Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

INONA no nahatonga ny lehilahy iray tsy tia nifandray tamin’olona, ary anisan’ny andian-jatovo mpikomy, ho lasa tia sy hanampy ny hafa? Nahoana ny lehilahy iray any Meksika no tsy ratsy fitondran-tena intsony? Nahoana ny mpihazakazaka am-bisikileta iray any Japon no tsy nanao fifaninanana intsony mba hanompoana an’Andriamanitra? Araho ny tantaran’izy ireo.

“Tsy nahalala fomba sy niavonavona ary tia ady aho.”—DENNIS O’BEIRNE

TERAKA: 1958

FIRENENA: ANGLETERA

FIAINANY TALOHA: MPIKOMY TSY TIA NIFANDRAY TAMIN’OLONA

NY FIAINAKO TALOHA: Irlandey i Dada ary notezaina teo anivon’ny fianakaviana katolika aho. Izaho irery anefa matetika no niangona, ary tsy tiako ny nandeha tany. Na izany aza, dia te hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra aho. Nanao ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo foana aho, ary nieritreritra ny dikan’izy io rehefa teo am-pandriana tamin’ny alina. Fanaoko ny nanapatapaka azy io sy niezaka namantatra ny dikan’ireo tapany tsirairay.

Lasa anisan’ny fikambanana rasta aho, tamin’izaho mbola zatovo. Liana tamin’ny politika koa aho, anisan’izany ny hevitry ny Antoko Mpanohitra ny Nazia. Niaraka tamin’ny andian-jatovo mpikomy aho. Nifoka zava-mahadomelina saika isan’andro aho, indrindra fa ny rongony. Tsy nivaky loha mihitsy aho, ka niboboka toaka, nanandrankandran-doza, ary zara raha niraharaha ny hafa. Tsy tia nifandray tamin’olona mihitsy aho, ka tsy niresaka tamin’iza na iza raha tsy hitako hoe nisy dikany izany. Tsy nety nalaina sary mihitsy aza aho. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia hitako fa tsy nahalala fomba sy niavonavona ary tia ady aho. Tamin’izay olona akaiky ahy ihany aho no tsara fanahy.

Lasa nahaliana ahy ny Baiboly tamin’izaho 20 taona teo ho eo. Nisy namako mpivarotra zava-mahadomelina, namaky Baiboly tamin’izy tany am-ponja. Nifampidinika ela be momba ny fivavahana sy ny Eglizy ary ny anjara asan’i Satana izahay. Nividy Baiboly aho ary nianatra samirery azy io. Niara-namaky sy nidinika ampahany tao amin’ny Baiboly izaho sy ilay namako, ary nanatsoaka hevitra avy eo. Amam-bolana izahay no nanao izany.

Izao no hevitra sasany hitanay: Miaina amin’ny andro farany isika, tokony hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Kristianina, tsy tokony ho anisan’ity tontolo ity na hanao politika izy ireo, ary misy tari-dalana tsara momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Takatray tsara fa marina ny Baiboly ary misy ny fivavahana marina. Ny an’iza anefa? Nieritreritra ny zavatra ataon’ireo fivavahana lehibe izahay: Ny fetiny be renty sy ny fanaovany politika. Tsapanay fa tsy mba toy izany mihitsy i Jesosy. Fantatray fa tsy izy ireo no ampiasain’Andriamanitra. Nanapa-kevitra àry izahay hoe handeha hijery an’ireo fivavahana madinika.

Nihaona tamin’ny mpivavaka tao amin’izy ireny izahay ary nametraka fanontaniana maro. Efa hainay ny valiny omen’ny Baiboly, ka tonga dia hitanay raha nifanaraka tamin’izany ny valin-tenin’izy ireo na tsia. Isaky ny avy niresaka tamin’izy ireny izahay, dia nivavaka foana aho hoe: ‘Enga anie aho ka haniry hihaona amin’ireny olona ireny indray, raha marina ny fivavahany.’ Mbola tsy nahita olona nahavaly ny fanontanianay mihitsy anefa aho, volana maro tatỳ aoriana, sady tsy te hihaona tamin’izy ireny intsony.

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izaho sy ilay namako tamin’ny farany. Voavalin’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly ireo fanontanianay. Nifanaraka tsara tamin’izay efa nianaranay izany. Nanontanianay azy ireo koa àry izay mbola tsy fantatray, ohatra hoe ny hevitr’Andriamanitra momba ny sigara sy ny zava-mahadomelina. Mbola voavalin’izy ireo koa izany. Nanaiky ho any amin’ny efitrano fivorian’izy ireo àry izahay.

