Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny “Vokatry ny Fanahy”

Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny “Vokatry ny Fanahy”

Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny “Vokatry ny Fanahy”

“Raha mamoa be hatrany ianareo ... dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.”—JAONA 15:8.

1, 2. a) Amin’ny fotoana toy inona isika no afaka mampahery ny hafa? b) Inona no omen’i Jehovah antsika mba hanatsarantsika ny fanompoana?

VOAMARIKY ny anabavy iray hoe sahiran-tsaina ny anabavy tanora iray. Nanao fotoana taminy àry izy mba hiara-manompo aminy. Nitantara ny nahazo azy ilay anabavy tanora, teny am-pitoriana. Tsara fanahy sy be fitiavana ilay anabavy matotra, ka nisaotra an’i Jehovah ilay anabavy tanora ny harivan’iny, satria izany mihitsy no nilainy. Eritrereto koa izao: Vao niverina nody avy nanitatra faritany ny mpivady iray. Nanatrika fiaraha-mikorana izy ireo, ary faly erỳ nitantara ny fanompoany tany. Nihaino tsara ny rahalahy tanora iray nanatrika teo. Niomana hamonjy ny faritaniny koa io rahalahy io, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nahatsiaro an’ilay mpivady. Tsaroany ny resak’izy ireo, izay nahatonga azy haniry ho mpisava lalana manokana.

2 Efa nisy zavatra nataon’olona ve nampiova ny fiainanao, sa ianao no efa nanao zavatra nampiova fiainan’olona? Mahalana ny hoe vao miresaka indray mandeha isika, dia hampiova olona. Azo atao foana anefa ny mampahery olona isan’andro. Nanome fanomezana iray i Jehovah, mba hanatsarantsika ny fanompoantsika sy ny toetrantsika. Ho afaka hanampy kokoa an’ireo rahalahy isika amin’izay, sady ho azon’i Jehovah ampiasaina bebe kokoa. Tsy inona io fanomezana io fa ny fanahy masina. (Lioka 11:13) Lasa manana toetra mahafinaritra isika, rehefa mahazo azy io, ka mihatsara ny lafiny rehetra amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra. Fanomezana tena tsara tokoa izy io!—Vakio ny Galatianina 5:22, 23.

3. a) Nahoana no manome voninahitra an’Andriamanitra ny fanehoana “ny vokatry ny fanahy”? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

3 Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanahy masina, ary mampiseho taratra ny toetrany ny vokatr’io fanahy io. (Kol. 3:9, 10) Ilaintsika ny manahaka an’Andriamanitra, satria hoy i Jesosy: ‘Raha mamoa be hatrany ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.’ * (Jaona 15:8) Izany no antony lehibe indrindra hanahafantsika an’i Jehovah. Rehefa “mamoa” isika ka maneho “ny vokatry ny fanahy”, dia miharihary amin’ny fomba fitenintsika sy ny zavatra ataontsika ny vokany, ka manome voninahitra an’Andriamanitra. (Mat. 5:16) Hodinihintsika izao hoe: Inona no tsy itovizan’ny vokatry ny fanahy sy ny toetran’ny olona eo amin’ny tontolon’i Satana? Inona no hanampy antsika haneho ny vokatry ny fanahy, ary nahoana izany no mety ho sarotra amintsika? Hovaliantsika ireo, eo am-pandinihana an’ireo toetra telo anisan’ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana sy ny fifaliana ary ny fiadanana.

Fitiavana toy ny fitiavan’Andriamanitra

4. Karazam-pitiavana manao ahoana no nampirisihan’i Jesosy hananan’ny mpianany?

4 Tsy mitovy amin’ny fitiavana mahazatra ny olona, ilay fitiavana anisan’ny vokatry ny fanahy. Mitovy amin’ny fitiavana asehon’Andriamanitra izy io. Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra izany fahasamihafana izany. (Vakio ny Matio 5:43-48.) Nilaza izy fa tsy mahafoy tena ho an’ny hafa ny olona, fa izay ataon’ny olona aminy ihany no avaliny azy. Fitia mifamaly fotsiny izany. Na ny mpanota aza manao toy izany, hoy i Jesosy. Tsy tokony hanao toy izany kosa isika, raha te ho ‘zanaky ny Raintsika any an-danitra.’ Tsy izay ataon’ny hafa amintsika fotsiny no ataontsika aminy. Miezaka kosa isika hihevitra ny olona toy ny iheveran’i Jehovah azy, ary hitondra azy ireny toy ny itondran’i Jehovah azy. Nandidy antsika ho tia ny fahavalontsika koa anefa i Jesosy. Ahoana no hahavitantsika izany?

