Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mino Aho”

“Mino Aho”

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

“Mino Aho”

AZON’I Marta sary an-tsaina ny lava-bato nandevenana ny anadahiny. Navesatra loatra, toy ilay vato nanidiana azy io, ny alahelony ka tsy zakany. Tsy nino mihitsy izy hoe tsy teo intsony i Lazarosy. Efatra andro izay no nahafatesan’io anadahiny io. Nisaona sy nandray mpamangy izy nandritra izany, ka tena be atao.

Tonga koa i Jesosy, ilay lehilahy tena tian’i Lazarosy. Vao mainka nalahelo be i Marta rehefa nahita azy, satria izy ihany no mba afaka nanavotra ny anadahiny. Nampahery an’i Marta anefa ny niaraka tamin’i Jesosy tany ivelan’i Betania, tanàna kely be tendrombohitra. Fotoana fohy no niarahan’izy ireo, nefa velombelona indray izy satria tsara fanahy i Jesosy ary nahay niara-ory taminy. Nametrahan’i Jesosy fanontaniana izy mba hanampiana azy hifantoka tamin’ny finoany ny fitsanganan’ny maty. Hoy i Marta: “Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga eo amin’izao tontolo izao.” (Jaona 11:27) Izany no teny nanan-danja indrindra nolazain’i Marta.

Niavaka ny finoan’i Marta. Tsy miresaka firy momba azy ny Baiboly, kanefa andraisantsika lesona lehibe afaka manatanjaka ny finoantsika izany. Mba ahitana ny fahamarinan’izany dia andeha hojerentsika ny fitantarana voalohany momba an’i Marta ao amin’ny Baiboly.

“Maro ahina sy sahiran-tsaina”

Mbola velona sy salama tsara i Lazarosy, volana maromaro talohan’io. Tany Betania izy ireo no nipetraka ary handray vahiny manan-kaja indrindra, dia i Jesosy Kristy. Fianakaviana hafakely ry Lazarosy sy Marta ary Maria, satria izy telo mianadahy efa samy lehibe no niray trano. Milaza ny mpikaroka fa mety ho i Marta no zokiny indrindra, satria toa izy no mpandray vahiny sady tononina voalohany indraindray. (Jaona 11:5) Tsy fantatra raha efa nisy nanambady tamin’izy ireo. Na ahoana na ahoana, dia lasa mpinamana be tamin’i Jesosy izy ireo. Tao an-tranon’izy ireo no fivantanan’i Jesosy, tamin’izy nanompo tany Jodia izay niaretany fanoherana be sy fankahalana. Azo antoka fa tena tiany tany satria nilamina sy voakarakara izy.

Betsaka ny zavatra nataon’i Marta mba handraisana vahiny sy hahazoan’izy ireo aina tsara. Nazoto niasa izy, ka toa be atao foana. Toy izany no nitranga tamin’i Jesosy nitsidika azy ireo. Nieritreritra ny hanao sakafo manokana isan-karazany izy ho an’i Jesosy, ilay vahiny manan-kaja, sy ho an’ireo niara-nanao dia taminy angamba. Tena zava-dehibe ny fandraisam-bahiny tamin’izany. Noarahabaina tamin’ny oroka ny vahiny, nesorina ny kapany, nosasana ny tongony, ary nohosorana menaka manitra sy mamelombelona ny lohany. (Lioka 7:44-47) Nomena toerana hatoriana sy sakafo koa izy.

Maro be ny asa niandry an’i Marta sy Maria. Azo antoka fa nanampy ny rahavaviny i Maria, izay noheverina ho mora nihetsi-po sy tia nandini-javatra kokoa. Tsy nanao raharaha intsony anefa izy rehefa tonga i Jesosy. Nanararaotra nampianatra mantsy i Jesosy tamin’izay. Tsy toa an’ireo mpitondra fivavahana tamin’izany izy, fa nanaja ny vehivavy ary nampianatra azy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay foto-kevitry ny fanompoany. Nahafaly an’i Maria izany, ka nipetraka teo an-tongony izy ary nihaino izay rehetra nolazainy.

