Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao

Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao

Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao

‘Ny malina mandinika ny diany.’—OHAB. 14:15.

1, 2. a) Inona no tena tokony ho tanjontsika rehefa mandray fanapahan-kevitra? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

MANDRAY fanapahan-kevitra maro isika isan’andro. Tsy misy vokany firy ny sasany, fa misy vokany lehibe kosa ny hafa. Na lehibe na kely anefa ny fanapahan-kevitra raisintsika, dia ny hanome voninahitra an’Andriamanitra no tena tanjontsika.—Vakio 1 Korintianina 10:31.

2 Mora aminao ve ny mandray fanapahan-kevitra, sa sarotra aminao? Raha te ho lasa Kristianina matotra ianao, dia tsy maintsy mianatra manavaka ny tsara sy ny ratsy, ary mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny hevitrao fa tsy ny hevitry ny hafa. (Rom. 12:1, 2; Heb. 5:14) Nahoana koa isika no tokony hianatra handray fanapahan-kevitra tsara? Nahoana indraindray no tena sarotra ny mandray fanapahan-kevitra toy izany? Ary inona avy no tokony hatao mba handraisana fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra?

Nahoana no ilaina ny manapa-kevitra?

3. Inona no tsy tokony havelantsika hanan-kery eo amintsika, rehefa hanapa-kevitra isika?

3 Inona no mety hitranga raha misalasala ny handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly isika? Mety hihevitra ireo mpiara-mianatra na mpiara-miasa amintsika hoe tsy tena resy lahatra amin’ny zavatra inoantsika isika, ka mora taomina hiova hevitra. Mety hotaominy ‘hanaraka ny maro’, ohatra, isika, izany hoe ampirisihany handainga, na hanao hosoka, na hangalatra toa azy, na hanafina ny ratsy ataony. (Eks. 23:2) Ahoana anefa no hataon’ny olona mahay mandray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra? Tsy hanaiky ho resin’ny tahotra olona na ny faniriana hahazo sitraka amin’ny hafa izy, fa hanaraka foana ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly.—Rom. 13:5.

4. Nahoana ny olona sasany no te handray fanapahan-kevitra ho antsika?

4 Tsy voatery hoe te hanisy ratsy antsika ny olona te hanapa-kevitra ho antsika. Miahy antsika ny namana sasany ka mety hanery antsika hanaraka ny heviny. Azo inoana koa fa mbola mihevitra izay hahasoa antsika ny fianakaviantsika, ka mety hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe tokony horaisintsika, na dia efa tsy mipetraka ao an-trano intsony aza isika. Diniho, ohatra, ny momba ny fitsaboana. Mandrara ny fampidiran-dra ny Baiboly. (Asa. 15:28, 29) Misy karazana fitsaboana sasany anefa tsy resahin’ny Baiboly mivantana hoe azo atao na tsy azo atao, ka ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra. * Marina fa mety hanizingizina ny heviny ny fianakaviantsika amin’ny toe-javatra toy izany. Raha Kristianina efa nanokan-tena sy vita batisa anefa ianao, dia ianao no tsy maintsy mandray ny fanapahan-kevitra, satria ‘entanao’ na andraikitrao izany. (Gal. 6:4, 5) Ny hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra no tena zava-dehibe amintsika, fa tsy ny hahazo sitraka amin’olona.—1 Tim. 1:5.

5. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho vaky sambo amin’ny finoana?

5 Mampidi-doza anefa ny misalasala manapa-kevitra. Nilaza i Jakoba mpianatr’i Jesosy fa “miovaova amin’izay rehetra ataony” ny olona misalasala. (Jak. 1:8) Toy ny olona ao anaty sambo tsy misy familiana, eo ambonin’ny ranomasina misamboaravoara, izy, ka manaraka am-bokony ny hevitr’olombelona, izay miovaova. Ho mora vaky sambo amin’ny finoana ny olona toy izany, ka ny hafa indray avy eo no homeny tsiny. (1 Tim. 1:19) Ahoana no hanalavirantsika izany? Tsy maintsy miezaka isika mba “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” (Vakio ny Kolosianina 2:6, 7.) Mila mianatra mandray fanapahan-kevitra mampiseho ny finoantsika ny Tenin’Andriamanitra isika, mba tsy ho voahozongozona. (2 Tim. 3:14-17) Inona anefa no mety hanakana antsika tsy handray fanapahan-kevitra tsara?

Nahoana no sarotra ny manapa-kevitra?

