Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra ve no Namorona ny Devoly?

Andriamanitra ve no Namorona ny Devoly?

Manontany ny Mpamaky

Andriamanitra ve no Namorona ny Devoly?

▪ Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.” Misy mihevitra àry fa tsy maintsy ho izy koa no namorona ny Devoly. (Efesianina 3:9; Apokalypsy 4:11) Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy izany no izy.

I Jehovah no namorona an’ilay anjely lasa Devoly. Raha tiantsika àry ny hamantatra hoe iza marina no namorona an’io fahavalo lehibe indrindran’Andriamanitra io, dia mila dinihintsika izay lazain’ny Soratra Masina momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona. Hoy ny Baiboly: ‘Tonga lafatra izay ataony, fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.’ (Deoteronomia 32:3-5) Afaka milaza àry isika fa anjely lavorary sy marina i Satana taloha, izany hoe anisan’ny zanak’Andriamanitra. Nilaza koa i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:44 fa “tsy nifikitra tamin’ny marina” ny Devoly. Midika izany fa nanao ny marina sy tsy nisy tsiny izy tamin’ny voalohany.

Afaka nifidy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy anefa io anjely lasa Satana io, toy ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra ihany. Nifidy ny hanohitra an’Andriamanitra izy ary nitaona ny mpivady voalohany hanaraka azy. Izy ihany àry no nanao ny tenany ho Satana, izay midika hoe “Mpanohitra.”—Genesisy 3:1-5.

Nanao ny tenany ho Devoly, izay midika hoe “Mpanendrikendrika”, koa io anjely ratsy io. Izy ilay hery tsy hita maso tao ambadik’ilay menarana. Nampiasa lainga tamin-kafetsena izy, mba hamitahana an’i Eva tsy hankatò ny lalàn’ny Mpamorona. Izany no antony niantsoan’i Jesosy azy hoe “rain’ny lainga.”—Jaona 8:44.

Ahoana anefa no nahatonga an’io anjely lavorary io haniry hanao ratsy, nefa izy sady tsy nisy tsiny no tsy nisy nitaona hanao ratsy? Naniry ny hivavahana izy nefa i Jehovah irery ihany no tokony hivavahana. Hitany koa fa ho afaka hitaona ny olombelona hivadika amin’i Jehovah izy, mba ho lasa eo ambany fahefany. Nosaintsaininy foana izany faniriany izany fa tsy nesoriny tao an-tsainy, ka notanterahiny tamin’ny farany. Hoy i Jakoba: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.’ Toy izany no nataon’i Satana.—Jakoba 1:14, 15; 1 Timoty 3:6.

Intỳ misy ohatra: Anankinana vola hiantsenana ny mpiasa iray. Mety hieritreritra izy hoe afaka manararaotra mangalatra. Azony esorina haingana ao an-tsainy izany eritreri-dratsy izany. Raha mieritreritra ny hangalatra foana anefa izy, dia hitombo izany faniriany izany ka mety hotanterahiny amin’ny farany. Izy ihany no manao ny tenany ho mpangalatra raha manao an’izany izy. Lasa mpandainga koa izy raha milaza fa tsy nangalatra. Toy izany no nataon’ilay anjely noforonin’Andriamanitra. Nokolokoloiny ilay fanirian-dratsiny ary notanterahiny. Nampiasa ny safidy malalaka nananany izy, ka namitaka ny olona ary nikomy tamin’ny Rainy. Nanao ny tenany ho Satana Devoly àry izy tamin’izany.

Soa ihany fa haringana i Satana Devoly amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (Romanina 16:20) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia ampahafantarina an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah ny teti-dratsin’i Satana, ary omena fiarovana amin’izany izy ireo. (2 Korintianina 2:11; Efesianina 6:11) “Tohero” àry “ny Devoly, dia handositra anareo izy.”—Jakoba 4:7.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Nanao ny tenany ho Satana ilay anjely lavorary, rehefa nifidy ny hanohitra an’Andriamanitra