Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ho Zava-dehibe Aminao ny Fanompoana An’i Jehovah

Aoka ho Zava-dehibe Aminao ny Fanompoana An’i Jehovah

Aoka ho Zava-dehibe Aminao ny Fanompoana An’i Jehovah

“Na inona na inona zava-dehibe, ... dia izany foana heverina.”—FIL. 4:8.

1, 2. Nahoana ny olona maro no mikatsaka fahafinaretana foana, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

TENA sarotra ny fiainana ankehitriny ary mahonena ny toe-javatra iainan’ny olombelona. Tsy ho vitantsika ny hiatrika an’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, raha tsy mifandray akaiky amin’i Jehovah isika. (2 Tim. 3:1-5) Miantehitra amin’ny herin-tsainy fotsiny ny olona tsy mifandray amin’i Jehovah, ka matetika no tsy mahavita mamaha olana. Tsy te hivaky loha amin’ny fiainana ny olona maro, ka mitady fialam-boly foana mba hanadinoany ny zava-manahirana azy.

2 Matetika ny olona no mikatsaka fahafinaretana, mba hiatrehana adin-tsaina. Mety hanao toy izany koa ny Kristianina, raha tsy mitandrina. Inona no azontsika atao mba hanalavirana izany? Tsy tokony hanao izay mahafinaritra antsika mihitsy ve isika? Ahoana no hahaizantsika mandanjalanja, eo amin’ny andraikitsika sy ny zavatra mahafinaritra antsika? Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika tsy hanao tsirambina ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana, nefa koa tsy ho hentitra loatra?

Hevero izay zava-dehibe kokoa

3, 4. Inona no lazain’ny Baiboly ka mampiseho fa tokony hifantoka amin’ireo zava-dehibe eo amin’ny fiainana isika?

3 “Tia fahafinaretana” loatra ny olona eto amin’ity tontolo ity. (2 Tim. 3:4) Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny toe-tsaina toy izany. (Ohab. 21:17) Tena mahasoa antsika àry ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Vakio ny Filipianina 1:10.) Tsy ho voataonan’ity tontolo ity hikatsaka fahafinaretana foana isika, raha mampihatra izany.

4 Nanoratra koa i Solomona hoe tsara kokoa ny mifantoka amin’ireo zava-dehibe eo amin’ny fiainana toy izay mikatsaka fahafinaretana foana. (Mpito. 3:4; 7:2-4) Fohy ny androm-piainantsika, ka mila ‘miezaka mafy dia mafy’ isika, mba ho voavonjy. (Lioka 13:24) Tokony hihevitra foana an’izay “zava-dehibe” isika, izany hoe tsy hanao an-tsirambina ny lafiny rehetra maha Kristianina antsika.—Fil. 4:8, 9.

5. Inona no tokony hoheverintsika ho zava-dehibe?

5 Heverin’ny Kristianina ho zava-dehibe, ohatra, ny miasa mafy. Miasa mafy mantsy i Jehovah sy Jesosy. (Jaona 5:17) Ireo loham-pianakaviana indrindra no tokony hiasa mafy mba hamelomany ny ankohonany. Toy ny hoe ‘mandà ny finoana’ na mivadika amin’i Jehovah izy, raha tsy manao izany. (1 Tim. 5:8) Derain’ny olona ny Kristianina matetika satria miasa mafy sy azo itokisana.

Zava-dehibe ny fanompoana sady mahafaly

6. Nahoana no tsy tokony hohamaivanintsika ny fanarahana ny fivavahana marina?

6 Zava-dehibe amin’i Jehovah ny hanarahantsika ny fivavahana marina. Hita izany teo amin’ny Israelita. Nijinja vokany mangidy izy ireo, rehefa nivadika tamin’Andriamanitra. (Jos. 23:12, 13) Mbola hita koa izany tamin’ny taonjato voalohany. Tian’i Jehovah harovana tamin’ny fampianaran-diso sy ny toe-tsaina ratsy ny fivavahana marina, ka nasainy niady mafy ny Kristianina. (2 Jaona 7-11; Apok. 2:14-16) Mbola mihevitra ny fanompoana an’Andriamanitra ho zava-dehibe koa ny tena Kristianina ankehitriny.—1 Tim. 6:20.

