Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona ve Ianao Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra?

Vonona ve Ianao Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra?

Vonona ve Ianao Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra?

NANDAMINA ny fomba manokana hahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy, ora vitsy talohan’izy ho faty. Lasa antsoina hoe “sakafo harivan’ny Tompo” izy io, na “Fanasan’ny Tompo.” (1 Korintianina 11:20, Fandikan-teny Protestanta) Tena lehibe io fotoana io, ka nandidy toy izao i Jesosy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Te hankatò azy ve ianao? Raha izany mantsy, dia ho andro lehibe indrindra aminao ny fitsingerenan’ny andro nahafatesany.

Rahoviana marina anefa no tokony hotsarovana io fotoana io? Inona no tokony hataonao mba ho vonona tsara amin’io fotoan-dehibe io ianao, ka hahatakatra ny dikan’izy io? Tokony handinika tsara an’ireo ny Kristianina tsirairay.

Impiry izy io no ankalazaina?

Matetika no isan-taona isika no mahatsiaro fotoan-dehibe iray. Tsaroantsika foana, ohatra, ny havantsika na namantsika nodimandry. Isaky ny mitsingerina isan-taona anefa ilay daty nahafatesany vao tena misy heviny manokana amintsika, ka manembona azy isika.

Tsaroana isan-taona koa ireo fotoan-dehibe, tamin’ny andron’ny Baiboly. (Estera 9:21, 27) Nandidy ny Israelita, ohatra, i Jehovah mba hankalaza isan-taona ilay fotoana nanafahany azy ireo tany Ejipta, tamin’ny fomba mahagaga. Antsoin’ny Baiboly hoe Paska izy io. Nankalazain’ny Israelita isan-taona izy io, rehefa nitsingerina ilay andro nanavotana azy ireo.—Eksodosy 12:24-27; 13:10.

Rehefa avy nankalaza ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny i Jesosy no nandamina an’ilay sakafo manokana, izay ho modely hahatsiarovana ny nahafatesany. (Lioka 22:7-20) Isan-taona ny Paska no nankalazaina. Afaka milaza àry isika fa ankalazaina isan-taona koa io fankalazana vaovao io, izay nisolo ny Paska. Rahoviana anefa?

Rahoviana izy io no ankalazaina?

Misy zavatra roa mila takatsika aloha mba hamaliana izany. Voalohany, nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ny andro iray, tamin’ny andron’ny Baiboly, ary nifarana ny ampitso tamin’ny filentehan’ny masoandro.—Levitikosy 23:32.

Faharoa, tsy ny kalandrie fampiasantsika ankehitriny no ampiasain’ny Baiboly. Tsy ny anaram-bolana hoe Martsa sy Aprily no ampiasainy fa Adara sy Nisana. (Estera 3:7) Isaky ny tsinam-bolana no nanomboka ny volana iray tamin’ny Jiosy. Ny Nisana no volana voalohany amin’ny kalandrien’izy ireo. Ny andro faha-14 tamin’io volana io izy ireo no nankalaza ny Paska. (Levitikosy 23:5; Nomery 28:16) Tamin’io 14 Nisana io mihitsy no nofantsihan’ny Romanina i Jesosy Kristy Tompontsika. Maty izy, 1 545 taona taorian’ny nankalazana voalohany ny Paska. Andro manokana tokoa àry ny 14 Nisana!

Andro inona anefa no mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrientsika? Afaka manao kajy tsotsotra isika mba hamantarana izany. Mitovy ny halavan’ny andro sy ny alina rehefa manomboka ny lohataona (any amin’ny Ila Bolantany Avaratra). Ny tsinam-bolana tazana voalohany aorian’izay no voalohan’ny volana Nisana. Raha manisa 14 andro aorian’izay isika dia tonga eo amin’ny 14 Nisana. Matetika no fenomanana ny volana amin’io. Raha arahina io kajy io, dia ny alahady 17 Aprily 2011 aorian’ny filentehan’ny masoandro ny 14 Nisana amin’ity taona ity. *

Miomana àry ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ity taona ity, mba hiara-mivory amin’ireo maniry hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy. Faly izy ireo manasa anao hiaraka aminy. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hamantarana ny fotoana sy ny toerana hanaovana azy io. Tsy amin’ny maraina na amin’ny antoandro izy ireo no hankalaza an’io fotoana io, fa amin’ny hariva aorian’ny filentehan’ny masoandro. Milaza mantsy ny Baiboly fa “sakafo hariva” izy io. (1 Korintianina 11:25) Ny takarivan’ny alahady 17 Aprily 2011 no mitsingerina ilay takariva nankalazan’i Jesosy voalohany an’io fotoana manokana io, 1 978 taona lasa izay. Tamin’io andro io, izany hoe ny 14 Nisana, koa i Jesosy no maty. Io tokoa no andro tsara indrindra tokony hahatsiarovana ny nahafatesany!

Ahoana no hiomanana?

Inona no azonao atao mba hiomanana amin’io andro hankalazaina isan-taona io? Voalohany, azo atao ny misaintsaina ny zavatra nataon’i Jesosy ho antsika. Nanampy olona an’arivony hankasitraka kokoa ny dikan’ny nahafatesan’i Jesosy ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *Matio 20:28.

Faharoa, hanomana ny fonao amin’io fotoana manokana io ianao, raha mamaky an’ireo zava-nitranga talohan’ny nahafatesan’i Jesosy ka hatramin’izy maty. Hahita tabilao ianao eo amin’ny pejy manaraka. Ho hitanao eo amin’ny tsanganana ankavanana ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka an’izay nitranga talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Ho hitanao eo koa ny lisitr’ireo toko ao amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, * izay manazava an’ireo zava-nitranga.

