Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy no Maty?

Teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy no Maty?

Teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy no Maty?

MILAZA ny rakipahalalana iray fa “ny lakroa no marika tena amantarana ny Fivavahana Kristianina.” Maro ny sary ara-pivavahana mampiseho an’i Jesosy nofantsihana teo amin’ny lakroa. Nahoana io marika io no miely be eo anivon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Teo amin’ny lakroa tokoa ve i Jesosy no maty?

Maro no mieritreritra fa ny Baiboly no milaza an’izany. Milaza, ohatra, ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy) fa tamin’ny fotoana namonoana an’i Jesosy, dia naneso azy ny olona ary nilaza taminy mba ‘hidina avy eo amin’ny lakroa.’ (Matio 27:40, 42) Toy izany koa no lazain’ny fandikan-teny sasany. Hoy, ohatra, ny Dikan-teny Anglisy Ankehitriny momba an’i Simona avy any Kyrena: “Nanery azy hitondra ny lakroan’i Jesosy ny miaramila.” (Marka 15:21) Lakroa no nandikana an’ilay teny grika hoe staorôs, ao amin’ireo andininy ireo. Misy porofo ve fa lakroa tokoa no dikan’ilay hoe staorôs? Inona no tena dikan’izy io?

Lakroa tokoa ve ilay izy?

Nilaza i W. Vine, manam-pahaizana grika, fa “tsato-kazo mahitsy” no tena dikan’ny hoe staorôs. “Teo amin’izy ireny no nofantsihana ireo olon-dratsy hovonoina. Midika hoe manantona amin’ny hazo ilay anarana sy ilay matoanteny hoe staorôô. Tany am-boalohany izy ireo, dia samy tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny lakroa vita amin’ny vatan-kazo roa, izay fampiasan’ny fivavahana.”

Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly (anglisy): ‘Ilay teny grika [staorôs] nadika hoe lakroa dia midika hoe tsato-kazo, hazo mahitsy na hazo fanaovana fefy azo anantonan-javatra na amefena toerana. Na ny Romanina koa aza nihevitra fa tsato-kazo mahitsy ny crux (teny latinina niavian’ny hoe lakroa), tany am-boalohany.’ Tsy mahagaga àry raha milaza Ny Rakipahalalana Katolika (anglisy) hoe: “Azo antoka fa tsato-kazo marani-doha fotsiny ny lakroa tany am-boalohany.”

Mampiasa teny grika hoe ksylôn koa ny mpanoratra Baiboly, mba hilazana ny fitaovana namonoana an’i Jesosy. Milaza ny Diksionera sy Fizahan-teny ho An’ny Testamenta Vaovao Anglisy sy Grika fa ny hoe ksylôn, dia “vatan-kazo iray.” Milaza koa izy io fa mitovy amin’ny hoe staorôs ihany ny hoe ksylôn, izany hoe “tsato-kazo iray fotsiny, izay namantsihan’ny Romanina an’ireo olon-dratsy hovonoina.”

Mariho ny voalazan’ny Fandikan-teny Katolika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:30: “Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika tamin’ny maty Jeso, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo [ksylôn].” Toy izao koa no ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta ny Asan’ny Apostoly 13:29: “Rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ny hazo [ksylôn] ka nandevina Azy tao am-pasana.”

Rehefa jerena ny tena hevitry ny teny grika hoe staorôs sy ksylôn, dia izao no nambaran’ilay Diksionera sy Fizahan-teny: “Tsy mifanaraka mihitsy amin’ilay lakroa fahitantsika ankehitriny amin’ny sary ny hevitr’ireo teny roa ireo.” Tsy mitovy amin’ilay antsoin’ny olona ankehitriny hoe lakroa no tian’ny mpanoratra ny Filazantsara hambara, rehefa nampiasa ny teny hoe staorôs izy ireo. Mety àry raha ny teny hoe “hazo fijaliana” no nampiasain’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ao amin’ny Matio 27:40-42, sy any amin’ny andininy hafa ahitana ny teny hoe staorôs. Misy Baiboly koa mandika azy hoe “hazo famonoana.”

Ny niandohan’ny lakroa

Tsy milaza ny Baiboly hoe teo amin’ny lakroa i Jesosy no maty. Nahoana àry ny fivavahana, toy ny Katolika sy Protestanta ary Ortodoksa, izay milaza fa mampianatra sy mankatò ny Baiboly no manisy lakroa eo amin’ny fiangonany ary mampiasa azy io ho mariky ny finoany? Ahoana no nahatonga ny lakroa halaza be toy izany?

Tsy ny mpivavaka milaza ho mankatò ny Baiboly ihany no mankamasina ny lakroa. Manao izany koa ny olona tsy mankatò ny Baiboly, izay manaraka fivavahana efa nisy ela be talohan’ny fivavahana “kristianina.” Boky ara-pivavahana maro no manaiky fa efa taloha be ny olona no nampiasa lakroa, ary isan-karazany ny paozin’izy ireny. Matetika, ohatra, no misy sarina lakroa miendrika T misy boribory eo amin’ny tendrony, ny soratra sy sarina andriamanitra ejipsianina fahiny. Nantsoina hoe lakroa misy tahony izy io ary noheverina ho mariky ny fiainana. Nisy eglizy nanaraka ny fivavahana ejipsianina sy eglizy hafa koa nampiasa an’io karazana lakroa io, tatỳ aoriana.

Milaza Ny Rakipahalalana Katolika, fa “toa mitovy amin’ilay lakroa antsoina hoe lakroa ‘gamma’ (crux gammata) ny paozin’ny lakroa tamin’ny voalohany. Ilay anarany amin’ny teny karàna hoe swastika no amantaran’ny manam-pahaizana sy ny mpianatra momba ny arkeolojia azy io.” Nampiasa be azy io ny Hindoa any Inde sy ny Bodista eran’i Azia, ary mbola ampiasaina atao ravaka sy haingo izy io any amin’ireo tany ireo.