Mafy be tamiko izany. Tena tsy tia nifandray tamin’olona aho, ka tsy tiako ny nohatonin’ireo olona sariaka sy niakanjo tsara ireo. Noheveriko ho ratsy ny antony nanatonan’izy ireo ahy, ka tsy nety nivory intsony aho. Nivavaka toy ny fanaoko anefa aho mba hahatonga ahy haniry hihaona amin’izy ireo indray, raha ny fivavahan’izy ireo no marina. Naniry hianatra Baiboly tamin’izy ireo tokoa aho!

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Fantatro fa tsy tokony hampiasa zava-mahadomelina intsony aho, ary mora tamiko ny niala. Ny sigara no tena sarotra nialana. Imbetsaka aho no nanandrana tsy hifoka intsony fa tsy vitako. Reko anefa hoe nisy olona nanary fotsiny ny sigarany, dia tsy nifoka intsony. Noresahiko tamin’i Jehovah ilay olana. Afaka tamin’ny sigara àry aho, noho ny fanampiany. Takatro fa tena zava-dehibe ny mivavaka amin’i Jehovah avy amin’ny fo.

Novako tanteraka koa ny fitafiko sy ny taovoloko. Mbola nitsangantsangana sy nisy faritra manga manopy maitso ny voloko, tamin’izaho vao nivory. Nolokoiko volondaoranjy ilay izy tatỳ aoriana. Nanao pataloa jinina sy akanjo ambony hoditra misy teny faneva koa aho. Tsy tsapako hoe nila niova aho, na dia efa nandresy lahatra ahy tamin-katsaram-panahy aza ireo Vavolombelona. Nosaintsainiko anefa tamin’ny farany ny 1 Jaona 2:15-17 hoe: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” Hitako tamin’ny paoziko fa tia an’ity tontolo ity aho, ka nila niova raha te hampiseho fa tia an’Andriamanitra. Izany no nataoko.

Takatro tatỳ aoriana fa tsy ny Vavolombelona ihany no naniry ny handehanako mivory. Hitako tao amin’ny Hebreo 10:24, 25 fa izany no takin’Andriamanitra. Nanatrika ny fivoriana rehetra aho ary lasa nifankahalala tsara tamin’ny olona. Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho tatỳ aoriana, ka natao batisa.

NY SOA NORAISIKO: Tena nanohina ny foko ny hoe avelan’i Jehovah hifandray akaiky aminy isika. Ny fangorahany sy ny fiahiany no nandrisika ahy hanahaka azy sy Jesosy Kristy Zanany. (1 Petera 2:21) Nianarako hoe mbola afaka manana ny maha izy ahy foana aho, na dia miezaka ny hanana toetra kristianina aza. Miezaka maneho fitiavana sy fiahiana aho, ary manahaka an’i Kristy rehefa mifandray amin’ny vadiko sy ny zanako lahy. Tena miahy an’ireo mpiara-manompo amiko koa aho. Lasa mahatsiaro tena ho mendrika aho rehefa nanara-dia an’i Kristy, ary lasa tia ny hafa.

‘Nanaja Ahy Izy Ireo.’ —GUADALUPE VILLARREAL

TERAKA: 1964

FIRENENA: MEKSIKA

FIAINANY TALOHA: RATSY FITONDRAN-TENA

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tao Hermosillo, tanàna tena mahantra eto Meksika, izahay fito mianadahy. Mbola ankizilahikely aho dia efa maty i Dada. Voatery niasa àry i Neny mba hamelomana anay. Tsy nanam-bola hividianana kiraro izahay ka matetika aho no tsy nikiraro. Mbola kely aho dia efa niasa, mba hanampiana ny fianakaviako. Trano kely no nisy anay, toy ny an’ny fianakaviana maro.

Matetika i Neny no tsy teo, ka tsy afaka niaro anay ankizy. Nametaveta ahy ny ankizilahy iray 15 taona tamin’izaho 6 taona. Nanao izany imbetsaka izy. Lasa tsy fantatro intsony ny marina momba ny firaisana. Nihevitra koa aho hoe ara-dalàna raha tia lehilahy. Nitady torohevitra tany amin’ny dokotera sy mpitondra fivavahana aho, ka nanome toky ahy izy ireo fa ara-dalàna ny fihetseham-poko.

Tamin’izaho 14 taona, dia tapa-kevitra aho fa hanao fitafiam-behivavy sy hanao toy ny vehivavy. Nanao izany nandritra ny 11 taona aho, ary nisolosolo lehilahy iarahana mihitsy aza. Nianatra nanao volo aho tatỳ aoriana, ary nanokatra trano fanaovam-bolo. Tsy sambatra anefa aho. Matetika aho no nijaly sy nahatsiaro ho voafitaka. Tsapako fa tsy nety ny nataoko. Nieritreritra àry aho hoe: ‘Mba misy olona tsara sy mendrika ihany ve?’

