Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Nahatsiaro ho Manirery sy Natahotra ve Ianao?

Efa Nahatsiaro ho Manirery sy Natahotra ve Ianao?

Ampianaro ny Zanakao

Efa Nahatsiaro ho Manirery sy Natahotra ve Ianao?

MARO ankehitriny no mahatsiaro ho manirery, ka mahatsapa fa tsy misy olona tena miahy azy. Ny olon-dehibe matetika no mahatsapa toy izany. Mahatsiaro ho manirery sy matahotra koa anefa ny ankamaroan’ny ankizy ankehitriny, eny fa na dia ireo manompo an’Andriamanitra aza. Fantatrao ve hoe nahoana?... *

Mety ho maro ny anton’izany. Andeha isika handinika ny ohatry ny lehilahy iray niaina efa ho arivo taona talohan’i Jesosy. Elia no anarany. Tsy nanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, intsony ny firenen’Israely, tamin’izay. Nanompo an’i Bala, andriamani-diso, ny ankamaroan’izy ireo. Hoy i Elia: “Izaho irery sisa.” Araka ny hevitrao, i Elia irery tokoa ve sisa no nanompo an’i Jehovah?...

Tsy fantatr’i Elia fa mbola nisy olon-kafa nanompo an’ilay tena Andriamanitra tany Israely. Niafina anefa izy ireo, satria natahotra. Fantatrao ve hoe nahoana?...

Tsy nanompo an’i Jehovah i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, fa nanompo an’i Bala, ilay andriamani-diso notompoin’i Jezebela vadiny ratsy fanahy. Nitady an’ireo nanompo an’i Jehovah izy mivady, mba hamonoana azy ireo, indrindra fa i Elia. Izany no nahatonga an’i Elia handositra. Nandeha lalana 483 kilaometatra i Elia, namakivaky tany efitra hatrany Horeba, izay antsoina koa hoe Sinay ao amin’ny Baiboly. Tany no nanomezan’i Jehovah ny vahoakany ny Didy Folo sy ny Lalàna hafa, taonjato maro talohan’i Elia. Niafina irery tao anaty lava-bato tany Horeba i Elia. Tokony ho natahotra ve i Elia, araka ny hevitrao?...

Milaza ny Baiboly fa nampiasa an’i Elia mba hanao fahagagana lehibe i Jehovah, taloha kelin’izay. Nangataka tamin’i Jehovah i Elia, indray mandeha, mba handefa afo handevona ny fanatitra nataony. Novalian’i Jehovah ny vavaka nataony. Nasehon’i Jehovah tamin’izany hoe izy no tena Andriamanitra, fa tsy i Bala. Niresaka tamin’i Elia tao anaty lava-bato koa i Jehovah.

Hoy i Jehovah: “Inona no ataonao atỳ?” Tamin’izay i Elia no niteny hoe: ‘Izaho irery sisa no manompo anao.’ Tsara fanahy i Jehovah ka nanitsy an’i Elia hoe: ‘Mbola misy fito arivo manompo ahy.’ Nasainy nody i Elia, ary nilaza izy fa mbola misy asa maro hasainy hataony.

Araka ny hevitrao, inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Elia?... Mety hatahotra indraindray na dia ireo manompo an’i Jehovah aza. Tokony hotadidintsika rehetra àry fa mila mangataka ny fanampian’i Jehovah isika, na tanora na antitra. Hoy ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”

Ianarantsika amin’izany koa fa manana rahalahy sy anabavy tia an’i Jehovah sy tia antsika isika eran-tany. Hoy ny Baiboly: ‘Ampitondraina fijaliana toy izany koa ny rahalahintsika rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.’ Tsy faly ve ianao mahafantatra fa tsy irery mihitsy isika?...

Vakio ny

1 Mpanjaka 19:3-18

Deoteronomia 5:1-22

Salamo 145:18

1 Petera 5:9

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.