Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Ilay hoe “Farany”?

Inona Ilay hoe “Farany”?

Inona Ilay hoe “Farany”?

“. . . vao ho tonga ny farany.”—MATIO 24:14.

MARO be ny resaka momba ny faran’izao tontolo izao. Hita amin’ny boky sy filma ny karazana loza heverin’ny olona hoe hitranga amin’izany. Mety ho tantara mampihomehy izy ireny na resaka siansa. Voaresaka amin’izany, ohatra, ny fandripahana vokatry ny ady niokleary, fifandonan’ny planeta, virosy mahafaty, fiovan’ny toetrandro tsy voafehy, na mpanafika avy any amin’ny planeta hafa.

Tsy mitovy hevitra koa ny fivavahana. Maro no mampianatra fa ho faty daholo ny zavamananaina eto an-tany rehefa tonga “ny farany.” Hoy ny teolojianina iray momba ny Matio 24:14: “Anisan’ireo andinin-teny lehibe indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy io ... Hisy fandringanana lehibe ho avy tsy ho ela, ary ho ringana daholo ny zava-drehetra. Tena mampatahotra ilay izy, ka vitsy ihany no te hieritreritra momba izany.”

Tsy eritreretin’izy ireo anefa izao: Nataon’i Jehovah Andriamanitra “mafy orina” ny tany, ary “tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Rehefa niresaka momba “ny farany” àry i Jesosy, dia tsy nilaza izy hoe hopotehina ny tany na hoe horinganina tanteraka ny olombelona. Te hilaza kosa izy fa ireo ratsy fanahy, izany hoe ireo mafy loha tsy mety miaina mifanaraka amin’ny tari-dalan’i Jehovah, no horinganina.

Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe manana trano tsara tarehy ianao, ary misy olona avelanao hipetraka maimaim-poana ao. Ny sasany tsara toetra ka mifandray tsara amin’ny hafa sady mikojakoja an’ilay trano. Ny hafa kosa tsy manao afa-tsy ny manakorontana, miady ary mampijaly an’ireo olona tsara toetra. Nosimban’izy ireo koa ny tranonao, ary mafy loha izy ireo ka tsy mety miova na dia miezaka mampitandrina azy aza ianao.

Inona àry no hataonao? Horavanao ve ny tranonao? Mazava ho azy fa tsia. Azo antoka fa horoahinao ireo olona ratsy toetra ary hamboarinao ny simba.

Toy izany koa no hataon’i Jehovah. Nasainy nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:9-11.

Niresaka momba izany koa ny apostoly Petera. Nahazo fanahy masina izy, ka nilaza hoe: “Efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.” (2 Petera 3:5, 6) Miresaka momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa i Petera eo. Ireo olona tsy tia an’Andriamanitra no naringana, tamin’izay, fa tsy ny tany no nopotehina. “Ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra, raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy” ny Safodrano.—2 Petera 2:6.

Hoy i Petera avy eo: ‘Tehirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny.’ Mety ho diso hevitra isika raha hatreo ihany no mamaky. Mariho anefa ny tohin’io andininy io: “Fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” Ireo tsy matahotra an’Andriamanitra àry no horinganina, fa tsy ny tany no hopotehina. Inona no hitranga avy eo? Hoy i Petera: ‘Misy lanitra vaovao [Fanjakan’ny Mesia] sy tany vaovao [olo-marina] hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’—2 Petera 3:7, 13.

Milaza koa ny Baiboly fa efa akaiky “ny farany.” Vakio ny Matio 24:3-14 sy 2 Timoty 3:1-5, mba hanaporofoana fa marina izany. *

Tsy hafahafa aminao ve ny hoe misafotofoto ny hevitry ny olona momba ny Matio 24:14, nefa na ny ankizy aza mety hahatakatra azy io? Misy antony mahatonga izany. Nohajambain’i Satana ny sain’ny olona ka lasa tsy mahalala ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Korintianina 4:4) Nafenin’Andriamanitra tamin’ny olona miavonavona koa ny fikasany, fa nampahafantariny an’izay manetry tena. Hoy i Jesosy: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao ampahibemaso aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.” (Matio 11:25) Voninahitra tokoa ny hoe anisan’ireo manetry tena, ka mahafantatra hoe inona marina ny Fanjakan’Andriamanitra. Afaka manantena koa isika hoe hahazo ireo fitahiana hoentin’izy io ho an’izay miandany aminy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 9 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 9]

Hamarana ny faharatsiana rehetra eto an-tany ilay Fanjakana, rehefa tonga “ny farany”