Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahafinaritra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Tany Rosia

Nahafinaritra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Tany Rosia

Nahafinaritra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Tany Rosia

MANDAO ny tranony any an-tanàn-dehibe ireo Rosianina tia zavaboary, isaky ny vanin-taona mafana, mba hialana amin’ny rotoroto lava. Mandeha miala sasatra any ambanivohitra izy ireo, any amin’ny tranokely atao hoe dachas. Nirohotra nankany ambanivohitra koa ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, tato ho ato, isaky ny vanin-taona mafana, saingy zavatra hafa no anton-dian’izy ireo.

Voarara ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny faritra sasany any Rosia. Na izany aza, dia mivory tsy tapaka izy ireo ary tsy miafinafina, satria manana zo hanaraka izay fivavahana tiany. Sarotra amin’izy ireo anefa indraindray ny mahita trano mety tsara hanaovana fivoriambe, satria manohitra be ny manam-pahefana tsy mahalala ny tena marina na ny pretra ortodoksa. Teny an-kalamanjana àry izy ireo no nanao fivoriambe. In-40 teo ho eo izy ireo no nanao izany tany amin’ny toerana 25, tamin’ny 2007 ka hatramin’ny 2009.

Hoy ny Vavolombelona iray efa nanatrika fivoriambe tany Rosia, an-taonany maro: “Nanofa kianja sy trano tany an-tanàn-dehibe izahay taloha. Olona tso-po sy manam-pahefana maro àry no afaka nanjohy hevitra momba ny fandaminantsika, rehefa nahita fa nadio sy nilamina izahay. Any anaty ala anefa izahay izao no tsy maintsy manao fivoriambe. Mampalahelo fa tsy hitan’ny olona ireo fivoriambe mahafinaritra ireo, izay ahitana olona samihafa fiaviana sy firazanana ary fivavahana.”

Tena mahafinaritra ny fivoriambe toy ireny. Niaiky anefa ny Vavolombelona iray hoe: “Mahafaly ny mahita fa mahafoy tena sy tsy mivadika ireo mpiara-manompo, izay mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy. Mandreraka sy mampalahelo anefa rehefa lasa sarotra aminay ny manao fivoriambe noho ny ataon’ny manam-pahefana. Tsy dia afaka mivavaka amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra amin’ny fomba mendrika koa izahay.” Ahoana no niatrehan’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Rosia an’izany?

Fivoriambe any anaty ala

Efa am-poto-moty matetika vao foanana ny fangatahan’ireo rahalahy trano hofana. Andro vitsy monja àry no hananan’ireo mpikarakara fivoriambe mba hitadiavana toerana hafa ho an’ireo solontena an’arivony. Voatery nanao fivoriambe an-kalamanjana, ohatra, ny Vavolombelona tany Cheboksary, Repoblikan’i Tchouvache, tamin’ny 2008. Voahodidin’ny hazo io toerana io, ary mahatazana ny Reniranon’i Volga. Tsy hita pesipesenina ny asa niandry azy ireo. Solontena 1 930 no nantenaina ho tonga, ka ny 1 700 tamin’izy ireo no tsy maintsy nananganana tranolay. Nila trano fandroana sy fanasana tanana misy rano mafana sy mangatsiaka izy ireo, ary nila kabine sy herinaratra. Tsy maintsy nomena sakafo koa ny solontena rehetra.

Voavaha ilay olana, satria nahita mpandrafitra sy elektrisianina ary mpikarakara fantson-drano ireo rahalahy. Vavolombelona 350 no nanampy tamin’ilay asa, ary 14 tamin’izy ireo no nijanona folo andro tany amin’ilay toerana. Nanatsofa hazo izy ireo, nitaona mololo, nanangana tranolay, ary nanamboatra trano fandroana sy kabine. Nisy rahalahy vitsivitsy koa nivezivezy tany an-tanàn-dehibe mba hividy izay ilaina. Tsy nisy vata fampangatsiahana, ka nahandro sakafo mafana intelo isan’andro teny amin’ilay toerana ireo rahalahy. Nanampy koa ireo mpikarakara an’ilay toerana filasiana, ka nanakarama mpahandro sakafo ho an’ireo solontena. Solontena 500 no nitondra ny lainy, 150 nanofa trano teny akaikin’ilay toerana, 15 natory teo ambony mololo tao anaty tranom-biby, ary ny sisa tao amin’ny lay natsangan’ireo rahalahy.