5. Ahoana no azontsika ampisehoana fa tia ny fahavalontsika isika?

5 Handinika ohatra iray isika. Nosamborina i Paoly sy Silasy, rehefa nitory tany Filipy. Nokapohina imbetsaka izy ireo ary nogadraina, sady nogejaina tamin’ny boloky hazo ny tongony. Mety ho nampijaly azy ireo koa ilay mpiambina. Nisy horohoron-tany tampoka anefa, ka afaka izy ireo! Nohararaotin’izy ireo ve izany mba hamaliana faty? Tsia. Niahy izay hahasoa an’ilay mpiambina kosa izy ireo, ka naneho fitiavana feno fahafoizan-tena. Nanao zavatra haingana izy ireo mba hanampiana an’ilay mpiambina. Lasa mpino izy io sy ny fianakaviany, vokatr’izany. (Asa. 16:19-34) Maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ankehitriny koa no manahaka an’i Paoly sy Silasy, ka ‘mirary soa ho an’izay manenjika azy.’—Rom. 12:14.

6. Ahoana no ampisehoantsika fa maneho fitiavana feno fahafoizan-tena amin’ireo rahalahintsika isika? (Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 21.)

6 Hafa mihitsy anefa ny fitiavantsika ny mpiray finoana amintsika. “Tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny rahalahintsika isika.” (Vakio ny 1 Jaona 3:16-18.) Tena lehibe tokoa izany. Afaka maneho fitiavana amin’ny zavatra madinika kokoa anefa isika matetika. Afaka miezaka hamitram-pihavanana, ohatra, isika, raha nanao zavatra nanafintohina an’ireo rahalahintsika. (Mat. 5:23, 24) Ary ahoana raha isika no nisy nanafintohina? “Vonona hamela heloka” ve isika, sa mitana lolompo indraindray? (Sal. 86:5) Mandrisika antsika tsy hanao am-po ny fahadisoana madinika natao tamintsika ny fitiavana lalina, izay vokatry ny fanahy. Hanampy antsika izany mba ‘hamela heloka tanteraka’, toy ny ataon’i Jehovah amintsika.—Kol. 3:13, 14; 1 Pet. 4:8.

7, 8. a) Inona no hanampy antsika hampitombo ny fitiavantsika an’ireo rahalahintsika? b) Inona no hanampy antsika ho tia kokoa an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo ambany.)

7 Inona no hanampy antsika haneho fitiavana feno fahafoizan-tena amin’ireo rahalahintsika? Mila mampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika. (Efes. 5:1, 2; 1 Jaona 4:9-11, 20, 21) Hanampy antsika amin’izany ny famakiana Baiboly sy ny fisaintsainana ary ny vavaka. Mifandray akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra isika amin’ireny fotoana ireny, ka mahazo fampaherezana, ary lasa mitombo ny fitiavantsika azy. Mila manokana fotoana anefa isika, mba hifandraisana akaiky amin’Andriamanitra.

8 Ahoana raha ora iray voafaritra ihany isan’andro no azo amakiana Baiboly sy isaintsainana, ary ivavahana? Tsy hahasarotiny anao ve io fotoana manokana ifandraisanao amin’i Jehovah io, ka tsy avelanao hisy zavatra hafa hisosoka azy? Marina fa ohatra fotsiny io, satria afaka mivavaka foana ianao amin’izay ora tianao, ary afaka mamaky Baiboly ny ankamaroantsika amin’ny fotoana tiantsika. Be atao anefa isika isan’andro, ka mila miady mafy mba tsy hahavoahelingelina ny fotoana manokana hifandraisantsika amin’i Jehovah. Miezaka àry ve ianao mba hanokana fotoana faran’izay betsaka hifandraisana akaiky amin’i Jehovah isan’andro?