6. Inona no mety ho fiantraikan’ny tahotra eo amintsika?

6 Mety hahatonga antsika tsy handray fanapahan-kevitra ny tahotra. Mety hatahotra mantsy isika sao handray fanapahan-kevitra tsy mety, na hoheverin’ny olona hoe tsy misaina. Ara-dalàna ny fanahiana toy izany. Tsy misy olona te handray fanapahan-kevitra hiteraka olana na fahafaham-baraka. Tsy hatahotra loatra anefa isika, raha tia an’Andriamanitra sy ny Teniny. Nahoana? Raha tia an’Andriamanitra isika, dia hanao fikarohana ao amin’ny Teniny sy ao amin’ny boky sy gazetintsika foana, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe. Tsy hanao fahadisoana firy isika amin’izay. Manampy ‘ny tanora fanahy ho malina’ mantsy ny Baiboly, sady manampy ny zatovo “hanam-pahalalana sy fahaiza-misaina.”—Ohab. 1:4.

7. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Davida Mpanjaka?

7 Tsy maintsy hoe mety foana ve ny fanapahan-kevitra raisintsika? Tsia. Manao fahadisoana ny rehetra. (Rom. 3:23) Lehilahy hendry sy tsy nivadika, ohatra, i Davida Mpanjaka. Nandray fanapahan-kevitra tsy nety anefa izy indraindray, ka nitondra fijaliana ho azy sy ny hafa izany. (2 Sam. 12:9-12) Na izany aza, dia tsy navelan’i Davida hisakana azy tsy handray fanapahan-kevitra ankasitrahan’Andriamanitra izany. (1 Mpanj. 15:4, 5) Inona àry no hanampy antsika tsy hisalasala hanapa-kevitra, na dia nanao fahadisoana aza isika, toa an’i Davida? Tokony hotadidintsika fa mamela heloka i Jehovah. Hampiany foana izay tia azy sy mankatò azy.—Sal. 51:1-4, 7-10.

8. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Paoly momba ny fanambadiana?

8 Inona no hanampy antsika mba tsy hatahotra loatra rehefa hanapa-kevitra? Tokony hotadidintsika fa maro ny fanapahan-kevitra tsara azo isafidianana indraindray. Diniho, ohatra, izay nolazain’i Paoly momba ny fanambadiana. Hoy izy: “Raha misy ... mihevitra fa tsy hainy ny mitondra tena amin’ny maha virjiny azy, ary raha efa dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana izy, ka tokony hanambady, dia aoka izy hanao izay tiany. Tsy manota izy. Aoka izy ireo hanambady. Raha misy kosa tapa-kevitra ao am-pony, ka tsy misy zavatra manery azy, fa mahafehy ny sitrapony izy ary tapa-kevitra ao am-pony ny hitoetra ho virjiny, dia tsara ny ataony.” (1 Kor. 7:36-38) Nilaza i Paoly fa ny mijanona ho mpitovo no tsara indrindra. Misy safidy tsara hafa koa anefa nolazainy.

9. Nahoana no tokony hasiantsika fiheverana ihany izay hoeritreretin’ny hafa, rehefa hanapa-kevitra isika?

9 Tokony hieritreritra momba izay any an-tsain’ny hafa ve isika rehefa hanapa-kevitra? Tokony hasiana fiheverana ihany izany. Mariho izay nolazain’i Paoly momba ny fihinanana sakafo, izay angamba toa efa natao sorona ho an’ny sampy. Nohazavainy fa na dia mety tsy ho diso aza ny olona manapa-kevitra hihinana an’izany, dia mety hanafintohina an’ireo olona manana feon’ny fieritreretana malemy. Ahoana àry no nataon’i Paoly? Hoy izy: “Raha ny sakafo no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena intsony mihitsy aho sao ho tafintohina ny rahalahiko.” (1 Kor. 8:4-13) Mila eritreretintsika koa àry ny ho vokatry ny fanapahan-kevitsika eo amin’ny hafa. Na izany aza, dia ny ho vokatr’ilay izy eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no tokony hoeritreretintsika voalohany. (Vakio ny Romanina 14:1-4.) Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra?

Dingana enina hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara

10, 11. a) Inona no hanampy antsika tsy hanambony tena ao an-tokantrano? b) Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy rehefa mandray fanapahan-kevitra misy vokany eo amin’ny fiangonana?

10 Aza manambony tena. Tokony hanontany tena toy izao isika alohan’ny hanaovana zavatra iray: ‘Anjarako ve ny mandray an’ity fanapahan-kevitra ity?’ Hoy i Solomona Mpanjaka: “Ho afa-baraka izay manambony tena, fa izay manetry tena kosa no hendry.”—Ohab. 11:2.