Tsy tena fantatra hoe oviana ny lakroa no lasa famantarana ny “Kristianina.” Hoy i Vine, ao amin’ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Tany antenatenan’ny taonjato fahatelo, dia nialan’ny eglizy na naolany ny fampianarana sasany tao amin’ny finoana kristianina. Te hampitombo ny lazany ny eglizy nivadi-pinoana, ka nekeny ho anisany ireo mpanompo sampy mbola tsy nanova ny zavatra ninoany, ary navelany hitana ny ankamaroan’ny marika famantarana efa fampiasany”, anisan’izany ny lakroa.

Ny zavatra nolazain’i Constantin, mpivavaka tamin’ny masoandro kosa no resahin’ny mpanoratra sasany. Tamin’izy io nandeha nanafika tamin’ny taona 312, hono, dia nahita lakroa iray teo ambonin’ny masoandro sy teny latinina hoe “in hoc vince” (mandrese amin’ny alalan’ity famantarana ity). Nasiany marika “kristianina” iray, tatỳ aoriana, ny fanevan’ny tafiny sy ny ampingany ary ny akanjo entin’izy ireo miady. (Sary eo ankavia.) Voalaza fa niova ho Kristianina i Constantin, na dia tsy natao batisa aza izy raha tsy efa ho faty, 25 taona tatỳ aoriana. Nampieritreritra ny olona sasany ny antony nanosika azy hanao izany. Hoy ny boky Ny Lakroa Tsy Kristianina (anglisy): “Tsy nanaraka ny fampianaran’i Jesosy avy any Nazareta i Constantin. Ny Fivavahana Kristianina kosa no novany ho lasa fivavahana katolika [ho an’ny rehetra], mba hifanaraka amin’izay noeritreretiny hoe ho tian’ny vahoakany.”

Nanjary nampiasa lakroa tamin’ny endriny maro ny olona, nanomboka tamin’izay. Milaza, ohatra, Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary (anglisy) fa “miendrika T ilay antsoina hoe lakroan’i Masindahy Antoine. Noheverin’ny sasany ho avy tamin’ilay litera hoe tau, izay marika famantarana ny andriamanitra Tamoza [babylonianina] izy io.” Teo koa ny lakroan’i Masindahy André izay miendrika X, ary ny lakroa latinina izay be mpampiasa. Tsato-kazo misy hazo mitsivalana eo ambany kokoa izy io. “Hoatran’io lakroa io ilay namantsihana ny Tompontsika, araka ny finoan’ny olona.” Tsy marina anefa izany.

Izay ninoan’ny Kristianina voalohany

Milaza ny Baiboly fa olona maro nihaino an’i Jesosy no lasa mpino, tamin’ny taonjato voalohany, ary nanaiky fa afaka mamonjy ny sorona nataony. Nitory tamin’ny Jiosy tany Korinto koa ny apostoly Paoly, ka nanaporofo fa i Jesosy no Kristy. Milaza ny Baiboly fa taorian’izay, dia ‘nanjary nino ny Tompo i Krispo mpitantana an’ilay synagoga, mbamin’ny ankohonany manontolo. Ary tonga mpino ny ankamaroan’ny Korintianina izay nandre ilay fitoriana, ka natao batisa.’ (Asan’ny Apostoly 18:5-8) Tsy nampianarin’i Paoly hampiasa marika na sary ny Kristianina namany rehefa nivavaka. Nilaza tamin’izy ireo kosa izy, mba ‘handositra ny fanompoan-tsampy’ sy ny fanao hafa rehetra avy amin’ny mpanompo sampy.—1 Korintianina 10:14.

Tsy nahita porofo ny mpahay tantara sy ny mpikaroka hoe nampiasa lakroa ny Kristianina voalohany. Milaza ny boky Tantaran’ny Lakroa (anglisy) fa nanontany toy izao ny mpanoratra iray, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-17: “Ho faly ve i Jesosy mahita an’ireo mpanara-dia azy mivavaka amin’ilay fitaovana [lazaina fa] niaretany fijaliana sy fanalam-baraka, nefa izy tsy nanan-tsiny akory?” Ahoana no hamalianao an’izany?

Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana mampiasa sary na zavatra hafa. Hoy i Paoly: “Inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” (2 Korintianina 6:14-16) Tsy milaza mihitsy ny Soratra Masina hoe tokony hampiasa zavatra mitovitovy amin’ilay namantsihana an’i Jesosy ny Kristianina rehefa mivavaka.—Ampitahao amin’ny Matio 15:3; Marka 7:13.

Inona àry no marika amantarana ny tena Kristianina? Tsy lakroa na marika hafa, fa ny fitiavana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:34, 35.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Tsy mitovy amin’ilay antsoin’ny olona ankehitriny hoe lakroa no tian’ny mpanoratra ny Filazantsara hambara

[Sary, pejy 18]

Sary tamin’ny taonjato faha-17 mampiseho olona nofantsihina teo amin’ny staorôs, avy tao amin’ilay bokin’i Lipsius hoe “De cruce”

[Sary, pejy 19]

Sary Ejipsianina ahitana lakroa misy tahony, mariky ny fiainana (Taonjato faha-14 T.K. tany ho any)

[Sary nahazoan-dalana]

© DeA Picture Library / Art Resource, NY

[Sary, pejy 19]

Lakroa gamma ao amin’ny tempoly hindoa Laxmi Narayan

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Avy amin’ny boky The Cross in Tradition, History, and Art (1897)