‘Fifaliana avy amin’ny fanahy masina’

9. Inona no mampiavaka ny fifaliana, izay anisan’ny vokatry ny fanahy?

9 Miavaka ny vokatry ny fanahy, satria tsy mora miala amintsika na dia misy aza ny olana. Anisan’izany ny fifaliana, izay toy ny zavamaniry mafy toto, ka mandrobona foana na any amin’ny tany ngazana aza. Eritrereto ange e! Maro amin’ireo mpanompon’Andriamanitra eran-tany no “nandray ny teny tao anatin’ny fahoriana be”, nefa koa nanana “fifaliana avy tamin’ny fanahy masina.” (1 Tes. 1:6) Nisy koa namoy havana na fananana, na niaritra zava-tsarotra hafa. Omen’i Jehovah hery amin’ny alalan’ny fanahiny anefa izy ireo, mba hahafahany “hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.”—Kol. 1:11.

10. Inona no mahatonga antsika ho faly?

10 Inona no mahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho faly? Omen’i Jehovah harena ara-panahy isika. Tsy mety simba izy ireny, fa tsy mba toy ny “harena tsy azo antoka” eto amin’ity tontolo ity. (1 Tim. 6:17; Mat. 6:19, 20) Omeny fanantenana mahafaly, ohatra, isika, dia ny fiainana mandrakizay. Faly koa isika satria anisan’ny fianakaviamben’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra anefa no mahafaly antsika indrindra. Mitovy fihetseham-po amin’i Davida isika, izay nidera an’i Jehovah na dia voatery nandositra foana aza. Nihira izy hoe: “Tsara noho ny aina ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, ka hidera anao ny molotro. Koa hisaotra anao aho, mandritra ny androm-piainako.” (Sal. 63:3, 4) Te hidera an’Andriamanitra amim-pifaliana isika, na dia rehefa misy olana aza.

11. Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana?

11 Hoy ny apostoly Paoly: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo, eny, hoy indray aho: Mifalia!” (Fil. 4:4) Nahoana ny Kristianina no tokony hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana? Noho ny fiampangana nataon’i Satana, mifandray amin’ny zon’i Jehovah hitondra. Nilaza i Satana hoe tsy misy olona manompo an’Andriamanitra an-tsitrapo. (Joba 1:9-11) Raha heverintsika ho adidy fotsiny àry ny fanompoana an’i Jehovah, fa tsy ataontsika amim-pifaliana, dia misy tsininy ny sorona fiderana ataontsika. Noho izany, dia mila miezaka isika hanaraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Manompoa an’i Jehovah amim-pifaliana. Mankanesa eo anatrehany amim-pihobiana.” (Sal. 100:2) Manome voninahitra an’Andriamanitra ny fanompoana atao an-tsitrapo sy amim-pifaliana.

12, 13. Inona no azontsika atao mba handresena ny hakiviana?

12 Na ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aza anefa mety ho kivy sy tsy mora mahita lafy tsaran-javatra indraindray. Ara-dalàna izany. (Fil. 2:25-30) Inona no hanampy antsika rehefa mitranga izany? Hoy ny Efesianina 5:18, 19: ‘Aoka ianareo ho feno fanahy masina hatrany, ka hampiasa ny salamo sy fiderana ary hira momba an’Andriamanitra, ary mihirà amin’ny fo miaraka amin’ny mozika, ho an’i Jehovah.’ Ahoana no hampiharana an’izany?

13 Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika, rehefa ketraka. Tsara koa ny miezaka misaintsaina zavatra mendri-piderana. (Vakio ny Filipianina 4:6-9.) Misy, ohatra, mandefa hiran’ilay Fanjakana sady manaraka moramora an’ilay izy. Mampahery azy izany, sady mahatonga ny sainy hifantoka amin-javatra tsara. Hoy ny rahalahy iray niatrika fahoriana mafy, ka kivy matetika: “Nivavaka tamin-kafanam-po sy matetika aho, ary niezaka nitadidy hiran’ilay Fanjakana vitsivitsy. Nampitony ny foko ny fihirana an’ireny hira kanto fiderana an’i Jehovah ireny, na tamin’ny feo avo izany, na anakampo. Nivoaka koa tamin’izay ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. Namaky azy io indroa aho ny taona nanaraka. Toy ny menaka nampitony ny fahorian’ny foko ilay izy. Tsapako hoe nitahy ny ezaka nataoko i Jehovah.”