Nahatsiaro ny anabaviko aho. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary natao batisa. Niresaka an’izay nianarany izy, fa tsy noraharahaiko. Tena tiako anefa ny fomba fiainany sy ny fiainan-tokantranony, satria nifankatia be sy nifanaja izy mivady ary nifaneho hatsaram-panahy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona aho tatỳ aoriana. Tsy tena nazoto aho tamin’ny voalohany fa nianatra fotsiny. Niova anefa izany.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nanasa ahy hivory ireo Vavolombelona, ary nandeha aho. Vaovao tamiko ny zava-nitranga tany. Tsy naneso ahy toy ny fanaon’ny olona izy ireo, fa tsara fanahy rehefa niarahaba ahy, ary nanaja ahy. Nanohina ny foko izany.

Vao mainka nihatsara ny fiheverako ny Vavolombelona rehefa nanatrika fivoriambe aho. Hitako fa na be dia be aza izy ireo no miaraka, dia manao ny marina sy tso-po, toa an’ilay anabaviko. Nieritreritra àry aho hoe ireto angamba ilay antokon’olona tsara sy mendrika notadiaviko hatry ny ela. Gaga aho nahita azy ireo nifankatia sy niray saina ary nampiasa Baiboly mba hamaliana fanontaniana. Tsapako fa tena nanan-kery teo amin’ny fiainan’izy ireo ny Baiboly. Tsapako koa fa tsy maintsy niova aho, raha te ho anisan’izy ireo.

Hoatran’ny vehivavy ny fomba fiainako, ka tsy maintsy novako daholo ny fomba fiteniko, ny fihetsiko, ny fomba fitafiko, ny taovoloko, ary ny namako. Naneso ahy ny namako hoe: “Fa maninona ianao no manao an’izao e? Nety tsara taminao ilay teo. Aza mianatra Baiboly izany! Efa anananao ny zava-drehetra!” Ny fitondran-tena ratsiko anefa no sarotra novana indrindra.

Fantatro fa ho vitako ny hanao fiovana lehibe, satria nanohina ny foko ny 1 Korintianina 6:9-11 hoe: ‘Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo.’ Nanampy ny olona hiova i Jehovah taloha, ary nanampy ahy koa izy. Niady mafy nandritra ny taona maro aho vao nahavita niova. Nanampy be ahy anefa ny torohevitra sy ny fitiavan’ireo Vavolombelona.

NY SOA NORAISIKO: Ara-dalàna izao ny fiainako fa tsy toy ny taloha. Manambady aho ary miara-mampianatra ny zanakay hankatò ny toro lalan’ny Baiboly izahay. Mifandray tsara amin’Andriamanitra aho, ary manana andraikitra maro eo anivon’ny fiangonana. Anti-panahy aho ary afaka nanampy ny hafa hianatra ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Faly be i Neny noho ny fiovana nataoko, ka nanaiky hianatra Baiboly koa. Kristianina vita batisa izy izao. Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa ny zandriko vavy iray, izay naloto fitondran-tena taloha.

Miaiky mihitsy ny sasany amin’ireo nahalala ahy taloha hoe tena niova aho. Fantatro hoe inona nampiova ahy. Nitady fanampiana tamin’ny dokotera aho taloha, nefa torohevitra ratsy no mba azoko. Tena nanampy ahy anefa i Jehovah. Na dia tsy mendrika aza aho dia voamariny, ka tsara fanahy sy nanam-paharetana tamiko izy. Tena nanampy ahy ny nahafantatra hoe voamarik’ilay Andriamanitra tena lehibe sy be fitiavana ary mahay aho, ary tiany hanana fiainana tsara kokoa.

‘Tsy Afa-po sy Nahatsiaro ho Manirery ary Tsy Sambatra Aho.’ —KAZUHIRO KUNIMOCHI

TERAKA: 1951

FIRENENA: JAPON

FIAINANY TALOHA: MPIFANINANA TAMIN’NY HAZAKAZAKA AM-BISIKILETA

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tao Shizuoka, tanàna mangingina misy seranan-tsambo atỳ Japon, aho. Valo izahay ary trano kely no nipetrahanay. Mpivarotra bisikileta i Dada. Mbola kely aho, dia efa nentiny nanao fifaninanana hazakazaka am-bisikileta, ary lasa liana tamin’ny fanatanjahan-tena. Nieritreritra àry i Dada hoe hatao izay hahalasa ahy ho matihanina. Mbola tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aho, dia efa nampiofaniny. Intelo nisesy aho no nahazo voalohany tamin’ny fifaninanana fanao isan-taona, tamin’izaho tany amin’ny lise. Nahazo fiantsoana ho any amin’ny oniversite aho, nefa naleoko nankany amin’ny sekoly ho an’ny mpanao fifaninanana. Lasa mpihazakazaka am-bisikileta matihanina aho tamin’izaho 19 taona.

