Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

Ny tany no fonenan’ny olombelona. Namorona olona hiaina eto an-tany Andriamanitra rehefa avy namorona anjely mba hiaina any an-danitra. (Joba 38:4, 7) Napetrany tao amin’ny paradisa iray tsara tarehy atao hoe Edena ny lehilahy voalohany, ary nataony ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany izy sy ny taranany.—Genesisy 2:15-17; vakio ny Salamo 115:16.

Ampahany kely tamin’ny tany fotsiny ny zaridainan’i Edena. Tokony hiteraka i Adama sy Eva, mpivady voalohany. Tokony ho nikarakara ny tany izy ireo rehefa lasa mihabetsaka, ary hanao azy io ho paradisa. (Genesisy 1:28) Tsy ho potika mihitsy ny tany.—Vakio ny Salamo 104:5.

2. Nahoana no tsy paradisa ny tany ankehitriny?

Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, ka noroahina avy tao Edena. Very ilay paradisa ary tsy nisy olombelona nahavita namerina azy io indray. Hoy ny Baiboly: “Natolotra eo am-pelatanan’ilay ratsy ny tany.”—Joba 9:24; vakio ny Genesisy 3:23, 24.

Tsy hadinon’i Jehovah anefa ny fikasany tany am-boalohany ho an’ny olombelona. Mahomby foana koa izay ataony. (Isaia 45:18) Hotanterahiny indray ny fikasany.—Vakio ny Salamo 37:11.

3. Ahoana no hamerenan’Andriamanitra ny fiadanana?

Tsy maintsy haringan’Andriamanitra aloha ny ratsy fanahy vao hiadana ny olombelona. Haringan’ny anjely ireo rehetra manohitra an’Andriamanitra, amin’ny ady Hara-magedona. Hogadraina 1 000 taona i Satana. Ho tafavoaka velona kosa ireo tia an’Andriamanitra, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao eto an-tany.—Vakio ny Apokalypsy 16:14, 16; 20:1-3; 21:3, 4.

4. Rahoviana no hifarana ny fijaliana?

Hitondra ny tany avy any an-danitra mandritra ny 1 000 taona i Jesosy, ary hanova azy io ho paradisa. Hanafoana ny fahotan’ireo tia an’Andriamanitra izy. Ho foana koa àry ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana.—Vakio ny Isaia 11:9; 25:8; 33:24; 35:1.

Rahoviana Andriamanitra no hanafoana ny faharatsiana? Nanome “famantarana” i Jesosy mba hahitana fa efa akaiky ny farany. Tandindomin-doza ny olombelona noho ny zava-misy ankehitriny. Hita amin’izany fa miaina ao anatin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” isika.—Vakio ny Matio 24:3, 7-14, 21, 22; 2 Timoty 3:1-5.

5. Iza no hiaina ao amin’ny Paradisa?

Nirahin’i Jesosy hanao mpianatra ny mpanara-dia azy, ka hampianatra ny olona ny lalan’Andriamanitra, izay miorina amin’ny fitiavana. (Matio 28:19, 20) Olona an-tapitrisany eran-tany no ampian’i Jehovah mba hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao eto an-tany. (Zefania 2:3) Ianaran’ny lehilahy sy ny vehivavy any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izay tokony hataon’izy ireo, mba ho lasa vady sy ray na reny tsara kokoa. Miara-mianatra koa ny ankizy sy ny ray aman-dreny hoe nahoana izy ireo no afaka mino fa ho tsara kokoa ny fiainana amin’ny hoavy.—Vakio ny Mika 4:1-4.

Hahita olona tia an’Andriamanitra sy maniry hampifaly azy ianao any amin’ny efitrano fivorian’izy ireo.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 3, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.