Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay “Tany Tondra-dronono sy Tantely”

Ilay “Tany Tondra-dronono sy Tantely”

Ilay “Tany Tondra-dronono sy Tantely”

REHEFA nanafaka an’ireo Israelita avy tany Ejipta i Jehovah Andriamanitra, dia nampanantena fa hitondra azy ireo any amin’ny “tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely.”—Eksodosy 3:8.

Niompy omby sy ondry ary osy ny Israelita, rehefa nipetraka tao amin’ilay Tany Nampanantenaina, ka nanana ronono be dia be. Ahoana kosa ny amin’ny tantely? Misy mino fa ranom-boankazo marihitra vita tamin’ny antrendry na aviavy na voaloboka no tian’ny Baiboly horesahina. Tantelidia koa no tena voaresaka ao fa tsy tantely ompiana. (Mpitsara 14:8, 9; 1 Samoela 14:27; Matio 3:1, 4) Tena ‘tondraka’ toy ny ronono tokoa ve ny tantely tao amin’ilay tany?

Manazava kokoa an’izany ny fikarohana ambanin’ny tany natao vao haingana, tany Israely ankehitriny. Hoy ny Oniversite Hebreo, tao amin’ny gazety iray, momba ny zavatra hitan’ny mpikaroka: “Nilaza ny Profesora (Amihai) Mazar fa io no toeram-piompiana tantely fahiny hita voalohany, tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany natao tany Israely sy ny manodidina. Tamin’ny taona 900 ka hatramin’ny voalohandohan’ny taona 800 T.K. [Talohan’i Kristy] no nisian’izy io.”

Nahita laharana tranon-tantely telo, nisy tranon-tantely maherin’ny 30, ireo mpanao fikarohana. Nihevitra izy ireo fa 100 eo ho eo ny isan’ireo tranon-tantely tao raha atambatra. Nisy fatina tantely sy faikana toho-tantely efa lasa savoka koa tao amin’ireo tranon-tantely. Milaza ny manam-pahaizana fa “nety ho nahazoana ranon-tantely 500 kilao isan-taona, ireo tranon-tantely ireo.”

Tamin’ny andro fahiny, dia tsy vitan’ny hoe sakafo matsiro ny tantely fa nampiasain’ny orinasa mpanao vy sy hoditra koa ny toho-tantely. Nampiasaina tamin’ny solaitra koa ny savoka avy amin’ny toho-tantely. Vita tamin’ny takela-kazo misy lavaka feno savoka ilay solaitra. Empoina ilay savoka ka hosorana amin’ilay solaitra, mba hampiasaina indray. Inona àry no fanatsoahan-kevitr’ireo mpikaroka?

Hoy ihany ilay gazety: “Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy hoe niompy tantely ny Israelita fahiny. Araka ilay zavatra hita tany Tel Rehov anefa, dia niompy tantely sady naka ranon-tantely sy toho-tantely ny mponina tany, ary nanao izany ho anton’asa tamin’ny fotoana nisian’ny Tempoly Voalohany [tamin’ny andron’i Solomona]. Mety ho ranon-tantely avy amin’ny tantely àry no resahin’ny Baiboly amin’ilay hoe ‘tantely.’ ”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Institute of Archaeology/Hebrew University © Tel Rehov Excavations