Ny ho mpihazakazaka am-bisikileta mahay indrindra no tanjoko, nanomboka teo. Nitetika ny hahazo vola be aho, mba hananan’ny fianakaviako fiainana azo antoka. Niezaka mafy aho nanao fanazaran-tena. Rehefa nisy olana tamin’ny fanazaran-tena na ny fifaninanana, dia nosaintsainiko foana hoe nateraka ho mpihazakazaka am-bisikileta aho ka tsy hilavo lefona mihitsy. Nisy vokany ny ezaka mafy nataoko. Voalohany tamin’ireo mpihazakazaka vaovao aho, ny taona voalohany nanaovako fifaninanana. Nisy fifaninanana ahitana izay ho voalohany teto Japon, ny taona faharoa, ary voafidy handray anjara aho. Inenina aho no faharoa.

Anisan’ny nahazo ny loka tsara indrindra foana aho, ka nantsoin’ny olona hoe tongotra matanjak’i Tokai, faritra eto Japon. Tena tia nifaninana aho ary tsy namindra fo mihitsy, ka natahoran’ny olona. Nitombo ny volako ka afaka nividy izay tiako aho. Nividy trano nisy efitra sy fitaovana tsara indrindra fanaovana fanatanjahan-tena aho. Nividy fiara avy any ivelany, efa hitovy vidy amin’ny trano, koa aho. Nampiasaiko ny volako ka nividy tany sy trano aho ary nametra-bola tany amin’ny tsenam-bola, mba hitsinjovana ny hoavy.

Tsy afa-po sy nahatsiaro ho manirery ary tsy sambatra anefa aho. Efa nanambady aman-janaka aho tamin’izay. Matetika aho no mora sosotra tamin’izy ireo. Zavatra tsy nisy dikany dia efa nahatezitra ahy. Natahotra izy ireo ka nofantariny tamin’ny endriko raha sorisorena aho.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny vadiko, tatỳ aoriana. Nanova zavatra be izany. Nilaza izy fa te hivory hiaraka amin’izy ireo, ka nanapa-kevitra aho hoe aleo mandeha daholo ny fianakaviana. Tonga tany aminay ny anti-panahy iray, indray alina, ary nampianatra Baiboly ahy. Nisy vokany be tamiko ny zavatra nianarako.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tsy hohadinoiko mihitsy hoe nisy vokany tamiko ny Efesianina 5:5 hoe: “Samy tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto na ny olona manana faniriana tsy mety afa-po, izany hoe mpanompo sampy.” Takatro fa nifandray tamin’ny filokana ny hazakazaka am-bisikileta, ary nahatonga ny olona tsy hety ho afa-po. Nenjehin’ny eritreritro aho. Fantatro fa tsy maintsy hajanoko ny fifaninanana raha te hampifaly an’i Jehovah aho. Sarotra be tamiko anefa izany.

Vao tapitra tamin’izay ny taona nahombiazako indrindra, nefa mbola tsy afa-po aho. Tsapako anefa fa lasa tony sy tia fihavanana aho rehefa nianatra Baiboly. Nifanohitra be tamin’izany ny toe-tsaina nilaiko mba handresena. Intelo aho sisa no nanao fifaninanana rehefa nianatra Baiboly. Tsapako anefa fa mbola tiako foana ny fifaninanana. Tsy haiko koa hoe ahoana no hamelomako ny ankohonako. Tsy hitako izay natao. Nanenjika ahy ny havako, noho izaho niova fivavahana. Tena diso fanantenana tamiko i Dada. Kivy aho ary lasa niady saina be, ka narary vavony.

Nahavita niatrika an’izany aho satria nianatra Baiboly sy nivory foana. Nihanatanjaka ny finoako. Niangavy an’i Jehovah aho mba hamaly ny vavaka nataoko sy hanampy ahy hahita hoe mamaly vavaka izy. Tsy dia niady saina intsony aho rehefa nilaza ny vadiko fa tsy voatery mipetraka amin’ny trano be izy vao ho sambatra. Nandroso tsikelikely aho.

NY SOA NORAISIKO: Tsapako fa tena marina ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33 hoe: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” Nanana izay “rehetra” tena nilainay foana izahay. Latsaka 30 heny amin’ny vola azoko taloha ny karamako izao. Nanana ny ampy foana anefa izahay mianakavy, tato anatin’ny 20 taona.

Ny tsara indrindra dia hoe faly sy afa-po aho, rehefa manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny Kristianina namako. Mbola tsy nahatsiaro an’izany mihitsy aho taloha. Mandeha haingana koa ny fotoana, ary nihatsara be mihitsy ny fiainam-pianakavianay. Lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika daholo ny zanako telo lahy sy ny vadin’izy ireo.