Aseho eo amin’ny tsanganana ankavia ny daty nisehoan’ireo zava-nitranga tamin’izany, sy ny andro mifanitsy amin’izy ireo amin’ity taona ity. Nahoana raha mamaky toko sasany ao amin’ny Baiboly, izay mifandray amin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo? Ho vonona amin’ilay andro lehibe indrindra ianao amin’izay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Mety tsy hifanitsy amin’ny Paska hankalazain’ny Jiosy ankehitriny io daty io. Nahoana? Ny 15 Nisana mantsy ny ankamaroan’ny Jiosy no mankalaza Paska. Mino izy ireo fa io daty io no mifanitsy amin’ilay didy ao amin’ny Eksodosy 12:6. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1990, pejy 14.) Ny 14 Nisana anefa i Jesosy no nankalaza ny Paska, satria izany no nolazain’ny Lalàn’i Mosesy.

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ny pejy 47-56, 206-208. Ao amin’ny www.pr418.com sy www.watchtower.org koa io boky io.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Ankalazao ny Nahafatesan’i Jesosy Amin’ny Alahady 17 Aprily 2011

[Tabilao/Sary, pejy 23, 24]

(Jereo ny gazety)

ILAY HERINANDRO FARANY

2011 Talata 12 Aprily

▪ Sabata

Jaona 11:55–12:1

gt 101, feh. 2-4 *

9 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nanombo ka ny hariva taorian’ny filentehan’ny masoandro ny andro iray, ary nifarana ny ampitso rehefa nilentika ny masoandro

▪ Sakafo niaraka tamin’i Simona boka

▪ Nohosoran’i Maria narda i Jesosy

▪ Tonga nitsidika an’iJesosy sy Lazarosy ny Jiosy

Matio 26:6-13

Marka 14:3-9

Jaona 12:2-11

gt 101, feh. 5-9

2011 Alarobia 13 Aprily

▪ Niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema

▪ Nampianatra tao amin’ny tempoly

Matio 21:1-11,14-17

Marka 11:1-11

Lioka 19:29-44

Jaona 12:12-19

gt 102

10 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

▪ Nandany ny alina tany Betania

2011 Alakamisy 14 Aprily

▪ Nanao dia vao maraina tany Jerosalema

▪ Nanadio ny tempoly

▪ Niteny avy tany an-danitra i Jehovah

Matio 21:12, 13

Marka 11:12-19

Lioka 19:45-48

Jaona 12:20-50

gt 103, 104

11 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

2011 Zoma 15 Aprily

▪ Nampiasa fanoharana tao amin’ny tempoly

▪ Nanameloka an’ireo Fariseo

▪ Nandinika ny fanomezan’ilay vehivavy maty vady

▪ Nilaza mialoha ny fandravana an’i Jerosalema

▪ Nanome famantarana momba ny fanatrehany

Matio 21:19–25:46

Marka 11:20–13:37

Lioka 20:1–21:38

gt 105 to 112, feh. 1

12 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

2011 Asabotsy 16 Aprily

▪ Nitokana niaraka tamin’ny mpianany tany Betania

▪ Niomana ny hamadika i Jodasy

Matio 26:1-5, 14-16

Marka 14:1,2, 10,11

Lioka 22:1-6

gt 112, feh. 2-4

13 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

2011 Alahady 17 Aprily

▪ Nanomana ny Paska i Petera sy Jaona

▪ Nanaraka azy ireo i Jesosy sy ny apostoly folo hafa, tamin’ny faran’ny tolakandro

Matio 26:17-19

Marka 14:12-16

Lioka 22:7-13

gt 112, feh. 5113, feh. 1

14 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

▪ Nankalaza ny Paska

▪ Nanasa ny tongotry ny apostoly

▪ Nandroaka an’i Jodasy

▪ Nanomboka ny Fahatsiarovana ny nahafatesany

Matio 26:20-35

Marka 14:17-31

Lioka 22:14-38

Jaona 13:1–17:26

gt feh. 2–116

misasakalina

2011 Alatsinainy 18 Aprily

▪ Nisy namadika sy nosamborina tao amin’ny zaridainan’i Getsemane

▪ Nandositra ny apostoly

▪ Notsarain’ny Fitsarana Avo

▪ Nanda an’i Jesosy i Petera

Matio 26:36-75

Marka 14:32-72

Lioka 22:39-62

Jaona 18:1-27

gt 117-120

▪ Teo anatrehan’ny Fitsarana Avo indray

▪ Tany amin’i Pilato, sy Heroda, ary niverina tany amin’i Pilato

▪ Voaheloka ho faty ary nofantsihana

▪ Maty tamin’ny telo tolakandro tany ho any

▪ Nesorina ny fatiny ary nalevina

Matio 27:1-61

Marka 15:1-47

Lioka 22:63–23:56

Jaona 18:28-40

gt 121-127, feh. 7

15 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

▪ Sabata

2011 Talata 19 Aprily

▪ Nanaiky ny hanisy mpiambina teo amin’ny fasan’i Jesosy i Pilato

Matio 27:62-66

gt 127, feh. 8-9

16 NISANA (rehefa nilentika ny masoandro)

Marka 16:1

2011 Alarobia 20 Aprily

▪ Natsangana tamin’ny maty

▪ Niseho tamin’ny mpianany

Matio 28:1-15

Marka 16:1-8

Lioka 24:1-49

Jaona 20:1-25

gt 127, feh. 10–129, feh. 10

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 29 Manondro ireo toko ao amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany (gt) ireo nomerao. Jereo ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy 290, mba hahitana ny tabilao misy ny andinin-teny momba ny fanompoana farany nataon’i Jesosy. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo boky ireo.