Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Nataon’i Jesosy?

Inona no Nataon’i Jesosy?

“Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.”—JAONA 4:34.

HITA amin’izany izay tena nifantohan’i Jesosy teo amin’ny fiainany. Avy nandeha eran’ny faritra be tendrombohitr’i Samaria izy sy ny mpianany, ny maraina tontolo. (Jaona 4:6, fanamarihana ambany pejy) Noheverin’ireo mpianatra fa efa noana izy, ka nomen’izy ireo sakafo. (Jaona 4:31-33) Nilaza anefa i Jesosy fa ny manao ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe kokoa taminy. Nanao izay tian’Andriamanitra izy, na tamin’ny teny na tamin’ny atao. Inona no tafiditra tamin’izany?

Nitory sy nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Hoy ny Baiboly momba ny anton’asan’i Jesosy: ‘Nandeha nanerana an’i Galilia manontolo izy, ka nampianatra sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.’ (Matio 4:23) Tsy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra fotsiny i Jesosy. Nampianatra koa izy, izany hoe nanoro sy nanazava ary nilaza hevitra marim-pototra mba handresen-dahatra. Ny Fanjakan’Andriamanitra no foto-kevitry ny fitoriany.

Nampianarin’i Jesosy ny mpihaino azy hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra ary inona no hataon’izy io. Mariho ireto hevitra ireto sy izay nolazain’i Jesosy momba izany, ao amin’ireto andininy ireto:

  • Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy no notendren’i Jehovah ho Mpanjakan’izy io.—MATIO 4:17; JAONA 18:36.

  • Hanamasina ny anaran’Andriamanitra ilay Fanjakana, ary hataony izay hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.—MATIO 6:9, 10.

  • Hovana ho paradisa ny tany manontolo, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.—LIOKA 23:42, 43.

  • Hitondra tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra ary hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny tany. *MATIO 24:3, 7-12.

Nanao fahagagana

“Mpampianatra” no tena namantarana an’i Jesosy. (Jaona 13:13) Nanao fahagagana maro koa anefa izy nandritra ireo telo taona sy tapany nanaovany ny fanompoany. Antony roa, fara fahakeliny, no nanaovany an’ireny. Voalohany, ireny no nanaporofo fa nirahin’Andriamanitra tokoa izy. (Matio 11:2-6) Faharoa, nasehony tamin’ireny ny zavatra hataony rehefa ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, ary hanao mihoatra lavitra noho ireny aza izy. Ireto ny sasany amin’ny fahagagana nataony:

Alao sary an-tsaina anie ny fiainana rehefa hitondra io Mpanjaka mahery io e!

Nampahafantatra ny toetran’i Jehovah Andriamanitra

Ny Zanak’Andriamanitra, izay lasa nantsoina hoe Jesosy Kristy, no tena mahay mampianatra momba azy. “Lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” izy, ka izy no niara-niaina ela indrindra tamin’i Jehovah tany an-danitra. (Kolosianina 1:15) Afaka nanahaka ny fomba fisainan’ny Rainy izy, sady nianatra ny sitrapony sy ny fitsipiny ary ny lalany.

Afaka nilaza àry i Jesosy hoe: “Tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana ny Ray.” (Lioka 10:22) Nazoto sy vonona hampiharihary ny momba ny Rainy i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Ny zavatra fantany tamin’izy niaraka tamin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ihany no nolazainy sy nampianariny.—Jaona 8:28.

Toy ny ataon’ny fitaovana mpanova herinaratra ny nataon’i Jesosy mba hampahafantarana ny momba ny Rainy. Afaka mandray herinaratra matanjaka be io fitaovana io, ary manova izany ho lasa malefaka kokoa mba ho azon’ny olona rehetra ampiasaina. Izany koa no nataon’i Jesosy. Nianatra momba ny Rainy izy. Nampitainy tamin’ny fomba tsotra tamin’ny olombelona avy eo izay nianarany, mba ho mora amin’izy ireo ny hahatakatra sy hampihatra izany.

Ireto misy fomba roa nampahafantaran’i Jesosy ny momba ny Rainy:

  • Nampahafantatra ny marina momba an’i Jehovah izy rehefa nampianatra, anisan’izany ny anarany, ny fikasany, ary ny lalany.—JAONA 3:16; 17:6, 26.

  • Naharihariny tamin’ny zavatra nataony ireo toetra tsaran’i Jehovah. Nanahaka tanteraka ny toetran-drainy izy, ka afaka nilaza mihitsy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” Toy ny nilaza izy hoe: ‘Raha te hahafantatra ny Raiko ianareo, dia izaho fotsiny jerena.’—JAONA 5:19; 14:9.

Tena mahagaga ny zavatra nataon’i Jesosy. Handray soa be dia be anefa isika raha mandinika ny antony nahafatesany, ary mampihatra izay ianarantsika.

^ feh. 9 Manazava bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba ahafantarana fa efa hanapaka tsy ho ela izy io ny toko 8 hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?”, sy ny toko 9 hoe “ ‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.