Mampiray saina ny fiadanana

14. Inona no zavatra miavaka vitan’ny fiadanana, izay anisan’ny vokatry ny fanahy?

14 Tena faly ireo mpanatrika fivoriambe iraisam-pirenena, satria mifandray amin’ireo rahalahy sy anabavy samy hafa fiaviana. Hita amin’ireny fotoana ireny fa miray saina tokoa ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany. Ny fihavanana, izay azo adika koa hoe fiadanana, no mahatonga izany. Gaga ny olona mahita izany, satria matetika no mifandrafy ny olona samy hafa fiaviana eto amin’ity tontolo ity. Ny mpanompon’i Jehovah kosa anefa ‘miezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.’ (Efes. 4:3) Vao mainka mahavariana io firaisan-tsaina io, rehefa eritreretina ny olana tsy maintsy noresen’ny mpanompon’Andriamanitra maro.

15, 16. a) Nanao ahoana taloha ny fiheveran’i Petera ny hafa firenena, ary nahoana izany no niteraka olana ho azy? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Petera mba hanitsiany ny toe-tsainy?

15 Sarotra amin’ny olona samy hafa fiaviana ny miray saina. Misy toe-tsaina tsy maintsy resena, mba hahatongavana amin’izany. Niady tamin’izany koa ny apostoly Petera. Hita amin’ireto teniny ireto ny fomba niheverany an’ireo olona hafa firenena tsy voafora. Hoy izy: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny miaraka amin’ny hafa firenena na ny manatona azy. Nasehon’Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho.” (Asa. 10:24-29; 11:1-3) Nihevitra i Petera fa voalazan’ny Lalàna hoe ny Jiosy toa azy ihany no tokony hotiaviny. Izany no fitaizana azony, ary izany koa no fomba fihevitry ny ankamaroan’ny Jiosy. Mety ho nihevitra àry izy hoe fahavalo ny hafa firenena ka tokony hankahalaina. *

16 Azo inoana fa sadaikatra be i Petera rehefa niditra tao an-tranon’i Kornelio. Afaka ny hihavana amin’ny olona hafa firenena ve izy, nefa tsy tia azy ireny taloha? Ho “tafakambana mirindra tsara” ve izy ireo, izany hoe hiray saina ao anatin’ny “fihavanana”? (Efes. 4:3, 16) Tanteraka anefa izany! Nanokatra ny fon’i Petera mantsy ny fanahin’Andriamanitra, andro vitsivitsy talohan’izay, ka nanampy azy hanitsy ny toe-tsainy sy tsy hitsara an-tendrony intsony. Nahazo fahitana izy nampiseho hoe tsy miankina amin’ny fiavian’ny olona iray, na ny fireneny, ny fiheveran’Andriamanitra ny olona. (Asa. 10:10-15) Niteny tamin’i Kornelio àry i Petera hoe: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35) Niova i Petera, ka nanjary tena tafaray tamin’ireo “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”—1 Pet. 2:17.

17. Nahoana no tena miavaka ny firaisan-tsaina misy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra?

17 Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny no nanao fiovana lehibe, toa an’i Petera. (Vakio ny Isaia 2:3, 4.) Olona an-tapitrisany “avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” no nanitsy ny toe-tsainy mba hifanaraka amin’ny “sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Apok. 7:9; Rom. 12:2) Nisy fiantraikany tamin’ny toe-tsain’izy ireo taloha ny fankahalana sy fandrafiana ary fizarazarana misy eo amin’ny tontolon’i Satana. Nianatra ny Tenin’Andriamanitra anefa izy ireo, ary nampian’ny fanahy masina, ka nianatra “hampisy fihavanana.” (Rom. 14:19) Lasa miray saina izy ireo vokatr’izany, ary manome voninahitra an’Andriamanitra izany.