Nahita seza plastika mangamanga milahatra be dia be ireo solontena rehefa tonga. Nisy lampihazo tsotsotra roa voaravaka voninkazo teny aloha. Ny iray ho an’ny fiteny rosianina, ary ny iray ho an’ny fiteny tchouvache. Tian’ny rehetra ilay fivoriambe, ary nankasitrahan’izy ireo ny asa mafy nataon’ireo mpiasa an-tsitrapo. Niaiky ny iray tamin’ireo nahandro sakafo hoe: “Raha tsy ny masoko mihitsy no nahita, dia tsy ho nino aho hoe hay misy fikambanana mahavita zavatra sy milamina be toy ny anareo!” Nisy koa nilaza fa nitovy tamin’ilay Fetin’ny Trano Rantsankazo nankalazain’ny Israelita fahiny ilay fivoriambe.

Iray andro monja matetika no ananan’ireo Vavolombelona, any amin’ny tanàna sasany, mba hitadiavana sy hanomanana toeran-kafa hanaovana fivoriambe. Izany, ohatra, no nitranga tany Nijni Novgorod. Nifandimby niasa andro aman’alina ireo mpiasa an-tsitrapo. Tsy maintsy nanapaka hazo sy kirihitra ary bozaka izy ireo. Namono kongona sy vitsika teo amin’ilay faritra koa izy ireo. Efa nisy seza plastika 2 000, kabine folo azo afindrafindra, fanasan-tanana, lampihazo, milina mpamokatra herinaratra ary fanamafisam-peo tany amin’ilay toerana, rehefa tonga ireo solontena, ny zoma maraina. Hoy ny rahalahy iray: “Ny tena mahagaga dia hoe tsy mba nirehareha ireo rahalahy ireo, na dia niasa andro aman’alina aza. Nanetry tena kosa izy ireo, ary mbola nanompo ny hafa ihany nandritra ilay fivoriambe. Tsy nitsitsy aina mihitsy izy ireo, mba hahafahan’ireo rahalahy sy anabavy hahazo aina tsara ka handray soa tamin’ilay fivoriambe.”

Hoy koa ny rahalahy iray: “Tena niara-niasa daholo ny rehetra. Vao sambany izy ireo no nandamina fivoriambe an-kalamanjana, sady zara raha nanam-potoana hiomanana. Nataon’izy ireo vonona daholo anefa ny zava-drehetra, mba tsy dia hisy fanelingelenana nandritra ilay fivoriambe. Tsy reraka izahay fa natanjaka foana sady nahavita zavatra haingana, ka toy ny hoe nomen’i Jehovah elatra.”

Niasa ny fanahin’Andriamanitra

Niara-namaha an’ireo olana momba ny fivoriambe ireo Vavolombelona. Nampifandray akaiky azy ireo izany, sady nahitana hoe miasa amin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra. Tany Smolensk, ohatra, dia nofoanana ny ankamaroan’ireo famandrihana ny trano hilasiana, nefa efa iray andro sisa no tsy hanombohan’ilay fivoriambe. Hoy ny anti-panahy iray: “Tonga tamin’ny iray maraina ireo bisy maro be nitondra an’ireo solontena, nefa tsy nisy trano hipetrahan’izy ireo. Tsy hitako izay hatao, ka nitomany aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy. Faly be mihitsy aho fa nahita trano ho an’ny rehetra izahay, adiny iray taorian’izay! Nahagaga ilay izy, ary hita tokoa fa tsy mba mandao ny olo-marina ao anatin’ny sarotra i Jehovah.” Tamin’ny fivoriambe hafa indray, dia tany amin’ireo mponina teo amin’ilay tanàna ireo rahalahy no nitady trano hilasiana. Tsara laza ny Vavolombelona ao amin’ilay faritra, ka tsy niahotra ireo mponina nampiantrano solontena 2 000.