7. Inona no nataon’i Paoly mba hiomanana tamin’ny fanompoana?

7 Mahafaly ny fanompoana eny amin’ny saha, kanefa tsy mandeha ho azy izany fifaliana izany. Inona àry no tokony hatao mba ho faly foana? Tokony hihevitra ny fanompoana ho zava-dehibe isika, sady tokony hanao fanomanana. Nieritreritra momba an’ireo olona nampianariny, ohatra, i Paoly, matoa nilaza hoe: “Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Fa ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.” (1 Kor. 9:22, 23) Nahafinaritra an’i Paoly ny nanampy olona teo amin’ny lafiny ara-panahy, ka noeritreretiny mialoha hoe inona no nilain’ny olona ary ahoana no azony anampiana azy ireo. Nahavita nampahery sy nandrisika ny olona hanompo an’i Jehovah izy, noho izany.

8. a) Tokony ho vonona hanao inona ho an’ireo olona ampianarintsika Baiboly isika? b) Nahoana no mahafaly ny mampianatra Baiboly?

8 Inona no porofo fa zava-dehibe tamin’i Paoly ny fanompoana? Vonona ny ‘hanompo’ an’i Jehovah sy ‘hanompo’ an’ireo olona nihaino ny fahamarinana izy. (Rom. 12:11; 1 Kor. 9:19) Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa isika ankehitriny, na any an-tranon’olona izany, na any am-pivoriana, na mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tsapanao ve fa andraikitra lehibe izany? Mieritreritra angamba ianao hoe manahirana be ny mampianatra Baiboly tsy tapaka. Marina fa mila mampandefitra ny zavatra sasany tiantsika isika, mba hahafahana manampy ny hafa. Nilaza anefa i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Tena mahasambatra ny mampianatra ny fomba hahazoana famonjena, ary tsy misy zavatra hafa mahasambatra tahaka izany.

9, 10. a) Inona no mampiseho fa azo atao tsara ny miala voly sy mifaly miaraka amin’ny hafa? b) Inona no tokony hataon’ny anti-panahy, raha tiany ny hampahery ny hafa sy ho mora hatonina?

9 Na dia zava-dehibe amintsika aza ny fanompoana, dia tsy midika izany hoe tsy azo atao ny miala voly sy mifaly miaraka amin’ny hafa. I Jesosy, ilay modelintsika, aza nanokana fotoana hialana voly sy hiarahana tamin’ny hafa, fa tsy hoe nampianatra foana. (Lioka 5:27-29; Jaona 12:1, 2) Tsy ilaina koa ny miseho ho hentitra be. Azo antoka fa tsy ho sahy nanatona an’i Jesosy ny olona, raha toa izy ka nasiaka na tsy sariaka. Na ny ankizy aza nahazo aina erỳ niaraka taminy. (Mar. 10:13-16) Inona no azontsika atao mba hahaizantsika mandanjalanja toa an’i Jesosy?

10 Hoy ny rahalahy iray, momba ny anti-panahy iray: “Sarotiny amin’ny tenany izy, fa tsy mba mitaky fahalavorariana amin’ny hafa.” Toy izany koa ve ianao? Ara-dalàna raha manantena zavatra amin’ny hafa isika, nefa tsy tokony hitaky be loatra aminy. Faly, ohatra, ny ankizy rehefa araka ny antonony ny tanjona asain’ny ray aman-dreniny tratrariny, sady ampian’izy ireo izy mba hanatratra izany. Toy izany koa no tokony hataon’ny anti-panahy rehefa mampirisika olona handroso. Tokony ho araka ny antonony ny tanjona asainy tratrarina, sady hanome soso-kevitra hanatratrarana izany izy. Hampahery ny hafa sy ho mora hatonina koa ny anti-panahy raha mahay mandanjalanja. (Rom. 12:3) Hoy ny anabavy iray: “Tsy tiako ny anti-panahy raha ataony vazivazy ny zava-drehetra. Sarotra hatonina koa anefa izy, raha hentitra be foana.” Hoy koa ny anabavy hafa: “Misy anti-panahy sasany tena mampahatahotra, satria hentitra be foana.” Tokony hotadidin’ny anti-panahy anefa fa “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ary tokony hahafaly ny manompo azy. Tsy tokony hanao izay hampihena ny fifalian’ny hafa izy ireo.—1 Tim. 1:11.

Mandraisa andraikitra eo anivon’ny fiangonana

11. Inona no ezaka tokony hataon’ireo rahalahy te hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana?

11 Nampirisika ny rahalahy i Paoly mba hiezaka hahafeno fepetra ka hahazo andraikitra bebe kokoa. Tsy tokony ho fanirian-daza anefa no anton’izany. Hoy mantsy i Paoly: “Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.” (1 Tim. 3:1, 4) Tokony haniry hiasa na hanompo an’ireo mpiray finoana àry ny lehilahy kristianina te hahazo andraikitra, ka hiezaka mafy hanana ny toetra ilaina amin’izany. Rahoviana no azo atolotra ho mpanampy amin’ny fanompoana ny rahalahy iray? Tokony ho efa vita batisa herintaona izy, fara fahakeliny, ary mahafeno (araka ny antonony) an’ireo fepetra takin’ny Soratra Masina ao amin’ny 1 Timoty 3:8-13. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny andininy faha-8 hoe: ‘Tokony ho mato-tsaina ny mpanampy amin’ny fanompoana.’