18, 19. a) Inona no azontsika tsirairay atao, mba hampisy fihavanana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Inona no azontsika tsirairay atao, mba hampisy fihavanana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra? Mety hisy vahiny na olona avy any amin’ny faritany samihafa eo anivon’ny fiangonantsika. Tsy mitovy amin’ny fombantsika angamba ny fomban’izy ireny. Tsy mahay tsara ny fitenintsika koa angamba izy ireny. Miezaka ve isika mba hifankahalala aminy? Izany no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy i Paoly tamin’ny fiangonana tao Roma, izay nisy Jiosy sy hafa firenena: “Nandray tsara antsika i Kristy, koa mifandraisa tsara tahaka izany koa ianareo, ho voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 15:7) Misy olona tokony hofantarinao bebe kokoa àry ve eo anivon’ny fiangonanao?

19 Mbola misy zavatra hafa azontsika atao mba hiasan’ny fanahy masina eo amintsika. Hijery an’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, sady handinika an’ireo toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mamoaka voa ny hoe mamoa. Ny voa vokarina tian’i Jesosy horesahina teo, dia ny “vokatry ny fanahy”, sy ny “vokatry ny molotra” atolotry ny Kristianina ho an’Andriamanitra rehefa mitory ilay Fanjakana.—Heb. 13:15.

^ feh. 15 Hoy ny Levitikosy 19:18: “Aza mamaly faty na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Nihevitra ireo mpitondra fivavahana jiosy hoe ny Jiosy ihany no atao hoe “zanaky ny firenenao” sy “namanao.” Marina fa milaza ny Lalàna hoe tsy tokony hifandray amin’ny hafa firenena ny Israelita. Tsy manohana ny hevitr’ireo mpitondra fivavahana ireo anefa ny Lalàna, dia ny hoe fahavalo daholo izay tsy Jiosy ary tokony hankahalaina.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ampisehoantsika fa maneho fitiavana feno fahafoizan-tena amin’ireo rahalahintsika isika?

• Nahoana isika no tokony hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana?

• Inona no azontsika atao mba hampisy fihavanana, na fiadanana, eo anivon’ny fiangonana?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 21]

“Ireo no Tena Kristianina”

Nigadra tany amin’ny toby fitanana tao Neuengamme, tany Alemaina, ny tovolahy jiosy iray. Tao izy no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no notantarainy, tao amin’ny boky iray miresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’i Hitler:

“Tonga dia nanafina ny zavatra nananany ny Jiosy hafa tao amin’ny toby, raha vao tonga avy tany Dachau izahay. Tsy te hizara taminay izy ireo. ... Nifanampy ny Jiosy tamin’ny mbola tsy nigadra, kanefa notandindomin-doza ny ainay tao amin’ny toby, ka samy nanao izay hamonjena ny tenany ny rehetra. Hafa mihitsy anefa ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy maintsy niasa mafy izy ireo nanamboatra fantsona simba. Nangatsiaka koa ny andro, ary nijoro tao anaty rano mamanala izy ireo tontolo andro. Gaga daholo izahay hoe ahoana no nahavitan’izy ireo niaritra an’izany. Nilaza izy ireo hoe nomen’i Jehovah hery izy ireo. Tena nilain’izy ireo koa ny anjara mofony, satria noana izy ireo, hoatra anay ihany. Gaga anefa izahay fa nangonin’izy ireo ny anjara mofony. Nozarainy roa ilay izy, ka nomeny an’ireo mpiray finoana taminy vao tonga avy any Dachau ny antsasany. Faly izy ireo rehefa tonga ireo mpiray finoana aminy, ka niarahaba azy sy nanoroka azy. Nivavaka koa izy ireo talohan’ny hisakafo, ary afa-po sy faly rehefa avy nisakafo, sady nilaza hoe tsy noana intsony. Niaiky aho tamin’izay hoe: Ireo no tena Kristianina.”

[Sary, pejy 19]

Angalanao ve ny fotoana anaovanao zavatra hafa, mba hahafahanao mifandray akaiky amin’i Jehovah isan’andro?