Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro Hanaja Olona ny Zanakao

Ampianaro Hanaja Olona ny Zanakao

Ampianaro Hanaja Olona ny Zanakao

“ARAHABARAHABAO ny mpandalo...” Tena ilaina ny miarahaba olona, izany hoe mahalala fomba, raha io fomba fiteny malagasy io no jerena. Mazàna no tsara fanahy sy mandray kokoa anao ny olona, rehefa mahalala fomba ianao.

Tena mahafinaritra rehefa mahalala fomba ny ankizy sy ny tanora! Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray any Honduras, izay miara-mitory amin’ny olon-dehibe sy ny ankizy: “Matetika no misy vokany kokoa noho ny fitoriana ataoko, ny fahitan’ny olona hoe tsara taiza ilay ankizy miaraka amiko sady manaja olona.”

Mihabetsaka anefa ny olona tsy manaja ny hafa ankehitriny, ka tena ilaina sady mahasoa ny mahafantatra hoe ahoana no hampisehoana fanajana. Mampirisika antsika koa ny Soratra Masina mba “hitondra tena mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy.” (Fil. 1:27; 2 Tim. 3:1-5) Tena mila ampianarintsika àry ny zanatsika mba hanaja olona. Ahoana no atao mba hahatonga azy ireo ho tena hanaja olona, fa tsy hoe mody mahalala fomba fotsiny? *

Miezaha ho modely

Miana-javatra avy amin’izay hitany ny ankizy. Ny modely omen’ny ray aman-dreniny àry no tena hanampy azy hahalala fomba. (Deot. 6:6, 7) Marina fa ilaina ny manazava amin’ny zanakao ny atao hoe mahalala fomba, nefa tsy ampy izany. Ianao mihitsy no tokony ho modely.

Diniho, ohatra, i Antsa, * izay notezain’ny reniny. Lasa toetran’i Antsa mihitsy ilay hoe manaja ny olona rehetra. Nahoana? Hoy izy: “Tena nanaja olona i Neny, ka lasa nandeha ho azy taminay zanany izany.” Hoy koa i Walter, rahalahy iray manambady tsy Vavolombelona: “Niezaka nampianatra ny zanako aho mba hahatonga azy ireo hanaja ny reniny. Nanome modely hotahafin’izy ireo aho. Tsy nanao teny nanambany ny vadiko mihitsy aho.” Nitaiza ny zanany araka ny Tenin’Andriamanitra foana i Walter, ary nivavaka mba hahazo ny fanampian’i Jehovah. Roa lahy ny zanany ary tia sy manaja azy mivady. Manompo any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampana izao ny iray, ary mpisava lalana ny iray.

Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.” (1 Kor. 14:33) Milamina daholo ny zavatra ataon’i Jehovah. Tokony hanahaka azy ny Kristianina, ka hiezaka hanana trano milamina tsara foana. Mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny sasany mba hampirim-pandriana isan’andro alohan’ny handehanana mianatra, hamerina ny akanjony any amin’ny toerany, ary hanao raharaha. Azo inoana fa hiezaka hampirina tsara ny entany sy ny efitranony ny ankizy, raha hitany hoe madio sy milamina ny toerana hafa ao an-trano.

Ary ahoana indray ny fahitan’ny zanakao ny zavatra ianarany any am-pianarana? Asehony ve hoe mankasitraka ny ezaka ataon’ny mpampianatra izy? Ary ianao? Asehonao koa ve hoe mankasitraka an’izany ianao? Izay fomba fihevitrao ihany mantsy no hotahafin’ny zanakao, anisan’izany ny fiheveranao ny mpampianatra, ny lesona, ary ny entimody. Nahoana àry raha zarina misaotra ny mpampianatra izy ireo? Fomba tena tsara hanehoana fanajana olona ny fankasitrahana ny fanampiana omeny. Ankasitraho, ohatra, ny mpampianatra, ny dokotera, ny mpivarotra, sy ny olon-kafa. (Lioka 17:15, 16) Mendri-piderana ny tanora kristianina tsy manahaka ny ataon’ny mpiara-mianatra aminy, fa mahalala fomba sy hendry.

Tokony ho modely amin’ny fahalalam-pomba koa ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana. Misy vokany eo amin’ny ankizy sy ny tanora mantsy izany. Tsy mahafinaritra antsika ve ny mahita azy ireny miteny hoe “azafady” na “misaotra”? Te hanahaka antsika olon-dehibe koa ny ankizy, rehefa manaja an’i Jehovah isika ka mifantoka tsara any am-pivoriana. Ankoatra izany, dia mianatra manaja ny hafa izy ireo, rehefa mahita olon-dehibe mahalala fomba any amin’ny Efitrano Fanjakana. Vao efa-taona, ohatra, i Andrew nefa efa mahay miteny hoe “azafady” rehefa handalo eo anoloan’ny olon-dehibe.

Ahoana koa no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany mba hahalala izay tokony hatao? Tokony hiresaka amin-janany momba ny ohatra ao amin’ny Baiboly izy ireo. Maro izy ireny no azo akana lesona.—Rom. 15:4.