Hoy ny Vavolombelona iray: “Vita ihany ilay fivoriambe. Porofo izany fa tena ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah amin’ny toe-javatra rehetra.” Nilaina izany rehefa nisy olona tonga tampoka nanelingelina an’ilay fivoriambe. Tany Novochakhtinsk, ohatra, dia tonga nanao hiram-pivavahana tamin’ny mikrô ny pretra ortodoksa rosianina sy ny mpanakorontana, mba tsy handrenesana ny feon’ny mpandahateny. Nosakanan’ny polisy anefa izy ireo. Safotry ny hafanana koa ny vehivavy ortodoksa iray, anisan’ireo mpanakorontana, ka nentin’ireo rahalahy hokarakaraina tany amin’ny Fitsaboana Vonjimaika. Gaga be mihitsy izy.

Gaga noho ny zavatra hitany izy ireo

Be asa fampihorohoroana any Rosia, ka matetika no mahasarika ny mpitandro filaminana na ireo olona te hahafanta-javatra ny olona maro mivorivory. Nisy polisy maromaro, ohatra, tonga nanara-maso ny fivoriambe tany Voljski. Very ny telefaonin’ny iray tamin’izy ireo nandritra ilay fivoriambe, ary ireo rahalahy no nanampy azy hitady azy io tany amin’ny Fametrahana Zavatra Very sy Hita. Niantso azy an-telefaonina ny lehibeny avy eo. Te hahafantatra izy io raha nisy olona nitady hahery setra na hirotaka tany amin’ilay fivoriambe. Hoy ilay polisy: “Mandeha tsara ny zava-drehetra. Olona 5 000 be izao no mivory ato, nefa tsy misy herisetra mihitsy. Tsy misy rotaka izany atỳ! Tena mahagaga sy mampieritreritra ilay izy. Very ny telefaoniko, dia hitan’izy ireo, ka naveriny tamiko!”

Variana mihitsy ny mpiambina iray nahita ny fahadiovan’ilay toerana. Gaga be izy fa tsy nisy fonona vatomamy teny amin’ny tany na dia iray aza, nefa be dia be ny ankizy nanatrika. Tany amin’ny toerana iray, dia nisy nampandre ny polisy fa nisy mpivavaka nanao fivoriambe, ka lasa izy ireo nankany. Nihaona tamin’ny tompon’ilay toerana izy ireo. Nentin’ilay olona tany amin’ny lavarangan’ny rihana faharoa amin’ny trano iray, ahatazanana an’ilay toerana, ny lehiben’ny polisy. Hoy izy: “Jereo fotsiny ry zareo e! Ianao ihany dia efa afaka mahita fa tena milamina ry zareo!” Gaga ny tompon’ilay toerana fa tsy mba nisotro na nifoka ny Vavolombelona. Tena madio be mihitsy ilay toerana rehefa niala ry zareo, ka hoatran’ny hoe tsy nisy olona teo. Nentin-dry zareo nanaraka azy mihitsy ny fakony. Hoy izy: “Toy ny paradisa ilay izy!”

Tena miray saina ny vahoakan’Andriamanitra

Rehefa vita ny fivoriambe iray, dia hoy ny lehiben’ilay tanàna teo akaiky teo: “Olon-tsotra ianareo nefa tena mahavita zavatra. Samy maka ho azy izahay, fa ianareo kosa mahavita mampiray saina ny olona.” Mbola gaga foana ny mponina any Kaliningrad hatrany Kamtchatka, satria tena miray saina ireo vahoakan’Andriamanitra mandritra ny fivoriambe. Manaja ny manam-pahefana sy ny mpiara-belona aminy foana izy ireo, na dia tsy maintsy miova haingana sy tampoka aza izay kasain’izy ireo hatao.

Mbola tsy hay hoe hanao ahoana ny toe-javatra misy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Faly sy miara-mivory foana anefa izy ireo. Mivavaka “ho an’ny mpanjaka ary ho an’izay rehetra mitana toerana ambony” izy ireo, ‘mba hananany fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sy ny fahamendrehana tanteraka.’—1 Timoty 2:2.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Vavolombelona iray niasa an-tsitrapo tamin’ny fivoriambe an-kalamanjana

[Teny notsongaina, pejy 29]

Manana ‘fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra tanteraka’, ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

[Sary, pejy 28]

Mpiasa an-tsitrapo miara-manadio alohan’ny fivoriambe, ary mikarakara ny sakafon’ireo solontena an’arivony

[Sary, pejy 29]

Tian’ny rehetra ilay fivoriambe, ary nankasitrahan’izy ireo ny asa mafy nataon’ireo mpiasa an-tsitrapo