Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Nahoana isika no mino fa tena nisy ny zaridainan’i Edena?

Tena nisy izy io raha ny fitantaran’ny Baiboly azy, satria lazainy hoe taiza ho aiza no nisy azy. Mbola misy ankehitriny ny renirano roa voaresaka ao. Mazàna ny angano no tsy manome tsipiriany toy izany. Nilaza koa i Jesosy fa olona tena nisy i Adama sy Eva. I Jesosy no Vavolombelona azo itokisana indrindra.—1/1, pejy 5-6, 9.

• Fantatr’Andriamanitra ve fa hanota i Adama sy Eva?

Tsia. Nataon’Andriamanitra afaka misaina sy misafidy izy mivady, ka afaka nifidy ny hankatò na tsia. Marina fa afaka mamantatra ny hoavy Andriamanitra, nefa fidìny ny zavatra hofantarina mialoha.—1/1, pejy 13-15.

• Mampiasa ny anaran’Andriamanitra ho toy ny ody atao fiaro ve ny tena Kristianina?

Misy zavatra na famantarana heverin’ny olona sasany hoe manana hery hafahafa afaka miaro azy. Tsy toy izany anefa no fiheveran’ny tena Kristianina ny anaran’Andriamanitra. Mialoka amin’ny anaran’i Jehovah kosa izy ireo, izany hoe mino azy sady miezaka manao ny sitrapony. (Zef. 3:12, 13)—15/1, pejy 5-6.

• Iza no nandray soa tamin’ny fitsimponana ny sisa tavela tamin’ny vokatra?

Nandray soa ny rehetra. Nampianatra an’ireo mahantra mba hazoto miasa izany, satria tsy maintsy niezaka nanangona ny sisa tavela tamin’ny vokatra izy ireo. Nandray soa koa ny hafa satria lasa nalala-tanana sy niantehitra tamin’ny fitahian’Andriamanitra.—1/2, pejy 15.

• Nahoana i Saoly no nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka?

Tokony ho niandry ny mpaminany i Saoly mba hanolotra ny sorona. Tsy nankatò anefa izy, fa izy indray no nanolotra an’ilay izy. Nasain’Andriamanitra handringana tanteraka ny fahavalo koa i Saoly tatỳ aoriana. Mbola tsy nankatò indray anefa izy.—15/2, pejy 22-23.

• Ahoana no ampisehoantsika fa mankahala ny fandikan-dalàna isika?

Asehontsika izany rehefa tsy misotro toaka tafahoatra isika, manalavitra ny asan’ny maizina, ary manaraka ny fampitandreman’i Jesosy momba ny fitondran-tena. Hohalavirintsika, ohatra, ny boky sy sary vetaveta ary ny eritreri-dratsy aterak’izany. (Mat. 5:27, 28) Tsy hifanerasera amin’olona voaroaka koa isika.—15/2, pejy 29-32.

• Nahoana no mahaliana antsika ireo tranon-tantely tranainy hita tany Israely?

Nahita tranon-tantely 30 mahery tany Israely ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany. Nety ho nahazoana ranon-tantely 500 kilao isan-taona tany ho any izy ireo. Midika izany fa nisy fiompiana tantely tao amin’ilay tany, izay nolazain’Andriamanitra hoe “tondra-dronono sy tantely.” (Eks. 3:8)—1/3, pejy 15.

• Nahoana i Jeremia no toy ny hazo ‘nambolena eo amoron-drano, izay mampisandrahaka ny fakany’? (Jer. 17:7, 8)

Satria namoa foana izy, izany hoe nitory foana, fa tsy nanaiky ho voarebirebin’ny mpaneso. Niantehitra foana tamin’ilay Mpanome rano mahavelona izy, ary nandray am-po izay nolazain’i Jehovah taminy.—15/3, pejy 14.

• Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’i Marta rehefa niteny izy hoe ‘zavatra vitsivitsy ihany no ilaina, eny, iray monja aza’? (Lioka 10:41, 42)

Tsy te hilaza i Jesosy hoe niahy tafahoatra ny zavatra ara-nofo i Marta, rehefa nikarakara sakafo isan-karazany. Tsy te hilaza koa izy hoe tsy nisy dikany ny asa mafy nataon’io vehivavy io. Tiany hasongadina kosa izay zava-dehibe kokoa. Fotoana tsy manan-tsahala nahafahan’i Marta nanatanjaka ny finoany tamin’io, nefa tsy nohararaotiny.—1/4, pejy 12-13.

• Inona no zavatra tsy ara-dalàna nitranga tamin’ny fitsarana an’i Jesosy?

Tsy nisy vavolombelona niaro an’i Jesosy, tamin’ilay fitsarana. Vavolombelona mandainga no nantsoina. Tamin’ny alina no natao ilay fitsarana. Novitaina tao anatin’ny iray andro koa ilay izy.—1/4, pejy 20.