Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Antsika Hanao ny Marina Foana?

Inona no Hanampy Antsika Hanao ny Marina Foana?

Inona no Hanampy Antsika Hanao ny Marina Foana?

MIELY hatraiza hatraiza toy ny rivotra ny tsy fanaovana ny marina. Mandainga ny olona, mangalatra, tsy mandoa trosa, ary mirehareha erỳ rehefa mahavita mamitaka olona amin’ny raharaham-barotra. Misy koa manararaotra amin’ny vidin-javatra na amin’ny karama alainy. Inona àry no hanampy antsika hanao ny marina foana, na dia mety ho sarotra aza izany? Mila matahotra an’i Jehovah isika, miezaka hanana feon’ny fieritreretana madio, ary mianina amin’izay ananantsika. Handinika an’ireo zavatra telo ireo isika izao.

Matahora an’i Jehovah

Hoy ny Isaia 33:22: “I Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna antsika, Jehovah no Mpanjakantsika.” Lasa matahotra an’i Jehovah isika, rehefa manaiky an’ireo toerana tanany ireo. Hanampy antsika io tahotra io mba ho tapa-kevitra hanohitra ny fakam-panahy hanao ny tsy marina. Hoy ny Ohabolana 16:6: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.” Ny hoe matahotra an’i Jehovah dia tsy midika hoe mihorohoro sao hamaly faty izy. Midika kosa izany hoe manahy sao tsy hampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra, dia ilay tena miahy ny hahasoa antsika.—1 Pet. 3:12.

Misy vokany tsara io tahotra io, araka ny asehon’ny tantaran’i Ricardo sy Fernanda vadiny. * Naka vola tany amin’ny banky izy mivady indray mandeha. Mitovy sanda amin’ny 1 400 000 ariary ny vola nalainy. Tsy nisainy ilay vola fa tonga dia nampiriminy tao anaty poketra. Nandoa vola tany amin’olona izy ireo avy eo, kanefa gaga rehefa tonga tany an-trano, fa zara raha nihetsika ilay vola. Tsapan’izy ireo àry fa nihoatra ny vola nomen’ilay mpiasan’ny banky. Betsaka ny trosan’izy mivady, ka tonga tao an-tsainy ihany ny hoe hitazona an’ilay vola. Hoy anefa i Ricardo: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba homeny herim-po hamerina an’ilay vola. Te hampifaly an’i Jehovah izahay, noho ilay fiangaviany ao amin’ny Ohabolana 27:11, ka naverinay ilay vola.”

Manàna feon’ny fieritreretana voavolavolan’ny Baiboly

Ilaina ny mianatra Baiboly sy miezaka mampihatra izay ianarantsika, raha tiantsika hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Amin’izay dia hanohina ny fontsika ‘ny tenin’Andriamanitra izay velona sy mahery’, fa tsy hoe hameno ny saintsika fotsiny. Handrisika antsika izany mba “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.”—Heb. 4:12; 13:18.

Diniho ny tantaran’i João. Nananan’olona vola be izy, tokotokony ho 10 tapitrisa ariary. Mbola tsy voaloany ilay vola, nefa nifindra tany amin’ny tanàna hafa izy. Nianatra ny fahamarinana izy, valo taona tatỳ aoriana, ka nanjary voavolavolan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretany. Nankany amin’ilay tompon-trosa àry izy. Noho izy kely karama, ary tsy maintsy mamelona ny vadiny sy ny zanany efatra, dia navelan’ilay tompon-trosa haloany tsikelikely isam-bolana ilay vola.

Mahaiza mianina

Hoy ny apostoly Paoly: ‘Fomba hahazoan-tombony be ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.’ (1 Tim. 6:6-8) Raha manao an’izany isika, dia ho vitantsika ny handa, rehefa misy mampirisika antsika hanao raharaham-barotra maizimaizina, na raharaham-barotra lazaina hoe mampanan-karena haingana. (Ohab. 28:20) Ho vitantsika koa ny hanao ny Fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana, ary hatoky fa hahazo izay tena ilaintsika isika.—Mat. 6:25-34.

‘Mamitaka ny harena’, ka tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy mba isika mihitsy no ho matimatin-karena na hitsiriritra. (Mat. 13:22) Tsarovy i Akana. Hitany ilay fahagagana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny Israelita miampita ny Reniranon’i Jordana. Na izany aza, dia resin’ny fitiavan-karena izy. Nangalatra volafotsy sy volamena ary akanjo lafo vidy avy tamin’ireo zavatra babo tany Jeriko izy. Nasaina novonoina izy vokatr’izany. (Jos. 7:1, 20-26) Tsy mahagaga raha hoy i Jesosy: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana.”—Lioka 12:15.

Manaova ny marina any am-piasana

Misy toe-javatra sasany mety hanasarotra ny fanaovantsika ny marina. Hodinihintsika, ohatra, ny any am-piasana. Tafiditra amin’ny hoe manao ny marina any am-piasana ny hoe ‘tsy mangalatra’, na dia izany aza no fanaon’ny olona. (Tit. 2:9, 10) Diniho ny nataon’i Jean, mpiasam-panjakana. Tsy maintsy milaza izay vola laniny izy, isaky ny avy mandeha lavitra mamita iraka. Nilaza ny marina foana izy tamin’izany. Tsy mba nanao toy izany ny mpiara-miasa taminy fa naka vola mihoatra. Ny lehiben’izy ireo rahateo niaro azy ireo. I Jean indray aza no nobedesiny, ka tsy nampanaoviny iraka intsony. Nisy fanamarinana kaonty natao tao amin’ny fiasan’izy ireo tatỳ aoriana, ary nahazo teny fiderana i Jean satria nanao ny marina. Tsy izay ihany fa nomena toerana ambony kokoa izy.