11 Marina fa mety hamela ny zanany handray fanapahan-kevitra sasany ny ray aman-dreny. Tokony hotadidin’ny ankizy anefa fa ny ray aman-dreniny no manana fahefana aminy. (Kol. 3:20) Manana fahefana sasany eo anivon’ny ankohonana koa ny renim-pianakaviana. Na izany aza, dia tokony hiaiky izy ireo fa ny lehilahy no lohany. (Ohab. 1:8; 31:10-18; Efes. 5:23) Tokony hiaiky koa ny raim-pianakaviana hoe voafetra ny fahefany, ary tokony hanaiky an’i Kristy izy. (1 Kor. 11:3) Ary ny anti-panahy? Mandray fanapahan-kevitra misy vokany eo amin’ny fiangonana izy ireo. Hitandrina anefa izy ireo mba tsy ‘hihoatra noho izay voasoratra’ ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (1 Kor. 4:6) Manaraka akaiky ny toromarika avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana koa izy ireo. (Mat. 24:45-47) Inona no ho vokany raha manetry tena isika, ka tsy mandray fanapahan-kevitra raha tsy rehefa manana fahefana hanao izany? Hisoroka adin-tsaina sy alahelo ho an’ny tenantsika sy ny hafa isika.

12. a) Nahoana isika no mila manao fikarohana? b) Ahoana no hatao rehefa manao fikarohana?

12 Manaova fikarohana. Hoy i Solomona: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohab. 21:5) Misy olona te hanao raharaham-barotra miaraka aminao ve, ohatra? Aza entanim-pihetseham-po fotsiny. Fantaro ny zava-drehetra tokony ho fantatra. Mangataha torohevitra amin’ny olona manana traikefa momba an’ilay izy. Jereo hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy. (Ohab. 20:18) Manaova lisitra roa: Soraty eo amin’ny lisitra iray ny lafy tsaran’ilay zavatra kasainao hatao, ary eo amin’ny lisitra iray ny lafy ratsiny. ‘Manaova kajy ny amin’izay ho lany.’ (Lioka 14:28) Diniho ny olana ara-bola mety haterak’ilay izy sy ny ho vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Mitaky fotoana sy ezaka ny fanaovana fikarohana. Raha manao izany anefa ianao, dia tsy ho maimaika hanapa-kevitra, ka hisoroka olana sy adin-tsaina.

13. a) Inona no fanomezan-toky ao amin’ny Jakoba 1:5? b) Inona no ho vokany raha mivavaka mba hahazo fahendrena isika?

13 Mivavaha mba hahazo fahendrena. Tsy hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fanapahan-kevitsika, raha tsy mangataka ny fanampiany isika. Hoy i Jakoba: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” (Jak. 1:5) Tsy mahamenatra ny miaiky fa mila ny fahendren’Andriamanitra isika. (Ohab. 3:5, 6) Mamarina an-kady ny fianteherana amin’ny fahaizantsika fotsiny. Inona no ho vokany raha mivavaka mba hahazo fahendrena isika sady manao fikarohana mba hahitana ireo toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Hiasa amintsika ny fanahy masina, ka ho hitantsika ny tena antony mahatonga antsika haniry hanao zavatra iray.—Heb. 4:12; vakio ny Jakoba 1:22-25.

14. Nahoana isika no tsy tokony hangataka andro?

14 Mandraisa fanapahan-kevitra. Aza manao izany anefa raha tsy efa avy nanao fikarohana sy nivavaka mba hahazo fahendrena. Maka fotoana ‘handinihana ny diany’ ny olona hendry. (Ohab. 14:15) Aza mangataka andro anefa. Mety hahita fialan-tsiny tsy mitombina mba tsy handraisana fanapahan-kevitra ny olona mpangataka andro lava. (Ohab. 22:13) Efa manapa-kevitra ihany anefa izy amin’izany, manapa-kevitra hoe ny hafa no hitondra ny fiainany.

15, 16. Inona no ilaina rehefa manatanteraka fanapahan-kevitra?

15 Tanteraho ilay fanapahan-kevitra. Ho very maina fotsiny ny ezaka nataontsika mba handraisana fanapahan-kevitra tsara, raha tsy miezaka mafy isika manatanteraka ilay izy. Hoy i Solomona: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.” (Mpito. 9:10) Tokony ho vonona isika hanao izay rehetra azo atao mba hahatanteraka an’ilay izy. Aoka hatao hoe nanapa-kevitra ny ho mpisava lalana ny mpitory iray. Inona no tokony hataony raha tiany ny hahomby? Tokony hitandrina izy mba tsy ho variana loatra amin’ny asa fivelomana sy ny fialam-boly, ka tsy hanana fotoana sy hery hanaovana fanompoana.

