, ary tsy hanamelohana azy intsony izany.’

Faly aho satria tsy nanery ahy hino befahatany fotsiny ny Vavolombelona, fa nanampy ahy handinika tsara izay nianarako. Voavakiko tao anatin’ny roatokombolana ny gazetin’izy ireo niisa 40 na mahery. Niaiky aho fa nahita ny fivavahana marina.

NY SOA NORAISIKO: Efa saika hisaraka izahay mivady talohan’ny nianarako Baiboly. Milamina kokoa izao ny tokantranonay. Nianatra Baiboly koa ny vadiko, ary nanapa-kevitra ny hiara-hanompo an’i Jehovah izahay. Sambatra kokoa izahay izao. Nahita asa tsy nifanohitra tamin’ny toro lalan’ny Baiboly koa aho.

Tena nisafotofoto be ny tato anatiko tamin’izaho vao nitory isan-trano, nitovy tamin’ny fihetseham-poko tamin’izaho handeha hamita iraka. Matoky anefa aho izao fa mahavita mitony foana, na dia misy mila ady aza. Lasa nahay nandefitra aho rehefa nandeha ny fotoana. Nanenina aho hoe lanilany tamin’ny tsy nisy dikany ny fiainako. Faly anefa aho izao, satria ampiasaiko hanompoana an’i Jehovah Andriamanitra sy hanampiana ny hafa ny heriko manontolo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Tokony Hitandrina ny Sabata ve Ianao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2010, pejy 11-15.