Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana Iray Tena Lehibe

Faminaniana Iray Tena Lehibe

Faminaniana Iray Tena Lehibe

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—MATIO 24:14.

MIAIKY ny manam-pahaizana fa tena zava-dehibe io andininy io. Zava-dehibe izy io satria milaza fa tokony hatao maneran-tany ilay asa fitoriana, ary tokony hanao izany ny Kristianina. Famantarana an’ilay fotoan-dehibe nantsoin’i Jesosy hoe “ny farany” io asa io, sady hatao alohan’ny hahatongavan’ny farany.

Tanteraka io faminaniana io ankehitriny. Mahakasika anao izy io satria sady fanasana ilay vaovao tsara hotorina no fampitandremana. Afaka misafidy ianao raha hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra na hanohitra azy io. Hisy vokany amin’ny fiainanao ny safidinao.

Andro maromaro talohan’ny namantsihana an’i Jesosy no nilazany an’io faminaniana io. Nanontany azy momba ny hoavy ny mpianany tamin’izay. Niresaka matetika momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, ka tian’izy ireo ho fantatra hoe rahoviana no hiorina izy io. Tian’izy ireo ho fantatra koa ny momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, na ny “fahataperan’izao tontolo izao” (Fandikan-teny Protestanta).—Matio 24:3.

Namaly i Jesosy tamin’izay fa hisy ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany lehibe eran-tany. Hitombo koa ny fandikan-dalàna, hamitaka olona maro ny mpitondra fivavahana, ary hankahalaina sy henjehina ny tena Kristianina. Vaovao ratsy daholo izany.—Matio 24:4-13; Lioka 21:11.

Nisy vaovao tsara koa anefa. Nilaza an’ilay andinin-teny tetsy am-piandohana mantsy i Jesosy avy eo. Nahaliana sy nahavelom-bolo ny olona nandritra ny taonjato maro izy io. Eken’izy ireo fa zava-dehibe ny tenin’i Jesosy, nefa tsy mitovy ny hevitr’izy ireo momba ny dikan’izy io. Hodinihintsika àry hoe: Inona marina ilay vaovao tsara? Inona ilay Fanjakana? Rahoviana no ho tanteraka io faminaniana io, ary iza no hanatanteraka azy? Inona ilay hoe “farany”?

[Sary, pejy 2, 3]

Kopian’ny sora-tananan’i Washington an’ireo filazantsara efatra. Manasongadina ny Matio 24:14

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky Facsimile of the Washington Manuscript of the Four Gospels in the Freer Collection 1912