Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Mitory ny Vaovao Tsara?

Iza no Mitory ny Vaovao Tsara?

Iza no Mitory ny Vaovao Tsara?

“Hotorina maneran-tany...”—MATIO 24:14.

NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH no mitory ny vaovao tsara maneran-tany. Misy fomba samihafa anaovan’izy ireo an’izany. Iray amin’izany ny...

Firesahana amin’ny olona. Mankany amin’ny olona izy ireo mba hitory ny vaovao tsara, toy ny nataon’i Jesosy sy ny mpianany. (Lioka 8:1; 10:1) Tsy ny olona no andrasany hanatona azy. Ny Vavolombelona rehetra no mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy fito tapitrisa mahery izy ireo. Mitory isan-trano izy ireo, eny an-dalana, an-telefaonina, ary amin’ny fomba hafa. Maherin’ny 1 500 tapitrisa ny ora lanin’izy ireo nanaovana an’io asa io, tamin’ny taon-dasa.

Tsy ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no ampianarin’izy ireo, fa “izay rehetra [nandidian’i Jesosy]” koa. (Matio 28:20) Mitarika fampianarana Baiboly tsy tapaka sady maimaim-poana amin’ny olona valo tapitrisa mahery izy ireo.

Mitory amin’ny karazan’olona rehetra any amin’ny tany 236, ny Vavolombelona. Mitory any ambanivohitra sy any an-tanàn-dehibe izy ireo, hatrany amin’ny alan’i Amazonia sy Siberia, ka hatrany amin’ny tany efitra any Afrika, ary any amin’ny Tendrombohitra Himalaya. Tsy karamaina izy ireo fa mianto-tena, ary manokana ny fotoanany hanaovana an’io asa io. Ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no mandrisika azy ireo hanao izany. Fomba iray itorian’izy ireo ny vaovao tsara koa ny...

Boky sy gazety. Antsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah ity gazety ity. Avoaka amin’ny fiteny 185 izy ity, ary 42 tapitrisa mahery isaky ny laharana izao no atao pirinty. Antsoina hoe Mifohaza! ny gazety naman’izy ity, ary manambara ilay Fanjakana koa. Avoaka amin’ny fiteny 83 izy io, ary 40 tapitrisa eo ho eo isaky ny laharana no atao pirinty.

Misy amin’ny fiteny 540 eo ho eo koa ny boky, bokikely, taratasy mivalona, CD/MP3, ary DVD, izay manazava ny Baiboly. Namokatra sy nizara 20 000 tapitrisa mahery tamin’ireny ny Vavolombelona, tao anatin’ny folo taona lasa. Tokotokony ho telo avy isaky ny mponina eto an-tany izany.

Nanao pirinty na nanome vola mba hanaovana pirinty Baiboly amin’ny fandikan-teny samihafa koa ny Vavolombelona. Nandika sy nanao pirinty ary nizara Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy ireo. Misy amin’ny fiteny 96 io Baiboly io manontolo na ny ampahany aminy. Maherin’ny 166 tapitrisa izao no efa voazara. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana koa ny Vavolombelona amin’ny alalan’ny...

Fivoriana kristianina. Tsy fotoam-pivavahana fotsiny ny fivoriana ataon’ny Vavolombelona any amin’ny Efitrano Fanjakana, fa natao hampianarana. Misy lahateny ara-baiboly atao any, ary mampiasa ny gazety Tilikambo sy boky hafa izy ireo mba hianarana ny Baiboly. Mianatra mitory koa izy ireo any, mba hahita vokatra kokoa.

Mitovy ihany ny zavatra ianaran’ireo Vavolombelona any amin’ireo fiangonana 107 000 mahery eran-tany, ka mahatonga azy ireo hiray saina izany. Azon’ny rehetra atrehina ireny fivoriana ireny. Tsy misy fanantazan-drakitra any. Mazava ho azy anefa fa very maina ny fitorian’izy ireo raha tsy ampihariny. Miezaka àry izy ireo mba ho...

Tsara fitondran-tena. Manao araka izay fara heriny ny Vavolombelona, mba hitondra ny hafa toy ny fomba tiany hitondrana azy. (Matio 7:12) Tsy lavorary izy ireo ka manao fahadisoana indraindray. Tena maniry haneho hatsaram-panahy amin’ny olona rehetra anefa izy ireo, ka tsy hoe mitory ny vaovao tsara fotsiny fa manampy koa rehefa afaka manao izany.

Tsy ny hanova an’izao tontolo izao akory no tanjon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory. Rehefa vita araka ny itiavan’i Jehovah azy ny asa fitoriana, dia ho tonga ny farany, araka ny nolazain’i Jesosy. Inona àry no ho vokatr’izany amin’ny tany sy ny olombelona?

[Sary, pejy 7]

Mitory ny vaovao tsara eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah