Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Aiza i Jesosy?

Avy Aiza i Jesosy?

“Niditra indray tao an-dapa [i Pilato] ary nilaza tamin’i Jesosy hoe: ‘Avy aiza ianao?’ Tsy namaly anefa i Jesosy.”—JAONA 19:9.

I PONTIO PILATO, governora romanina, no nametraka an’io fanontaniana io tamin’i Jesosy tamin’izy notsaraina. * Fantatr’i Pilato hoe taiza ho aiza tany Israely no niavian’i Jesosy. (Lioka 23:6, 7) Fantany koa fa tsy olon-tsotra izy. Nieritreritra àry ve izy raha efa nisy i Jesosy taloha? Tena te hanaiky sy hankatò ny fahamarinana ve io mpitondra mpanompo sampy io? Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy namaly i Jesosy. Niharihary, taorian’izay, fa tsy tena te hanao ny marina sy ny rariny i Pilato, fa nanahy momba ny asany.—Matio 27:11-26.

Soa ihany fa manazava tsara ny niavian’i Jesosy ny Baiboly, ka afaka mahalala an’izany izay te hahafantatra. Anisan’izany ireto:

Ny toerana nahaterahany

Tany Betlehema any Jodia, tao amin’ny toerana tsotsotra, i Jesosy no teraka. Asehon’ny kajikajy fa teraka tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra izy, roa taona talohan’ny nanombohan’ny fanisan-taona ankehitriny. Nandidy ny mponina hisoratra anarana i Aogosto Kaisara. Efa “bevohoka be” an’i Jesosy i Maria, nefa voatery nankany Betlehema, tanàna niavian’i Josefa, izy mivady. Be olona loatra tany ka tsy nisy tranom-bahiny intsony. Voatery nankao amin’ny tranom-biby àry izy ireo, ka tao i Jesosy no teraka ary nampatorina teo amin’ny fihinanam-bilona.—Lioka 2:1-7.

Efa taonjato maro talohan’izay ny Baiboly no nilaza ny toerana ahaterahan’i Jesosy. Izao no voalaza ao: “Ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.” * (Mika 5:2) Toa kely loatra i Betlehema ka tsy tokony ho anisan’ny tanànan’i Joda. Hahazo voninahitra anefa izy io, satria avy ao no hiavian’ilay Mesia nampanantenaina, na Kristy.—Matio 2:3-6; Jaona 7:40-42.

Ny toerana nahalehibe azy

Nijanona kely tany Ejipta ny fianakavian’i Jesosy, ary avy eo nifindra tany Nazareta, faritanin’i Galilia, 100 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Jerosalema. Mbola tsy ampy telo taona i Jesosy tamin’izay. Tao amin’io faritra mahafinaritra, nisy mpamboly sy mpiandry ondry ary mpanjono, io izy no nihalehibe. Maro mpiray tam-po i Jesosy, ary azo antoka fa tsotsotra ny fiainan’izy ireo.—Matio 13:55, 56.

Taonjato maro mialoha ny Baiboly no nilaza fa ho “Nazareanina” ny Mesia. Nilaza i Matio, mpanoratra ny Filazantsara, fa nipetraka tao “Nazareta” ny fianakavian’i Jesosy, “mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: ‘Hantsoina hoe Nazareanina izy.’ ” (Matio 2:19-23) Toa misy ifandraisany amin’ilay teny hebreo nadika hoe “tsimoka” ilay hoe Nazareanina. Ny faminanian’i Isaia, izay niantso ny Mesia hoe “tsimoka” avy amin’i Jese, no noresahin’i Matio. Ho avy amin’ny taranak’i Jese, rain’i Davida Mpanjaka, àry ny Mesia. (Isaia 11:1) Taranak’i Davida, zanak’i Jese, tokoa i Jesosy.—Matio 1:6, 16; Lioka 3:23, 31, 32.

Ny toerana niaviany voalohany

Milaza ny Baiboly fa efa nisy ela be talohan’ny nahaterahany tany Betlehema i Jesosy. Hoy ihany ilay faminanian’i Mika: “Efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.” (Mika 5:2) I Jesosy no zanak’Andriamanitra lahimatoa, ka anjely tany an-danitra izy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Izy mihitsy no nilaza fa ‘nidina avy any an-danitra.’ (Jaona 6:38; 8:23) Ahoana no netezan’izany?

Nanao fahagagana tamin’ny alalan’ny fanahy masina i Jehovah Andriamanitra. * Nafindrany tao an-kibon’i Maria, virjiny jiosy, ny ain’ny Zanany tany an-danitra, mba ho lavorary izy io rehefa hateraka. Mora kely amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny manao toy izany. Hoy mihitsy ilay anjely tamin’i Maria: ‘Tsy hisy tsy ho tanteraka izay lazain’Andriamanitra.’—Lioka 1:30-35, 37.

Tsy ny toerana niavian’i Jesosy ihany no lazain’ny Baiboly. Miresaka ny zavatra nataony koa ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

^ feh. 3 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny nisamborana sy ny nitsarana an’i Jesosy, dia jereo ny hoe “Ilay Fitsarana Nalaza Ratsy Indrindra Hatramin’izay”, ao amin’ny pejy 18-22 amin’ity gazety ity.

^ feh. 6 Efrata no niantsoana an’i Betlehema taloha.—Genesisy 35:19.

^ feh. 10 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.