Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Ilay Vaovao Tsara?

Inona Ilay Vaovao Tsara?

Inona Ilay Vaovao Tsara?

‘ . . . ity vaovao tsara ity.’—MATIO 24:14.

TOKONY hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” ny Kristianina, ka hanazava amin’ny olona fa io Fanjakana io dia fitondram-panjakana hitondra ny tany manontolo araka ny fahamarinana. Misy fomba hafa ampiasana ny teny hoe “vaovao tsara” koa anefa ao amin’ny Baiboly. Hitantsika ao, ohatra, ny hoe ‘vaovao tsara momba ny famonjena’, “vaovao tsaran’Andriamanitra”, “vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy.”—Salamo 96:2; Romanina 15:16; Marka 1:1.

Raha tsorina, dia anisan’ny vaovao tsara ny fahamarinana rehetra nolazain’i Jesosy sy nosoratan’ny mpianany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Tsy ny hitory momba ilay Fanjakana fotsiny àry no asan’ny tena Kristianina, fa ny hanao mpianatra koa.

Manao izany ve ireo fivavahana? Maro amin’izy ireo no tsy mahafantatra momba ilay Fanjakana, ka tsy afaka mampianatra ny marina momba azy io. Ny famelan-keloka sy ny finoana an’i Jesosy kosa no torin’izy ireo, satria izany no tian’ny olona ho re. Miezaka manatsara ny fiainan’ny olona koa izy ireo na manorina hopitaly sy sekoly ary trano ho an’ny mahantra, mba hitaomana olona. Marina fa mety hampitombo ny isan’ny mpiangona ireo rehetra ireo. Tsy tena Kristianina maniry mafy hiaina mifanaraka amin’izay nampianarin’i Jesosy anefa ireo mpiangona ireo.

Hoy ny teolojianina iray: “Miaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana sy ny mpitondra fivavahana fa tokony hanampy ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy isika, ary hampianatra azy ireo hankatò izay rehetra nolazainy. ... Mazava tsara ny toromarik’i Jesosy momba izany, fa isika fotsiny no tsy manaraka ny teniny. Tsy tena manandrana manao an’ilay izy isika, ary toa tsy fantatsika hoe ahoana no fanaovana azy.”

Nanadihady an’ireo Katolika tany Etazonia ny gazety Katolika Amerikanina. Niaiky koa ny 95 isan-jaton’izy ireo fa tokony hitory ny vaovao tsara izy ireo mba hanehoana ny finoany. Saiky izy rehetra anefa no nihevitra fa tsy ny miresaka momba azy io no tsara indrindra, fa ny mitondra tena tsara mba ho modely ho an’ny hafa. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Samy hafa ny mitory ny Filazantsara sy ny miteny. Isika mihitsy no tokony ho Vaovao Tsara.” Nilaza ilay gazety fa tsy te hitory ny olona maro, satria “tsy mazava ny fampianaran’ny eglizy, sady nalaza ratsy tamin’ny fametavetana izy io.”

Nitaraina ny eveka metodista iray fa misaratsaraka sy very hevitra ny mpiangona ao aminy. Tsy sahy manatanteraka ny andraikiny izy ireo, ary mitovy amin’ny an’ny besinimaro ihany ny fitondran-tenany. Kivy be izy nilaza hoe: “Iza àry no mendrika hitory ny filazantsaran’ilay Fanjakana?”

Tsy namaly an’io fanontaniany io ilay eveka. Misy anefa ny valiny, ary ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny famonjena avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ilay vaovao tsara