Diniho koa ny nataon’i André, izay miasa ao amin’ny fivarotana iray. Nasain’ny mpampiasa azy nandainga izy mba hakana vola avo roa heny tamin’ny mpividy. Nivavaka tamin’i Jehovah io rahalahintsika io mba hananany herim-po hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. (Sal. 145:18-20) Nohazavainy tamin’ilay mpampiasa azy koa hoe nahoana izy no tsy ho afaka hanaraka ny teniny. Tsy nanaiky anefa ilay mpampiasa, ka niala i André, na dia be karama aza. Nangataka azy hiverina ilay mpampiasa herintaona tatỳ aoriana, sady nanome toky azy hoe tsy hasaina mandainga intsony izy. Nataony mpitantana ny fivarotana mihitsy aza i André.

Aloavy ny trosanao

Nanoro hevitra ny Kristianina i Paoly hoe: “Aoka tsy hisy trosan’olona any aminareo.” (Rom. 13:8) Mety hitady fialan-tsiny mba tsy handoavana ny trosan’olona isika, ka hieritreritra hoe efa be vola izy ka tsy mila an’ilay vola intsony. Hoy anefa ny Baiboly: “Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina.”—Sal. 37:21.

Ahoana anefa raha “azon-tsampona” isika, ka tsy mahaloa trosa? (Mpito. 9:11) Diniho izay nataon’i Francisco. Nindrana vola, tokotokony ho 14 tapitrisa ariary, tamin’ny banky izy hividianana trano, ary nitrosa tamin’i Alfredo avy eo mba hamerenana an’io vola io. Nisy olana anefa tamin’ny varotra nataony, ka tsy voaveriny tamin’ilay fotoana nifanarahana ny volan’i Alfredo. Nandeha niresaka tamin’i Alfredo àry izy, ary naloa tsikelikely ilay vola.

Aza mihatsaravelatsihy

Tsaroanao angamba ny zava-dratsy nataon’i Ananiasy sy Safira, mpivady anisan’ny fiangonana kristianina voalohany. Nivarotra tany izy ireo, ary nomeny an’ireo apostoly ny ampahany tamin’ny vola azony. Nolazainy anefa hoe ny vola rehetra azony ilay izy. Te hiseho ho malala-tanana be izy mivady, mba hampiaiky volana ny olona. Nahazo herin’ny fanahy masina anefa ny apostoly Petera, ka nampibaribary ny fitak’izy ireo. Novonoin’i Jehovah izy mivady taorian’izay.—Asa. 5:1-11.

Tsy mba nihatsaravelatsihy toy izany kosa ireo mpanoratra Baiboly, fa nilaza ny marina. Anisan’izany i Mosesy. Notantarainy fa nisafoaka be izy, ka tsy nahazo niditra ny Tany Nampanantenaina vokatr’izany. (Nom. 20:7-13) Toy izany koa i Jona. Tsy nafeniny ny fahadisoana nataony taloha sy taorian’ny nitoriany tamin’ireo Ninivita, fa nosoratany.—Jona 1:1-3; 4:1-3.

Mila manana herim-po koa isika, raha te hilaza ny marina, na dia mety hamoizana zavatra aza izany. Diniho ny nataon’i Nathalia, 14 taona. Nijery ny taratasim-panadinany izy indray mandeha, ary hitany fa diso ny valin-teny iray nomeny, nefa nomarihin’ny mpampianatra hoe marina. Nolazainy tamin’ilay mpampianatra ilay izy, na dia fantany aza hoe hihena ny naotiny. Hoy izy: “Nampianarin’i Dada sy Neny ahy hoe tsy maintsy manao ny marina aho, raha te hampifaly an’i Jehovah. Nenjehin’ny eritreritro aho raha tsy nilaza tamin’ilay mpampianatra.” Faly ilay mpampianatra hoe nanao ny marina i Nathalia.

Manome voninahitra an’i Jehovah ny fanaovana ny marina

Nahita kitapo nisy taratasy sy vola tokotokony ho fito alina ariary i Giselle, ankizivavy 17 taona. Niangavy an’ireo tompon’andraikitra tao am-pianarany izy, mba hamerina an’ilay kitapo amin’ny tompony. Namaky taratasy tamin’ny mpiara-mianatra tamin’i Giselle ny tale lefitry ny sekoly, iray volana taorian’izay. Fiderana an’i Giselle ilay izy, noho izy nanao ny marina. Noderaina koa ny ray aman-dreniny, noho izy ireo mitaiza tsara an’i Giselle sy mampianatra azy Baiboly. Nanome voninahitra an’i Jehovah ny “asa tsara” nataon’i Giselle.—Mat. 5:14-16.

Marina fa mila miady mafy isika mba hanaovana ny marina, satria “tia tena” ny olona, ‘tia vola, matin-kambo, manambony tena, ary tsy mena-mivadika.’ (2 Tim. 3:2) Afaka ny hanao ny marina foana anefa isika, raha matahotra an’i Jehovah, miezaka hanana feon’ny fieritreretana voavolavolan’ny Baiboly, ary mahay mianina. Raha manao izany koa isika, dia hifandray kokoa amin’i Jehovah, ilay ‘manao ny rariny sy tena tia ny rariny.’—Sal. 11:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 7]

Ho tapa-kevitra kokoa ny hanao ny marina isika, raha matahotra an’i Jehovah

[Sary, pejy 8]

Manome voninahitra an’i Jehovah ny fanaovana ny marina