Eritrereto izay tsapan’i Marta. Be dia be ny sakafo sy ny raharaha mbola tsy maintsy nataony. Vao mainka àry izy nitebiteby ary tsy nifantoka mihitsy ny sainy. Nivoara-mena ve izy, sa nisento lalina, sa niketrona nahita ny rahavaviny nipetra-potsiny, nefa izy sahirana nivezivezy sy somokotra nanao raharaha? Tsy mahagaga raha izany no nitranga! Tsy ho vitany samirery mantsy ny raharaha rehetra.

Tsy tanan’i Marta intsony ny hatezerany, tamin’ny farany. Notapahiny ny tenin’i Jesosy, ka hoy izy: “Tompo ô, tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery toy izao? Koa mba asaivo manampy ahy izy.” (Lioka 10:40) Mahery izany teny izany! Maro no nandika azy io hoe: “Tompo ô, tsy raharahainao ve...?” Nasainy niteny an’i Maria i Jesosy avy eo mba hiverenany hanao raharaha.

Mety ho tsy nampoizin’i Marta ny valin-tenin’i Jesosy, ary toy izany koa ny mpamaky Baiboly maro. Tsara fanahy i Jesosy nilaza hoe: “Marta a! Marta a! Maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao. Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, eny, iray monja aza. Fa i Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.” (Lioka 10:41, 42) Te hilaza ve izy fa tia zavatra ara-nofo loatra i Marta? Tsy noraharahainy akory ve ny asa mafy nataony hikarakarana sakafo mafilotra?

Tsia. Hitan’i Jesosy fa fitiavana sy noho ny antony tsara no nanaovan’i Marta an’izany. Tsy nieritreritra koa izy hoe ratsy foana ny manao fanasana makotrokotroka. Nanatrika “fanasambe” tany amin’i Matio aza izy, taloha kelin’izay. (Lioka 5:29) Tsy ilay sakafo nataon’i Marta àry no olana, fa izay loha laharana taminy. Variana loatra nikarakara sakafo be izy ka nanadino ny tena zava-dehibe. Inona izany?

Nampianatra ny fahamarinana tao an-tranon’i Marta i Jesosy, ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah Andriamanitra. Tsy misy zava-dehibe noho izany, na dia ny sakafony sy ny fikarakarany aza. Azo antoka fa nalahelo i Jesosy, satria tsy mba nanararaotra izany i Marta mba hanatanjahana ny finoany. Navelan’i Jesosy hisafidy izy. Tsy nanan-jo hanery an’i Maria hanao toa azy anefa i Marta.

Nalemy fanahy àry i Jesosy nanitsy an’i Marta. Naverimberiny tsimoramora ny anarany mba hampitonena azy. Nomeny toky izy fa tsy tokony ‘hanahy sy ho sahiran-tsaina amin-javatra maro.’ Karazan-tsakafo tsotsotra iray na roa monja dia efa ampy, indrindra raha be dia be ny sakafo ara-panahy. Tsy i Jesosy mihitsy àry no hanala amin’i Maria ny zavatra “tsara kokoa” nofidiny, dia ny fianarana avy amin’i Jesosy.

Afaka mandray lesona maro avy amin’io zava-nitranga tao an-tranon’i Marta io ny mpanara-dia an’i Kristy ankehitriny. “Mila an’Andriamanitra” isika ka tsy tokony hisy zavatra havelantsika ho ambony kokoa noho izany. (Matio 5:3) Tiantsika ny halala-tanana sy hazoto hiasa toa an’i Marta. Tsy tiantsika anefa ny ho “maro ahina” sy ho “sahiran-tsaina” amin-javatra tsy dia manao ahoana rehefa mandray vahiny, ka hanadino ny tena zava-dehibe. Tsy ny handroso sakafo na hihinana hanim-pito loha no tena antony hiarahantsika amin’ny mpiara-manompo, fa ny hifampahery sy hampita fanomezana ara-panahy. (Romanina 1:11, 12) Na sakafo faran’izay tsotra aza dia efa ampy.

Maty ary natsangana ny anadahiny

Nanaiky ny torohevitr’i Jesosy ve i Marta ary naka lesona avy tamin’izany? Mazava ny valin’izany! Hoy ny apostoly Jaona, rehefa nanomboka niresaka momba ny anadahin’i Marta: “Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy i Jesosy.” (Jaona 11:5) Volana maromaro talohan’io i Jesosy no nitsidika azy ireo farany. Tsy tezitra sy tsy nitana lolompo tamin’i Jesosy i Marta noho ilay torohevitra feno fitiavana nomeny, fa nampihariny tsara kosa izany. Mbola fakan-tahaka koa izy tamin’io, noho izy naneho finoana. Iza amintsika moa no tsy mila fanitsiana kely indraindray?

