Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toerana Fampijalijaliana Misy Afo Mirehitra ve ny Gehena?

Toerana Fampijalijaliana Misy Afo Mirehitra ve ny Gehena?

Manontany ny Mpamaky

Toerana Fampijalijaliana Misy Afo Mirehitra ve ny Gehena?

▪ Araka ny Filazantsara, dia nampitandreman’i Jesosy ireo mpianany mba tsy ho lasa any amin’ny Gehena. Hita amin’izany fa tiany horaisina ho zava-dehibe izany. Afobe mirehitra fampijalijaliana mandrakizay ve anefa no tiany horesahina?—Matio 5:22.

Ny teny grika hoe geenna, dia mitovy amin’ilay teny hebreo hoe geh Hinnôm, izay midika hoe “lohasahan’i Hinoma”, na hoe geh veneh-Hinnôm, izay midika hoe “lohasahan’ny taranak’i Hinoma.” (Josoa 15:8; 2 Mpanjaka 23:10) Lalina be sady tery izy io, ary any atsimoandrefan’i Jerosalema no misy azy. Lohasahan’i er-Rababi no amantarana azy io ankehitriny.

Nanomboka tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy, tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Joda, dia nampiasaina tamin’ny fanompoan-tsampy io lohasaha io. Tao, ohatra, no nandoroana ankizy mba hatao sorona. (2 Tantara 28:1-3; 33:1-6) Nilaza i Jeremia mpaminany fa ao amin’io lohasaha io ihany no hamonoan’ny Babylonianina ny taranak’i Joda. Izany no didim-pitsaran’Andriamanitra, noho izy ireo nanao ratsy. *Jeremia 7:30-33; 19:6, 7.

Nilaza i David Kimhi, manam-pahaizana jiosy (taona 1160-1235 tany ho any), fa lasa natao fanariam-pakon’ny mponin’i Jerosalema ilay lohasaha, tatỳ aoriana. Fandoroana fako izy io ary tsy maty mihitsy ny afo tao. Levona tanteraka sy lasa lavenona ny zavatra rehetra nariana tao.

Mpandika Baiboly maro no sahy nanova an’ilay hoe geenna ho “helo.” (Matio 5:22, Fandikan-teny Protestanta) Nahoana? Nisy mpanompo sampy nampianatra fa halefa any amin’ny afobe mirehitra ny ratsy fanahy, rehefa maty. Nampifandraisin’ireo mpandika Baiboly tamin’ilay afo tany amin’ilay lohasaha ivelan’ny Jerosalema àry izany. Tsy fampijaliana mihitsy anefa no tao an-tsain’i Jesosy tamin’izy niteny hoe Gehena.

Fantatr’i Jesosy fa maharikoriko an’i Jehovah Rainy any an-danitra na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe handoro olona velona. Hoy mantsy Andriamanitra, momba ny Gehena tamin’ny andron’i Jeremia: “Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo, nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko akory aza izany.” (Jeremia 7:31) Ahoana kosa ny amin’ny fampijaliana ny maty? Mifanohitra amin’ny toetran’Andriamanitra hoe fitiavana izany sady mifanipaka amin’ny fampianaran’ny Baiboly hoe “tsy mahalala na inona na inona” ny maty.—Mpitoriteny 9:5, 10.

Fandringanana tanteraka vokatry ny didim-pitsaran’Andriamanitra no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “Gehena.” Mitovy hevitra amin’ilay hoe “farihy afo” voaresaka ao amin’ny Apokalypsy àry ny hoe “Gehena.” Samy midika hoe fandringanana mandrakizay, izay tsy ahazoana fitsanganana intsony, izy ireo.—Lioka 12:4, 5; Apokalypsy 20:14, 15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy), momba an’io faminaniana io: “Be loatra ny mponin’i Jerosalema ho faty rehefa haringana izy io. Hatsipy ao amin’ilay lohasaha àry ny fatin’izy ireo, ka ho lo na ho may.”