Ampiasao ny ohatra ao amin’ny Baiboly

Azo inoana fa nampianatra ny zanany hahalala fomba i Jakoba, ka izany no nahatonga ny zanany hiankohoka rehefa teo anatrehan’i Esao. (Gen. 33:3, 6, 7) Tena tsara koa raha ampianarinao hiarahaba olona ny zanakao. Asaivo mamerina izy hoe: “Manahoana tompoko”, na izay fiarahabana mahazatra any amin’ny faritra misy anareo. Manome voninahitra an’i Jehovah ny ankizy mahalala fomba, sady reharehan’ny ray aman-dreniny.

Nahoana koa raha mampiasa tantara ao amin’ny Baiboly, mba hampisehoana ny maha samy hafa ny hoe manaja sy tsy manaja? Azo raisina, ohatra, ny tantaran’i Ahazia, mpanjaka nivadika teo amin’ny Israely. Nirahiny nankany amin’i Elia mpaminany ny “miaramilany dimampolo” sy ny ‘lehiben’izy ireo’, satria te hahita azy izy. Rehefa tonga tany amin’i Elia anefa ilay lehibena miaramila, dia nanome baiko an’i Elia mba hanaraka azy. Tsy mety raha toy izany no fomba firesaka amin’ny solontenan’Andriamanitra. Ahoana no navalin’i Elia? Hoy izy: “Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramilanao dimampolo.” Izany tokoa no nitranga. “Nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona azy sy ny miaramilany dimampolo.”—2 Mpanj. 1:9, 10.

Nisy lehiben’ny dimampolo hafa indray nirahina haka an’i Elia. Nandidy an’i Elia koa izy io hanaraka azy, ka nisy afo indray nilatsaka avy tany an-danitra. Hafa kosa anefa ny fihetsik’ilay lehiben’ny dimampolo nirahina fahatelo. Nanaja an’i Elia izy io. Tsy nandidy an’i Elia izy, fa nandohalika teo anatrehany, ary niangavy azy hoe: “Ry lehilahin’Andriamanitra ô, mba tsimbino re ny aiko sy ny ain’ireto dimampolo lahy mpanomponao ireto e! Efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona an’ireo roa lahy lehiben’ny dimampolo teo aloha mbamin’ny miaramilany dimampolo avy. Fa mba tsimbino kosa re ny aiko e!” Nanao teny feno fanajana tokoa io lehilahy efa natahotra io, ka azo inoana fa tsy nangataka tamin’Andriamanitra i Elia mba handatsaka afo taminy! Nilaza tamin’i Elia ny anjelin’i Jehovah mba hanaraka an’io lehilahy io. (2 Mpanj. 1:11-15) Misongadina amin’izany fa zava-dehibe tokoa ny fanajana olona.

Diniho koa ny nataon’ny apostoly Paoly, rehefa nosamborin’ny miaramila romanina izy, tao amin’ny tempoly. Tsy tonga dia nieritreritra izy hoe manan-jo hiteny, fa nanontany tamim-panajana an’ilay mpitari-tafika kosa hoe: “Mahazo milaza zavatra aminao ve aho?” Navela hiteny izy vokatr’izany, mba hahafahany hiaro tena.—Asa. 21:37-40.

Ohatra hafa koa i Jesosy. Nisy namelaka ny tehamaina izy, nandritra ny fitsarana azy. Tsy nanaiky an’izany izy, ka naneho ny heviny, nefa tamim-panajana. Hoy izy: “Raha diso izay nolazaiko, dia porofoy izay diso. Fa raha marina kosa, nahoana no mamely ahy ianao?” Tena nety ny fomba firesak’i Jesosy.—Jaona 18:22, 23.

  Ahoana indray no tokony ho fomba famaly raha anarina mafy isika? Ahoana no fomba hiekena amim-panajana hoe nanao fahadisoana isika na tsy nanao ny zavatra tokony hatao? Misy ohatra momba izany koa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Gen. 41:9-13; Asa. 8:20-24) Niala tsiny tamin’i Davida, ohatra, i Abigaila noho i Nabala vadiny nanao tsinontsinona an’i Davida. Nomeny sakafo be dia be koa i Davida. Tena nanohina ny fon’i Davida izany, ka nalainy ho vady i Abigaila rehefa maty i Nabala.—1 Sam. 25:23-41.

Ampianaro hanaja olona àry ny zanakao, mba hahalala fomba foana izy na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza. ‘Mampamirapiratra ny fahazavantsika’ isika, raha manaja olona sy mahalala fomba. ‘Hanome voninahitra ny Raintsika any an-danitra’ izany.—Mat. 5:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tokony hampianarina ny ankizy koa anefa fa na dia tokony hanaja ny olon-dehibe aza izy, dia tsy midika izany hoe tokony hekeny izay tenenin’ny olona ratsy saina mitady hanisy ratsy azy. Jereo ny Mifohaza! Oktobra 2007, pejy 3-11.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.