Narary ny anadahin’i Marta, ka sahirana nikarakara azy izy. Nanao izay vitany izy mba hampitonena ny fanaintainany sy hahatsaratsara azy. Niharatsy anefa ny fahasalaman’i Lazarosy. Nikarakara azy andro aman’alina ireo anabaviny. Alao sary an-tsaina i Marta nijery matetika ny anadahiny efa lali-maso sy reraka be, sady nahatsiaro ireo taona maro niarahan’izy ireo nigoka ny mamy sy ny mangidy!

Lany haika i Marta sy Maria ka nandefa iraka ho any amin’i Jesosy. Mbola nitory izy tamin’izay, ary nila nandeha roa andro teo ho eo ilay iraka vao tonga tany aminy. Toy izao ilay hafatra: “Tompo ô, marary ilay tsy foinao.” (Jaona 11:1, 3) Fantatr’izy ireo fa tian’i Jesosy i Lazarosy, ka nino izy ireo fa hanao izay ho afany izy mba hanampiana azy. Tena nanantena ve izy ireo fa tsy ho tara loatra i Jesosy vao ho tonga? Raha izany, dia diso fanantenana izy ireo satria maty i Lazarosy.

Nisaona ny anadahiny i Marta sy Maria ary nanomana ny fandevenana. Nandray an’ireo mpamangy maro avy tao Betania sy ny manodidina koa izy ireo. Mbola tsy tonga ihany anefa i Jesosy. Azo antoka fa vao mainka nikorontan-tsaina i Marta, satria nandeha ihany ny fotoana. Henony fa nanakaiky ny tanàna i Jesosy, efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy. Efa navitribitrika hatramin’izay i Marta, ka na tao anatin’ny fahoriana aza, dia nihazakazaka nankany amin’i Jesosy ary tsy nilaza tamin’i Maria.—Jaona 11:20.

Vao nahita ny Tompo i Marta, dia nilaza izay nanahiran-tsaina azy sy Maria nandritra ny andro maro, hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Mbola nino sy nanantena ihany anefa i Marta. Hoy izy: “Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa homen’Andriamanitra anao izay rehetra angatahinao.” Mba hanamafisana ny fanantenany, dia hoy i Jesosy: “Hitsangana ny anadahinao.”—Jaona 11:21-23.

Noheverin’i Marta fa ilay fitsanganana amin’ny hoavy no nolazain’i Jesosy, ka hoy izy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24) Niavaka ny finoany an’io fampianarana io. Nisy mpitondra fivavahana jiosy, atao hoe Sadoseo, mantsy tsy nino hoe hitsangana ny maty, na dia mampianatra tsara an’izany aza ny Soratra Masina. (Daniela 12:13; Marka 12:18) Fantatr’i Marta anefa fa nampianatra an’izany i Jesosy. Efa nanangana ny maty mihitsy aza izy, saingy tsy maty ela be toa an’i Lazarosy ireo natsangany. Tsy fantatr’i Marta anefa izay mbola hitranga.

Nilaza zavatra tsy hay hadinoina mihitsy i Jesosy avy eo hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” Nomen’i Jehovah fahefana hanangana ny maty tokoa ny Zanany, amin’ny hoavy. Hoy i Jesosy tamin’i Marta: “Mino izany ve ianao?” Namaly i Marta fa nino izy hoe i Jesosy no Kristy, na Mesia, ilay Zanak’i Jehovah Andriamanitra, ilay efa nolazain’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao.—Jaona 5:28, 29; 11:25-27.

Sarobidy amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany ve ny olona manam-pinoana toy izany? Mamaly izany ny zava-nitranga hitan’i Marta. Nihazakazaka naka an’i Maria izy. Hitany avy eo fa tena nalahelo mafy i Jesosy rehefa niresaka tamin’i Maria sy ireo mpisaona maro teo. Hitany nirotsaka ny ranomason’i Jesosy, satria tena nampalahelo azy ny vokatry ny fahafatesana. Henony i Jesosy nandidy ny hanesorana an’ilay vato teo amin’ny fasan’ny anadahiny.—Jaona 11:28-39.