12, 13. Inona avy no ezaka azon’ny rahalahy tanora atao, mba hahazoana andraikitra?

12 Rahalahy vita batisa eo anelanelan’ny 16 sy 20 taona ve ianao, ary mihevitra ny fanompoana ho zava-dehibe? Ireto misy zavatra vitsivitsy azonao iezahana, raha te hahazo andraikitra ianao. Miezaha hiara-manompo amin’ny mpitory samy hafa taona. Azonao hatsaraina koa ny fanompoanao eny amin’ny saha. Miezaha, ohatra, hitarika fampianarana Baiboly. Ampiharo ny soso-kevitra omena any am-pivoriana momba ny fampianarana. Inona no ho vokatr’izany? Hahay hampianatra kokoa ianao, sady hahay hangoraka an’ireo olona ampianarinao. Hanam-paharetana sy ho tsara fanahy koa ianao, rehefa manampy azy ireny hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

13 Azonao atao koa ny manolo-tena hanampy an’ireo zokiolona eo anivon’ny fiangonana. Mandraisa anjara amin’ny fanadiovana sy fikarakarana ny Efitrano Fanjakana. Ho hita fa zava-dehibe aminao ny fanompoana, raha vonon-kanampy foana ianao. Manahafa an’i Timoty, ka aoka ianao hianatra hikarakara izay ilain’ny fiangonana.—Vakio ny Filipianina 2:19-22.

14. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba ‘hizahana toetra’ an’ireo rahalahy tanora?

14 Ry anti-panahy, misy rahalahy tanora miezaka ‘handositra ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora’ ve eo anivon’ny fiangonanareo? Moa ve izy miezaka hikatsaka ny “fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana”, ary ny toetra tsara hafa? (2 Tim. 2:22) Omeo asa eo anivon’ny fiangonana izy ireny. Fomba ‘hizahan-toetra’ azy izany, ‘mba hahitana raha mendrika’ hiantsoroka andraikitra fanampiny izy. ‘Hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoany’ amin’izay.—1 Tim. 3:10; 4:15.

Hajao ny mpiray finoana sy ny mpianakavinao

15. Ahoana no tokony hitondrantsika ny hafa, araka ny 1 Timoty 5:1, 2?

15 Anisan’ny zava-dehibe koa ny fanajana an’ireo rahalahy sy anabavy. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba hanao izany. Niresaka mahakasika ny fomba hanehoana fanajana i Paoly, rehefa nanoro hevitra an’i Timoty. (Vakio ny 1 Timoty 5:1, 2.) Tena zava-dehibe ny fifanajana, indrindra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mendri-kotahafina i Joba, satria tena nanaja vehivavy izy, ary ny vadiny no nohajainy voalohany. Niezaka mafy izy mba tsy hitsiriritra vehivavy hafa. (Joba 31:1) Tsy mety amin’ny Kristianina àry ny miseho ho raiki-pitia amin’ny rahalahy na anabavy iray, nefa tsy mikasa hanambady azy. Tsy mety koa ny manao izay hahasadaikatra an’ireo rahalahy sy anabavy mifanerasera amintsika. Ny olon-droa mikasa hivady indrindra no tena tokony hifanaja. Raha tsorina, dia tsy tokony hilalao ny fihetseham-pon’ny hafa mihitsy ny Kristianina.—Ohab. 12:22.

16. Ahoana no fiheveran’ity tontolo ity ny anjara asan’ny loham-pianakaviana? Inona anefa no lazain’ny Baiboly?

16 Tokony hoheverintsika ho zava-dehibe koa ny andraikitra nomen’Andriamanitra antsika eo anivon’ny fianakaviana. Heverin’ny tontolon’i Satana ho tsy misy dikany firy mantsy ny anjara asan’ny loham-pianakaviana. Atao ho fihomehezana ny loham-pianakaviana ao amin’ny filma sasany, ka toy ny hoe tsy mendrika ny hohajaina izy ireny. Asehon’ny Baiboly anefa fa mavesa-danja ny andraikitry ny lehilahy, satria “lohan’ny vadiny” izy.—Efes. 5:23; 1 Kor. 11:3.