16 Matetika no tsy mora ny manatanteraka fanapahan-kevitra tsara. Nahoana? Satria ‘eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao.’ (1 Jaona 5:19) Tsy maintsy miezaka isika mitolona amin’ny “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao”, sy amin’ny “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Efes. 6:12) Nilaza ny apostoly Paoly sy Joda mpianatra fa tsy maintsy miady mafy ireo olona tapa-kevitra ny hanome voninahitra an’Andriamanitra.—1 Tim. 6:12; Joda 3.

17. Inona no takin’i Jehovah amintsika, amin’ny fanapahan-kevitra sasany raisintsika?

17 Diniho indray ilay fanapahan-kevitra ary manaova fanovana raha ilaina. Tsy araka ny noeritreretina ny vokatry ny fanapahan-kevitra indraindray. “Mety ho azon-tsampona” mantsy isika rehetra. (Mpito. 9:11) Takin’i Jehovah anefa ny hiainantsika mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitsika sasany, na dia misy aza ny sakantsakana. Anisan’izany ny fanokanan-tena ho an’i Jehovah sy ny voadim-panambadiana. (Vakio ny Salamo 15:1, 2, 4.) Tsy mavesa-danja toy izany anefa ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra. Mandinika tsindraindray an’ireny fanapahan-kevitra ireny ny olona hendry, sao mila hahitsy izy ireny na foanana. Tsy avelany hanakana azy tsy hanao izany ny hambom-po na ny kiry. (Ohab. 16:18) Tena zava-dehibe aminy mantsy hoe manome voninahitra an’Andriamanitra ny fomba fiainany.

Ampiofano handray fanapahan-kevitra tsara ny hafa

18. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampiofanana ny zanany handray fanapahan-kevitra tsara?

18 Afaka mampianatra ny zanany handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Ny fanomezana modely no mandaitra indrindra. (Lioka 6:40) Azon’ny ray aman-dreny hazavaina amin’ny zanany hoe ahoana no nataon’izy ireo talohan’ny nandraisany fanapahan-kevitra iray. Azony atao koa ny mamela ny zanany handray fanapahan-kevitra sasany, ary avy eo midera azy raha mahomby izy. Ahoana anefa raha nandray fanapahan-kevitra tsy nety ilay ankizy, ka misy vokany ratsy? Matetika ny ray aman-dreny no te hiaro avy hatrany ny zanany. Mety tsy hahasoa azy anefa izany. Aoka hatao hoe nividiananao kitapo ny zanakao. Nampindraminy ny namany anefa ilay izy, ary tsy naveriny intsony. Ahoana no ataonao? Azonao atao ny mividy kitapo ho azy indray. Raha asainao manao zavatra anefa izy mba hahazoana an’ilay kitapo, na asainao manangom-bola mba hividianana kitapo vaovao, dia azo inoana fa ho malina kokoa izy amin’ny manaraka.—Rom. 13:4.

19. Inona no tokony hampianarintsika ny mpianatra Baiboly, ary ahoana no hanaovantsika izany?

19 Naniraka ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hampianatra ny hafa. (Mat. 28:20) Anisan’ny zava-dehibe indrindra tokony hampianarintsika ny mpianatra Baiboly ny fomba handraisana fanapahan-kevitra tsara. Mila mitandrina isika mba tsy hilaza aminy izay tokony hataony. Tsara kokoa raha ampianarina hamakafaka ny toro lalan’ny Baiboly izy, mba ho izy ihany no hanapa-kevitra. Mbola “samy hataon’Andriamanitra ampamoaka” mantsy “isika tsirairay avy.” (Rom. 14:12) Tena zava-dehibe àry ny mandray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava momba izany ilay lahatsoratra hoe “Hanaiky Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra na Fitsaboana Ampiasana ny Rako ve Aho?” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006, pejy 3-6.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no mila mianatra ny fomba handraisana fanapahan-kevitra?

• Inona no mety ho vokatry ny tahotra, ary ahoana no handresentsika izany?

• Inona ny dingana enina hanampy antsika handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 16]

Dingana Handraisana Fanapahan-kevitra Tsara

1 Aza Manambony Tena

2 Manaova Fikarohana

3 Mivavaha mba Hahazo Fahendrena

4 Mandraisa Fanapahan-kevitra

5 Tanteraho Ilay Fanapahan-kevitra

6 Diniho Indray Ilay Izy ary Manaova Fanovana Raha Ilaina

[Sary, pejy 15]

Toy ny olona ao anaty sambo tsy misy familiana, eo ambonin’ny ranomasina misamboaravoara, ny olona misalasala manapa-kevitra