Nijery ny zava-misy i Marta ka nilaza fa tsy maintsy ho maimbo ilay faty, satria efa efatra andro. Nampahatsiahivin’i Jesosy izy hoe: “Tsy efa nilazako moa ianao fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” Nino izy ka tena nahita ny voninahitr’i Jehovah. Nomen’i Jehovah hery avy hatrany hananganana an’i Lazarosy ny Zanany. Alao sary an-tsaina ilay zava-niseho. Hoy i Jesosy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Nisy feo nanako moramora avy tao anaty lava-bato nandevenana azy, rehefa nitsangana izy ka nanatona tsimoramora an’ilay varavaram-pasana. Mbola nisy fehim-paty izy. Nasain’i Jesosy ‘novahana izy, ka navela handeha.’ Faly loatra i Marta sy Maria ka niantsampy teny an-tsandrin’ny anadahiny mba hamihina azy. (Jaona 11:40-44) Afaka tanteraka ilay nanavesatra an’i Marta. Azo antoka fa tadidiny mandra-pahafatiny izany rehetra izany.

Hita avy amin’izany fa tsy nofinofy fotsiny ny fananganana ny maty. Fampianarana mampahery avy ao amin’ny Baiboly izy io, ary voaporofo fa marina. Tia mamaly soa an’izay manam-pinoana i Jehovah sy ny Zanany, toy ny nataony tamin’i Marta sy Maria ary Lazarosy. Hahazo valisoa toy izany koa ianao raha maneho finoana matanjaka toa an’i Marta. *

“I Marta no nandroso sakafo”

Indray mandeha sisa no miresaka momba an’i Marta ny Baiboly. Teo am-piandohan’ny herinandro farany nahateto an-tany an’i Jesosy izany no nitranga. Fantatr’i Jesosy tsara ny zava-tsarotra mbola hihatra aminy, ka tany Betania indray izy no nivantana. Nila nandeha an-tongotra telo kilaometatra avy teo izy rehefa ho any Jerosalema. Nisakafo hariva tany an-tranon’i Simona boka izy sy Lazarosy, ary tamin’io no nahitana teny farany momba an’i Marta hoe: “I Marta no nandroso sakafo.”—Jaona 12:2.

Izany tokoa no nampiavaka an’io vehivavy io! Miasa no ahitana azy voalohany ao amin’ny Baiboly ary mbola miasa sy manao izay fara heriny hikarakarana ny hafa ihany koa no ahitana azy farany. Misy vehivavy maro toa an’i Marta eo anivon’ny mpanara-dia an’i Kristy ankehitriny. Sambatra ny fiangonana manana azy ireny. Be herim-po sy malala-tanana izy ireny, ary tsy mitsitsy aina mihitsy mba hanehoana ny finoany. Azo inoana fa nanao toy izany foana i Marta. Nety ny nataony, raha izany, satria mbola hiatrika olana hafa koa izy.

Nizaka ny fahafatesan’i Jesosy Tompony i Marta, nandritra ny andro maromaro. Mbola ireo mpihatsaravelatsihy namono an’i Jesosy ihany no nanapa-kevitra ny hamono an’i Lazarosy. Nampitombo ny finoan’ny maro mantsy ny nananganana azy tamin’ny maty. (Jaona 12:9-11) Mazava ho azy fa ny fahafatesana no nanapaka ny fifankatiavana nisy teo amin’i Marta sy ireo zandriny, tamin’ny farany. Tsy fantatsika hoe ahoana na oviana no nitrangan’izany, fa ny azo antoka dia hoe: Nanampy an’i Marta hiaritra hatramin’ny farany ny finoany. Tena tokony hanahaka ny finoany àry ny Kristianina ankehitriny!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 27 Manazava bebe kokoa momba ny fitsanganan’ny maty ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 11]

Tao anatin’ny fahoriana i Marta, nefa navelany hanampy azy hifantoka tamin’ny hevitra nanatanjaka ny finoany i Jesosy

[Sary, pejy 12]

Nanetry tena i Marta ka nanaiky nahitsy, na dia “maro ahina sy sahiran-tsaina” aza

[Sary, pejy 15]

Novalian-tsoa ny finoan’i Marta an’i Jesosy, satria nahita ny anadahiny natsangana tamin’ny maty izy