Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no heloka nataon’i Barabasy?

Miresaka momba an’i Barabasy daholo ireo Filazantsara efatra. Izy ilay lehilahy nafahan’i Pontio Pilato, governora romanina, ho solon’i Jesosy. Antsoina hoe ‘voafonja nalaza ratsy’ sady “jiolahy” i Barabasy. (Matio 27:16; Jaona 18:40) Nogadrain’ny Romanina tany Jerosalema izy sy ireo “mpikomy tamin’ny fanjakana, izay efa nahafaty olona tamin’ny fikomiana.”—Marka 15:7.

Tsy misy porofo hafa miresaka momba ny heloka nataon’i Barabasy. Niara-nigadra tamin’ireo mpikomy tamin’ny fanjakana anefa izy. Mety ho izay àry no nahatonga ny manam-pahaizana sasany hilaza fa anisan’ireo mpanongam-panjakana tany Israely izy, tamin’ny taonjato voalohany. Milaza i Flavius Josèphe, mpahay tantara, fa nisy andian-jiolahy nalaza ho mpitaky ny rariny ho an’ireo tantsaha jiosy, izay nampahorina tamin’izany. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy rariny ny nataon’ny Romanina sy ireo Jiosy ambony. Nihanaka be àry ilay fikomiana teo antenatenan’ny taonjato voalohany. Andian-jiolahy maro tatỳ aoriana no nahaforona ny tafika jiosy, izay nanery ny Romanina hiala tany Jodia, tamin’ny taona 66.

Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Mety ho anisan’ny iray tamin’ireo andian-jiolahy avy any ambanivohitra i Barabasy. Tian’ny vahoaka ireny jiolahy ireny, satria nandroba an’ireo nanan-karena tany Israely sady nampikorontana ny fanjakana romanina.”

Tamin’ny andron’ny Romanina, rehefa naninona ny olona no novonoina toy ny namonoana an’i Jesosy?

Nahanton’ny Romanina sy navelany ho faty teo amin’ny fitaovana fampijaliana ny mpanongam-panjakana sy ny jiolahy ary ny mpikomy hafa, mba hanasaziana azy ireo. Izany no noheverina fa fahafatesana nanala baraka indrindra.

Hoy ny boky Palestina Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Natao teny imasom-bahoaka ilay izy, sady nanala baraka sy naharary be. Natao hampitahorana an’izay mitady hanakorontana ny toe-draharaham-pirenena koa izy io.” Hoy ny mpanoratra romanina fahiny iray mahakasika ny fomba namonoana ny mpanao heloka bevava: “Ny lalana be olona indrindra no nofidina, amin’izay hitan’ny olon-drehetra, ka hatahotra izy ireo.”

Milaza i Josèphe fa novonoin’ny tafik’i Titus toy izany teo anoloan’ny mandan’ny tanàna ny babo iray, nandritra ny fahirano an’i Jerosalema tamin’ny taona 70, mba hampitahorana an’ireo mpanohitra. Nisy maro hafa koa natao toy izany rehefa resy ilay tanàna tamin’ny farany.

Tamin’ny faramparan’ny fikomiana notarihin’i Spartacus (73-71 Talohan’i Kristy) no tena betsaka ny olona novonoina toy izany. Andevo sy mpiady gladiatera 6 000 no novonoina teny amin’ny lalana avy any Capoue mankany Roma.

[Sary, pejy 10]

“Avoahy i Barabasy”, Nosoratan’i Charles Muller, 1878