Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tanora Indray ny Antitra

Ho Tanora Indray ny Antitra

Manatòna An’Andriamanitra

Ho Tanora Indray ny Antitra

MIKETRONA ny hoditra rehefa antitra, tsy mahita tsara ny maso, lasa marenina, ary mangozohozo ny tongotra. Iza amintsika no tia an’izany? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Nahoana isika no noforonin’Andriamanitra mba hatanjaka sy hankafy ny fahatanorana, ary avy eo ho antitra?’ Soa ihany fa tsy izany no nokasainy ho antsika. Be fitiavana izy ka nikasa ny hanafaka antsika amin’ny fahanterana. Mariho izay nolazaina tamin’i Joba, ao amin’ny Joba 33:24, 25.

Diniho izay nitranga tamin’i Joba, lehilahy tsy nivadika sady tian’i Jehovah. Tsy fantatr’i Joba fa nilaza i Satana hoe fitiavan-tena fotsiny no mahatonga an’i Joba tsy hivadika sy hanompo an’Andriamanitra. Navelan’i Jehovah hitsapa an’i Joba àry i Satana, satria natoky an’i Joba izy sady fantany fa vitany ny manafoana ny fijaliana. Nasian’i Satana “vay mampanaintaina be i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.” (Joba 2:7) Feno olitra ny nofony, nisy takopery ny hodiny, ary lasa nivalomainty sy nihofakofaka. (Joba 7:5; 30:17, 30) Eritrereto ange ny fijaliany e! Tsy nivadika mihitsy anefa izy. Hoy izy: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.”—Joba 27:5.

Nanao fahadisoana lehibe anefa i Joba. Nieritreritra izy fa efa ho faty, ka ny hanamarin-tena no lasa nifantohany. Nilaza izy fa “ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.” (Joba 32:2) Nananatra an’i Joba i Eliho, mpitondra tenin’Andriamanitra. Nampita hafatra mampahery avy tamin’Andriamanitra koa anefa izy. Hoy izy: “Aoka [i Joba] tsy ho lasa any an-davaka [fasana]! Efa nahita vidim-panavotana aho! Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.” (Joba 33:24, 25). Azo antoka fa nahatonga an’i Joba hanana fanantenana ireo teny ireo. Tsy voatery hijaly mandra-pahafatiny izy. Raha mibebaka izy, dia vonona hanaiky ny vidim-panavotana omeny Andriamanitra, ary hanafaka azy amin’ny fahoriany. *

Nanetry tena i Joba ka nanaiky hahitsy ary nibebaka. (Joba 42:6) Mazava ho azy fa neken’Andriamanitra ilay vidim-panavotana, ka namela ny fahadisoany izy, nanasitrana azy ary namaly soa azy. “Nitahy ny niafaran’ny fiainan’i Joba mihoatra noho ny tamin’ny voalohany” i Jehovah. (Joba 42:12-17) Alao sary an-tsaina ny fanamaivanana tsapan’i Joba rehefa sitrana izy, ary lasa “tsara noho ny an’ny tanora” ny nofony! Nahazo fitahiana hafa koa izy.

Voafetra ihany anefa ny soa nentin’ilay vidim-panavotana, satria mbola tsy lavorary i Joba ary maty tatỳ aoriana. Mbola tsara kokoa anefa ny vidim-panavotana ananantsika. Be fitiavana i Jehovah, ka nanome an’i Jesosy Zanany ho antsika. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izay rehetra mino an’io vidim-panavotana io. Hafahan’Andriamanitra amin’ny fahanterana ny olona tsy mivadika ao amin’io tontolo vaovao ho avy io. Nahoana raha mianatra bebe kokoa hoe inona no tokony hataonao, mba ho eo ianao rehefa ho “tsara noho ny an’ny tanora” ny nofon’ny antitra?

Famakiana Baiboly Amin’ny Aprily:

Joba 16-37

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mety ho sorona biby ilay vidim-panavotana ho an’i Joba, izay neken’Andriamanitra mba hamelana ny fahadisoany.—Joba 1:5.