Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsarovy Aho, ry Andriamanitro ô, ka Aoka Hahazo Sitraka Aminao”

“Tsarovy Aho, ry Andriamanitro ô, ka Aoka Hahazo Sitraka Aminao”

Manatòna An’Andriamanitra

“Tsarovy Aho, ry Andriamanitro ô, ka Aoka Hahazo Sitraka Aminao”

“NIHEVITRA aho fa tsy ho tia na hankasitraka ahy mihitsy i Jehovah, izay tena mahafantatra tsara ahy.” Izany no nolazain’ny vehivavy kristianina iray tsy mivadika, izay nahatsiaro ho tsy misy vidiny. Efa nahatsapa koa ve ianao hoe tsy mendrika ny hotsaroan’Andriamanitra, indrindra fa ny hahazo sitraka aminy? Raha izany, dia mety hampahery anao ny Nehemia 13:31.

Niezaka mafy hampifaly an’Andriamanitra i Nehemia, governoran’ny Jiosy, tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.). Izy no nitarika ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema, na dia nisy nanohitra aza. Nanao izay hampiharana ny Lalàn’Andriamanitra koa izy, nikarakara an’ireo nampahorina, ary niezaka nanatanjaka ny finoan’ireo Israelita hafa. Voamarik’Andriamanitra ve ny zavatra tsara nataon’io lehilahy tsy nivadika io? Nahazo sitraka tamin’i Jehovah ve izy? Hitantsika ao amin’ny toko farany amin’ny bokin’i Nehemia ny valin’izany.

Nivavaka i Nehemia hoe: “Mba tsarovy aho, ry Andriamanitro ô, ka aoka hahazo sitraka aminao.” * Natahotra ve i Nehemia sao hadinon’Andriamanitra izy na tsy voamariny ny zavatra tsara nataony? Tsia. Azo antoka fa fantatr’i Nehemia izay nolazain’ireo mpanoratra Baiboly hoe tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika sy ny tsara nataon’izy ireo. (Eksodosy 32:32, 33; Salamo 56:8) Inona àry no nangatahiny hataon’Andriamanitra? Milaza ny boky iray fa ny teny hebreo nadika hoe “mahatsiaro”, dia midika hoe “mahatadidy sady tena tia ary manao zavatra mifanaraka amin’izany.” Nino àry i Nehemia fa mamaly vavaka Andriamanitra, ka nangataka taminy izy mba hahatsiaro sy ho tia ary hitahy azy.—Nehemia 2:4.

Namaly ny vavak’i Nehemia ve i Jehovah? Azo lazaina hoe efa namaly izy matoa noraketiny tao amin’ny Soratra Masina ny vavaka nataony. Manome toky antsika izany fa nahatsiaro an’i Nehemia i Jehovah sady tia azy. Tsy izay ihany anefa no hataon’ilay “Mpihaino vavaka” mba hamaliana ny fiangaviana avy amin’ny fo nataon’i Nehemia.—Salamo 65:2.

Mbola hamaly soa an’i Nehemia Andriamanitra noho ny tsara rehetra nataony ho an’ny fivavahana madio. (Hebreo 11:6) Hanangana azy amin’ny maty i Jehovah ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina nampanantenainy. * (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4) Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izy amin’izay, ka ho tsapany fa nahatsiaro sy nankasitraka azy tokoa i Jehovah.

Porofoin’ny vavak’i Nehemia fa marina ny tenin’i Davida Mpanjaka hoe: “Hitahy ny olo-marina ianao, Jehovah ô! Hataonao mahasarona azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahanao.” (Salamo 5:12) Hitan’Andriamanitra ary sarobidy aminy àry ny ezaka mafy ataontsika mba hampifaliana azy. Matokia fa ho tsaroany sy ho tiany ianao ary homeny fitahiana be dia be, raha miezaka mafy manompo azy.

Famakiana Baiboly amin’ny Febroary:

Nehemia 1-13

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Io no faninefany sady farany, ao amin’ny bokin’i Nehemia, nahitana azy nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazo sitraka aminy, noho ny tsara nataony.—Nehemia 5:19; 13:14, 22, 31.

^ feh. 7 Miresaka momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona tsy mivadika ny toko 3 sy 7 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.