17. Inona no azon’ny ray sy ny reny atao mba hampisehoany fa zava-dehibe aminy ny andraikiny?

17 Manaja ny fianakavianao koa ianao, raha manatontosa tsara ny andraikitrao. Na dia mamelona ny ankohonany aza ny raim-pianakaviana iray, dia tsy azo lazaina hoe malina sy hendry izy, raha tsy manome tari-dalana ara-panahy azy ireo. (Deot. 6:6, 7) Raha maniry hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana àry ny loham-pianakaviana iray, dia tsy maintsy miezaka izy mba ho lehilahy “mahay mitondra ny ankohonany”, ary ‘hanana zanaka manaiky azy amim-panajana.’ (1 Tim. 3:4) Tokony handini-tena ny loham-pianakaviana hoe: ‘Manokana fotoana tsy tapaka hanaovana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ve aho?’ Misy raim-pianakaviana tsy mandray andraikitra eo amin’ny lafiny ara-panahy, raha tsy ny vadiny mihitsy no mampirisika azy. Tokony hoheverin’ny raim-pianakaviana ho zava-dehibe anefa izany andraikitra izany. Mazava ho azy moa fa tokony hanampy ny vadiny ny renim-pianakaviana, mba hisy foana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana sady hahafa-po.

18. Inona no hanampy ny ankizy hanatanteraka tsara ny fanompoany any aoriana any?

18 Mila ampirisihina koa ny ankizy mba hanao zavatra hanampy azy eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Mpito. 12:1) Mila ampianarina hiasa mafy, ohatra, izy ireny. Azo ampanaovina raharaha ao an-trano izy, izany hoe raharaha mifanaraka amin’ny taonany sy ny fahaizany. (Fitom. 3:27) Mbola ankizy i Davida Mpanjaka, dia efa nianatra ny ho lasa mpiandry ondry mahay. Nianatra nitendry zavamaneno sy namoron-kira koa izy. Nanjary tena nahay izy, ka lasa mpanompon’ny mpanjakan’ny Israely. (1 Sam. 16:11, 12, 18-21) Azo antoka fa nilalao i Davida tamin’ny mbola kely, nefa nianatra zavatra sasany tena nilaina koa izy. Nampiasainy izany tatỳ aoriana mba hiderana an’i Jehovah. Nahatonga azy ho mpanjaka manam-paharetana koa ny fahaizany niandry ondry. Rankizy, inona avy izao no zavatra mahasoa ianaranao, ka hanampy anao hanompo ny Mpamorona sy hiantsoroka andraikitra any aoriana any?

Mahaiza mandanjalanja foana

19, 20. Ahoana no ampisehoanao fa mahay mandanjalanja ianao?

19 Afaka miezaka ny hahay handanjalanja isika rehetra ka tsy ho hentitra loatra. Tsy tiantsika ny ho lasa “marina loatra.” (Mpito. 7:16) Ho tony kokoa isika raha mba manao vazivazy kely rehefa misy zavatra manahirana, na ao an-trano izany, na any am-piasana, na rehefa mifanerasera amin’ireo rahalahy sy anabavy. Tokony hitandrina koa ny mpianakavy mba tsy hifanakiana lava, satria hanimba ny fiadanana tokony hanjaka ao an-tokantrano izany. Mila miezaka ny rehetra eo anivon’ny fiangonana mba hampisy tsikitsiky sy fihomehezana rehefa miaraka amin’ny hafa sady hankafy ny fiarahana. Tokony hampahery foana koa ny fampianarana any am-pivoriana sy ny resadresaka ataontsika any.—2 Kor. 13:10; Efes. 4:29.

20 Tsy miraharaha an’i Jehovah sy ny lalàny ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy toy izany anefa ny mpanompon’i Jehovah. Tena zava-dehibe amintsika ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny tsy fivadihana aminy. Mahafaly tokoa ny hoe anisan’ireo olona maro be manompo an’i Jehovah! Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hanao an-tsirambina ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana, anisan’izany ny fanompoana an’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tsy tokony hikatsaka fahafinaretana foana toa an’ireo olona eto amin’ity tontolo ity?

• Ahoana no hahatonga antsika ho faly amin’ny fanompoana an’i Jehovah, nefa koa tsy hanamaivana azy io?

• Inona no azon’ny rahalahy atao, raha mihevitra ny fanompoana ho zava-dehibe izy?

• Nahoana isika no tokony hanaja ny mpiray finoana amintsika sy ny mpianakavintsika? Ahoana no ampisehoantsika an’izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Tsy maintsy mamelona ny ankohonany sy manome izay ilainy ara-panahy ny loham-pianakaviana